♦ Saika hiditra an-keriny ny Lapan'ny tanàna eny Analakely ny avy amin'ny HOPE-Ami, mitaky ny hialàn'ny Ben'ny tanàna. Raikitra ny fifandonana teny an-toerana ny antoandro teo... ♦ Niverina nidina an-dalam-be indray ireo mpianatry ny sekolim-panjakàna sasany ao an-drenivohitra. Nilaza ireo mpampianatra mitokona fa tsy misy idiran'izy ireo izao hetsiky ny mpianatra izao... ♦ Mahazo vahana ny fitokonan'ny mpampianatra amina Faritra maro. Mbola mampiato ny fampianarana amin'ny Sekolim-panjakàna izy ireo nanomboka omaly... ♦ Ahitàna fihenàna betsaka ny famotehana sy fitrandrahana ala any Brésil...

Rainandriamampandry dia olomangam-pirenena tena tia tanindrazana. Rabezandriny no tena anarany fa amin'ny fiaraha-monina anefa dia matetika takona ao ambadiky ny anaran-janaka ny anaran'ny ray, izy moa nanana zanaka natao hoe Andriamampandry raha teo. Rainandriamampandry dia evanjelistra, mpampianatra, mpahay tantara sy jeografia ary mpikaroka momba ny teny sy ny kolontsaina. Ity olomangam-pirenena ity dia efa governora tao Toamasina, izay vavahadin'i Madagasikara sy renivohitra diplômatika, mpitaritafika nampihaiky ny fahavalo izy, ary efa niandraikitra ny asan'ny ministry ny atitany...

♦ Nampanantsoina teto Madagasikara ny masoivoho Malagasy atsy amin'ny nosy Maorisy, noho ny raharaha Mamy Ravatomanga. Tsy marina ny filazàna ny amin'ny fametrahany fialàna hoy Andriamato Camille Vital, omaly... ♦ Nahery vaika indray ny hetsi-bahoaka fitakiana fanesorana Ben'ny Tanàna tato ho ato. Nametra-pialàna vokatr'izay hetsi-pitakiana izay omaly, ny Ben'ny Tanàna an'Ambalavao, Distrika Atsimondrano... ♦ Misy lasa mivadika fampanaovana asa mamoafady ny sasany amin'ireny orinasa manao "Call Center" eto Antananarivo ireny amin'izao. Mpiasa vitsivitsy no sahy nijoro vavolombelona tamin'izany...

Ny fanafahana ny olombelona sy ny fanomezana voninahitra an'Andriamanitra no tanjon'ny asa nataon'i Kristy. Izy no nampihatra izany tamin'ny fahafatesany sy ny fitsangany tamin'ny maty ; ny Litorjia dia mitohy amin'ny asa fanavotana nataon'i Kristy, asa fanavotana miasa amin'ny fotoana ankehitriny... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...