Misy fifandrifiany ny teny Malagasy ny teny Swahili, ary maro ireo porofo hita amin'ny anaran-toerana sy anaran'olona, mikasika ny fifandrohiana izay. Tamin'ny faritra avaratra-andrefana amin'ny nosintsika no tena nifanerasera tamin'ireo foko Bantou, ny teny Swahili anefa dia teny Arabo sy teny Bantou miaraka. Ireto anaran-toerana ahenoana teny Swahili Antanimasja, Amabibo, Ambatonakanga, Ambodivona, Itaosy ; ireto no ohatra anaran'olona misy teny Swahili : Anja, Salama, Monja, Riziky, Jao, Seheno...
♦ Teny amin'ny HJRA omaly hariva no natao fanadihadiana i Fenohasina tompom-pety, noho ilay raharaha Ambohimalaza. Tonga teny an-toerana naka am-bavany azy ny avy amin'ny Zandarimariam-pirenena sy ny Pôlisim-pirenena... ♦ Fianakaviana 10 manana havana maty na marary noho ny raharaha Ambohimalaza no nametraka fitoriana teny Fiadanana, omaly. Mitory ny tompom-pety tamin'iny loza niseho iny izy ireo... ♦ May ny ampahany betsaka tamin'ny tsena Sabotsy-Antsirabe omaly hariva. Ora vitsivitsy taorian'ny firehetana vao voafehy ny afo, rehefa nifanampian'ny mpamonjy voina sy ny mponina manodidina...
Ny relijiozy dia maneho marina an'i Kristy. Ny fiainan'ny relijiozy dia fanahafana tanteraka an'i Jesoa Kristy Tompoo, ilay nadio sy nahantra ary nanetry tena. Ny vavaka isanandro ataon'ny relijiozy hanamafisany ny fifandraisany amin'Andriamanitra dia fanehoana ny vavak'i Kristy tany an-tendrombohitra. Ny relijiozy dia antsoina ho tia an'Andriamanitra mihoatra ny zavatra rehetra... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
• Hentitra ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa androany, raha nitsidika ny foibem-panadinana Bakalorea teny Sabotsy Namehana. Tsy tokony hivoaka ny efitrano fanadinana ny mpiadina raha tsy oray irau ao aorian'ny nisokafan'ny laza adina, hoy izy, hisorohana ny olana mety hitranga vokatr'izany... • Manentana ny Tambaben'ny Mpiasan'ny Jirama, hanohy hatrany ny fifampidinihana amin'ny Filoham-pirenena, ny FISEMARE Foibe manoloana ny olana misy ao amin'ny orinasa Jirama... • Nahazo fahazoan-dalana ara-tontolo iainana amin'ireo faritra iasany amin'ny fanarenana ny ala honko simba amin'ny alalan'ny tetikasa Ma honko, ny orinasa Bondy, ny volana jona teo...
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco