Sabotsy 20 jona 2020 — Herinandro faha-11 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 24-34 — Tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra.

♦ Efa tafiditra any anivon'ny fonja ny tsimok'aretina Coronavirus ankehitriny. Voafonja 42 no voamarina ho mararin'ny Covid-19... ♦ Andro iray ihany fa tsy roa andro araka ny voalaza tany aloha ny fanatanterahana ny fanadinana CEPE... ♦ Azo vokarina sy amidy malalaka eto amintsika tsy ho ela ny toaka gasy...

♦ Niampy roa indray ny olona matin'ny Covid-19 eto Madagasikara, araka ny tarehimarika navoakan'ny CCO omaly... ♦ Nahazo fahazoan-dalana ara-tontolo iainana ny tetik'asa Sahofika izay hitrandrahan'ny vondrona Neho herinaratra amin'ny alalan'ny rian-drano... ♦ Mbola mijanona ho honohono aloha ny famindrana ny tetik'asa Tanamasoandro ho eny Imerintsiatosika...

♦ Nisy olona rao namoy ny ainy indray teto Madagasikara, vokatry ny tsimok'aretina Coronavirus... ♦ Nahitana tranga Coronavirus ny tany amin'ny faritra Ihorombe, tany amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ankily, 3 km miala an'Ihosy renivohitry ny faritra... ♦ CEPE blanc : Nizotra tao anatin'ny filaminana ary nanaja ny fepetra ara-pahasalamana ireo sekoly...

Miha mahazo vahana any LIBAN ankehitriny ny krizy arat-toekarena sy ara-politika.

Manahy amin’ny mety hisian’ny resaka kolikoly ao anatin’ny ady amin’ny coronavirus ny eo anivon’ny Fiketrahana Masina.

♦ Nikasa ny hitsoaka ny toerana itazomana azy ao amin'ny Cité Canada Toamasina omaly, ireo olona ahiana ho mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus any an-toerana... ♦ Mitaky ny hanafoanana ireo faktiora maromaro anatin'ny iray volana, ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa RNDC, izay mpikambana ao anatin'ny Filankevi-pitantanan'ny Jirama... ♦ Mangataka ny hamoahana ny daty hanatanterahana ireo fanadinam-panjakana ny fikambanan'ireo Talen-tsekoly tsy miankina eto Madagasikara...

16 jona — Teraka ny 31 janoary 1597 tao Fontcouverte, Aude i Jean-François Régis. Tsotra ireo ray aman-dreniny. Ary mbola kely izy dia efa niseho ho apôstôly raha izy nianatra tao amin’ny kolejin’ny jezoita tao Béziers. Teo amin’ny faha-19 taonany izy no niditra tao amin’ny noviciat tao Toulouse, ary modely ho an’ny mpianatra rehetra izy tao.

Zoma 19 jona 2020 — Ny Fo Masin'i Jesoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 25-30 — Ento ny jiogako, hoy ny Tompo ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho.

♦ Niampy 18 indray ireo olona mitondra ny Coronavirus eto Madagasikara, araka ny tatitra farany nivoaka omaly... ♦ Efa nanakatona ny orinasany amin'izao ny 20%-n'ireo mpandraharaha eo amin'ny Fivondronan'ny mpandraharaha Malagasy, noho ny fahasahiranana ara-bola... ♦ Nonolotra soson-kevitra ho fanamaivanana ny fahasahiranan'ny mponina, manoloana ny valana'aretina, ny Antoko RDS...

♦ Olona 18 vaovao indray no voatily omaly fa mitondra ny tsimok'aretina Covid-18, araka ny tatitra androany... ♦ Mitohy hatrany ny fandraisan'ny eo anivon'ny CCO Covid-19 ireo fanampiana avy amin'ny malala-tanana... ♦ Namarana ny tatitra nataon'ny Governemanta teo anivon'ny Antenimieram-pirenena ny Praimisitra Ntsay Christian androany...

Tsy afaka nanatanteraka ny fankalazana ny Alahadin’ny Vatana aman-dRà Masin’i Kristy tamina paroasy iray amin’ny diosezy iadidiny ao Rome i Papa François, omaly, fa nijanona tao amin’ny Bazilikan’i Masindahy Piera.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...