I Masina Maria dia mpanalalana (médiatrice), sady mpisolovava (paraclet) miankina tanteraka amin'ny Fanahy Masina sy Jesoa Zanany. Masina Maria dia mpiara-miasa voalohany amin'Andriamanitra amin'ny famonjena ny olombelona. Masina Maria dia renin'Andriamanitra no sady mpikambana voalohany ao amin'ny Eglizy, io no mamaritra fa olombelona tanteraka i Masina Maria na niteraka ny zanak'Andriamanitra aza... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Misy hatsaram-panahy efatra ao amin'i Masina Maria : ny fanekena izay natao, nanasongadina ny finoana, fananana fanantenana, ny fitiavany miredareda mba hamerenana ny ain'Andriamanitra ao amin'ny fanahintsika olombelona. Tsy nanolotra sorona hafa akory, i Masina Maria ankoatra izay nataon'i Kristy, nanolatra ny tenany ho famonjena ny olombelona. Miankina amin'ny zanany i Masina Maria fa tsy mahaleontena... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Ny zavatra rehetra nataon'i Masina Maria dia tsy nanova mihitsy ny momba azy sy ny fahatanterahan'ny famonjena satria olombelona foana izy, na renin'Andriamanitra aza, olona miaina ny finoana. Mbola misy hiraka ho an'i Masina Maria taorian'ny nahafatesan'i Jesoa, miaraka mivavaka amin'ny mpino izay miandry ny fidinan'ny Fanahy Masina ary miray fo amin'izy ireo ; Masina Maria no santa-bokatra any an-danitra... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Alahady 17 aogositra 2025 : Alahady faha-20 mandavantaona "D" - "Tolona ambony vatolampy ny fiainana, izay manao tan-tsy vinitra no vaky loha" ; Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako. Eo ady hita maso eo amin'ny fiainana andavanandro, fa ao koa ny ady amin'ny fahotana manakana antsika tsy hiraikitra amin'Andriamanitra. Maika mihitsy i Jesoa handrehitra ny afo, izay afo-pitiavana handrehitra ny fon'olombelona, manainga antsika hanaraka izay nataony. Afo ahitana ny rariny :  fitiavana, fanadiovana, fanadiovana...

Teboka maro momba ny fifandraisan'i Masina Maria amin'i fiainam-pahazazan'i Jesoa Kristy : Midodododo i Masina Maria mamonjy ny sahirana (tamin'ny famangiana sy fanampiana an'i Elizabeta rahavaviny) ; sady miresaka amin'ireo madinika sy ny manan-kaja (ireo Majy sy ny mpiandry ondry) ; fahatongavan'i Jesoa ho nofo, tsy nikasika ny fahadiovan'i Masina Maria... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Ny sorona izay nataon'i Jesoa Kristy teo Kalvery sy ny sorona nataon'i Masina Maria amin'ny maha-renin'i Jesoa azy dia iray ihany, ka nijaly izy noho ny fanoheran'ny olona ny zanany. Masina Maria dia nangina sy nitahiry tao am-pony ny zavatra rehetra nolazaina taminy, ary ohatra ho antsika izy. Taorian'ny fahazazan'i Jesoa dia niaraka niasa tamin'i Zanany i Masina Maria, ohatra amin'ireny ny tranga tamin'ilay fampakaram-bady tao Kanà... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Amin'ity taona 2025 dia feno 75 taona no nambaranan'ny Papa Pie-XII, tamin'ny fomba manetriketrika ny 1 novambra 1950, fa rehefa nahavita ny fivahinianana Masina teo an-tany i Masina Maria dia nampiakarina "vatana" sy "fanahy" any amin'ny voninahitry ny lanitra. Tsy niteny mihitsy ny Papa Pie-XII, mikasika izay mety ho fahafatesana na fitsanganan-ko velon'i Masina Maria fa nihanona tamin'ny hoe "nampiakarina" izy... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Rehefa teraka i Jesoa zazakely dia tao anaty hafaliana tokoa i Masina Maria, maneho ny zanany Mpamonjy tamin'ireo mpiandry ondry, solontenan'ireo mahantra na ireo Majy, solontenan'ireo avara-pianarana satria toy izany no fomba fidiran'ny zanak'Andriamanitra teto an-tany. Tena isan'ny toetra manimba ny fiaraha-monina ny fanilikilihana ireo mahantra, Andriamanitra anefa tsy manavaka... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Ny "ENY" nambaran'i Masina Maria manoloana ny hafatra nampitondrain'Andriamanitra ny Anjely dia tsy noterena fa hevitra voadinika tsara, ary ohatra ho an'ny olombelona rehetra izany fanekena izany. Raha misy zavatra tsy azo manoloana ny resaka na adidy hifampizarana dia tokony hanontany hatrany fa tsy hanaiky tsy ampy fiheverena sy tsy voadinika tsara... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Masina Maria no lohalaharana amin'ireo madinika sy mahantran'ny Tompo, izay matoky sy manantena famonjena avy aminy ; ary izy ihany koa ilay zanaka vavy an'i Siôna, nahataperan'ny fetr'andro nandrasana ela araka ny fampanantenana sady nahatanterahan'ny fandaharana vaovao, fa avy aminy no nakan'ny zanak'Andriamanitra ny fomba maha olombelona mba hanalany ny olombelona amin'ny fahotana.... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Manana adidy isika kristianina hiady amin'ny fakam-panahy, satria ao am-pontsika ao no sehatra hisehoan'io ady io ; araka ny voalazan'i Masindahy Paoly "fantatro fa tsy mitoetra ao amiko ny tsara, izany hoe tsy ato amin'ny nofoko" Ny demony dia fanahy, vahaolana hiadiana aminy ny fialana amin'izay rehetra mety ho fakam-panahy... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Fotoana famonosan-drazana ny volana aogositra hatramin'ny septambra. Nanomboka ny vanim-potoana nanenjehana ny kristianina no tena nampiroborobo ny famadihana. Taloha dia isaky ny 15 na 20 taona vao misy ny famadihana, izay entina hifankahafantarana sy hanamafisana ny fihavanana, hanaovana fiaraha-misakafo. Ankehitriny dia simba ireo fomba teo aloha, lasa ny vola no mibaiko fa tsy manao ho zava-dehibe ny fihavanana...  Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...