Manana adidy lehibe izay olona sy mpikambana voatendrin'ny Fiangonana hiandraikitra ny "Justice et Paix" mba hiaro tanteraka ny rariny sy ny hitsiny ary ny fandriam-pahalemana. Ny zo aman'adidy dia izay voafaritry ny lalàna sy ny fitsipika ifampifehezana, mifamatotra ireo ; Ny rariny sy ny hitsiny dia tsy hoe izay voafaritry ny lalàna no hampiarina fahatany fa fanapahan-kevitra voalanjalanja... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ny fiketrahana Masina irery no manana fahefana faratampony amin'ny fandaminana, fanovana Litorjia. Ny Eveka afaka manova araka izay lalàna manan-kery, izay voarakitra ao amin'ireo tahirin-kevitra maro misy eo amin'ny Eglizy. Omena fahefana ihany ko any CEM amin'ny fandaminana ny fanompoam-pivavahana. Ny fanavaozana dia atao amin'ny fahefana ara-kanônika... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Ny fanavaozana ny Litorjia dia tsy atao noho ny lamaody fa amin'ny antony lalina sy fototra (fahasoavana, fiombonana, finoana). Tsy maintsy mitandrina amin'ny fahamarinam-pampianarana sy manaja ny fomban-drazana masina ; ny Eglizy no mitahiry ny lova-panahy, tahirin-kevitra voahangona manaja ny lalàna. Alohan'ny hanavaozana dia atao ny fandalinana maro lafy... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

• Manome 48 ora ireo tompon'andraikitra teo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika teo aloha, izay efa nesorina tamin'ny andraikiny, ny fitondram-panjakna ankehitriny mba hamerenan'izy ireo ny fitaovam-panjakana izay mbola ampiasainy... • Milaza ho tsy mahazaka ny ambaran'izy ireo ho tsindry sy fampihorohoroana ataon'ny Tale Jeneralin'ny CNAPMAD, ireo mpiasa sasantsasany eo anivon'ity orinasa ity... • Handray ny fihaonana antampon'ireo firenena Afrikana aty amin'ny faritra andrefana, misehatra amin'ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza, isika eto Madagasikara ny 25 hatramin'ny 27 novambra 2025...

Mbola iharan’ny olana amin’ny fizakana tany ny ankamaroa’ireo vehivavy tantsaka eto amintsika. Maro koa ny olana hafa mitranga. Nivoitra nandritra ny fanatevena-pahalalana momba ny tontolon’ny fananan-tany nandraisan’ny solontenan’ireo tantsaha ao amin’ny Réseau SOA avy amin’ny faritra miisa efatra dia ny eto Analamanga, ny any Boeny, Matsiatra Ambony ary Bongolava sy ny tantsaha avy amin’ny FIFATA avy any Ihorombe, Vakinakaratra ary Itasy...

• Namoaka filazana fandraisana Lehiben'ny Faritra, ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana. Manana hatramin'ny 28 novambra 2025 ireo maniry hanao izany... • Nisy ny fivoarana nentina teo amin'ny sehtra letisia, hoy ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, Haingotiana Andriamadison, nandritra ny fanokafana ny taom-piotazana tany Toamasina... • Andalam-panamboarana ankehitriny ny fotodrafitr'asa, hanomezana fanofana arak'asa ka hampidi-bola ho an'ireo voafonja, any amin'ny Faritra Amoron'i Mania...

Tamin'ny 15-16 novambra 2025 dia nanamarika ny taon-jôbilin'ny mahantra ny Fiangonana, izay nampahafantarana ny hasina maha-olona sy ny zon'ny olona mahantra, nifanentanana amin'ny firaisankina sy ny fifampitsinjovana eo amin'ny samy Kristiana. Zo fototra ny fisitrahana ny zo ara-pahasalamana ho an'ny olona rehetra na lahy na vavy, na mahantra na manana : fisorohana, fitsaboana, fanaraha-maso. Maro ireo antony tsy hisitrahan'ny mahantra ny zony : tsy fahampiana ara-bola sy fitaovana, lavitry ny tobi-pahasalamana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny Fiangonana dia tapa-kevitra amin'ny fanavaozana ny Litorjia satria io no endriky ny Eglizy, manandanja ny fanavaozana sy ny fanatsaràna mba hifanaraka amin'ny vanim-potoana iainana. Tsy miova ny toetry ny Eokaristia, misteri-panahy, tsy midika hanova amin'ny tsy antony fa hanavao amin'ny fanajàna ny lova masina sy ny foto-pampianarana marina... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

• Hiakatra avokoa manomboka amin'ity volana novambra ity, ireo tolotra momba ny fanampiana ny fianakaviana eo anivon'ny CNaPS. Hisondrotra 42 % ohatra, ny volan'ny bevohoka... • An-taratasy fotsiny no betsaka amin'ny fiarovana ny zon'ny ankizy eto Madagasikara, hoy ny PFSCE. Nomarihana androany teny Alarobia ny Andro eran-tany ho an'ny zon'ny ankizy... • Nahemotra ny fandraisana ny antontan-taratasin'ireo maniry ho “Agent de Police”. Ny fampitovian-jo ireo mpifaninana rehetra no anton'izany, hoy ny Minsiteran'ny Filaminam-bahoka...

♦ Tsy nahagaga ny fanapahan'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana momba ny fampitoviana ny zo sy ny tombontsoa ho an'ireo mpanolontsaina avo eo anivon'ny fiadidiana ny fanavaozana ny repoblikan'i Madagasikara hoy ny Mpanohitra... ♦ Tsy prefen'ny pôlisy Antananarivo-renivohitra intsony ny Jeneraly Angelo Ravelonarivo. Andriamatoa Abraham Rajafetra Setraniaina Solomanjaka, indray no voantendry hisahana izany andraikitra izany... ♦ Hampiantrano indray ny fiadiana ny amboaran'i Afrika eo amin'ny taranja Basket lalaovin'olona telo i Madagasikara ny 5 hatramin'ny 7 desambra ho avy izao ; namphafantarina omaly ny sary famantarana ny fifaninanana...

Ny fahaiza-mihaino dia manamafy ny fifandraisana, izay fototry ny fifampitokisana. Ny fifampitokisana dia ilaina eo amin'ny olon-droa mifankatia na ankohonana, fiaraha-miasa, ny mpitondra sy ny vahoaka. Zava-dehibe ny fifampiresahana sy ny fisokafana eo amin'ny mpitondra sy vahoaka, miteraka fanantenana lehibe izany ; voaporofo ny fananana fahafahana raha tsy hilaza afatsy ny fahafahana mivory sy miteny. Tena ilaina ny toe-tsaina tena tompon'andraikitra ho fandraisana anjara amin'ny fampandrosoana ny firenena, ilaina ihany koa ny tsikera ombana soso-kevitra miabo... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Efa miasa manomana ny fikaonandoham-pirenena ny FFKM hoy ny filohan'ny fanavaozana ny repoblikan'i Madagasikara. Hamoaka drafitra hitondrana izany ny FFKM hoy ny Kôlônely Randrianirina Mickael... ♦ Raharaha fitoriana nataon'Andriamatoa Tojo Ravalomanana ho an'ny Ben'ny Tanàna Harilala Ramanantsoa momba ny fifidianana Ben'ny Tanàna natao ny 11 desambra 2024 lasa teo. Haverina any amin'ny Mpitsara mpanao famotorana indray ny raharaha... ♦ Nanolotra ny Pôlitika Ankapoben'ny Fanjakàna ho an'ny Fanavaozana Ifotony tamin'ireo Loholona teny Anosikely omaly ny Praiministra Rajaonarivelo Herintsalama...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...