Ny paka dia fiampitana avy amin'ny toerana iray ho amin'ny toerana iray hafa vaovao. Tamin'ny andron'Israely dia alina no fotoana nihinana ny zanak'ondrin'ny Paka, mba hanehoana fa Andriamanitra no manazava, Izy no manala ny vahoaka ao anatin'ny haizina mikitroka. Ny haizina voalaza eto dia ireo izay nihatra tamin'ny zanak'Israely : fanandevozana, famoretana, fanitsakitsahana ny zo maha-olona... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Ny misongady amin'ny fanirahana an'i Môizy : famaritan'Andriamanitra ny tenany mivantana sy ny momba azy amin'ny zanak'Israely ; araka izay nambaran'Andriamanitra tamin'i Môizy hoe : "Ilazao ny vahoaka fa Izaho ilay MISY", izany hoe, ilay eo an'ivon'ny vahoaka mandrakariva. Ny fanafahana ny vahoaka teo anatrehan'i Faraoana dia noho ireo toro-marika avy amin'Andriamanitra... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Noho ny fahitan'i Faraona fa nitombo be ny vahoaka Israeliana dia natahotra izy sao lasan'ireo zanak'i Israely i Egypte manontolo. Nandevozona ny vahoakan'i Israely, nampanaovina biriky, midika ho "ozona" ny asa tamin'izany. Niaritra 640 taona ny vahoakan'i Israely tao Egypte. Hitan'Andriamanitra ny fahoriana niainan'ireo vahoakany ka nifidy an'i Môizy Andriamanitra hanafaka an'i Israeliana... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Eo amin'ny fotoana nanomezan'Andriamanitra taranaka an'i Abrahama no nanomboka ny tantaram-pamonjena. Nino Abrahama, tsy nisalasala tamin'izay nolazan'Andriamanitra taminy, nampanantenain'Andriamanitra taranaka maro. Ankoatra an'i Isaaka dia nampanantenain'Andriamanitra fa ho tonga firenena lehibe ny fianakaviana Abrahama. Ny hoe "israely" manana tandrify hoe " combattant de Dieu"... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Andriamanitra manambara ny tenany : manafaka ny olombelona araka ny tantara fanandevozana ny olombelona, Izy Andriamanitra no mpanafaka. Miara-miasa amin'Andriamanitra ny olombelona, mitaky ezaka, Izy Andriamanitra manala antsika olombelon ao amin'ny haizina mikitroka mankany amin'ny fahazavana. Ny Eksaody dia fiampitana, misedra zavatra maro isika fa Andriamanitra ilay tena tia no manafaka antsika hatrany... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Alahady faha-23 mandavantaona — D : Izay tia mahafoy ; Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo: izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana. Na iza na iza tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mendrika ho mpianatro. Zara raha mahavinavina ny eto an-tany ny olombelona ; ary tsy maintsy misasatra vao mahita manoloana ny tenanay; tsisy hahatakatra izay any an-danitra, tsisy nahalala ny sitra-pon'Andriamanitra, raha tsy nomenao ny Fahendrena, sy nanirahanao ny Fanahy Masina avy any ambony...

Ny votoatin'ny fanambaran'Andriamanitra : Andriamanitra manambara ny tenany, namonjy antsika olombelona mandrakariva, Andriamanitra mpahary. Tandindon'i Jesoa Kristy lahitokan'Andriamanitra i Isaaka, ilay nanao ny tena ho sorona, nitondra ny kitay hanaovana sorona azy toa an'i Kristy nitondra ny hazo fijaliana. Isaaka no niteraka an'i Jakôba izay nitombo sy nisandrahaka tamin'ny foko 12... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Ireo 12 lahy zanak'i Jakôba no razamben'ny finoana, I Joseph no niavian'ny zanak'i Israely, ilay zazalahy namidin'ny zokiny. Ny tany nampanantenaina an'i Abrahama (Palestina ankehitriny) dia ilay tany nampanantenaina ny vahoaka sesitany tao Ejipta. Taranak'i Jakôbe ny zanak'israely, dia atao hoe vahoaka Hebrio izany hoe ireo vahoaka izay mandeha mamakivaky tany efitra... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Abrahama dia anarana nomen'Andriamanitra, anarana tompon'andraikitra, anarana maniraka, noho ny finoany sy ny fihainoany ary ny nahatokisany tsy amim-pisalasalàna azy Andriamanitra. Abrahama dia azo adika amin'ny hoe loha-pianakaviana, raim-pianakaviana, ilay anarana tadindon'ny fampanantenana. Niditra tamin'ny tantaran'olombelona Andriamanitra mba handio azy sy hamonjy azy... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Tamin'ny alalan'ny Teniny no nanambaran'Andriamanitra ny tenany. Tsy nitazana fotsiny ny fahalavoan'ny olombelona tamin'ny fahotana Andriamanitra fa tompon'andraikitra amin'izay nohariany Izy, amin'ny alalan'ny famonjerana maro lafy. Na dia nisy aza ny endri-pamaizana samihafa dia nisy ireny mba hitazonana ny fahalavorariana... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Tsy fototry ny fahotana fotsiny ny fihainoana ny Tenin'Andriamanitra fa io tsy fihainoana io ihany koa no mahatonga ny fahafatesan'ny olombelona, izay tsy mihaino ny Tenin'Andriamanitra dia anisan'ireo maty mandrakizay izany hoe tsy ho isan'ireo hitsangan-ko velona. Rehefa miala amin'Andriamanitra isika olombelona dia maty anefa mbola miezaka mamonjy antsika amin'ny fomba maro izy Mpahary... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Andriamanitra no mpahary, manana adidy hiahy sy hamelona ary hamonjy ny olombelona izay nohariany Izy. Lavo noho ny tsy fihainoana ny tenin'Andriamanitra ny olombelona satria nandika ilay fandraràna (Voankazo voarara). Samy tompon'andraikitra i Adama sy Eva tamin'ny tsy fihainoana ny tenin'Andriamanitra ; isika kristianina ankehitriny raha mitazana fotsiny ny loza mety hahazo ny ralahintsika sy ny namantsika dia meloka... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...