♦ Nidina an-dalambe teny Analakely sy Anosy ireo ampahany amin'ny mpianatra amin'ireo sekolim-panjakàna ao an-drenivohitra mitaky ny hiverenan'ny fampianarana... ♦ Naharaisana vaovao sy akony ny zava-misy any amin'ny Oniversiten'Antsiranana... ♦ Mbola betsaka ireo orinasa eto Madagasikara no tsy mandoa ny latsak'evmoky ny mpiasa tokony harotsaka any amin'ny CNaPs, ho fitsinjovana ny fisotron-dronono... ♦ Tafakatra 20 farafahakeliny ny isan'ireo namoy ny ainy vokatry ny horohorontany nitranga tany avaratr'i Afghanistan, tamin'ny alina...

♦ Nandray ireo solontenam-panjakàna tonga nanao fitsidihana tany Antsiranana omaly ireo andian'olona nanao fihetsiketsehana... ♦ Mizarazara ny hevitry ny mpampianatra sy ny sekoly manoloana ny toro-marika nomen'ny ministry ny fanabeazam-pirenena amin'ny hiverenan'ny fampianarana anio alatsinainy... ♦ Handraisana fepetra hentitra avokoa ireo rehetra nanao fanotorana tany, nanomboka ny taona 2022 nivoahan'ny didim-panjakàna mandrara izany... 

Ny litorjia manavao amin'ny fombafomba masina dia tsy manimba ny fomba litorjika manan-danja izay efa ao amin'ny Eglizy tatsinanana sy tandrefana fa manaja sy manampy amin'ny fanavaozana azy. Ny tanjon'ny Sacrosanctum Concilium dia ny hanavao ny litorjia mba ho fanehoana mazava ny misterin'i Kristy sy fandraisan'ny vahoaka anjara... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Alahady 02 novambra 2025 : Fahatsiarovana ny mpino nody mandry - Mbola hitsangan-ko velona ny maty ; Avia ianareo, ry nosoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo, hatrizay naharina an'izao tontolo izao. Ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan'ny Zanak'olona. Ny rindrim-be sy ny sakatsakana teo alohan'ny Zake tsy maintsy nosedrainy mba hahitany an'i Jesoa dia misy sy miseho amin'ny endriny hafa ankehitrin, eo amintsika, amin'ny endriny "valifaty, fialohanana, fitiavan-tena, kolikoly, tsy fandraisan'andraikitra, fahalainana, tsy fihainoana ny hafa, havonavona". Safidy miankina amintsika no afahana midify ireo rindrina ireo, ary ilàna finoana....

Adidin'ny Kristiana no mitondra am-bavaka ny fiainan'ny firenena sy ireo mpitondra, hahatontosa ny faniriana. Feno 35 taona amin'ity taona ity no nisehoan'i Masina Maria tao Anosivolakely, raha tsiahivina ny 10 novambra 1990 tamin'ny 8 ora alina no nanambarany ihany koa ireo loza hitranga hanjo ny Malagasy sy ny firenena, ary ny fomba hialàna amin'izany loza izany. I Masina Maria no vonjy ho antsika koa irariana ny hiarahantsika mivavaka, hiaraka amin'ireo havana efa nodimandry sy ilay Renin'Andriamanitra, hivavaka ho an'ny Malagasy sy ny fampandrosoana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ny Litorjia dia manana ny toerany eo amin'ny Eglizy, satria mampitombo hatrany ny fiainam-panahy kristiana eo amin'ny mpino. Kristy no miasa ao amin'ny Litorjia ; ny vahoaka rehetra mandray anjara mavitrika...Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Ny mpino rehetra dia antsoina handray anjara mavitrika amin'ny litorjia. Vokatry ny "sacrosanctum Concilium" dia nampidirina ny fiteny teratany amin'ny litorjia, izay fanavoazana lalina ny Lamesa. Tanjona ny hanandratra sy hampiroborobo ny fiainam-panahy kristiana, hanamora ny fampiraisana ny Kristiana rehetra... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

• Misy andian'olona nanao hetsika nanoloana ny vavahadin'ny Lapan'ny Tanana, mitaky ny fialan'ny Ben'ny Tananan'Antananarivo... • Nihemotra indray, raha saika hanao hetsika teny amin'ny Kianjan'ny 13 mey androany, ny K-FIM sy ny antoko Otrikafo. Nampanantsoina haingana nidinika tamin'ny Filoham-panjakana teny Iavoloha izy ireo... • Miha-mahazo vahana ao anaty tambajotra sosialy ny fitakian'ny tanora ny hampidinana ny saran'ny Internet eto Madagasikara, amin'izao fanovana kasaina hatao eto amin'ny firenena izao...

Tsy azo idovirana intsony fa lalan-tokana ivoahana amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ny sehatry ny fandraharahana. Nivoitra tamin’ny fampiofanana an’ireo tantsaha avy amin’ny fikambanana miisa dimy tany amin’ny
faritra miisa efatra iasan’ny Réseau SOA natao teny amin’ny FOFIKRI Ilafy nandritra ny roa andro izany. Fampiofanana vokatry ny tetik’asa an’ny AGRICOR, nomena ny anarana hoe FAO FS, vatsian’ny GIZ vola, ary manatanteraka kosa ny Réseau SOA sy ny AFDI ary ny FERT kosa hoan’ny FIFATA. Lohahevitra nitondrana ny fihofanana ny hoe: “fandraharahana amin’ny tontolo ambanivohitra”....

♦ Efa eny amin'ny antenimieram-pirenena ny volavolana teti-bolam-panjakàna lasitra LFI-2026, mba hahafahan'ireo solombavambahoaka mandinika izany ara-potoana hoy ny ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola Docteur Ramiarison Herinjatovo... ♦ Nijoro nilanja sora-baventy nitaraina amin'ny ambarany ho fisian'ny antsojay mahazo ireo fianakaviana 35 monina eny amin'ny Atsimo-Atsinanan'Andraisoro. Nambaran'izy ireo fa misy olona milaza ho tompon'ny tany ka mikasa haka io tany, efa nohajariany nandritra ny 60 taona io... ♦ Nidina ifotony nijery sy nanaraka ny fivoaran'ny asa fanamboarana ireo milina miisa 3, an'ny Jirama ny Fiadidiana ny Repoblika...

Ny “Mandra-maty no itiavako anao, ahoana no hahatanteraka izany ?” dia manasongadina ny hasarobidin’ny fanambadiana sy ny fitiavana maharitra eo amin’ny mpivady, izay antsoin’Andriamanitra hiombona amin’ny fahamarinana sy ny faharetana mandra-pahafatiny. Ny fahatanterahan’izany dia miankina amin’ny fiorenan’ny fitiavana amin’Andriamanitra, ny fiezahan’ny mpivady amin’ny fifandraisana, fifampitokisana, fifamelana, sy fifanohanana, ary ny fananana tanjona iombonana eo amin’ny fiainana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Tsy mikasa ny hitsoaka any ivelan'i Madagasikara ny ministra teo aloha nisahana ny fanabeazam-pirenena Docteur Marie Michelle Sahondrarimalala. Efa misy ireo ministra teo aloha no tafavoaka any ivelany... ♦ Taorian'ny fiovan-dokon'ny vovonana IRMAR teny amin'ny antenimieram-pirenena, niala tao amin'ny vovonana Firaisankina ihany koa ny antoko Tiako i Madagasikara... ♦ Iray amin'ireo ministera tena nanaovan'ny mpandraharaha Ravatomanga Mamy ampihimamba ny ministeran'ny toe-karena sy ny fitantanam-bola hoy ireo sendika eo anivon'ity ministera ity...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...