Hajao sy kajio ny tontolo manodidina anao. “hevero ho toy ny tenanao ihany no iharan’izay ataonao, raha tsara dia ianao ihany no hisitraka izany, raha ratsy dia ianao ihany no ho voan’izany”. Izay tsy tianao atao amin’ny tenanao aza atao amin’ny hafa. Ohatra: ny fako ao an-trano sy eny amin’ny lalana; maloto amin’ny trano fidiovana, atoroy ny fomba tokony hatao fa tsy miteny na mandrara fotsiny. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany. 

8 jolay 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 14-17)

♦ Nifarana androany ny fankalazana ny andron'ny tambazotran'ny tanora mandala ny fahitsiana sy ny fahamarinana, teto amin'ny Faritra Analamanga. “Tanora tompon'ny ankehitriny, manorina ny ho avy lavitry ny kolikoly”, no lohahevitra. Hetsika natao teny amin'ny Kianjan'ny Barea Mahamasina... ♦ Mikarakara hetsika eny amin'ny Kianjan'ny Barea Mahamasina, nanomboka androany ary hitohy rahampitso, ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena, hanampiana ny tanora hitady asa sy ny fizarana asa...

♦ Hotanterahana eny amin'ny kianja Soamandrakizay ny alahady 09 jolay 2023 ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra sy fankasitrahana an'i Mgr Odon Marie Arsène Rzanakolona, Arsevekan'Antananarivo nandritra ny 18 taona... ♦ Nanentana ireo ao anatin'ny tokantrano imaso hiroso amin'ny sakramentan'ny fanambadiana ny Vaomieran'ny Fianakaviana ao amin'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Hitsidika an'i Mongolie ny 31 aogositra ka hatramin'ny 04 septambra 2023 ny Papa François...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...