♦ Niverina teny anivon'ny hôpitaly indray fotoana fohy taorian'ny nampidirana azy am-ponja tao Maorisy ilay mpandraharaha Malagasy Mamy Ravatomanga... ♦ Homena hipetrahan'ny mpianatry ny oniversite ireo Building mora etsy amin'ny Lac-Iarivo, mpianatra 700 any aho an'ny no honina amin'ireo foto-drafitr'asa ireo... ♦ Niroso tamin'ny fandatsahana orana artifisialy nanomboka omaly ary aharitra telo andro ny ministeran'ny angovo sy ny akoran'afo hampiakarana ny tahan'ny haavon'ny rano ao Andekaleka... ♦ Miaina tsy fahatomombanana maro ireo toeram-pianarana any Haïti amini'izao fotoana izao...

Manana hasina ny ain'olombelona, natao ho hajaina sy harovana amin'ny fomba rehetra ; manana hasina ihany koa ny fahefana rehetra na ara-piaraha-monina, na ara-pinoana, ara-panjakàna, natao ho toavina. Very hasina ny fanjakàna izay sahy mandatsaka ain'olona, fa very hasina ihany koa ny vahoaka izay sahy manivativa sy manalabaraka ireo olona manana andraikitra, ray aman-dreny eo aminy sy ny fiaraha-moniny... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Na zava-dehibe aza ny Litorjia dia tsy ampy raha tsy misy fitoriana sy fanabeazana finoana. Olona mino sy mibebaka no mankalaza ny Litorjia. Ny olona tsy mbola mino dia mila ampidirina amin'ny finoana amin'ny alalan'ny fitoriana ny evanjely sy katesizy, ary izay vao afaka mandray anjara amin'ny Litorjia, izay vokatry ny finoana... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Ny Eokaristia no fanenkem-pihavanana ataon'i Kristy amin'ny olombelona. Ny asa rehetra ataon'ny Eglizy dia mitodika amin'ny Litorjia ; ary avy amin'ny Litorjia no mivoaka ny herin'ny asa rehetra. Ny Litorjia no fo mitempon'ny Eglizy, loharano sy faratampony amin'ny fiainana Kristiana manontolo, fitiavana nasehon'i Jesoa Kristy... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

• Nampidirina am-ponja atsy amin'ny nosy Maurice andraony maraina, Andriamatoa Mamy Ravatomanga. Voalaza fa nihetsika aretim-po tao anefa izy ny tolakandro teo, ka nahiditra hopitaly indray... • Nahazo vahana ireo mpanao politika, mahatsirao ho voahilika ny avy amin'ny Génération Z, hoy izy ireo androany. Nivoaka tamin'ny fahanginany ireo tanora ireo, manoloana ny toe-draharaha misy eto amin'ny firenena... • Homena hipetrahan'ny mpianatry ny Oniversite manomboka izao, ireo “Building Mora” etsy amin'ny Lac Iarivo Ivato. Mpianatra miisa 700 any ho any no honina amin'ireo fotodrafitrasam-panjakana ireo...

• Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an'ireo tanora handray anjara amin'ny JMJ Mada andiany faha-11 hotanterahana any Toamasina amin'ny volana aogositra 2026... • Marolafy ireo lahadinika nandritra ny fivorian'ireo Filohan'ny Oniversitem-panjakana, izay notarihin'ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny Profesora Ravonomanantsoa Ndaohialy... • Tsy mankasitraka ary mangataka ny hanafoanana ny “Madagascar Airlines”, ny sendikan'ny mpiasa eo anivon'ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar...

Amin’izao fotoana iainantsika izao dia lasa sehatra lehibe ifandraisana sy ifampizaràna ny tambazotra sosialy, nefa indrisy, lasa toerana isehoan’ny herisetra, indrindra ho an’ny ankizivavy sy tovovay. Maro amin’ireo lasibatra no tsy mahalala ny zon’izy ireo na ny lalàna miaro azy amin’ny herisetra toy izany. Maro ny endrika sy fiantraikan'ny herisetra an-habaka, misy ny lalàna miaro amin'izany eto Madagasikara, ary ny fomba hiarovana ny tena sy ny hafa amin'ny fampiasana tambazotra sosialy am-pahamalinana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny Litorjia eto an-tany dia fandraisana anjara amin'ny fiderana any an-danitra, miaraka amin'ny Anjely sy ny Olomasina. Na mbola miaina amin'izao tontolo izao aza isika olombelona, dia efa mandray anjara amin'ny Litorjia any an-danitra amin'ny alalan'ny fankalazàna ety an-tany. Ny Litorjia dia vavahady manokatra ho amin'ny fiainana mandrakizay... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

• Niakatra fitsarana momba ny raharaha famotsiam-bola hanenjehana azy atsy amin'ny nosy Maurice androany, Andriamatoa Mamy Ravatomanga. Nentina hopitaly hafa indray ity mpandraharaha Malagasy ity, tao aorian'ny fakana am-bavany azy... • Namaly ny Tale Jeneralin'ny CNaPS ny orinasa SMGD androany, momba ilay fisamboram-bola 11 miliara Ariary, tao amin'ny tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy... • Heverina hivaha ny olana nanaovan'ireo mpampianatra amin'ny sekolim-panjakana fitokonana lavareny. Nataon'ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena sonia androany, ny fifanarahana mirakitra ny fitakian'izy ireo...

♦ Nohainoana teny amin'ny fitsaràna tao Port Louis Maorisy taorian'ny fanadihadiana nataon'ny FCC azy ny maraina teo ilay mpandraharaha Malagasy Mamy Ravatomanga... ♦ Nilaza ny hametraka fitoriana eny amin'ny Fitsaràna ny sendikà mahaleotena eo anivon'ny Kaominina Antananarivo, noho ny feo mandeha fa misy mikasa handoro ny Lapan'ny Tanàna... ♦ 06 novambra 1995, feno 30 taona anio ny nahamay ny rovan'i Manjakamiadana, tsy mbola misy mangirana hatramin'izao ny antony nahatonga ny fahamaizana sy ny olona nanao izany... ♦ Nanentana ny mpino hivavaka mba hisian'ny fandriampahalemana manerantany ny Pape Léon-XIV...

Ny mitantana firenena dia fandraisan'anjara ; ny kara-panondrom-pirenena dia midika fananana andraikitra sy adidy amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina sy ny firenena. Ny fanantenana amin'ny mety ho fandrosoan'i Madagasikara dia miainga amin'ny tsirairay, ialàna lavitra ireo toetra sy fomba mamotika ny firenena toy ny fandrobana vola sy ny harena maro samihafa. Ny toe-tsaina dia singa iorenan'ny fomba amam-panao mitondra amin'ny fahavononana. Sotoavina tsara tazomina : fifanajàna, fahamarinana, fifampitokisana... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Ahemotra amin'ny volana febroary 2026 ny ZAIKABE FAHA-10 sy ny Kômity foibe faha-47, karakarain'ny FFKM izay nokasaina hatao ny 24 hatramin'ny 29 novambra 2025 izao, noho ny toe-draharaham-pirenena... ♦ Nisongadina tamin'ny filan-kevitry ny ministra omaly ny fanesorana olom-panjakàna ambony teo anivon'ny ministeran'ny vola sy ny fitantanam-bola sy ny nanafoanana ny didim-panjakàna nanendry ireo tompon'andraikitry ny DREN manerana ny Faritra 23... ♦ Sazy anterivozona 20 taona sy onitra 100 tapitrisa Ariary no azon'ireo olona telo voampanga tamin'ny famonoana an'i Rasazy Narindra araka ny didim-pitsaràna nivoaka omaly...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...