Ny mpandray anjara manokana amin'ny fombafomba (mpamaky, mpihira, mpanotrona...) dia tokony hiofana tsara ara-panahy sy ara-litorjika. Samy manana andraikitra : tsy hanasongadinan-tena fa hanasoavana ny vahoaka ny fandraisana anjara amin'ny Litorjia, fanompoana tsy mitaky valiny. Tokony ho feno amim-pahalalana ary mavitrika ny fandraisan'ny vahoaka anjara... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
♦ Ho tapahana avokoa ny fifanarahana mambotry vahoaka, natao tamin'ireo orinasa mpamatsy herinaratra sy fitaovana ny JIRAMA hoy ny Ministry ny Angovo. Nampanantsoin'ireo solombavambahoaka teny Tsimbazaza ny ministra androany... ♦ Mandeha amin'ny lalan-diso ny fitondràna amin'ny fampiharana ny fanavaozana hoy ny Cellule de Crise Diovy i Madagasikara. Miantso ny filoha handrava ny andrim-panjakàna rehetra izy ireo, mba hirosoana amin'ny fanorenana ifotony... ♦ Tsy manaiky ny fampidinana kely fotsiny ny saran'ny internet natolotry ny vondron'ireo orinasam-pifandraisan-davitra ny Fanjakàna Malagasy...
♦ Mila fotoana lavalava ny fanovàna tian-kapetraka eto amin'ny firenena ka vao miainga amin'ny fototra isika izao hoy ny antoko Vahoaka Miray, manoloana ny tsikera mahazo ny fitondrana... ♦ Mijoro amin'ny heviny amin'ny fampihenana ny saran'ny INTERNET ny fitondram-panjakàna ho tombontsoaan'ny vahoaka mivantana. Tolotra tsy azo heverina ho fihenam-bidy maharitra ny avy amin'ny mpandraharaha araka ny fanambarana iombonana nataon'ireo ministera miisa telo misahana izany... ♦ Manana vala tahaka ahafahan'ny tantsaha mitaratra ny fahombiazan'ny teknika PFUMVUDZA, avokoa ankehitriny ny Faritany miisa 6 eto Madagasikara...
Vavolombelon'ny fifankatiavana eo amin'ny mpivady ny tokantrano maharitra an-taonany maro ; andry telo hiorenan'ny tokantrano ny fifampitokisana, ny fahamarinana ary ny fitiavana. Ho fanavaozana ny rafitra misy ankehitriny : ilaina ny finiavana hifanatona sy hifampihaino. Ny fanovana toe-tsaina miainga amin'ny tsirairay no fototry ny fanovana, ilaina ny fanaingana ny fanavaozana avy any ifotony amin'ny alalan'ny fakan-kevitra any amin'ny Fokontany sy ny isam-pikambanana na vondrona maro lafy. Hatafitàna amin'ny tanjona iray dia tsara raha atao mazava ny dingana rehetra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Miatrika ny fikaonandoham-pirenena momba ny fanabeazana etsy amin'ny CCI Ivato ny mpisehatra amin'ny izany. Ministera telo misahana ny fanabeazana sy ny fampianarana no manatontosa miaraka amiin'ny CONAMEPT... ♦ Miomana sahady amin'ny fiatrehana ny fetin'ny krismasy sy ny faran'ny taona amin'ny fandrindrana ny fifamoivoizana ny pôlisim-pirenena sy ny pôlisy monisipaly ao Antananarivo-renivohitra. Notanterahana omaly ny fivoriana nanomanana izany... ♦ Tokony hampiharina ny fifanarahana iombonana voalazan'ny lalàna mifehy ny asa momba ny fanondrotana ny karaman'ny mpiasa amin'ny sehatra tsy miankina hoy ny Ranndrana Sendikaly...
Samy manana ny toetra maha-izy azy ny fombam-pivavahana sy ny fankalazana tsirairay. Raha azo atao dia tokony atao amin'ny fiombonana (vahoaka sy pretra) ny fankalazana rehetra. Ny fankalazana manokana dia natao ho amin'ny antony manokana ihany. Tsara ny mivavaka miaraka, indrindra ny fijoroana vavolombelona eo anatrehan'ny vahoakan'Andriamanitra... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
• Ny handrafetana ny drafi-panabeazana vaovao, ho an'ny taona 2026-2030, no isan'ny tanjona amin'ilay fikaonan-doha momba ny fanabeazana tontosaina etsy amin'ny CCI Ivato, nanomboka androany... • Vita ny fanamboarana ny milina G1, izay manome tanjaka 5 Megawatts, ao amin'ny toby famokarana herinaratry ny JIRAMA Ambohimanambola... • Nitsirika ny Kianjan'i Mahamasina ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena, sy ireo mpanara-maso avy amin'ny CAF. Fitsirihana ny amin'ny mety hahazoana, na tsia, fankatoavana ny kianja no natao...
♦ Mbola nametraka fepetra mialoha ny hampidinany ny vidin'ny internet ny vondron'ny mpandraharaha amin'ny fifandraisan-davitra eto Madagasikara (GTM)... ♦ Ankoatra ireo antoko sy vovonana politika, efa misy koa ireo ray aman-dreny to-teny efa miomana amin'ny fikaonandoham-pirenena... ♦ Manao atrikasa hijerena vahaolana miaraka manoloana ny loza sy tandindon-doza ireo firenena aty Afrika-Andrefana... ♦ Nanomboka mamita ny saziny, 27 taona an-tranomaizina, nanomboka omaly, ny filoha Bresilien teo aloha Jair Bolsonaro...
♦ Hodinihina eny anivon'ny Antenimieran-doholona eny Anosikely indray ny teti-bolam-panjakàna ho an'ny taona 2026, taorian'ny nankatoavan'ireo Solombavambahoaka izany omaly teny Tsimbazaza... ♦ Miparitaka ary saika feno ny ankamaroan'ireo toerana fanariana fako ao Antananarivo renivohitra ao. Anton'izany fitokonana nataon'ireo mpiasa eo anivon'ny SMA... ♦ Tanora mpitady asa no voasoloky sy very vola hatrany amin'ny 12 tapitrisa Ariary... ♦ Niavaka ny fanamarihana ny faha-150 taona nisian'ny iraka voalohany nataon'ny salezianina any Patagonie...
Asan'ny Eglizy iray manontolo ny Litorjia, izany hoe asa iombonana ataon'ny Kristy sy ny Eglizy fa tsy fombafomba ataon'ny pretra irery. Ny fandraisana anjara amin'ny lamesa dia asa fiombonan'ny vahoakan'Andriamanitra, midika fa tsy mpijery na mpihaino fotsiny fa mpandray anjara amin'ny mistery. Ny fiangonana dia iray tsy mivaky izay manambara an'i Kristy... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
• Lany teny amin'ny Antenimieram-pirenena androany, ny volavolan-dalana mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana 2026. Tsy mahafapo ny Depiote lany tao Faratsiho anefa ity LFI 2026 ity... • Manahy ny amin'ny mety tsy hampiasana ny lisitra azo avy amin'ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy, ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny fifidianana. Manaitra ny fitondrana izy ireo, sao vola ariana fotsiny ny fanavaozana izany... • Manana olana amin'ny famatsiana rano ny lemak'i Bas-Mangoky, ao amin'ny Faritra Atsimo Andrefana. Nijery ny zava-misy sy namaha olana tany an-toerana, ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana...
♦ Nogiazan'ny Fitsaràna Ambony atsy amin'ny Nosy Maorisy sy kaontim-bola amin'ny Banky sy ireo orinasan'Andriamatoa Mamy Ravatomanga ; nivoaka ny didy mirakitra izany... ♦ Tsy tokony ho maika loatra isika mitsara ny fitondràna fa tsy mankany amin'ny fanovàna hoy ny RMDM. Nambaran'izy ireo fa mbola ao anatin'ny fanadiovana ny firenena ny mpitondra fa mbola tsy miroso amin'ny fanovàna... ♦ Harenina ny valan-javaboahary eny Tsimbazaza, mialoha ny hanamarihana ny faha-100 taonany. Ministra telo eo anivon'ny Governemanta no nidina teny an-toerana, omaly... ♦ Midina an-dalambe ny mpianatry ny Oniversite any New Dehli-Inde, noho ny rivotra maloto...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco