♦ Nahemotra amin'ny voalohan'ny volana aogositra, raha tokony natao androany teny Anosy, ny fitsarana ny raharaha fifidianana ben'ny tanàna tany Toliara-I. Tsy tonga niatrika ny raharaha Andriamatoa Rabehaja Jean, ben'ny tanàna ao Toliara... ♦ Hangataka fihaonana amin'ny ben'ny tanànan'Antananarivo renivohitra sy hampahafantatra ny fijoroan'izy ireo eo anatrehan'ny mpanolontsainan'ny tanàna ny Observatoire Mahitsy Fijery... ♦ Nandrombaka medaly sady, ny ekipam-pirenena Malagasy amin'ny fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika, taranja karate, tanterahina any Nigeria. Fifaninana iraisam-pirenena tanterahina any Abuja, nanomboka androany ka hatramin'ny 28 jolay izao...

Fambolena miaro ny tontolo iainana : mahaliana ny tanora Tafita any amin’ireo tanora nahazo tohana ara-piofanana avy amin’nytambazotra iraisam-pirenena misehatra amin’ny fampiofanana amin’ny famokarana sy ny tontolo ambanivohitra na ny RI-FAR sy ny Réseau SOA ny fahaza-manao noratovin’izy ireo. Nahita tombotsoa ireo tanora nampihatra ny fambolena miaro ny tontolo iainana sy ny fitantanana ny rano tao amin’ny fikambanana Soa Mitsinjo
ao amin’ny kaominina Antanetibe Mahazaza ato amin’nydistrikan’Ambohidratrimo.

♦ Hifarana anio tolak'andro amin'ny alalan'ny adina an-tsoratra amin'ny taranja ara-panatanjahantena ny fanadinam-panjakàna bakalôrea ankapobeny. Mbola hitohy amin'ny herinandro ho an'ireo mpiadina bakalôrea teknika... ♦ Maimaimpoana ny fisoratana anarana ho an'ireo mpianatra amin'ireo toeram-pampianarana miankina amin'ny Fanjakàna hoy ny Ministeran'ny fanabeazam-pirenena... ♦ Hisokatra ho an'ny mpampiasa lalana manomboka ny fiandohan'ny volana aogositra izao ny ampahany farany amin'ilay lalana "Voie rapide". Manomboka ety amin'ny Don Bosco Ivato hatrany Andranotapahina, izay mirefy 4km...

♦ Disadisa efa nihotrika teo amin'ny samy fianakaviana no nitarika ilay fety nitera-doza teny amin'ny sampanana Hihazo an'i Imerinkasinina-Ambohimalaza. Datura sy Belladone ireo zava-maniry nampiasaina ka nahafaty sy namparary ireo nahinana ny sakafo... ♦ Handalo fitsarana eny Anosy anio ny raharaham-pitsarana momba ny fifidianana ben'ny tanàna tany Toliara-I. Tsy maintsy hanao tatitra amin'ny vahoaka amin'izany didy hivoaka izany ny kandidà sy ny mpiaradia aminy... ♦ Hampidirin'ny Kaominina Antananarivo ao anatin'ny rafitra manara-dalàna amin'izay ny taxi-moto, miasa amin'ny fitanteram-bahoaka ao an-drenivohitra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...