• Fanamby lehibe ny fampiasana ny saina voatr'olombelona na ny “Intelligence artificielle” amin'ny tontolon'ny fikarohana, saingy mila fahamalinana, hoy ny Talen'ny Oniversite U-Magis eny Amparibe... • Nankatoavin'ireo mpikambana ao amin'ny fikambanana ara-toekarena AEMAJA, ny hamadihana ny fikambanana ho Antenimieran'ny Varotra Madagasikara Japon... • Nidoboka am-ponja vonjimaika avokoa ireo olona sivy voarohirohy tamin'ny famonoana ilay tovolahy antsoina hoe Faneva, tany Tsiroanomandidy...
Fambolena miaro ny tontolo iainana : mahaliana ny tanora Tafita any amin’ireo tanora nahazo tohana ara-piofanana avy amin’nytambazotra iraisam-pirenena misehatra amin’ny fampiofanana amin’ny famokarana sy ny tontolo ambanivohitra na ny RI-FAR sy ny Réseau SOA ny fahaza-manao noratovin’izy ireo.Nahita tombotsoa ireo tanora nampihatra ny fambolena miaro ny tontolo iainana sy ny fitantanana ny rano tao amin’ny fikambanana Soa Mitsinjo
ao amin’ny kaominina Antanetibe Mahazaza ato amin’nydistrikan’Ambohidratrimo.
• Filana voa tsy ary sy filana kisa ary fanaovana tsinontsinona ny vahoaka ny fametrahana amin'ny fomba ofisialy ireo Ben'ny Tanana tsy lanim-bahoaka tamin'ny fomba demokratika, hoy ny Solombavam-bahoakan'i Vatomandry... • Hanamora ireo dinika ara-panjakana hanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena eo amin'i Madagasikara sy i Japon ny AEMAJA... • Manamafy ny fahaiza-manao eo amin'ny fampianarana, ireo mpampianatra miisa 134 avy amin'ny sekoly katolika, ao amin'ny Diosezin'i Mahajanga...
Ny fianakaviana dia antso sy fanomezana manokana avy amin’Andriamanitra, toerana voalohany itomboan’ny fitiavana sy ny fanantenana. Toy ny zaridaina, mila fikarakarana sy fitiavana ary faharetana ny fiainam-pianakaviana mba hahafahana miaina sy manome aina vaovao ho an’ny tsirairay. Amin’ny alalan’ny Sakramenta, indrindra ny Mariazy sy ny Eokaristia, dia omban’Andriamanitra sy ampaherezina ny mpivady sy ny fianakaviana. Ankehitriny dia antsoina isika hikarakara sy hanatsara ny fifandraisana, ny fihavanana ary ny fahamasinana ao anatin’ny fianakaviana... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny Eglizy dia toy ny valan'ondry, foto-boaloboka, trano aorina, lapa soa sns... Tao amin'ny Testamenta Taloha dia fanoharana mazàna no nenti-nanambara an'ilay Fanjakàna ; ohatra notsongaina tao amin'ny fiompiana, na tao amin'ny fambolena na tao amin'ny taotrano, na koa tao amin'ny fianakaviana sy ny fanambadiana ary efa voaomana ao amin'ny bokin'ireo Mpaminany Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
• Tokony hofoanana ny didim-panjakana ahafahana mivarotra tany amin'ny vahiny, hoy ny RMDM. Miantso ireo Solombavam-bahoaka hanafoana izany eny amin'ny Antenimieram-pirenena izy ireo... • Naato vonjy maika ny fampiharana ilay haba 47 % amin'ireo entana ahodrantsinka any Etazonia. Mbola mitohy ny dinika arahan'ny fanjakana sy ireo mpandraharaha, hoy ny Tale Jeneralin'ny Varotra, androany... • Nanao fitokonana ireo mpitatitra amin'ny Bus mampitohy ny Renivohitra sy i Vontovorona androany maraina. Tsy faly amin'ny fandrarana hiasa mialoha ny amin'ny 5 ora maraina izy ireo...
♦ Nandroso ny vina fifanarahana miaraka amin'ny mpanakanto ho vahaolana amin'ny haban-tseranana ampiharin'i Etazonia amin'i Madagasikara ny antoko Humaniste Ecologiste... ♦ Misy lesoka mila arenina ny fanatanterahana ny teti-bolam-panjakàna eto Madagasikara. Mbola sahirana amin'ny fijerena ny laharam-pahamehana noho ny tsy fahampian'ny vola miditra koa isika hoy ny MSIS TATAO... ♦ Miverina indray ny fahatapahan'ny famatsiana herinaratra mifandimby ho an'Antananarivo sy ny manodidina. Ny fihenan'ny rotsak'orana tato ho ato no antony araka ny fanazavan'ny JIRAMA...
Ao natin'ny "TENY" dia misy hery miafina, koa tokony hitandrina isika amin'ny "teny" lazaina : mety ho tso-drano ary mety ho ozona. Ny teny dia endrik'Andriamanitra ao amintsika olombelona noho izany dia tokony ho "TENY" famporisihana mitondra soa ho an'ny hafa no hatao fa tsy fandatsana sy fandrabirabiana. Ady lehibe ny ady ara-toekarena koa samia miezaka sy manome lanja ny haren'ny firenena... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Sahirana amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra manoloana ny fepetra vaovao apetraky ny amerikanina amin'ny entana miditra any aminy ireo tompon'ny orinasa. Nihaona tamin'ny Ministry ny Asam-panjakàna sy ny Asa ary ny Lalàna Sôsialy ny vondron'ny Orinasa Afak'Haba eto Madagasikara... ♦ Miofana amin'ny tsara ho fantatra momba ny teti-bola ny firaisamonim-pirenena malagasy. Ilaina ny mangarahara amin'ny fandrafetana azy raha tiana ny ahazoana vokatra tsara ho an'ny toe-karena sy sôsialy hoy MSIS TATAO... ♦ Miara-miasa amin'ny fahatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny Sekreteram-panjakàna miadidy ny fahavitantena ara-tsakafo...
Ny Tenin'Andriamanitra dia toy ny voa afafy, ka izay mandray azy no tonga zanak'Andriamanitra. Ny misterin'ny Eglizy Masina dia miseho eo amin'ny nanorenana azy. Misy fifandrasainy ny Fanjakàn'Andriamanitra sy i Jesoa Kristy, manamarina izany ny teniny nanao hoe : Raha ny ratsan-tanan'Andriamanitra no androahako ny demony dia efa tonga aminareo tokoa ny Fanjakan'Andriamanitra... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
• Nambaran'ny Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa, Kaomandin'ny Zadarimariam-pirenena teo aloha, fa tsy misy ambadika politika ny lahateny nataony ny 2 avrily 2025, nanamarihana ny Andron'ny Zandarimariam-pirenena... • Mandindona an'ireo mpiasa an'alina eto Madagasikara ankehitriny ny tsy fananana asa, tao aorian'ny fampiakaran'ny fitondrana amerikana ny haban-tseranana amin'ireo entana miditra any aminy... • Azo antoka ny fiantohana ny fiarovana ho an'ny sidina an'abakabaka miditra eto Madagasikara. Nihatsara ny laharana misy an'i Madagasikara eo amin'ity sehatra ity...
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 9, 31-42)
Tamin’izany andro izany,
dia niadana ny Eglizy eran’i Jodea sy i Galilea ary i Samaria manontolo
fa sady nandroso tsara sy nandeha tamin’ny fahatahorana ny Tompo izy,
no nihamaro tamin’ny famporisihan’ny Fanahy Masina koa.
Tamin’izay,
raha namangy ny mpianatra rehetra isan-tanàna i Piera,
dia nankao amin’ny olona masina izay nonina tao Lidà koa,
ka nahita lehilahy anankiray atao hoe i Enea,
izay nandry teo am-pandriana hatramin’ny valo taona, fa malemy,
ary nanao taminy hoe:
“Ry Enea;
mitsangàna ka amboary ny fandrianao.”
Dia nitsangana niaraka tamin’izay izy.
Nony nahita azy izay rehetra nonina tao Lidà sy Sarôna,
dia nibebaka nanatona ny Tompo avokoa.
Ary tany Jôpe nisy vehivavy anankiray mpianatra atao hoe i Tabita,
na hoe Dôrkasy raha adika,
izay nahavita asa soa amam-piantrana betsaka.
Narary izy tamin’izany andro izany, dia maty;
ka nony avy nampandroina ny fatiny,
dia napetraka tao amin’ny efitrano ambony.
Ary i Lidà moa dia akaikin’i Jôpe ihany;
ka ren’ny mpianatra fa hoe ao i Piera,
dia naniraka roa lahy ho any aminy izy ireo hangataka azy hoe:
“Aza miatoato hankatý aminay.”
Dia nitsangana i Piera ka niara-nandeha tamin’ireo.
Nony tonga izy,
dia nentina tany amin’ny efitra ambony,
ka nohodidinin’ny mpitondratena rehetra,
izay sady nitomany no nampiseho taminy ny lamba aman’akanjo
nataon’i Dôrkasy fony fahavelony.
Navoakan’i Piera avokoa ny olona rehetra,
dia nandohalika izy ka nivavaka,
vao nanatrika ny faty nanao hoe:
“Ry Tabità, mitsangàna.”
Dia nahirany ny masony,
ka nony nahita an’i Piera izy, dia niarina.
Ary i Piera kosa nanolo-tanana azy,
sy nampitsangana azy;
dia niantso ny olona masina sy ny mpitondratena,
ka nanolotra azy velona tamin’izy ireo.
Niely eran’i Jôpe manontolo izany,
ka betsaka no nino ny Tompo.
Ary i Piera nitoetra andro maromaro tany Jôpe,
tao amin’ny mpandon-koditra atao hoe i Simôna.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 115, 12-13. 14-15. 16-17
Inona no havaliko ny Tompo,
fa maro dia maro ny soa nataony?
Halaiko ny kalisim-pamonjena;
hantsoiko ny Anaran’ny Tompontsika.
Hefaiko ny voady iray nolazaiko,
hefaiko anatrehan’ny firenena.
Tsy zakan’ny Tompo tokoa anie,
ny hoe hahafaty izay mino Azy.
Ry Tompo ô, satria aho mpanomponao,
satria aho mpanompo matoky Anao.
Fa zanaka mpanompovavinao,
dia indro ny gadrako esorinao.
Hanatitra sorom-pisaorana aho,
hiantsoako amy foko ny Anaranao.
Aleloia. Aleloia.
Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky sy Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao, ary nanasa ny helokay tamin’ny Ranao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 61-69)
Tamin’izany andro izany,
raha nampianatra tao amin’ny Sinagôga tany Kafarnaôma i Jesoa,
dia nilaza hoe:
“Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako
no manana ny fiainana mandrakizay.”
Betsaka tamin’ny mpianany nony nandre izany no nanao hoe:
“Sarotra izany teny izany,
ka iza no mahahaino izany?”
Ary fantatr’i Jesoa tao am-pony,
fa nimonomonona tamin’izany ny mpianany, ka hoy Izy taminy:
“Manafintohina anareo va izany?
Hanao ahoana ianareo,
raha mahita ny Zanak’Olona miakatra any amin’izay nitoerany taloha.
Ny fanahy no mahavelona,
ny nofo tsy mahasoa ohatr’inona akory;
ny teny voalazako taminareo dia fanahy sy fiainana.
Nefa misy tsy mino aminareo.”
Fa fantatr’i Jesoa hatramin’ny voalohany,
izay tsy hino sy izay hamadika Azy.
Ary hoy Izy:
“Izany no nilazako taminareo
fa tsy misy mahay manatona Ahy raha tsy nomen’ny Ray azy izany.”
Hatramin’izay dia maro tamin’ny mpianany no nihemotra,
ka tsy niaraka taminy intsony.
Ka hoy i Jesoa tamin’ny roa ambin’ny folo lahy:
“Ianareo koa va mba te-hiala?”
Dia namaly i Simôna Piera ka nanao taminy hoe:
“Tompo ô, hankany amin’iza àry izahay?
Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay;
ary izahay efa nino sy nahalala fa Ianao no Ilay Masin’Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco