Manana andraikitra haneho fifampitsimbinana ny Malagasy rehetra. Ny fitoniana dia singa iray afahana mikaroka vahaolana amin-javatra maro, atao toetra fototra ny fahitsina, ialàna ny famitahana. Ny tompon'andraikitra ara-panjakàna, olom-boafidy, ireo mpandraharaha, olom-boatendry dia mila manao ho zava-dehibe ny soa iombonana fa tsy hanao asa mifanohitra amin'ny fitsipi-pitondran-tena. Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ry Malagasy rehetra mpiray firenena, ianareo mpiavy efa iray firenena amin'ny Malagasy sy iray ra, iray fizakan-jo amin'ny Malagasy. Manao antso-avo amin'ny tsirairay mba hisoroka olana maro lafy izay efa niteraka ankivy lalina teto Madagasikara. Aoka samy ho tony, samia manatontosa ny andraikiny sy ny adidy tandrify azy ny tsirairay, anatin'ny fanajana ny fahamarinana sy fahadiovam-po. Ataovy zava-dehibe ny fifanajàna, fifampihainoana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Noho ny maha-iray ny fandaharan'Andriamanitra, tsy ny lahatsoratra ao amin'ny Soratra Masina ihany no mety ho famantarana fa eo koa ny zava-misy sy ny fisehoan-javatra izay lazainy. Ny hevitra an'ohatra, ny hevitra ara-môraly, ny hevitra ara-tandindona. Ny hevitra ara-bakiteny mampianatra ny zava-miseho, ny hevitra an'ohatra manoro izay tsy maintsy inoana, ny hevitra ara-môraly mampianatra izay tsy maintsy atao, ny hevitra ara-tandindona... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Ekena tsy misy tomika lalan-dava àry ny fahamarinan'Andriamanitra sy ny fahamasinany ao amin'ny Soratra Masina, ary anefa miharihary koa ny fietrena mampitolagaga nasehon'Ilay Fahendrena mandrakizay "mba hahalalantsika ny hatsaram-po tsy hay lazaina misy ao Aminy sy ny rindram-piteny nampiasainy mba hitsinjovana sy hitandroana ny maha olombelona antsika"... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Araka ny fombam-pitenenana iray nataon'ny Aba, dia tsara kokoa ny amakiana ny Soratra Masina ao am-pon'ny Eglizy, toy izay amin'ny fitaovana fampitana ny heviny. Satria, entin'ny Eglizy ao amin'ny Lovam-pampianarany ny fahatsiarovana velon'ny Tenin'Andriamanitra, ary ny Fanahy Masina manome azy ny fivoasana ara-panahy ny Soratra Masina "... araka ny hevitra ara-panahy izay atolotry ny Fanahy Masina ny Eglizy... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Ao amin'ny Soratra Masina, miteny amin'ny olombelona araka ny fomban'olombelona Andriamanitra. Mba hivoasana tsara ny Soratra Masina. Mba hivoasana tsara ny Soratra Masina, tsy maintsy tandremana izany izay noheverin'ny olombelona mpanoratra hambara marina sy izay tena sitrak'Andriamanitra haseho antsika amin'ny alalan'ny tenin'izy ireo. Tsy maintsy vakina sy voasana eo ambany fahazavan'ny Fanahy nampanoratra azy ny Soratra Masina... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Mba hahatakarana ny zavatra nokendren'ny mpanoratra masina : tsy maintsy fantarina, anivon'ny zavatra hafa, ny karazan-dahatsoratra ; tsy maintsy arahi-maso tsara, ireo fomba fisainana, fomba fiteny, fomba fitantara nahazatra teo an-toerana sy nanan-kery tamin'ny andron'ny mpanoratra masina. Ny amin'ny fivoasana ny Soratra Masina àry dia manatanteraka ny didy sy ny anjara raharaha masina ho famoasana ny tenin'Andriamanitra ny Eglizy... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Nitsilo ny sain'olombelona mpanoratra ny Boky Masina Andriamanitra. "Mba hamoronana ireny boky masina ireny, ka nifidy olona afaka nampiasa feno sy manontolo ny fahaizana amam-pahalalan'izy ireo sy ny fahafahan'izy ireo Andriamanitra, niasa tao amin'izy ireo sy tamin'ny alalan'izy ireo Andriamanitra tenany, hampetrahan'izy ireo an-tsoratra, hifanaraka tamin'ny fanirian'Izy Mpitsilo... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Tanan'ny Eglizy Reny Masina ho zava-masina, ho fitsipika noraisina avy amin'ny finoan'ny Apôstôly ireo boky tsy misy nahabangàna ao amin'ny Testamenta na ny Tranainy na ny Vaovao miaraka amin'ireo fitsinjarazarana ao aminy. Andriamanitra no mpamorona azy noho ireo boky ireo voasoratra avy amin'ny fanilovan'ny Fanahy Masina, ary nolovain'ny Eglizy... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Alahady 14 septambra 2025 : Fankalazana ny nanandratana ny hazofijaliana ; Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Kristy, satria tamin’ny Hazofijaliana no nanavotanao izao tontolo izao. Miandry ny fibebahan'ny olombelona, marina ihany koa Andriamanitra, na inona na inona kilemantsika sy ny fahotana vitantsika. Mitsinjo sy miandry antsika amim-paharetana Andriamanitra, ary noho ny hamoram-pony sy ny fitiavany dia tsy afaka ny tsy handray antsika Izy. Sarobidy eo imason'Andriamanitra ny olona tsirairay, misokatra foana ny lalana miverina ao aminy handray antsika...

Nahoana no ela vao tonga tany amin'ny tany nampanantenaina ny zanak'Israely : satria vahoaka maro an-tapitrisany ireo ahitana ankizy, tanora, be antitra, bevohoka ka ireny isany nampiisatra ny dia,  mila fandaminana matotra ; sady vahoaka samy manana ny heviny sy ny toetrany, maro ireo vahoaka nimenomenona, ary saika nanadino ny fisian'Andriamanitra... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Ao anatin'ny sarotra dia manokatra lalana ho antsika olombelona foana Andriamanitra ; porofon'izany ny naharendrika sy nahafaty ny tafik'i Faraôna, nanokatra ny ranomasina nizara ho roa Andriamanitra ary afaka nandia tany maina y vahoakan'Israely. Miditra amin'ny tantaran'olombelona mpifahavalo Andriamanitra, mandresy ny fahotana. Nijanona tao Sinaia nandritra ny 2 taona ny Israeliana, izay zary ho vahoakan'Andriamanitra... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...