Ao amin'ny Litorjia, indrindra amin'ny Eokaristia dia i Jesoa Kristy no tena miasa : amin'ny endriky ny pretra manao ny fombafomba, amin'ny Sakramenta manome fahasoavana, amin'ny Tenin'Andriamanitra miteny amin'ny vahoaka, amin'ny vahoaka mivory amin'ny anarany. Jesoa Kristy dia ilay tena Mpisorona sy Otely hanaovana sorona... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

• Tsy voatana ny daty saika hanaovana ny Zaikabe sy ny Komity Foibe FFKM, noho ny zava-misy eto amin'ny firenena... • Maro ireo mpiasam-panjakana ambony nesorina tamin'ny toerany, nandritra ny Filankevitry ny Minisitra notanterahana androany... • Halain'ny CNaPS ny SMDG, ho takalon'ny tsy fahefan'ity farany ny vola nosamboriny...

♦ Hiroso amin'ny fanaovana fitsirihana (audits) eny anivon'ny sampandraharaham-panjakàna sy ministera ny Fitsaràna ara-bola aharitra 90 andro ny faharetan'izany... ♦ Miatrika ny fanadihadiana ataon'ilay sampandraharaha misahana ny fanadihadiana momba ny heloka bevava atsy amin'ny nosy Maorisy Andriamatoa Mamy Ravatomanga... ♦ Hiverina indray ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny tambazotra iraisan'Antananarivo noho ny tsy fahampian'ny rano ao Andekaleka araka ny fampahafantarana avy amin'ny Orinasa JIRAM... ♦ Natokan'i Papa Léon-XIV ho an'ireo olona mitolona amin'ny heritreritra hamono tena ny fangataham-bavaka ataony ho an'ity volana novambra ity...

Miorom-paka : rehefa mahazo faka ny voa iray dia mivoatra tsikelikely ny fitomboany ary tonga ho hazo lehibe ary isika olombelona dia toa izany ; ny singa rehetra azo eo amin'ny fiaraha-monina dia miteraka fandrosoana ho an'ny olona iray, amin'ny lafiny ara-batana, ara-panahy. Ny fisokafana amin'ny fiaraha-monina amin'ny lafin-javatra hafa dia lalana iray hizorana amin'ny fandrosoana, afaka mandray sy afaka mizara fahalalana... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Folo volana aty aoriana hiakatra fitsarana eny Anosy anio alarobia faha-5 novambra ny raharaha nahafatesan'ny Ben'ny tanàna an'i Mangataboahangy Rasazy Narindra... ♦ Andrasana anio ny fanaovan-tsonia fifanarahana (Protocol d'accord) hifanaovan'ny mpampianatra sy ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena, miankina amin'izy io mantsy ny hiverenan'ny fampianarana ho an'ireo sekolim-panjakàna... ♦ Niampy telo indray ireo razana hita tamin'ilay faharendrehana an-dranomasina tany Mahajanga, tafiakatra 14 araka izany ireo razana efa hita...

Amin'ny asa pastoraly indrindra ao amin'ny Litorjia ny asan'i Kristy dia mitohy ao amin'ny Eglizy. Amin'ny Litorjia i Kristy dia mampiray amin'ny tenany ny mpino ary ny Eglizy dia mandray anjara amin'ny asan'ny famonjena. Izany no mahatonga ny Eglizy antsoina hoe "Sakramentan'ny famonjena" amin'ny tantara. Ny Litorjia dia asa iombonan'ny Eglizy sy i Kristy... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

• Niditra an-tsehatra namaha ny olan'ireo mpampianatra teny amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena ny Kolonely Gervais Andriamiarisoa, Mpanolotsaina Avo eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara... • Nifampitsapa hery teny Analakely androany, ireo mpomba sy mpanohitra ny fanesorana ny Ben'ny Tananan'Antananarivo Renivohitra, Harilala Ramanantsoa... • Niroso amin'ny famahana ny olan'ny angovo eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo ny fitondram-panjakana...

♦ Saika hiditra an-keriny ny Lapan'ny tanàna eny Analakely ny avy amin'ny HOPE-Ami, mitaky ny hialàn'ny Ben'ny tanàna. Raikitra ny fifandonana teny an-toerana ny antoandro teo... ♦ Niverina nidina an-dalam-be indray ireo mpianatry ny sekolim-panjakàna sasany ao an-drenivohitra. Nilaza ireo mpampianatra mitokona fa tsy misy idiran'izy ireo izao hetsiky ny mpianatra izao... ♦ Mahazo vahana ny fitokonan'ny mpampianatra amina Faritra maro. Mbola mampiato ny fampianarana amin'ny Sekolim-panjakàna izy ireo nanomboka omaly... ♦ Ahitàna fihenàna betsaka ny famotehana sy fitrandrahana ala any Brésil...

Rainandriamampandry dia olomangam-pirenena tena tia tanindrazana. Rabezandriny no tena anarany fa amin'ny fiaraha-monina anefa dia matetika takona ao ambadiky ny anaran-janaka ny anaran'ny ray, izy moa nanana zanaka natao hoe Andriamampandry raha teo. Rainandriamampandry dia evanjelistra, mpampianatra, mpahay tantara sy jeografia ary mpikaroka momba ny teny sy ny kolontsaina. Ity olomangam-pirenena ity dia efa governora tao Toamasina, izay vavahadin'i Madagasikara sy renivohitra diplômatika, mpitaritafika nampihaiky ny fahavalo izy, ary efa niandraikitra ny asan'ny ministry ny atitany...

♦ Nampanantsoina teto Madagasikara ny masoivoho Malagasy atsy amin'ny nosy Maorisy, noho ny raharaha Mamy Ravatomanga. Tsy marina ny filazàna ny amin'ny fametrahany fialàna hoy Andriamato Camille Vital, omaly... ♦ Nahery vaika indray ny hetsi-bahoaka fitakiana fanesorana Ben'ny Tanàna tato ho ato. Nametra-pialàna vokatr'izay hetsi-pitakiana izay omaly, ny Ben'ny Tanàna an'Ambalavao, Distrika Atsimondrano... ♦ Misy lasa mivadika fampanaovana asa mamoafady ny sasany amin'ireny orinasa manao "Call Center" eto Antananarivo ireny amin'izao. Mpiasa vitsivitsy no sahy nijoro vavolombelona tamin'izany...

Ny fanafahana ny olombelona sy ny fanomezana voninahitra an'Andriamanitra no tanjon'ny asa nataon'i Kristy. Izy no nampihatra izany tamin'ny fahafatesany sy ny fitsangany tamin'ny maty ; ny Litorjia dia mitohy amin'ny asa fanavotana nataon'i Kristy, asa fanavotana miasa amin'ny fotoana ankehitriny... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

• Nampanantsoin'ny fanjakana eto an-toerana, momba ny raharaha Mamy Ravatomanga, ny Masoivohon'i Madagasikara atsy Maurice. Nodisoin'Andriamatoa Camille Vital ny filazana fa nametra-pialana izy... • Nisy andian'olona nanao fihetsiketsehana indray teny amin'ny Kianjan'ny 13 mey androany. Nilanja sora-baventy milaza ho tsy mila ny fanoloana ny Ben'ny Tananan'Antananarivo ho PDS, izy ireo... • Nidina an-dalambe sy nanao hetsika teny anoloanan'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena androany, ireo mpianatry ny Sekolim-panjakana sasany ao an-drenivohitra. Nitaky ny hiverenan'ny fampianarana izy ireo...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...