♦ Ahemotra amin'ny volana febroary 2026 ny ZAIKABE FAHA-10 sy ny Kômity foibe faha-47, karakarain'ny FFKM izay nokasaina hatao ny 24 hatramin'ny 29 novambra 2025 izao, noho ny toe-draharaham-pirenena... ♦ Nisongadina tamin'ny filan-kevitry ny ministra omaly ny fanesorana olom-panjakàna ambony teo anivon'ny ministeran'ny vola sy ny fitantanam-bola sy ny nanafoanana ny didim-panjakàna nanendry ireo tompon'andraikitry ny DREN manerana ny Faritra 23... ♦ Sazy anterivozona 20 taona sy onitra 100 tapitrisa Ariary no azon'ireo olona telo voampanga tamin'ny famonoana an'i Rasazy Narindra araka ny didim-pitsaràna nivoaka omaly...
Ao amin'ny Litorjia, indrindra amin'ny Eokaristia dia i Jesoa Kristy no tena miasa : amin'ny endriky ny pretra manao ny fombafomba, amin'ny Sakramenta manome fahasoavana, amin'ny Tenin'Andriamanitra miteny amin'ny vahoaka, amin'ny vahoaka mivory amin'ny anarany. Jesoa Kristy dia ilay tena Mpisorona sy Otely hanaovana sorona... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
• Tsy voatana ny daty saika hanaovana ny Zaikabe sy ny Komity Foibe FFKM, noho ny zava-misy eto amin'ny firenena... • Maro ireo mpiasam-panjakana ambony nesorina tamin'ny toerany, nandritra ny Filankevitry ny Minisitra notanterahana androany... • Halain'ny CNaPS ny SMDG, ho takalon'ny tsy fahefan'ity farany ny vola nosamboriny...
♦ Hiroso amin'ny fanaovana fitsirihana (audits) eny anivon'ny sampandraharaham-panjakàna sy ministera ny Fitsaràna ara-bola aharitra 90 andro ny faharetan'izany... ♦ Miatrika ny fanadihadiana ataon'ilay sampandraharaha misahana ny fanadihadiana momba ny heloka bevava atsy amin'ny nosy Maorisy Andriamatoa Mamy Ravatomanga... ♦ Hiverina indray ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny tambazotra iraisan'Antananarivo noho ny tsy fahampian'ny rano ao Andekaleka araka ny fampahafantarana avy amin'ny Orinasa JIRAM... ♦ Natokan'i Papa Léon-XIV ho an'ireo olona mitolona amin'ny heritreritra hamono tena ny fangataham-bavaka ataony ho an'ity volana novambra ity...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco