Ankoatra ny maha mpitsabo nianatra tany Ivelany an'i Dokotera Rasamimanana Joseph, dia nahasaropiaro azy koa ny manodidina ny "raokandro", izany hoe ny fampiasana ho fitsaboana ireo zava-maniry toy ny ravina voafotsy sy ny aferon-tany. Ny voninkazo "iris" no tena nanaovany fikarohana lalina ka nahafahana nitsabo ny kohoka, ny taovam-pisefoana, tosi-dra, fery... Nanoratra tamin'ny gazety sy boky samihafa ity Dokotera ity ary nosoniaviny tamin'ny anarana hoe "iris" ireny lahatsoratra nataony ireny. Niaro ny teny Malagasy izy, nanefy voambolana ho an'ny tontolon'ny fitsaboana ihany koa... 

♦ Nilahatra an-dalambe ary nilanja sora-baventy omaly ireo mpomba ny kandidà iray tany Vondrozo. Nambaran'izy ireo fa nivadika ny voka-pifidianana azon'ny kandidàny ka tsy ekeny ny tsy fanajàna ny safidim-bahoaka... ♦ Samy milaza ho manana porofo amin'ny fisian'ny hosoka ireo kandidà roa voalohany tamin'ny fifidianana solombavambahoakaa tany amin'ny disitrikan'i Toamasina. Samy nanazava tamin'ny haino aman-jery izy ireo, omaly...  ♦ Miatrika ny fanadinana BEPC katôlika mandritra ity herinandro ireo mpianatra amin'ny taona fahatelo amin'ny Sekoly katôlika manerana ny nosy. Hitondra fanazavàna eto ny tompon'andraikitra eo anivon'ny fanabeazana katôlika...

Izay mivavaka dia manankim-po bebe kokoa hatrany amin'Andriamanitra ; tsy izay ihany fa efa santatra sahady ny amin'ny fiombonam-piainana amin'Andriamanitra ny vavaka satria izay efa zatra nifampiresaka sy nifampitafa ihany no afaka hiara-monina. Ny kristiana dia olona mivavaka ; tsy  misy lesona be akory ny fianarana mivavaka fa fanomezan'Andriamanitra, ary noho ny vavaka no mampitombo ny fahasoavana enti-mivavaka. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.

♦ Miisa 32.000 ireo mpiadina BEPC Katôlika, izay miatrika fanadinana amin'ity herinandro ity... ♦ Ifamaliana ny fanambarana ataon'ireo kandidà roa mitarika amin'ny ampaham-bokatra amin'ny fifidianana Solombavam-bahoka, ao Toamasina Voalohany... ♦ Efa miomana amin'ny paikady eo amin'ny lalao hatrehany ny Barean'i Madagasikara amin'ity herinandro ity...

♦ Tafiditra tao anatin'ny Taonan'ny Vavaka fiomanana amin'ny fankalazana ny Taon-jobily 2025, ny fankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina omaly, ho an'ny Diôsezin'i Toamasina... ♦ Manasa ny kristianina hanolo-tena ho an'ny hafa ny Eokaristia, hoy ny Papa François omaly, tamin'ny fampianarany mialoha ny vavaka Angelus... ♦ Nihaona tamin'ny Papa François, tamin'ny sabotsy 1 jona 2024, ny Filohan'ny Repoblikan'i Slovaquie, Ramatoa Zuzana Čaputová...

12 jona 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 18, 20-39)

Mihainoa ahy, ry Tompo, mba hahafantaran’ity vahoaka ity fa Ianao no Tompo Andriamanitra, ary Ianao ihany no mampiverina ny fon’izy ireo indray.

Tamin’izany andro izany,
dia naniraka nankany amin’i Israely rehetra i Akaba
sy namory ny mpaminany ho any an-tendrombohitra Karmela.
Ary i Elia tamin’izay, dia nanatona ny vahoaka rehetra, ka nanao hoe:

“Mandra-pahoviana no hikolepaka an-daniny roa ianareo?
Raha ny Tompo no Andriamanitra manaraha Azy,
fa raha i Baala kosa, manaraha azy.”

Tsy namaly azy na inona na inona anefa ny vahoaka.
Dia hoy i Elia tamin’ny vahoaka:

“Izaho irery no sisa amin’ny mpaminanin’ny Tompo,
fa misy dimampolo amby efa-jato kosa izy no mpaminanin’i Baala.
Koa aoka homena ombalahy roa izahay,
ka ny iray amin’ny ombalahy hofidiny mba ho azy,
dia horasainy sy hapetrany eo ambony kitay hazo, tsy asiana afo;
ny ombalahy iray kosa, hamboariko sy hapetrako eo ambony kitay hazo tsy asiana afo koa.
Rahefa izany kosa, hiantso ny anaran’andriamanitrareo ianareo;
izaho kosa hiantso ny anaran’ny Tompo.
Ka izay Andriamanitra mamaly amin’ny afo, dia izay no Andriamanitra.”

Namaly avokoa ny vahoaka nanao hoe:

“Tsara izany!”

Dia hoy i Elia tamin’ny mpaminanin’i Baala:

“Fidio ho anareo ny iray amin’ireto ombalahy, ka amboary aloha,
fa ianareo no maro, ary antsoy ny anaran’ny andriamanitrareo,
nefa aza asiana afo.”

Dia nalain’ireo ny ombalahy nomena azy ka namboariny,
dia niantso ny anaran’i Baala izy,
hatramin’ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ny andro, nanao hoe:

“Ry Baala ô, valio izahay!”

Nefa tsy nisy nanoina na namaly akory.
Ka nihinjaka teo anoloan’ny ôtely nataony izy ireo.
Nony nitataovovonana ny andro,
nesoesoin’i Elia teo izy ireo, nataony hoe:

“Miantsoa mafy, fa andriamanitra moa izy,
ka sao dia revo mandinika, na varian-javatra, na lasa nivahiny;
matory angamba izy, ka dia hifoha.”

Dia niantso mafy tokoa izy ireo
sady nitetika ny tenany tamin’ny sabatra aman-defona araka ny fanaony,
mandra-piloa-dra ny tenany.
Ary nony efa nitsidika ny andro,
dia naminany izy mandra-pahatongan’ny fotoana fanolorana ny fanatitra.
Nefa tsy nisy nanoina na namaly na nihontsona kely akory.

Izay i Elia vao nanao tamin’ny vahoaka hoe:

“Manatòna ahy ianareo.”

Nony nanatona ny vahoaka,
dia namboariny ny ôtelin’ny Tompo izay efa voarava.
Naka vato roa ambin’ny folo i Elia, araka ny isan’ny fokon’ny zanak’i Jakôba,
ilay niharan’ny tenin’ny Tompo hoe:
Israely no ho anaranao.
Ireo vato ireo no nanaovany ôtely ho an’ny anaran’ny Tompo.

Rahefa izany nasiany hady manodidina ny ôtely
sahabo hahalany voa famafy indroan’ny famarana;
dia nalahany ny kitay hazo, noraisiny ny ombalahy,
ka napetrany teo ambony kitay hazo.
Ary hoy izy:

“Fenoy rano ny siny efatra,
ka aidino amin’ny sorona dorana sy amin’ny kitay hazo.”

Dia hoy izy:

“Ataovy fanindroany indray izany.”

Dia nanao izany fanindroany tokoa ny olona.
Fa hoy indray izy:

“Ataovy fanintelony koa izany.”

Dia nanao izany fanintelony ny olona.
Ka nikorotsaka nanodidina ny ôtely ny rano,
dia nasainy hofenoina rano koa ny hady.

Nony tamin’ny fotoana fanolorana ny fanatitra;
dia nandroso i Elia mpaminany, ka nanao hoe:

“Ry Tompo Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba ô!
aoka ho fantatra anio fa Andriamanitra amin’i Israely Ianao,
ary izaho dia mpanomponao ka teninao no nanaovako izao zavatra rehetra izao.
Mihainoa ahy, ry Tompo ô, mihainoa ahy!
mba hahafantaran’ity vahoaka ity fa Ianao no Tompo Andriamanitra,
ary Ianao ihany no mampiverina ny fon’izy ireo indray.”

Dia latsaka tamin’izay ny afon’ny Tompo,
ka nandoro ny sorona dorana, ny kitay hazo, ny vato, ny tany,
ary ritrany ny rano tamin’ny hady!
Nony nahita izany ny vahoaka rehetra,
dia niankohoka tamin’ny tany nanao hoe:

“Ny Tompo ihany no Andriamanitra, ny Tompo ihany no Andriamanitra!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 15, 1-2a. 4. 5. sy 8. 11

Andriamanitra ô, ambeno aho mifefy aminao.

Andriamanitra Tompo ô, ambeno.
F’Ianao re no hany ifefeko.
Hasambarako tokana an-tany.
Ka ireny sampy hamaroina,
tsy hanaovako sorona intsony;
tsy ho tononiko anarana akory.

Ianao re, ry Tompo, no lova,
hany zarako mandrakizay.
Eo alohako foana ny Tompo;
tsy hiala eo ankavanako Izy.

E ny lalan’ny fiainana izao,
dia hatoronao ahy hatrany,
ka mameno hafaliana ny foko.
Ho finaritra mandrakizay,
’zay mitoetra eo ankavananao
hasambarana tsy mety ritra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)

Tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka.

Tamin’izany andro izany, hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:

“Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny Lalàna sy ny Mpaminany;
tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka.
Fa lazaiko aminareo marina tokoa,
fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany,
dia tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia i iray na tendron-tsoratra iray akory aza,
mandra-pahatanterak’izy rehetra.
Koa amin’izany izay handika ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo,
ka hampianatra ny olona toy izany,
dia ho kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra;
fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa
dia ho lehibe amin’ny fanjakan’ny lanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

11 jona 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 13-16)

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 17, 7-16)

Ny lafarinina tao am-bilany tsy lany, ny diloilo tao an-tavoara tsy nihena, araka ny tenin’ny Tompo nolazainy tamin’ny alalan’i Elia.

Tamin’izany andro izany, ritra ny ranon-driaka,
fa tsy nisy orana nilatsaka tamin’ny tany,
ka tonga tamin’i Elia ny tenin’ny Tompo, nanao hoe:

“Miaingà ianao ka mankanesa any Sareptà, izay any Sidôna, dia mitoera any;
indro fa nodidiako hamelona anao any ny vehivavy mpitondratena anankiray.”

Dia niainga izy, ka nankany Sareptà.
Nony mby teo am-bavahadin’ny tanàna izy,
indro nisy vehivavy mpitondratena anankiray teo nanangon-kitay hazo,
dia nantsoiny ka nataony hoe:

“Aza mahafady,
mba angalao rano kely amin’ny fisotroana aho hosotroiko.”

Dia nandeha naka rano ravehivavy.
Nantsoiny izy ary nataony hoe:

“Dia mba itondray mofo kely eny an-tananao aho,
raha mba sitrakao.”

Fa hoy ny navaliny:

“Velona ny Tompo Andriamanitrao,
tsy misy zavatra masaka ao amiko;
lafarinina eran’ny tanana ila ao am-bilany
sy diloilo kely foana ao amin’ny siny no hany ananako.
Ary indro aho manangona tapa-kazo roa izao,
dia hody hanamboatra izany ho anay mianaka;
hohaninay izany, dia ho faty izahay.”

Fa hoy i Elia taminy:

“Aza matahotra, fa modia ka ataovy izany voalazanao izany.
Nefa anaovy mofo kely amin’izany aho aloha, dia ento mankatý amiko,
vao manao ho anao sy ny zanakao ianao.
Fa izao no lazain’ny Tompo Andriamanitr’i Israely:
Ny lafarinina ao am-bilany tsy ho lany,
ny diloilo ao an-tavoara tsy hihena akory
mandra-piavin’ny andro handatsahan’ny Tompo ranonorana eto ambonin’ny tany.”

Dia nandeha ravehivavy, nanao araka ny tenin’i Elia,
ka nanan-kohanina ela izy sy ny ankohonany, ary i Elia koa.
Ny lafarinina tao am-bilany tsy lany, ny diloilo tao an-tavoara tsy nihena,
araka ny tenin’ny Tompo nolazainy tamin’ny alalan’i Elia.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 4, 2-3. 4-5. 7-8

Aidino aminay ny hazavan’ny Tavanao, ry Tompo.

Raha miantso aho, valio, Andriamanitro,
fa Ianao re no fahamarinako.
Ary Ianao no mamonjy amin’ny sarotra,
koa iantrao ary henoy ny antsoantsoko.
Ianareo kosa, ho’aho, dia maninona,
no tia zava-poana sy fitaka?

He ny Tompo miahy ny olo-maminy.
Raha vao miantso Azy Tompo aho dia henony.
Mangovita, atsaharo ny heloka,
mandiniha eo am-pialana sasatra.

Iza hoe no hampahita fiadanana?
Asehoy ny endrikao Andriamanitra.
Ny hafaliana nomenao, ry Tompo,
mihoatra ny azy amin’ny taom-pamokarana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 13-16)

Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao.

Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Ianareo no fanasin’ny tany;
fa raha ny fanasina no tonga matsatso, hatao ahoana no fanasina azy indray?
Tsy ho azo atao inona intsony izy,
fa hariana any alatrano hohitsahin’ny olona.
Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao:
tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra,
ary tsy misy olona mampirehitra jiro, ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana,
fa eo ambonin’ny fanaovan-jiro no apetrany
mba hanazava izay rehetra ao an-trano.
Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo
mba hahitany ny asa soa ataonareo,
ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nitondra fanazavàna ny Ministra delege misahana ny zandarimariam-pirenena sy ny OMC, manoloana ilay famaizan'ny biraon'ny SRMV tany Tsiroanomandidy. Ny 10% amin'ny voka-pifidianana ihany no may, saingy efa vita fikirakirana nialoha... ♦ Nisy ny fividianana safidm-bahoaka miharihary tao amin'ny disitrikan'i Toliara voalohany, nialoha sy nandritra ny androm-pifidianana, hoy ireo kandidà 4 amin'ny 7, any an-toerana. Nanao fanambaràna miaraka izy ireo omaly... ♦ Miroso ny asa fanamboarana lay lalam-be migodàna manomboka eo Talata-volonondry mankany Toamasina. Maminavina ny hampitombo avo roa heny ireo tanora malagasy miasa amin'izany ilay orinasa SAMCRETE, miandraikitra ny asa fanamboarana...

10 jona 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 1-12)

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 17, 1-6)

Velona ny Tompo Andriamanitr’i Israely, izay itsanganako eo anatrehany.

Tamin’izany andro izany,
i Elia Tesbita, isan’ny mponina tao Galaada,
nilaza tamin’i Akaba hoe:

“Velona ny Tompo, Andriamanitr’i Israely, izay itsanganako eo anatrehany!
Tsy hisy ando na ranonorana amin’ireto taona ireto raha tsy teniko ihany.”

Dia tonga tamin’i Elia ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Mialà eto ianao, ka mandehana miantsinanana,
ary miere ao amin’ny ranon-driaka Karita, tandrifin’i Jordany.
Ny rano eo an-dranon-driaka no hisotroanao
ary ny goaika no efa nodidiako hamelona anao any.”

Dia niainga izy ary nanao araka ny tenin’ny Tompo,
ka lasa nonina tao amin’ny ranon-driaka Karita tandrifin’i Jordany.
Nitondran’ny goaika mofo sy hena isa-maraina izy, sy mofo sy hena isan-kariva,
ary nisotro rano teo an-dranon-driaka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 120, 1-2. 3-4. 5-6. 7-8

Ny fitahiana ahy dia avy amin’ny Tompo, Ilay nanao ny tany aman-danitra.

Miandra any an-tendrombohitra ny masoko.
Avy aiza àry no ho tonga any izany vonjiko?
Avy any amin’Izy Tompo re ny vonjiko
fa Izy nanao ny tany sy ny lanitra.

Ary Izy tsy hamela anao ho solafaka,
satria tsy sondrian-tory fa miambina.
Tokoa tsy sondrian-tory na rendremana,
fa miambina an’i Israely re ny Tompony.

Ny Tompo miahy anao amin’ny alina;
ny Tompo eo anilanao ka miambina.
Masoandron’ny antoandro tsy afaka hisompatra;
ny volan’ny alina aoka tsy hatahorana.

Tsy voan’ny loza ianao fa ambenany
ho lavitra anao ny rofy sy ny aretina.
Miambina anao mandroso sy miverina.
Ny Tompo no toky ary Izy tsy mivadika.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 1-12)

Sambatra izay mahantra am-panahy.

Tamin’izany andro izany,
nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra;
ary rahefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany,
ka niloa-bava Izy nampianatra azy, nanao hoe:

“Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.
Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo.
Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy.
Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy.
Sambatra ny madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy.
Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra izy.
Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny amiko:
mifalia sy miravoravoa ianareo fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra,
satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...