20 jona — I Masindahy Silvère no papa faha-58. Teraka tao Frosinone tao Campanie i Silvère, zanak'i Hormisdas. Voafidy ho papa ny 01 jona 536 izy, ary napetraka teo amin'ny Fiketrahana Masina ny 08 jona 536. Nanao ny andraikitra naha papa hatramin'ny 11 nôvambra 537 i Silvère. 19 ireo eveka nohamasininy nandritra izany naha papa azy izany, 13 ny pretra ary 5 ny diakra nametrahany tanana.
♦ Nidoboka am-ponja vonjimaika ireo olona 7 niakatra teny amin'ny PAC, izay voasaringotra tamin'ilay raharaha vatomamy 8 miliara ariary, teo anivon'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Nolavin'ny Antenimierandoholona ny fahafahan'ny mpanao gazety mamoaka vaovao azo avy amin'ny fivoriana mikaton-trano...
♦ 40 ireo olona voatily tratran'ny Coronavirus ary 35 ireo sitrana araka ny tatitry ny CCO Covid-19... ♦ Nampahatsiahy ny mpitondra malagasy tamin'ny teny nomeny ny amin'ny hiverenan'ireo Nosy Malagasy amin'i Madagasikara mialohan'ny 26 jona ny Otrikafo... ♦ Ho hentitra ny fivezivezena ao amin'ny Araben'ny Fahaleovantena manomboka ny 24 jona ho avy izao...
♦ Niampy 40 indray ireo olona voatily fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus araka ny tatitry ny mpitondra tenin'ny CCO Covid-19 androany... ♦ Nilanja sora-baventy teo anoloan'ny masoivoho frantsay teny Ambatomena androany ny Antoko Otrikafo, nitaky ny hamerenana amin'i Madagasikara ireo Nosy Malagasy...
Azo heverina ho fitaovana hitodihana amin'Andriamanitra ny aretina. Marina fa manimba ny aina izy nefa ny fisiany no mahatonga ny olona hihoitra handresy ny ratsy. Ny hevitry aretina ao amin'ny Soratra Masina, Finoana-Aina miaraka amin'ny P Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien, Rektoran'ny seminera zandriny Ambohipo, Antananarivo.
19 jona — I Masindahy Romuald dia teraka ny taona manonidinana ny 951, avy amin’ny fianakaviana Onesti, ducs de Ravenne. Sergio no anaran-drainy, nanabe azy tao anatin’ny fitadiavana fafinaretana izy io. Indray andro raha niady taminy ny rainy sy ny olona iray tao amin’ny fianakaviana dia i Romuald no nasain’ny rainy ho vavolombelona hanatrika ny adin’izy ireo izay niafara tamin’ny fifamonoana.
♦ Efa any anivon'ny Primatiora ny volavolan'ny datim-panadinana izay natolotry ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Hamoraina manomboka ny volana jolay io ny fandoavana ny fanampiana avy amin'ny fanjakana ho an'ny mpampnatra FRAM... ♦ Mnisitry ny Asa vaventy : Nampitomboina ao anatin'ny teti-bolam-panjakna hasiam-panitsiana ny vola hanamboaran-dalana...
♦ Niampy iray indray ny matin'ny tsimok'aretina Covid-19 eto amintsika, raha ny tatitry ny mpitondra tenin'ny CCO... ♦ Vonona hifaninana amin'ireo orinasa goavana mamokatra fanafody eran-tany, na ireo antsoina hoe Big Pharma i Madagasikara... ♦ FIVMPAMA : nahafa-po amin'ny ankapobeny ny fihaonana tamin'ny fitondrana saingy mitaky asa mivaingana...
♦ Niampy iray indray ny olona matin'ny tsimok'aretina Covid-19 eto amintsika. Nisy tranga vaovao 25 ihany koa hita tao aorian'ny fitiliana natao... ♦ Naneho ny tsy fahafaliana sy nanao fitokonana tao anatin'ny toerana itazonana azy ireo indray androany ireo olona mararin'ny Coronavirus any Toamasina... ♦ Tonga ny hariva teo ireo fitaovana milanja 100 taonina nafarana avy any ivelany, hananganana ilay orinasa hamokatra fanafody eto Madagasikara...
Manohana hatrany ireo rehetra miasa amin’ny sehatry ny ranomasina i Papa François.
18 jona — Miaramila tao amin’ny tafika romanina i Léonce, ary mpitoka-monina iray no nampibebaka azy. Nozarainy tamin’ireo mahantra ny sakafon’ny tafika misy azy. Ary tsy niafina izy tamin’ny fitiavam-bavaka an’i Kristy, sy nanameloka ny fivavahana amin’ny sampy.
Ilaina ny fanomezana fanabeazana ny zanaka amin'ny fampafantarana azy ireo ny lafim-piainana. (17-06-2020)
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco