♦ Niompana tamin'ny fandraisana fepetra momba ny raharaha mafana eto amin'ny firenena, ny resaka hala-jaza sy ny fampiantsoana fivoriana tsy ara-potoanan'ny antenimieram-pirenena ny tatitry ny filan-kevitry ny ministra omaly... ♦ Volam-panjakàna madiodio 34 lavitrisa ariary no hiatrehana ny lisi-pifidianana vaovao hoy ny filohan'ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana... ♦ Hanomboka ny 29 jolay 2026 izao ny asa fanamboarana ny tetezana lehibe "Fly Over" eo Anosizato araka ny fampahafantarana nataon'ny teo anivon'ny Ministeran'ny Asa Vaventy nandritry ny dinik'asa natao omaly...
Ny atao hoe fivoarana dia ny fandrosoana any amin'ny tsara kokoa. Misy ny fiovana misy eo amin'ny olombelona manomboka eo amin'ny fahaterahana hatramin'ny vanim-potoana fialan-tsakàna : izay miainga amin'ny fiankinandoha amin'ny ray aman-dreny, mivelatra amin'ny ankohonana, tonga amin'ny fakantahaka sy fandraisana rafitra, ary fanabeazana eo amin'ny fiaraha-monina. Manomboka amin'ny fotoana hahaizan'ny zaza miteny no efa maneho ny zavatra tiany sy ny tsia ny zaza ary misy fotoana mihamafy izany amin'ny fotoana fialan-tsakàna, izay voajanahary tanteraka... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ .Tsy handefitra ary vonona hiatrika ny ady amin'ny fanakorontanana atao amin'ny fitondrana fanavaozana ny Praiministra Mamitiana Rajaonarison araka ny nambarany omaly teny amin'ny Lapam-panjakàna Mahazoarivo.. ♦ Mpitandron'ny filaminana maherin'ny 600 isa no hahetsika eto Antananarivo, hiverina ihany koa ny fisavana ireo fiara manana fitaratra mainty (vitre fumée) hoy ny avy eo anivon'ny EmmoNat... ♦ Feno ireo mpikambana mandrafitra ny birao maharitry ny CENI. Nandray ny asany nanomboka omaly ny solontenan'ny Filohan'ny Fanavaozana, Ramatoa Anne Raymonde...
Ny Evanjely na ny Tenin'Andriamanitra izay nohenoina na zaraina tamin'ny alalan'ny toriteny dia tokony ho hita amin'ny fiainana andavanandro ny fampiharana azy. Tsy ampy fotsiny ary noho izany ny mihaino fa ilaina koa ny mampihatra azy eo amin'ny fiainana andavanandro. Ny asa eto an-tany dia toerana hanompoana an'Andriamanitra sy ny namana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.
♦ Nahavita ny fianianany androany, Ramatoa Anne Raymonde, Mpikambana vaovao mandrafitra ny Birao Maharitra eo anivon'ny CENI. Izy izay solontenan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara ao amin'ity vaomiera ity... ♦ Nihaona tamin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, teny amin'ny Lapam-panjakàna Iavoloha, ny solontenan'ny FMI, eto Madagasikara Kodjovi Eklou. Niompana tamin'ny fiaraha-miasa ny dinika... ♦ Naneho hevitra andraony ny Sendiakan'ny Miray Feo. Manimba ny sain'ny mpiasa no sady lasa sakana ny fivoizana vaovao tsy marina momba ny karama farany ambany 360.000Ariary...
♦ Nafana ny ady hevitra momba ny fifidianana, androany, nandritra ny sehatra ifampidinihina maharitra nokarakarain'ny CENI teny Alarobia... ♦ Misitraka ny zony ireo mpiadina BEPC manana fahasembanana ara-pihainoana ao amin'ny AKAMA. Miisa 12 izy ireo no miatrika ny fanadinana... ♦ Hampiato vonjimaika ny asany ireo paka sary an'habakabaka matihanina, ireo mpisehatra mpaka sary sy horonan-tsary amin'ny Drones... ♦ Nanambara nny faharavan'ireo fahefana mpanapaka misy azy ao amin'ny faritra GAZA, androany, ny vondrona Islamista Palestiniana Hamas, izay nitantana io faritra io tao anatin'ny 20 taona...
♦ Heverin'ny H.V.M ho fihatsiana sy fandrahonana ny raharaham-pirenena tato ho ato, indrindra ilay nitranga teny Ivandry ny zoma alina teo. Namoaka fanambaràna momba izany ny antoko H.V.M... ♦ Nisy akony sahady amin'ny naoty azon'i Madagasikara momba ny kalitaon'ny tolotra omena ny mpandeha ny fanavaozana sy fanitarana ny tranon-tseranana nasiônalin'ny Seranam-piaramanidina ety Ivato... ♦ Nampiatoana tamin'ny asany ireo mpiasan'ny Zaridainan'Andohalo nitaky vola tamin'ireo mpiadina BEPC sy ray aman-dreny, misakafo eny an-toerana... ♦ Lasibatry ny tafio-drivotra mahery sy ora-mikija ny faritra atsimon'i Chine...
Ny Manisotra dia vondron'olona nosokajiana ho mpiantafika sy mpiady tamin'ny andro nanjakan'Andriamasinavalona. 30 lahy no niatombohan'ny Manisotra, izay voairaka haka ny tanànan'Ambohimasina, izay niova ho Ambohijoky rehefa azon'ireo iraka. Taranaka vazimba, taranaka Zanamahazomby izy ireo, olona matanjaka sy mahay miady ary lian-dra, lehilahy manidina sy mahery, maranin-tsaina ihany koa ireo Manisotra. Maro ny faritra sy ny tanàna no nanirahana ireto Manisotra ireto mba hakana fanjakana ka isan'izany ny tao Fenoairivo, Ambatodrazaka ary Tsienimparihy...
♦Nampanantena fomba fiasa mangarahara ny filohan'ny CENI nandritry ny fivoriana voalohany namoriana ireo mpisehatra amin'ny fifidianana teny amin'ny foibeny... ♦ Hijery ny fomba hanovana ny lalàna momba ny raharahan-tany ireo mpiasan'ny fitsaràna mandritra ny fikaonandohan'izy ireo. Ny ady tany izay anisan'ny loha-laharana amin'ireo raharaha tonga eny amin'ny Fitsaràna... ♦ Hampiato vonjimaika ny asa fanaony ireo mpaka sary an'habakabaka (droniste), noho ny fepetra napetraka amin'ity sehatra ity. Namoaka fanambarana momba izany izy ireo, omaly...
Ny mpino tsirairay dia mila mijoro mitondra ilay fihavanana mafy orina. Mampitombo harena ao anatin'ny fahasamihafana. Tsy manaiky ho resin'ny kolontsaina tsy mitovy. Olona vonona hifankatia, olona vonona hiray saina ; ny fiaraha-monina kely misy antsika dia tokony ho môdely azo halaintahaka ho an'ny hafa noho ny fahaizantsika mihavana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.
♦ Nizotra am-pilaminana ny fanombohan'ny fanadinam-panjakàna BEPC ny maraina teo. Nyt taranja Malagasy no natrehan'ireo mpiadina... ♦ Kasaina hosokafana ato anatin'ny enim-bolana ny zotra vaovao amin'ny sidina an'habakabaka mampitohy an'i Madagasikara sy i Chine ary i Inde... ♦ Mifindra tsikelikely eny Amoronankona ireo kaoperativa mpitatitra eny amin'ny Fasan-karàna. Efa tena miasa tanteraka ity tobim-piantsonana vaovao ity, izay misy ny zotra miasa amin'ny lalam-pirenena faharoa sy fahafito... ♦ Lasibatry ny afo indray ankehitriny ny faritra atsimon'i Eraopa. Efa maherin'ny 190km2 ny velaran-tany ravan'ny afo...
---/...Nirongatra be tato ho ato ny fahaverezana zaza, ankizy, adolantsento, eny hatramin'ny olon-dehibe aza. Tsy lazaina intsony ny fakana an-keriny mahazo ireo olona manana toe-tena varira. Raha ny antontan'isa nivoaka dia efa 33 ny isan'ireo maty nanomboka ny taona 2022. Raha resaka fanolanana no nitranga teo aloha, dia nitana ny sain'ny mpanara-baovao indray ireo trangana fahaverezana ankizy ny herinandro teo iny. Nahatratra am-polony teo ireo ankizy tsy ampy taona tsy hita nanaovana filazana tamin'ny tambajotran-tserasera Facebook ny herinandro teo iny fotsiny, raha ny fanisana tsotsotra nataon'ny Arofanina...
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco