♦ Miato hatramin'ny rahampitso ny fampianarana ho an'ny ato amin'ny DREN Analamanga. Hisy fiatraikany amin'ny fianaran'ny ankizy ny fihatoana hoy ny lehiben'ny CISCO Atsimondrano. Azo atao anefa ny manarina izany... ♦ Mahita hevitra hanondranana antsokosoko ny volamena hatrany ireo mpanao izany. Saron'ny fadin-tseranana Malagasy tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny teratany Indiana nampiasa izany fomba izany ny 20 janoary lasa teo tamin'ny zotram-piaramanidina vahiny iray... ♦ Nandahateny nandritra ilay fihaonana an-tampony andiany faharoa momba ny sakafo ho an'i Afrika tanterahana any Senegal omaly ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina. Mamono olona maro eran-tany noho ny ady hoy izy ny hanohanana...
Noharian'Andriamanitra hitovy endrika aminy ny olombelona. Noho izany dia manan-danja sy manana fahamendrehana ny olombelona tsirairay, ary anisan'izany "Aho". Amin'ny maha-tanora ahy dia afaka mampiasa izany ho tombony aho : afaka mamorona sy matsilo saina. Tsara aho ary afaka manao ny tsara ihany koa. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagascar.
♦ Miisa 08 ny olona maty, takaitra navelan'ny rivo-doza nandalo teto Madagasikara. Olona 20 isa no tsy hita popoka, 46.000 isa mahery ireo traboina avy amin'ny Faritra 13 eto amin'ny nosy.... ♦ Miantso fifanampiana ny Evekan'i Morondava Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina manoloana ny takaitra nateraky ny rivo-doza... ♦ Ny 66% maherin'ny olom-pirenena afaka mifidy no tafiditra anatin'ny lisi-pifidianana amin'izao fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy tanterahan'ny CENI... ♦ Hamatsy fiara mifono vy ho an'i Ukraine ny amerikana sy ny alemana. Nanaiky handefa fiara mifono vy ihany ny mpitondra alemana. Balafomanga mahataka-davitra indray no angatahan'ny filoha Vlodymyre Zelensky...
♦ Misy ny hafatra sy antso ho fifanampiana entin'ny evekan'i Morondava, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, manoloana ny takaitra navelan'ny rivodoza... ♦ Nampiato ny zotram-pirenena any amin'ny Lalam-pirenena faha-4 sy faha-6 ny toby fiantsonana Makis Andohatapenaka, noho ny fahatapahan-dalana... ♦ Vinavina amin'ny sora-bola ilain'ny CENI amin'ny fikirakirana ny fifidianana, ilay vola 33 tapitrisa Dolara, izay niparitaka tamin'ny gazety vahiny, hoy ny Filohan'ny CENI androany...
♦ Tsy ahiana aloha ny hiverenan'ny rivo-doza Cheneso. Na izany aza, hivoatra any amin'ny maherin'ny 100km miala ny morontsiraka izy ato anatin'ny 3 andro manaraka... ♦ Efa fantatra sy vonona avokoa ny toerana handraisana ny tra-boina ho an'ny eto Antananarivo. Raha tsy misy moa ny toerana handraisana azy ireny, dia efa vonona ihany koa ny tranolay hapetraka amin'ny fotoana ilàna izany... ♦ Efa mijery ny RN4 ny ministry ny Asa Vaventy, mijery ny hanamboarana ireo lalana tapaka, mihazo an'i Mahajanga. Efa tonga any amin'ireo toerana hiasaàna ny fitaovana sy ny milina hanamboarana ny RN34 mampitohy an'Antsirabe sy Malaimbady... ♦ 49% amin'ireo fanavaozana miisa 31 ao amin'ny fadin-tseranana Malagasy no vita...
Ny olona tsirairay dia tsy maintsy manana vina sy tanjona raha te-ho tafita eo amin'ny fiainana. Io vina sy tanjona io dia azo avy amin'ny fananana "fahefana anaty" izay fanalahidin'ny fiainana manontolo. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
♦ Olona miisa 7 no namoy ny ainy, vokatry ny rivo-doza Cheneso, ary olona 13 isa no tsy hita popoka, raha ny tatitra navoakan'ny BNGRC, omaly tamin'ny 8 ora alina... ♦ 200 taona ny fadin-tseranana Malagasy. Homarihina miaraka amin'ny andro iraisam-pirenena ho an'ny fadin-tseranana izany rahampitso alakamisy 26 janoary 2023... ♦ Vita ihany ny fifidianana izay ho mpikamban'ny filan-kevim-pitantanan'ny OMDA, ho an'ny mpanakanto amin'ny mozika. Nialohavana savorovoro teo amin'ireo mpanakanto izany...
♦ Nitombo hery ka lasa rivodoza indray i Cheneso androany, tany amin'ny 180km, andrefana somary avaratra andrefan'i Morondava no nisy ny foibeny tamin'ny 3 ora tolakandro teo... ♦ Miabo ny vokatra azo tamin'ny fandaharan'asa Formaprod, raha ny isan'ny tanora voaofana. Nizara ny zava-bita nandritra ny 10 taona niasany ity fandaharan'asa ity... ♦ Nidina an-dalambe, nilanja sora-baventy mitaky ny fialan'ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Serasera, niainga teny Mahamasina hatreny Ampefiloha, i Rossy sy ny mpiara-dia aminy...
Manana adidy hanabe sy hanomana ny zanaka mba hatratra ny tanjona kasainy, ny mpivady. Mila mihomana mialoha ny mpivady, izany hoe mandalo fifampidinihana vao tokony hiroso amin'ny fiterahana. Misy akony amin'ny fitaizana ilay zanaka ny antony hiterahana : Faniriana, na noho ny tosiky ny fiaraha-monina. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Niverina ho rivo-doza indray i Cheneso rehefa nitombo hery. tsy ahiana anefa ny hiverenany an-tanety... ♦ Tsy mitsabaka amin'ny fifidianana izay hatao eto Madagasikara i Frantsa. Safidin'ny Malagasy irery ihany ny hametraka izay ho filoha tiany hitantana ny fireneny, hoy ny masoivoho Frantsay... ♦ Mbola maro amin'ireo mpampianatra eny amin'ny Lycée Nanisana no tsy miverina miasa fa miandry ny fandraisany ny vacation BEPC... ♦ Nankatoavin'ny tahirim-bola iraisam-pirenena na ny FMI ny hanomezana fanampiana ara-bola maika 105 tapitrisa Dôlara ho an'i Haïti...
♦ Tafakatra any amin'ny ampahaefa-dalana eo amin'ny Chan ny Barean'i Madagasikara. Resin'ny Barea 3-0 i Soudan, alina... ♦ Hiaka-dapa eny amin'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena anio ny disadisa misy eo amin'ireo samy mpanakanto momba ny OMDA... ♦ Miato amin'ny ampahany vokatry ny toetry ny andro ny fampianarana araka ny toromariky ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena... ♦ Ho feno herintaona amin'ity herinandro ity ny fananiham-bohitra ataon'i Rosia any Ukraine...
♦ Nivoaka an-dranomasina androany, tao amin'ny tananan'i Morondava, ny sisan-drahona miaraka amin'i Chenso. Hahazo hery indray izy afaka 24 ora, ka mety ho lasa rivodoza... ♦ Miato amin'ny ampahany ny fampianarana ao amin'ny Cisco Antananarivo Renivohitra, noho ny toetrandro... ♦ Fanalahidin'ny fampandrosoana ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana, hoy ny antoko MMM...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco