♦ Hisokatra anio eny Iavoloha ilay dinika fakan-kevitra ho fanomanana ny fifidianana karakarain'ny fitondram-panjakàna. Mpanao pôlitika sy Firaisamonim-pirenena maro no handrasana handray anjara amin'izany... ♦ Antsojay ny fampiatoana ireo mpitsara telo eo anivon'ny PAC amin'ny asany, hoy ny Sendikàn'ny Mpitsara eto Madagasikara. Nametraka fitoriana teny amin'ny Filan-kevi-panjakàna izy ireo, omaly... ♦ Vola 800 tapitrisa Dôlara no tsy tafiditra amin'ny kitapom-bolam-panjakàna eto Madagasikara isan-taona, noho ny hosoka sy ny kolikoly. Efa 5% amin'ny harin-karena faobe izany...
♦ Mahatratra 800 tapitrisa Dôlara isan-taona ny vola tsy tafiditra amin'ny kitapom-bolam-panjakàna, noho ny osoka ara-ketra sy ny kolikoly eto Madagasikara, raha ny nambaran'ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola Ramiarison Herinjatovo... ♦ Nifanakalo hevitra tamin'ny tanora momba ny fandraharahana ara-pambolena eny ambanivohitra ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo androany... ♦ Nilaza ny filohan'ny SMM fa antsojay no natao, nampiato mpitsara telo tamin'ny asany, ka nametraka fitoriana fangatahana ny hanafoanana sy hampiatoana ny fampiharana io fanapahan-kevitra io ny SMM...
♦ Hitodika misimisy kokoa amin'ireo tanora amin'izay ny Firaisamonim-pirenena Kmf/Cnoe, momba ny firotsahana amin'ny fanabeazana ny Olom-pirenena sy ny raharaham-pifidianana... ♦ Ilaina ny fiaraha-mientan'ireo antoko sy mpanao pôlitika amin'ny fandresen-dahatra ny olom-pirenena hifidy sy hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana hoy ny filoha nasiônalin'ny Antoko Tiako i Madagasikara... ♦ Ho entitra ny Fanjakàna amin'ny fampanjakàna lalàna sy ny ady amin'ny kolikoly manoloana ireo karazana fandikan-dalàna misy hoy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka...
♦ Hikarakara dinika fakan-kevitra hanomanana ny fifidianana manomboka rahampitso talata voalohan'ny volana septambra hatramin'ny faha-8 septambra izao ny fiadidiana ny fanavaozana ny repoblika... ♦ Handefa taratasy fangatahana fanafoanana sy fangatahana fampiatoana didy fampiatoana azy ireo tamin'ny asany eny amin'ny Fitsarana miady amin'ny Fanjakàna, anio, ireo mpitsara 3 vavy voakasiky ny fampiatoana teo anivon'ny PAC... ♦ Maty voatifitry ny mpitandron'ny filaminana ny faran'ny herinandro teo, ireo efa-dahy voasaringotra tamin'ilay raharaha fanendahan sy fanolanana faobe an'i Haingotiana sy Stéphanie ...
Teraka ihany ambatobevohoka rehefa nihazoazo nandritra ny volana maromaro, ka nahabe resaka teny anivon’ny fiarahamonina sy ireo mpisehatra politika teto amin’ny firenena. Dia hiroso amin’ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena amin’izay izany isika e. Iray volana katroka mialoha ny faha herintaona nitrangan’ny hetsi-bahoaka ka nampirodana ny fitondrana Rajoelina, dia nampahafantatra ireo dingana rehetra hirosoana amin’ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena, nandritra ny fotoam-pivavahana nokarakarainy teny Andohatapenaka ny talata 25 Aogositra teo, ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara.
• Tany amin'ny nosy Sainte Marie ny Filohan'ny Fanavaozana, ny Kolonely Randrianirina Michaël, nanokatra ofisialy ny andiany faha-14 amin'ny lanonana ara-kolontsaina “Festival Tsôlabe”... • Naroso androany zoma 28 aogositra, raha tokony ho isaky ny 31 aogositra, ny fankalazana ny Andro Afrikanina ho an'ny Fitsaboana Nentim-paharazana, ho antsika eto Madagasikara... • Isan'ny lesoka tamin'ny fitantanana ny firenena teto Madagasikara hatramin'izay, ny tsy fananan'ny mpitondra fahaizana sy fahalalana mitantana. Saika tongatonga ho azy, noho ny zava-mitranga teto amin'ny firenena izy ireo, ka tsy manana vina sy paikady fampandrosoana...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
• Mpitsara telo eo anivon'ny fampanoavan'ny PAC Antananarivo no naato tamin'ny asany. Tsy misy ambonin'ny lalana, hoy ihany ny fampitam-baovaon'ny Minisiteran'ny Fitsarana... • Manomboka ny fampiofanana momba ny fanangonan-kevitry ny vahoaka any ifotony amin'ny fikaonandoham-pirenena. Mpikamban'ny FFKM miisa 510 no nisantatra izany fampiofanana izany, etsy amin'ny CCI Ivato... • Natsahatry ny QMM ny asa famokarana fasimainty ao Mandena Tolagnaro. Nisy sakan-dalana nataon'ny andian'olona in-telo miantaona tato anatin'ny telo herinandro...
• Mitaky ny hanaovana fitsirihana iraisam-pirenena ny Kianja Barea Mahamasina ny K2HB. Tsy tokony hijanona fotsiny amin'ny fanadihadiana parlemantera ny raharaha, hoy ity fikambanana ity... • Hanampy ireo vondrondra mpanafatra solika, ny orinasam-panjakana SPM, hisorohana ny mety ho tsy fahampian'ny solika eto amintsika. Solika 20.000 m3 no hampidramina azy ireo, hamatsiana ny filana eto an-toerana... • Mbola tsy mihatra araka ny tokony ho izy ilay didim-panjakana mampiakatra ny karama ho an'ny sehatra tsy miankina, roa volana aty aoriana. Manaitra ny Fanjakana ny FISEMARE, amin'izao fotoana fandraisan-karama izao...
• Mitaky ny hanaovana fitsirihana iraisam-pirenena momba ny Kianja Barea ny K2HB, taorian'ny nivoahan'ilay fanadihadiana parlemantera teny Tsimbazaza... • Mbola tsy mihatra araka ny tokony ho izy ilay didim-panjakana mampiakatra ny karama ho an'ny sehatra tsy miankina, roa volana aty aoriana. Manaitra ny Fanjakana ny FISEMARE manoloana izany... • Hiroso amin'ny fanasaziana ny Kaominina Ambohidratrimo, amin'ireo manarinary fako an-dalambe sy anaty lalan-drano. Nilaza ho hentitra amin'ny fanaraha-maso ny mpitantana...
• Miatrika fiofanana eto an-drenivohitra ireo mpampiofana amin'ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena, hiparitaka any amin'ny faritra samihafa. Fiofanana mandritra ny telo andro, karakarain'ny FFKM... • Tanterahana any Manakara nanomboka omaly ny fifaninanana lalao ara-panatanjahantena ho an'ny mpiasam-panjakana, na ny ASIEF. Nanokatra izany ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kolonely Randrianirina Michaël... • Miantso ny tanora hitondra ny heviny amin'ny dingana famolavolana ny tetibolam-panjakana lasitra ho an'ny taona 2027, ny Filohan'ny Observatoire de la Jeunesse, Lanto Ratsida...
• Miainga amin'ny fametrahana ireo rafitra mpitarika ny fakan-kevitra hatrany amin'ny kaominina, ny fanafainganana ny asa hotanterahina amin'ny fikaonandoham-pirenena. Fanehoan-kevitry ny mpitarika ny Vovonana RDM... • Tsy nahazo rariny teny amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, tamin'ny fitoriana napetrany ny antoko Kintana... • Niabo ny vokatra azon'ny CRS tamin'ny asa nataony amin'ny fanjarian-tsakafo, tany amin'ny faritra iasany. Nizara ny fomba fiasany amin'ireo tetikasa fampanjariana sakafo sahaniny izy ireo omaly...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco