9 novambra, alahady faha-32 tsotra mandavantaona - Fankalazana ny nitokanana ny Bazilika ao Latran - Fankalazana ny tenin’Andriamanitra : Izay rehetra mangataka ao an-tranoko dia mahazo, hoy ny Tompo; izay mitady dia mahita, ary izay mandondòna dia hovohaina. Ny Bazilika ao Latran dia Katedralin'ny Papa amin'ny maha Evekan'i Rôme azy, azo ambara ho tena trano lohan'ny Fiangonana eran-tany. Ankehitriny dia Latran ny Pape no manao ny Lamesan'ny Alakamisy-Masina hariva, ary manavao ny nataon'i Kristy nanasa ny tongotry ny Apôstôly ; tamin'ny 9 novambra 324 no nanokanana io Bazilika io. Latran : fiombonana, misterin'ny Eglizy tempoly, kristy ivon'ny fiainana...

Fanapoizinana raha natao fanahiniana, fa fahapoizinana raha tranga tsy nahiana. Ambara fa poizina ny hita amin'ny sakafo rehefa miteraka fikorontanana eo amin'ny fahasalamana sy ny vatan'ny olona iray ny singa voatelina. Poizina : akora simika, methanol, zava-maniry misy poizina, fisian'ny otrik'aretina anaty sakafo (E. coli, Listeria, Salmonella et Shigella) ...  Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Efa nampidirina ao amin'ny teti-bolam-panjakàna lasitra 2026 (LI-2026) ny hetahetan'ny vahoakaa sy ny sehatra tsy miankina, mifanaraka amin'ny Pôlitika Ankapoben'ny Fanavaozana ny Repoblika... ♦ Hiverina amin'ny laoniny ny fampianarana amin'ireo sekolim-panjakàna manomboka amin'ny alatsinainy 10 novambra 2025 izao ary tsy maintsy ho vita ara-potoana ny fandaharam-pianarana... ♦ Ezahina hampidirina anatin'izao fivoriana ara-potoan'ny antenimiera izao ny volavolan-dalàna momba ny fisitrahana zo hahazo antontam-baovao sy vaovao eny anivon'ireo sampandraharaham-panjakàna...

♦ Niverina teny anivon'ny hôpitaly indray fotoana fohy taorian'ny nampidirana azy am-ponja tao Maorisy ilay mpandraharaha Malagasy Mamy Ravatomanga... ♦ Homena hipetrahan'ny mpianatry ny oniversite ireo Building mora etsy amin'ny Lac-Iarivo, mpianatra 700 any aho an'ny no honina amin'ireo foto-drafitr'asa ireo... ♦ Niroso tamin'ny fandatsahana orana artifisialy nanomboka omaly ary aharitra telo andro ny ministeran'ny angovo sy ny akoran'afo hampiakarana ny tahan'ny haavon'ny rano ao Andekaleka... ♦ Miaina tsy fahatomombanana maro ireo toeram-pianarana any Haïti amini'izao fotoana izao...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...