Hajain'ny Eglizy fatratra ny Soratra Masina noho izy Tenin'Andrimanitra. Efa hatrany am-piandohana mihitsy dia efa najain'ny Fiangonana fatratra ny Soratra Masina ary mbola mitohy mandraka ankehitriny izany fanajàna izany, indrindra indrindra amin'ny Litorjia Masina. Tsy nisaraka na oviana na oviana tamin'ny lovam-pampianarana ny Soratra Masina... Katesizy momba ny Soratra Masina ao amin'ny fiainan'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ny hanatonan'ny mpino kristiana amin'ny fomba malalaka ny Tenin'Andriamanitra no tanjon'ny Fiangonana ka fomba hahatongavana amin'izany ny Teny. Tany am-piandohana dia dikan-teny roa lehibe no nankatoavin'ny Fiangonana dia eo aloha ny avy amin'ny Grika tranainy, nataon'izy 70 lahy ka zary niantsoana azy hoe dika-teny Septanta, ary avy amin'ny Latinina "Volgata"... Katesizy momba ny Soratra Masina ao amin'ny fiainan'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ankoatry ny mpanoratra dia marihan'ny konsily fa misy zavatra 5 asongadin'ny boky mandrafitra ny baiboly : Manamafy ny voalaza mahakasika an'i Kristy Tompo, Manazava hatrany ny tena fampianarany, Mitory ny herim-pamonjena avy amin'ny asan'Andriamanitra nataon'i Kristy, Mitantara ny fiatombohan'ny fiangonana sy ny fihitarany, Milaza ny fahataperany be voninahitra... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
Lazain'ny konsily fa na i Masindahy Paoly na soratra hafa nataon'ireo apôstôly ihany no ankatoavina ho anisan'ny tenin'Andrimanitra ao amin'ny Testamenta vaovao. Miisa 27 ny boky ao amin'ny Testamenta Vaovao. Ny asan'ny apôstôly dia tsy iza fa i Masindahy Lioka ihany no nanoratra azy ary tohin'ny Evanjely ; ny taratasin'ny Masindahy Paoly dia miisa 13... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
Ny evanjely dia vokatry ny toritenin'ny apôstôly mifanentana tanteraka amin'ny olona nanatrika azy ireo ; ohatra ny an'i Masindahy Matio dia nosoratana ho an'ny Jody lasa kristianina tao amin'ny faritr'i Palestine, Masindahy Marka dia nanoratra ho an'ny kristianina ivelan'ny Jody na ilay atao amin'ny teny vahiny hoe Paganochretien. Masindahy Lioka nanoratra ho an'ny Jentily... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
Ireo apôstôly dia nanao toriteny nombana fahatakarana satria efa nandray ny Fanahy Masina, ka afaka nahafantatra sy nahatakatra tsara ny maha izy azy an'i Jesoa. Azo ambara fa Jesoa ara-teôlôjika no ambaran'ny mpanoratra ny Evanjely. Jesoa efa fantany sy azony mazava tsara no ampitainy, efa voafakafaka lalina tsara. Tamin'ny niara-niaina tamin'i Jesoa ireo apôstôly dia mbola tsy nahazo hoe iza marina izy... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
Ny evanjely dia tena nisy ara-tantara, izany hoe tsy angano na zavatra noforonina. Ny fiangonana Reny Masina dia nitana ary mitana amin'ny fomba tsy azo hozongozonina ary tena tsy nisy fahatapahana fa ireo Vaovao Mahafaly efatra voalaza ireo izay ambarany tsy misy fihambahambana ny fisiany ara-tantara nitrangany dia mampita marina izay zavatra nataon'i Jesoa zanak'Andriamanitra... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
Alahady 12 oktobra 2025 : Alahady faha-28 mandavantaona — D — Mahaiza mankasitraka an’Andriamanitra. Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy. Raha miaritra isika, dia hiara-manjaka amin’i Kristy. Nahariharin’ny Tompo ny famonjeny, hitan’ireo firenena ny fahamarinany. ny tanany havanana, ny sandriny masina no nahazoany fandresena. Isaky ny manolotra ny Eokaristia isika, natsiaro fa voavela heloka tamin'ny sakramentan'ny fampihavanana, ny fahatsiarovan-tena ho afaka dia tsy afa-misaraka amin'ny fahatsapana ny loharano niavian'ny fahasoavana, mendrika hisaorana...
Marka dia tsy apôstôly fa araka ny voalaza ao amin'ny Asan'ny apôstôly, niaraka tamin'i Md Paoly sy Barnabe tamin'ny dia be nataon'i Paoly voalohany kanefa nitsoaka andaharana ka niverina tany Jerosalema. Mpiara-miasa akaiky tamin'i Paoly izy. Matio dia anisan'ireo apôstôly 12 lahy, misy tsy mitonona ny momba azy mivantana hoe Matio fa ataony hoe Levi... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
Avy amin'ny apôstôly ny evanjely satria milaza izany ireo mpanoratra taranainy. Taorian'ny nahafatesan'i Jesoa sy ny nitsanganany ary ny niakarany any an-danitra sy ny nidinan'ny Fanahy Masina dia niparitaka nanodidina ny ranomasina Mediterane ny Eglizy. Mba halalana ny marina momba ny fiangonana dia tsara ny handalinana ireto : Papias de Hyerapolis, Tatienne... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
Ny Evanjely dia avy amin'ny Apôstôly ary ny votoatiny dia ny toritenin'ny Apôstôly. Ny fiangonana dia nitana ary mitana fa ny fiavian'ny vaovao mahafaly efatra dia ny Apôstôly. Ireo zavatra notorian'ny Apôstôly araka ny baikon'i Kristy, nampitain'ireo Apôstôly sy ireo lehilahy niara-belona taminy avy eo, noho ny fitsofan'ny Fanahin'Andriamanitra no fototra iorenan'ny finoan'ny kristiana... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
Ny Testamenta Vaovao diamisy boky 27 mandrafitra azy izay azo sokajiana toy izao : Ny Evanjely 4, Asan'ny Apôstôly, Taratasin'i Md Paoly 13, Taratasy ho an'ny Hebrio, Taratasy Katolika 7, Ny fanambarana na ny Apôkalipsa. Ny Evanjely no fara-tampony noho izy indrindra fanamarinana manokana mahakasika ny fiainan'ny Teny tonga Nofo, mpamonjy antsika... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco