Miorom-paka : rehefa mahazo faka ny voa iray dia mivoatra tsikelikely ny fitomboany ary tonga ho hazo lehibe ary isika olombelona dia toa izany ; ny singa rehetra azo eo amin'ny fiaraha-monina dia miteraka fandrosoana ho an'ny olona iray, amin'ny lafiny ara-batana, ara-panahy. Ny fisokafana amin'ny fiaraha-monina amin'ny lafin-javatra hafa dia lalana iray hizorana amin'ny fandrosoana, afaka mandray sy afaka mizara fahalalana... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Folo volana aty aoriana hiakatra fitsarana eny Anosy anio alarobia faha-5 novambra ny raharaha nahafatesan'ny Ben'ny tanàna an'i Mangataboahangy Rasazy Narindra... ♦ Andrasana anio ny fanaovan-tsonia fifanarahana (Protocol d'accord) hifanaovan'ny mpampianatra sy ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena, miankina amin'izy io mantsy ny hiverenan'ny fampianarana ho an'ireo sekolim-panjakàna... ♦ Niampy telo indray ireo razana hita tamin'ilay faharendrehana an-dranomasina tany Mahajanga, tafiakatra 14 araka izany ireo razana efa hita...

Amin'ny asa pastoraly indrindra ao amin'ny Litorjia ny asan'i Kristy dia mitohy ao amin'ny Eglizy. Amin'ny Litorjia i Kristy dia mampiray amin'ny tenany ny mpino ary ny Eglizy dia mandray anjara amin'ny asan'ny famonjena. Izany no mahatonga ny Eglizy antsoina hoe "Sakramentan'ny famonjena" amin'ny tantara. Ny Litorjia dia asa iombonan'ny Eglizy sy i Kristy... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

• Niditra an-tsehatra namaha ny olan'ireo mpampianatra teny amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena ny Kolonely Gervais Andriamiarisoa, Mpanolotsaina Avo eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara... • Nifampitsapa hery teny Analakely androany, ireo mpomba sy mpanohitra ny fanesorana ny Ben'ny Tananan'Antananarivo Renivohitra, Harilala Ramanantsoa... • Niroso amin'ny famahana ny olan'ny angovo eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo ny fitondram-panjakana...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...