Teny tokana Andriamanitra, Jesoa teny tokan'Andriamanitra, tsy misy toa azy ary tsy misy azo ampitahaina aminy, Masina sy lavorary. Tsy mitovy amin'ny fahalavorarian'Andriamanitra ny fahalavorarian'izay rehetra nohariany, eny fa na ny olombelona aza. Ny andro fahaenina no naharian'Andriamanitra ny olombelona, fa tamin'izany ihany koa no nahariany ny biby fiompy izay fanao sorona... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Andriamanitra manambara ny tenany : Tsy ampy fotsiny ny milaza sy te hampahafantatra hoe iza "Andriamanitra ", fa te hiombona tanteraka amin'ny olombelona Andriamanitra, ka hatanteraka izany dia miseho tsikelikely amin'ny olombelona Andriamanitra maneho ny tenany. Andriamanitra no mpahary ny olombelona, ary mbola Andriamanitra ihany koa no mpamonjy, dia izay mino azy... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

"Teny" mihitsy no naharian'Andriamanitra an'izao tontolo izao, araka izay voalaza ao amin'ny Jenezy, mitantara ny nahariana an'izao tontolo izao. Tamin'ny nahariana an'izao tontolo izao dia niteny Andriamanitra ary izay noteneniny sy tiany dia nisy. Isaky ny faharian'Andriamanitra tao anatin'ny 6 andro misesy dia nofarany hatrany tamin'ny hoe "ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany" ... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Dei dia midika Andriamanitra, ary ny Verbum dia teny, ny Dei Verbum kosa dia azo adika hoe tenin'Andriaminitra. Andriamanitra miteny (Andriamanitra Ray), ilay tenin'Andriamanitra tonga nofo (Jesoa Kristy), ilay teny no lasa soratra dia ny Baiboly. Ny Eglizy dia mampianatra ny Tenin'Andriamanitra izay sarotra azo, raha tsy misy manazava, sy mampianatra eny na nadika tamin'ny tenim-pirenena maro... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Ny famonjena ny olona rehetra dia efa vitan'i Jesoa Kristy tamin'ny nanolorany ny tenany teo amin'ny hazofijalina tao Kalvary, famonjena ny olombelona rehetra tsy ankanavaka ; ny fampiaran'ny tsirairay avy izay sorona nataon'i Jesoa izay, manana ny safidy ny tsirairay ho handray sa tsia izany famonjena izany, izay no ambara hoe famonjena ny tsirairay (rédemption subjective)... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Ny Papa Joany Paoly-II dia nanao katesizy misesy mikasika an'i Masina Maria, ka ny laharana faha 54, tamin'ny taona 1997 no miresaka ny fahafatesan'i Renin'Andriamanitra. Tsy manda ny fahafatesan'i Masina Maria ny Papa Pie-XII. Tsy lo fa avy hatrany dia nakarina any an-danitra avy hatrany ny Renin'Andriamanitra ; mety kokoa ny mihevitra fa nandalo fahafatesana izy ... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Masina Maria dia famantarana manambara fanantenana azo antoka ary fanalana alahelo ny vahoaka an'Andriamanitra mivahiny ety an-tany. Ary amin'izany ny Renin'i Jesoa dia efa henimboninahitra vatana sy fanahy any an-danitra ka santatry ny Fiangonana sy ny endriny araka ny ho toetrany any amin'ny taona ho avy, dia famantarana mamirapiratra manambara fanantenana azo antoka... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Misy ny fakam-panahy mikasika ny fanajàna an'i Masina Maria : Mampitandrina amin'ny zavatra hatao amin'ny fanajàna an'i Masina Maria ny Fiangonana, na tsy ampy na mihoatra ny tokony ho izy ; ohatra hoe manao saple miresaka amin'i Masina Maria kanefa zara raha miresaka moma an'i Masina Maria na mampiditra ny fanajàna ny Renin'Andriamanitra loatra amin-javatra rehetra... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Ny antony hanajana an'i Masina Maria dia noho ny iraka vaovao nomena azy, iraka ho renin'ny olombelona rehetra, tandidin'ireo mpianatra malalan'i Jesoa. Ho fanajana an'i Masina Maria dia manaova saple, manadra-bavaka, manaova anjelisy. Misy teny finoana efatra hanajana an'i Masina MAria : Renin'Andriamanitra, Virijiny Mandrakizay, tsy voakasiky ny fahotana, nampakarina any an-danitra... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Ny hevitry ny Soratra Masina mikasika ny rahalahin'i Jesoa dia tsy miresaka mivantana hoe rahalahy, iray ra sy reny amin'i Jesoa. Ny voambolana "rahalahy" ao amin'ny Baiboly dia tsy voatery hilaza iray reny sy ray fa mety ho havana. Omena toerana manokana i Masina Maria noho ny fahasoavana manokana noraisiny tamin'Andriamanitra, anefa tsy mitovy haja amin'i Jesoa, Andriamanitra Trinitera... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Nomen'Andriamanitra fahasoavana manokana i Masina Maria, niteraka ny zanany, ambony noho ny olombelona, eny, ambony noho ny anjely ihany koa. Efa ela ny tsy mpino no nanaja ny renin'Andriamanitra, fa niroborobo ny fanajàna taorian'ny Kônsily tany Efezy, rehefa nambara am-pahibe maso  fa renin'Andriamanitra i Masina Maria, tamin'ny taona 431... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Masina Maria ilay olombelona toa antsika ihany dia manana finoana, azon'ny olombelona rehetra alain-tahaka. Masina Maria dia môdeli-pinoana, ny fomba niainany dia ny finoana no mialoha ny fahagagana, izay mahatonga io tranga farany io ho tanteraka. Masina Maria dia tsy miandry fahagagana vao hino, ary izany no nampitombo finoana tsikelikely ny Apôstôly... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...