Tsy azo atao tsinotsinona fa tena zava-dehibe ny Testamenta Taloha ho an'ny Kristianina izay manaradia an'i Kristy. Tsy azo sarahina ny Testamenta Vaovao sy ny Taloha satria ny samy notsilovin'Andriamanitra ny mpanoratra azy ary ny Testamenta Taloha dia mamono ny testamenta Vaovao. Ny testamenta Vaovao dia mamelabelatra ny Testamenta Tranainy... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
Misy karazana fampianarana 16 isa navoakan'ny Konsily vatikana faharoa, ary izy ireo dia azo sokajiana 3 araky ny lanjany avy : Foto-pampianarana (miisa 4), Sori-dàlana (miisa 9) ary Fanabeazana (miisa3). Ny foto-pampianarana mahakasika ny fanambaran'Andriamanitra dia tena fototra mahakasika ny Litorjia, miankina be dia be aminy ny foto-pampianarana manodidina azy... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
Tsy misaraka ary mifampiankina ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Ny Misterin'ny Trinite Masina no vaovao ao amin'ny Testamenta Vaovao. Ny boky manontolo Testamenta Taloha tamin'ny fitorian'ny Vaovao Mahavaly dia maka ny heviny ao amin'ny Testamenta Vaovao... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Alahady 05 oktobra 2025 : Alahady faha-27 mandavantaona — D - Ny olona manam-pinoana tsy miandry valisoa eo no ho eo ; Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao: Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay. I Jesoa no niaina voalohany ireo fijaliana, fa lalam-pitiavana ireny ; porofo ny nanehoan'ny Ray ny fitiavany tamin'ny nananganany an'i Kristy ho velona. Mandre ny vavaka sy ny fangatahana ataontsika Andriamanitra fa misy ny fandarahana, ara-potoana, araka ny laharam-pahamehana aminy. Mila fotoana isika mba hamahana ny olana rehetra vokarin'ny ratsy, na ao anatintsika na eo amin'ny tontolo iainana mba tsy lasa mpitan-damba fotsiny isika...
Manohy miahy ny vahoakany Andriamanitra amin'ny alalan'ireo iraka manambara ny Teniny sy mampahatsiahy ny Fanekena nataony tamin'ny vahoakany. "Teny marin'Andriamanitra" nampitain'ny olona "notsilovin'Andriamanitra" ny Testamenta Taloha. Ny mpaminany no mampatsiahy ireo mpanjaka ny lalàn'Andriamanitra, voaenjika koa anefa ireo mpaminany... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Ao amin'i Jesoa Kristy no tanteraka ny voalaza rehetra tao amin'ny Testamenta Taloha. Na dia nosilovin'Andriamanitra aza ireo mpanoratra ny Testamenta Taloha dia azo lazaina fa tsy afa-miala amin'ny tontolo nisy azy ary tsy maintsy nanao izany araka ny maha-izy azy ny tenany. Zava-dehibe ho an'ny kristiana ny Testamenta Taloha, fanomanana ny fiavian'i Kristy... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Ny hita ao anatin'ny Testamenta Taloha dia tantaram-pamonjena ho an'ny olombelona. Nifidy vahoaka iray Andriamanitra, nanehoany ny fitiavany hamonjy ny olombelona. Andriamanitra no nifidy an'i Abrahama, izay niavian'ny mpamonjy (Abrahama - Isaaka - Jakôba - Josefa) ; miahy ny vahoakany Andriamanitra amin'ny alalan'ny iraka... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Ny fizarana fahatelo dia ny "Katobim", misy tononkalo (poesie) sy teni-pahendrena, fitoriana fitiavana ; boky ohabolana misy teny mamy fampaherezana. Ny tokon-kira dia fampiasa amin'ny litorjia, mifanandrify amin'ny volana maro ao anatin'ny taon iray : Rota, Estera. Mifamatotra amin'ny fiainan'ireo Jody ny tononkalo, tononkira, ohabolana toy ny hoe fanangonam-bokatra, fahatsiarovana ny fanafahana... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Ny Baiboly dia manambara zavatra maro, ny Baibolin'ny Jody dia mizara telo mazava tsara, isan'ireny ny mikasika ny Lalàna sy ny Mpaminany. Ao anatin'ny fizarana voalohany ny "Lalàna" ahitana boky 5, ahitàna ny fiandohan'izao tontolo izao, ny fivoahana avy tany Ejipta ; lalàna mifehy ny mpisorona, ny fanisàna. Ny miresaka ny "Mpaminany" : Josoe, Mpitsara, Samoela... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Ny Baiboly dia fitambaram-boky marobe, raha ny hita dia misy boky 73 no natambatra ka 46 isa no mandrafitra ny Testamenta Taloha, miampy 27 isa Testamenta Vaovao. Misy boky miisa fito, mirakitra ny votoatin'ny fanagejana nihatra tamin'ny Jody nataon'ireo Grika : Tobia, Fahendrena, Makabeo, Baroaka... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Ny Testamenta Tranainy dia Testamenta Taloha ihany ; ny mpanoratra dia notsilovin'ny Fanahy Masina, manana ny maha izy azy : niteny tamin'ny sokajin'olona tamin'izany vanim-potoana izany. Mba tsy hivily dia ao am-piangonana no andraisana ny hevitry ny Tenin'Andriamanitra, vakiana miaraka amin'ireo efa nanao ny fandalinana mba tsy hivoana... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Alahady 28 septambra 2025 - Alahady faha-26 mandavantaona — D : Ny soa atao levenam-bola. Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana ho anay, Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay. Mbola ho hita hatrany ankoatra ny elanelana mpampisatrakany mpanana sy ny mahantra eto an-tany ; anefa ny harena dia tsy ny vola ihany fa eo ihany koa ny fahaizana amam-pahalalana, ny talenta sy ny hatsaram-panahy. Ny fahantrana dia miseho amin'ny endriny maro toa ireo tsy nahazo fanabeazana, very zo, ireo tsy misokatra ara-panahy. Io elanelana io dia hitsimbadika any ankoatra any ka ireo ory teto an-tany dia ho tojo hasambarana...
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco