♦ Notsenaina tao Andriba, vavahadin'ny diôsezin'i Mahajanga, ny alarobia maraina teo i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz... ♦ Nanitatra ny misôna any amin'ny diôsezin'i Fanoarivo Atsinanana, ny fikambanana Misiôneran'ny Fianakaviana Masina, eto Madagasikara... ♦ Nanentana ireo mpitsabo misehatra anatin'ny pastôralin'ny fahasalamana eo anivon'ny diôsezin'i Rôma, ny Papa François, mba hahaizan'izy ireo mihaino ny fijaliana mangina an'ireo marary tsy misy mpikarakara, anaty fahasahiranana ara-bola sy ara-môraly...
Sabotsy 18 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ry Tompo, ary ampianaro ahy ny Fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 1-12)
Zoma 17 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 34-39)
Alakamisy 16 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 27-33)
♦ Nampahafantarin'ny CENI androany, ireo vinavina amin'ny datim-pifidianana, izay ho Filoham-pirenena, hotanterahana amin'ity taona ity... ♦ Nahitana fiakarany ny tahan'ny fanondranan'i Madagasikara vokatra ivelany, ho an'ny taona 2022, noho ny fitomboan'ny fanondranana Nickel sy Cobalt... ♦ Mitaky ny hamoahana ny marina tamin'ireo raharaha fanodikodinam-bola nisy teo anivon'ny Jirana ny MCI...
♦ Mbola tsy nahitam-bahaolana mazava hatramin'ny androany, ny fitarainan'ireo mpandraharaha lavanila tamin'ny fitondram-panjakana... ♦ Manoso-kevitra hametrahana fanjakana vaovao na "État nouveau", Andriamatoa Gérard Andrialemirovason, mpanao pôlitika akaiky ny Amiraly Ratsiraka. Nambarany androany, fa tsy marin-toerana intsony ny fitondrana ankehitriny... ♦ Mbola tsy tafaverina eny anivon'ny fianakaviany, herinandro aty aoriana, ilay zaza varira 9 taona, nisy naka an-keriny tany Vangaindrano...
Alarobia 15 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 22-26)
Talata 14 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 14-21)
Alatsinainy 13 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 11-13)
Alahady 12 febroary 2023 — Alahady Tsotra fahenina Mandavantaona — Taona A — Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao. Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-37)
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 11, 1-7)
Ry kristianina havana,
ny finoana no santatry ny zavatra antenaina,
sy porofon’ny zavatra tsy hita.
Nanam-pinoana ny Ntaolo ka izany no nahatsara laza azy.
Ny finoana no ahafantarantsika fa ny Tenin’Andriamanitra
no namoronana izao tontolo izao,
fa tsy mba zavatra hita no nanaovana izao zava-miseho izao.
Ny finoana no nanoloran’i Abela tamin’Andriamanitra
sorona tsaratsara kokoa noho ny an’i Kaina,
sy nilazana azy hoe marina,
fa nankatoavin’Andriamanitra ny fanatitra nataony;
ary noho izany ihany koa, na dia maty aza izy,
dia mbola miteny ihany.
Ny finoana no namindrana an’i Enôka tsy hiharan’ny fahafatesana,
ka tsy hita intsony izy fa nafindran’Andriamanitra,
ary talohan’ny namindrana azy dia voalaza
fa nankasitrahan’Andriamanitra izy.
Raha tsy misy finoana, dia tsy misy ahazoana sitraka amin’Andriamanitra koa:
satria izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy hino fa misy Izy,
sady mamaly soa izay mitady Azy.
Ny finoana no nandrafetan’i Nôe ny sambo fiara hamonjena ny fianakaviany,
fa natahotra izy nony efa nilazan’Andriamanitra ny zavatra mbola tsy hita;
ary izany no nanamelohany an’izao tontolo izao
sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana izay azo amin’ny finoana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 144, 2-3. 4-5. 10-11)
Misaotra Anao isan’andro aho,
sy midera ny Anaranao mandrakizay!
Lehibe ny Tompo ary mendri-dera fatratra;
tsy azo takarina ny halehibeny!
Ny taranaka mifampigaga ny zava-bitanao,
sy mankalaza ny asanao mahery,
manambara ny harevaky ny voninahitrao,
mitantara ny asanao mahagaga.
Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra!
Misaotra Anao ny mpivavaka aminao!
Miresaka ny voninahitry ny fanjakanao izy ireo,
sy miteny ny asanao mahery.
Aleloia. Aleloia.
Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ry Tompo,
ary ampianaro ahy ny Fitsaranao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 1-12)
Tamin’izany andro izany,
nalain’i Jesoa i Piera sy i Jakôba ary i Joany
ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo anankiray,
dia niova tarehy teo anatrehany Izy.
Tonga nanjelajelatra sady fotsy hoatry ny oram-panala ny fitafiany,
ka tsy misy mpamotsy lamba mahafotsy toy izany ety an-tany.
Ary niseho tamin’izy ireo i Elia sy i Môizy,
sady niresaka tamin’i Jesoa.
Dia niteny i Piera ka nanao tamin’i Jesoa hoe:
“Raby ô, mahafinaritra ny mitoetra aty;
aoka hanao lay telo izahay, ny iray ho Anao,
ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia.”
Fa tsy fantany izay nolazainy,
satria raiki-tahotra loatra izy ireo.
Tamin’izay dia nisy rahona nanarona azy;
ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe:
“Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy.”
Niaraka tamin’izay dia nijerijery manodidina izy ireo,
nefa tsy nahita olona intsony, fa i Jesoa irery sisa teo aminy.
Nony nidina avy tany an-tendrombohitra izy ireo,
dia norarany tsy hilazalaza amin’olona ny zavatra vao hitany,
mandra-pitsangan’ny Zanak’Olona ho velona.
Dia notanany tao am-pony izany zavatra izany,
sady mifampaka saina izy ny amin’izay hevitr’izany hoe mitsangan-ko velona.
Ary nanontany Azy izy ireo nanao hoe:
“Ahoana àry no ilazan’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna
fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia?”
Dia hoy i Jesoa hoe:
“Tsy maintsy ho avy aloha i Elia sy hanavao ny zavatra rehetra;
fa ahoana kosa no nanoratana ny amin’ny Zanak’Olona
fa tokony hijaly mafy Izy sy hotevatevaina izaitsizy?
Ary lazaiko aminareo fa efa tonga sahady i Elia,
sady nataon’ny olona taminy izay sitraky ny fony,
araka ny nanoratana azy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Jenezy (Jen. 11, 1-9)
Tamin’izany andro izany,
dia iray fiteny sy iray fanononana ny tany rehetra.
Nony nandeha niantsinanana ny olona
dia nahita tany lemaka tao amin’ny tany Senaara izy,
ka niorim-ponenana teo.
Dia nifampilaza izy nanao hoe:
“Andeha isika hanao biriky, ka handoro azy amin’ny afo.”
Dia biriky no nataony solom-bato,
ary ditin-tany no nataony solon-tsimenitra.
Hoy koa izy:
“Andeha isika hanorina tanàna anankiray,
ary tilikambo anankiray mahatakatra ny lanitra ny tampony,
dia hanangana tsangambato ho antsika,
fandrao tafaely any ambonin’ny tany rehetra isika.”
Fa nidina kosa ny Tompo hizaha ny tanàna aman-tilikambo
nataon’ny zanak’olombelona.
Dia hoy ny Tompo:
“Indro firenena iray izy ireo
ary fiteny iray no iraisan’izy rehetra,
ary ity asa ity no iandohan’izay tiany hatao;
amin’izao dia tsy hisy na inona na inona hisakana azy
tsy hanatanteraka izay kasainy hatao.
Andeha isika hidina ao ihany ka hanorokoro ny fiteniny
mba tsy hifankahazo fiteny intsony izy.”
Dia napariakan’ny Tompo avy eo izy ireo
ho any ambonin’ny tany rehetra,
ka nitsahatra tsy nanao ilay tanàna intsony.
Izany no nanaovana ny anarany hoe Babela,
satria tao no nanorokoroan’ny Tompo ny fitenin’ny tany rehetra,
ary avy ao no nampielezan’ny Tompo azy ireo
ho any ambonin’ny tany rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 32, 10-11. 12-13. 14-15)
Ny Tompo mandrava ny fanampoizan’ny firenena,
sy manafoana ny fikasan’ny vahoaka.
Ny fanampoizan’ny Tompo maharitra mandrakizay;
ny fikasan’ny fony, amin’ny taranaka mifandimby.
Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony
sy ny vahoaka nofidiny ho lovany!
Any an-danitra ny Tompo mitazana:
hitany avokoa ny zanak’olombeona.
Any amin’ny toerany onenany Izy
mitsinjo ny mponina rehetra amin’ny tany:
Izy Ilay namolavola ny fony tsy an-kanavaka,
ilay mahafantatra ny asany rehetra.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 34-39)
Tamin’izany andro izany,
nantsoin’i Jesoa ny vahoaka mbamin’ny mpianany ka nilazany hoe:
“Raha misy te-hanaraka Ahy,
aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany
ka hanaraka Ahy.
Fa izay te-hamonjy ny ainy no hahavery azy,
ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely
no hamonjy azy.
Inona ny soa azon’ny olona
raha mahazo izao tontolo izao izy,
nefa very ny fanahiny?
Sa inona no azon’ny olona omena
ho takalon’ny fanahiny?
Izay ho menatra Ahy sy ny teniko
amin’ity taranaka mpijangajanga sy mpanota ity,
dia ho menatra azy koa ny Zanak’Olona
rahefa avy amin’ny voninahitry ny Rainy Izy
otronin’ny Anjely masina.”
Dia hoy koa Izy:
“Lazaiko marina aminareo
fa ny sasany aminareo eto
dia tsy hanandra-pahafatesana
raha tsy efa mahita ny fanjakan’Andriamanitra
tonga amin’ny voninahitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco