Talata 21 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 29-36)
Alatsinainy 20 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Taona tsy ankasa — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana amin’ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 13-28)
Alahady 19 febroary 2023 — Alahady Tsotra fahafito Mandavantaona — Taona A — Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy Izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 38-48)
♦ Tsy mifanohitra amin'ny lalam-panorenana ny fanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany ny 09 nôvambra sy ny fihodinana faharoa ny 20 desambra 2023 hoy ny Fitsaràna avo momba ny lalam-panorenana. Nivoaka omaly ny fampahafantarana izany... ♦ Mitombo iray indray ny antoko pôlitika eto Madagasikara. Nampahafantarina omaly ny fijoroan''ny Anjomara sy Rivo-Baovao na ny ARB tarihan'ny filohany Raobelina Andry... ♦ 50 mahery ny isan'ireo karazana tsaho niely momba ny Covid-19 raha ny fanadihadiana nataon'ny Ilontsera tamin'ny Faritra telo teto amin'ny nosy, dia ny tao Vakinakaratra, Matsiatra-Ambony ary Anosy...
♦ Mbola mitoetra mandraka ankehitriny ny tsaho amin'ny Covid-19. Karazana tsaho amin'ny Covid-19 hatrany amin'ny 56 karazana no niparitaka tamin'ny faritra telo teto Madagasikara, araka ny fanadihadiana nataon'ny Ilontsera... ♦ Nampahafantarina androany ny fijoroan'ny antoko pôlitika Anjomara sy Rivo-Baovao... ♦ Mitaky ny mangarahara amin'ny fomba fitsinjarana ireo efitrano ao amin'ny Cité an'ny mpianatra R+1, ny fikambanana MAFAMI...
♦ Mbola mihatra hatramin'izao ny tsy fahafahana manondrana sy mikitika ireo andramena nogiazana eto Madagasikara. Isan'ireo hazo voageja azo ampiasaina kosa ny palissandre... ♦ Tombanana hitatitra entana hatrany amin'ny 1000 Taonina isan-taona ny lalam-by mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina, ao aorian'ny fahavitany... ♦ Sazy mihatra 30 volana an-tranomaizina miampy lamandy 2 tapitrisa Ariary no nomen'ny Fitsarana an'Andriamatoa Harry Laurent Rahajason. Nahazo sazy mihantona herintaona an-tranomaizina sy lamandy 1 tapitrisa Ariary kosa Ramatoa Voahangy Rajaonarimampianina...
Manova zavatra sy manatsara fiaraha-monina ny fitiavana sy ny fifanajana. Entanina ny rehetra hanao ezaka hiaina sy hametraka fitiavana ao am-po, hampirindra ny fiaraha-monina. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Miainga eto Antananarivo sy Toamasina avokoa ny 50% amin'ny harin-karena faobe eto Madagasikara. Niara-nandinika ny hanohizana ny tetik'asa "TATOM" izay drafi-panajariana an-tanàn-dehibe ho an'Antananarivo sy Toamasina noho izany omaly ny mpitondra sy ny mpiara-miombon'antoka... ♦ Mandalo krizy ny tontolon'ny lavanila eto Madagasikara saingy tsy hihemotra amin'ny fanadiovana sy ny fanavaozana hisitrahan'ny Malagasy tombontsoa, dia ny tantsaha sy ny mpandraharaha ny Fitondram-panjakàna... ♦ Efa eo am-paomanana ireo antotan-taratasy ahafahana misitraka ireo famatsiam-bola hiatrehana ny fiovaovan'ny toetr'andro i Madagasikara...
♦ Mandalo krizy ankehitriny ny tontolon'ny lavanila eto Madagasikara. Araha-maso akaiky ny fanondranana lavanila, hisorohana ny hosoka sy ny fanararaotana samihafa, hoy ny Minisitra Egard Razafindravahy... ♦ Nifampidinika hanohizana ny famatsiam-bola ny tetikasa Tatom, drafi-panajariana an-tanan-dehibe, ho an'Antananarivo sy Toamasina, ny mpiara-miombona antoka ara-teknika sy ara-bola... ♦ 14 febroary, andron'ny mpifankatia: Tamin'ny alalan'ny fanomezan-dra no nanamarihan'ny AFT eny Andavamamba izany. Famelabelarana momba ny lohahevitra : "Mahay mitia ve ?" no nentin'ny CDA Andohatapenaka nankalazana izany...
♦ Voasazy higadra 30 volana sazy mihatra ny ministry ny serasera teo aloha, Rolly Mercia. Nivoaka androany maraina ny didy momba ilay raharaha nitorian'Andriamatoa Mamy Ravatomanga azy amina raharaham-pitsarana any Frantsa... ♦ Manomboka ny fanamboarana maika ny lalam-pirenena faharoa mankany Toamasina. Ny volan'ny Fanjakana Malagasy anatin'ny RPI no entina hanaovana izany, hoy ny eo anivon'ny Ministeran'ny asa vaventy... ♦ Mbola mitoetra eto Madagasikara ny valanaretina Covid-19, na mihena aza ny isan'ny olona mitondra ny tsimok'aretina. Marary iray indray no namoy ny ainy ny herinandro teo, raha ny tatitry ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka...
Ny faha-11 febroary ny andro fankalazana ny andron'ny marary. Ny fahasalamam-bahoaka dia ireo mety mahakasika ny fahasalaman'ny olona maro, sokajin'olona na vondron'olona. Misy ny aretina mety ahazo ny daholobe, ohatra ny tazomoka. Maro ny olona no tsy taitra amin'ny aretina mety mihanaka haingana. Ny fahasalamam-bahoaka dia ilaina araha-maso akaiky mba ahafahana misoroka, mamolavola paik'ady hanatsarana sy hitandroana ny fahasalaman'ny daholobe. Fianarana manokana mihitsy ny sampana mikirakira ny fahasalamam-bahoaka. Ireo aretina tsonitsoniavin'ny olona dia matetika avy amin'ny otrik'aretina, izay tsy voatandrin'ny olona ; eo koa ny avy amin'ny kankana. Ho fisorohana ny aretina maro dia ny fanajana ny fahadiovana...
Bokin'i Siraka (Sir. 2, 1-11)
Anaka, raha mandroso hanompo ny Tompo ianao,
omano ho amin’ny fizahan-toetra ny fanahinao.
Ahitsio ny fonao, ka mahareta,
ary aza mikoropaka foana amin’ny andron’ny fahoriana.
Miraiketa amin’Andriamanitra ianao, ka aza misaraka aminy,
mba hitomboanao ho amin’izay hiafaranao.
Ekeo avokoa izay manjo anao,
ary mandefera amin’ny fifandimbiasan’ny fietrenao.
Fa ny volamena sy ny volafotsy aofana amin’ny afo;
ary ny olona ankasitrahan’Andriamanitra kosa,
amin’ny memin’ny fietrena.
Matokia an’Andriamanitra ary Izy hanarina anao;
mizora amin’ny lala-mahitsy ary manantenà Azy.
Miandrasa ny famindram-pony, ianareo matahotra ny Tompo,
ary aza mivily lalana, fandrao dia levona ianareo.
Matokia Azy, ianareo matahotra ny Tompo,
dia tsy ho very valisoa ianareo.
Manantenà, ianareo matahotra ny Tompo,
ny hasambarana, ny hafaliana mandrakizay sy ny famindram-po.
Diniho ange ny taranaka fahagola, ka fantaro;
iza no nanantena ny Tompo,
ka nahazo henatra na oviana na oviana?
Zovy no naharitra tsy niala tamin’ny fahatahorana Azy,
ka mba nilaozany?
Iza no niantso Azy, ka latsa no hany azony?
Fa miantra sy mamindra fo ny Tompo,
ary mamela heloka sy mamonjy amin’ny andro mahory Izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 36, 3-4. 18-19. 27-28. 39-40)
Miantehera amin’ny Tompo; manaova ny tsara;
monena amin’ny tany, miraota amin-toky.
Eny, ny Tompo no iravoy:
dia homeny anao izay irin’ny fonao.
Ny andron’ny madio fantatry ny Tompo;
ny lovan’ireny ho mandrakizay.
Tsy ho maina izy raha mihantona ny ando,
ary ho voky amin’ny tao-mosarena.
Halaviro ny ratsy, ataovy ny tsara,
raha tahiny te-haharitra mandrakizay.
Fa ny Tompo dia tia ny rariny,
ka tsy mandao ny mpivavaka aminy.
Ny olo-meloka ho fongotra mandrakizay;
ny taranaky ny olon-dratsy ho fompotra.
Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo:
fa izy no mandany amin’ny andro fahoriana.
Ny Tompo mitahy sy manafaka azy, manafaka azy amin’ny ratsy fanahy.
Eny, Izy no mamonjy azy noho izy ireo mifefy aminy.
Aleloia. Aleloia.
Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Tompontsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 29-36)
Tamin’izany andro izany,
namaky an’i Galilea i Jesoa sy ny mpianany,
ary tsy tian’i Jesoa ho fantatr’olona izany,
fa nampianatra ny mpianany Izy ary nanao taminy hoe:
“Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’Olona, dia hovonoiny,
fa hitsangan-ko velona Izy raha afaka hateloana aorian’ny hahafatesany.”
Tsy fantatr’izy ireo anefa izany teny izany,
sady tsy sahiny nanontaniana Azy koa.
Dia tonga tany Kafarnaôma izy ireo, ary nony mby tao an-trano,
dia nanontany ny mpianany i Jesoa nanao hoe:
“Inona izany niadianareo hevitra tany an-dalana izany?”
Fa tsy niteny tsy nivolana izy,
satria ny amin’izay ho lehibe indrindra amin’izy rehetra
no niadiany hevitra teny an-dalana.
Dia nipetraka Izy ary niantso ny roa ambin’ny folo lahy
ka nanao taminy hoe:
“Izay te-ho voalohany no ho farany indrindra
sy ho mpanompon’ny olona rehetra.”
Ary nandray zaza anankiray Izy, napetrany teo afovoany; sy nofihininy,
ary hoy Izy tamin’ny mpianany hoe:
“Na iza na iza handray anankiray amin’ny zazakely toy itony
amin’ny Anarako,
dia handray Ahy,
ary izay mandray Ahy,
dia tsy mandray Ahy,
fa Izay naniraka Ahy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco