• Hiresaka momba ny raharaham-pirenena ao amin'ny haino aman-jerim-panjakana anio ny Filoham-pirenena. Andrasana indray izay ho ambarany momba ny olana ara-tsosialy iainan'ny vahoaka ankehitriny... • Hovana ho “électronique” manomboka izao ny karatra fahazoan-dalana na “Permis minier” havoakan'ny Minisiteran'ny Harena an-kibon'ny tany. Nampahafantarina androany ny momba izany... • Tombanana hivoaka amin'ny faran'ity herinandro ity na ny voalohandohan'ny herinandro ho avy io ny voka-panadinana CEPE. Mitaraina ireo mpampianatra fa nahena ny isan'ireo mikirakira izany...
♦ Mikatsaka hatrany ny fanampiana ny tanora amin'ny fanohanana azy ireo ahita fanofanana arak'asa sahaza azy ny Don Bosco Madagasikara. Fahombiazana ny fihaonambe fifampizaran-kevitra natao tao Toliara sy Fianarantsoa tamin'ity volana jona ity... ♦ Tsy aharitra ela ny ady eo amin'i Iran sy Israel hoy ny Profesora Ralison Roger. Misy akony amin'ny tany madinika toa an'i Madagasikara nefa ity ady ity... ♦ Hahazo fankatoavana iraisam-pirenena atsy ho atsy ny kianjan'i Barea etsy Mahamasina hoy ny Ministry ny tanora sy ny fanatanjahantena. Efa mikarakara ny fomba hanatsaràna ny bozaka ilalaovana ny tompon'andraikitra hoy Andriamatoa Abdulah Moustapha...
Ny sehatra mampifondrona sy mampifandray dia ny Fiangonana, mahay mifandefitra, mahay mifankatia, mahay mifanaja. Ny fetim-pirenena dia toa ny "andro fandroana", fotoana fifamelan-keloka, fotoanan'ny fampihavanana, fotoana famadihana pejy indrindra raha nisy zava-dratsy niainana. Ny tsy fananana fotoana hifampiresahana amin'ny manodidina dia mahatonga fiolonolonana ; etsy ankilany ny "fahaiza-mihaino" dia endriky ny fanehoana fitiavana, fanomezan-kasina sy lanja ny manodidina... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Tafakatra 20 ny isan'ireo maty nandritra ilay fety teny Imerikasinina Ambohimangakely ny sabotsy teo. Fanapoizinana ny sakafo, famosaviana niniana natao, no nisy ka ho fantatra tsy ho ela ny marina momba ity raharaha ity hoy ny Ministra delegé misahana ny zandarimariam-pirenena... ♦ Notoloran'ny Fanjakàna Malagasy mari-boninahitra noho ny ezaka fiarovana ny harena voajanahary ny Profesora Lyly-Arson René de Roland. Nanolotra izany ny MInistry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy... ♦ Hotanterahana ny 4 hatramin'ny 7 septambra izao ny F.I.A 2025, miaraka amin'ny festival iraisam-pirenena ho an'ny hay momba ny sakafo, mpikarakara Mada Vision...
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco