• Nisehoana horohorontany teto Antananarivo sy ny manodidina androany tolakandro. Heverina ho tany amin'ny Distrikan'Anjozorobe no nisy ny foibeny ary nahatratra 4,5 amin'ny mari-drefy Richter ny heriny... • Tsy nisy olona hafa intsony hatramin'izao, nampahafantarina fa hatao fanadihadiana momba ny raharaha Boeing 777, tao aorian'ny nisamborana ireo roalahy ahitana teratany Indiana... • Misy ary ampy ny tahirim-bakisiny BCG eto Madagasikara, hoy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Nitondra fanazavana momba ny famatsiana io karazam-bakisiny io eto amintsika izy androany...
♦ Misy tombony ho an'i Madagasikara ny maha mpikambana azy ao amin'ny SADC hoy ny PMH. Ahafahana manafatra ny sakafo hanampiana ireo filàna andavanandro ny tsena ao aminy hoy ny filohany Andry Razafindralambo... ♦ Tokony arahana an-tsakany sy an-davany hoy ny Transparency International Initiative Madagascar ny tsy fandoavana saram-pianaran'ny mpianatra ho an'ny sekolim-panjakàna, isorohana ny mety ho trangana kolikoly aterak'izany... ♦ Andro faharoa amin'ny Fier Mada ny androany. Ny fikarohana lalam-barotra no antony voalohany iakaran'ny tantsaha sy ny mpandraharaha eny ambanivohitra eto an-drenivohitra...
♦ Hanatevin-daharana ny fikambanana Gasy Tompon'ny Taniny ireo ray aman-dreny ao amin'ny ARFM ahafahana manohy hatrany ny tolona efa natomboka. Tolona hanavotana ny tanindrazana sy hamerenana ireo nosy 5 miparitaka an'ny Malagasy... ♦ Madagasikara no mitantana ny kômity maharitra ho an'ireo mpiasam-panjakàna ambony ao amin'ny SADC nanomboka izao. Tontosa omaly ny famindram-pitantanana teo amin'ny sekretera jeneralin'ny Ministeran'y raharaham-bahiny Malagasy sy Simbaboena... ♦ Andro faharoa amin'ny Fier Mada ny anio. Fahombiazana ny andro voalohany. Tonga marobe teny amin'ny kianja Makis Andohatapenaka ny mpitsidika...
Ny fisehoan'i Masina Maria dia tohin'ny sy fanampiny amin'ny tantaram-pamonjena. Miseho amin'ny endrika roa ny anjara-toeran'i Masina Maria amin'ny tantaram-pamonjena, taorian'ny nitsanganan'i Jesoa ho velona : ny fisian'ny teo anivon'ny Eglizy ary faharoa fanohizany manely ny finoana ary fizarana ny fahasoavana azo tamin'ny famonjena... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco