Miaina fiovan-toetsaina lalina ihany koa ny olona ankehitriny, izay miseho amin'ny fanalavirana ny fomba fijery mahazatra, faniriana hahatakatra ny olombelona amin'ny fomba vaovao misokatra amin'ny fomba fijery maneran-tany. Ireo fiovana ireo dia mitaky ny olona hahay mandinika ary mandray fanapahan-kevitra amin'ny fomba mahaleotena, tsy miankina amin'ny fahazarana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

♦ Olona 5 no voarohirohy tamin'ilay volan'ny orinasa Kraomita Malagasy maherin'ny 4 tapitrisa Dôlara nisy nanodina tatsy Maorisy. Efa nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny 3 tamin'izy ireo... ♦ Nisokatra tamin'ny antoko pôlitika ny governemanta vaovao, saingy tamina antoko 5 vaventy ihany, hoy ny antoko Vahoaka Miray. Nilaza izy ireo fa tokony ho voasolo tena amin'izao Fanjakàna izao ny ankolafin-kery rehetra... ♦ Hiatrika lalao fitsapana any Torkia anio hariva ny Barean'i Madagasikara. Lalao ifanandrinana amin'i Kirghistan, hanomanana lalao ôfisialy amin'ny volana septambra 2026... ♦ Nosamborina ny Praiministra teo aloha tany Népal KP Sharma Oli...

Alahady 29 martsa 2026 - Alahady Sampankazo - Fandinihana ny fijalian’ny Tompo - Ho antsika, dia nanolo-Tena i Kristy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra. Ny vola noraisin'i Jodasy tamin'ny takalon'ny fanoroana an'i Jesoa dia taratry ny famadihana ny hafa, amin'ny toe-piainana ankehitriny, no sady tsy firaiketana intsony amin'ny marina, ary miafara amin'ny fomonoana aina. Mila mivavaka isika indrindra anatin'ny sarotra ; i Jesoa zanak'Andriamanitra dia nanaiky ny hitondra ny hazofijaliana ho fanafahana ny olombelona...

Maro ny olona no tsy mino fa misy ny aretina SIDA eto Madagasikara, ary indrindra ny fitsaboana izany. Ny tsimok'aretina VIH no mitarika amin'ny tambatr'aretina SIDA. Misy ny aretina mpanararaotra miaraka amin'ny VIH dia ireo aretina manamarika ny fihidinan'ny hery fiarovana. Ny fisorohana voalohany indrindra dia ny fitiliana, manaraka izay ny fitandremana amin'ny lafiny firaisana ara-nofo, fanarahana fitsaboana amin'ireo efa marary mba tsy hamidra amin'ny hafa... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Tafaverina eto Madagasikara ny ampahany amin'ny vola maherin'ny 4 tapitrisa Dolara,, an'ny orinasa Kraomita Malagasy, voalaza fa nahodin'ny fitondrana teo aloha tatsy amin'ny nosy Maorisy... ♦ Tsy mampino ny tsy hahavitana fitrandrahana any Tsimiroro sy Bemolanga hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika omaly. Namaranany ny diany tany Guinée Equatoriale ny fitsidihana orinasa mpitrandraka solika... ♦ Naneho ny alahelony ny zanak'i Melaky monina eto Antananarivo tamin'ny tsy fisian'ny zanaky ny Faritra ao anatin'ny Governemanta mijoro ankehitriny... ♦ Mety ho vita ato anatin'ny 2 herinandro ny ady any Moyen-Orient hoy ny sekreteram-panjakàna amerikana...

I Madagasikara dia isan'ireo firenena mbola ahitana tranganà kolikoly betsaka indrindra, noho ireo tsy fahadiovana eo amin'ny fitondran-draharaha. Porofo mivainga, ny fanendrena tompon'andraikitra, amin'ny famitana tolo-draharaha eny anivon'ireo ministera sy ireo orinasa. Raha tiana ny handrosoan'ny Firenena dia atao ezaka ny fialana amin'ny kolikoly : aoka tsy ny vola na ny hafa no hanosika amin'ny fanapahan-kevitra, fanajana fotoana sy fanonerana ireny, fanajana ny hasin'ny hafa sy ny hasin'ny tena, fanaovana laharam-pahamehana ny tombontsoa iombonana, hiaino ny finoana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ny Gaudium et Spes dia foto-pampianarana ara-pastoraly momba ny Eglizy, manoloana ny vanim-potoana ankehitriny ; eny ny hafaliana sy ny fanantenana, ny fahoriana sy ny ahiahy manjoa ny olombelona amin'izao fotoana izao, manjo indrindra ireo mahantra sy mijaly dia hafaliana sy fanantenana, fahoriana sy ahiahin'ny mpianatr'i Kristy rehetra. Voaresaka ao anatin'ity fotom-pampianarana ity ny lafiny ara-pinoana sy ny ara-pitondrana, ireo toetra amam-pihetsika, araka ny toer'olombelona sy ny fivoarana misy eto an-tany amin'ny lafiny maro... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Manoloana ny fiovana, ny Konsily dia miantso ny Fiangonana mba ho mailo sy manam-pahendrena ka handinika lalina ny zava-misy vaovao anefa tsy handao ny Evanjely. Tsy tokony hatahotra ny fiovana ny Fiangonana fa kosa hanavaka izay manaja ny maha-olona sy izay mety hanimba azy. I Kristy ihany no ahitana ny fototra mafy orina afaka mitarika any amin'ny  fiovana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

♦ Hatsaraina ny fifandraisana amin’ny lafiny ara-barotra sy ny toe-karena eo amin’i Madagasikara sy Guinée Equatoriale, mitsidika any an-toerana, ankehitriny, ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika ny Kôlônely Randrianirina Michaël… ♦ Naneho ny alahelony ny zanaky ny Faritra Melaky monina eto Antananarivo, tamin’ny tsy fisian’ny zanaky ny Faritra tao anatin’ny Governemantan’ny Fanavoazana in-droa nisesy izao… ♦ Nahazo foto-drafitrasa afahana misitraka vaovao ara-potoana momba ny toetr’andro, ny toe-tany, ny toetry ny rano, avy amin’ny PNUD ny foibe famantarana ny toetr’andro Malagasy… ♦ Nanao fanambarana ny fitondrana Iraniana fa mikatona ho an’ny fivezivezen’ireo sambo rehetra avy amin’ny firenena manana fifandraisana amin’ny fahavalon’i Iran, ny ao amin’ny Détroit d’Ormuz…

Velon-taraina ireo tantsaha, ny fikambanan'ny tantsaha samihafa, ny vovonam-pikambanana ary ny sendikan'ny mpamboly vary fa mamono antoka tanteraka azy ireo ny vidin'ny vary akotry. Manahy ny amin'ny ho avy izy ireo raha izao no mitohy. Tandindomin-doza ny ho avin'ny famokarana sy ny fahaleovan-tena ara-tsakafo ary ny fahamarinan-toerana ara-toekarena. Mamono antoka ny mpamokatra ny vidin'ny vary akotry amin'izao fotoana izao. Fanamambarana nataon'ireo Vondron'ny fikambanan'ny tantsaha mpamokatra ahitàna ny FTM CPM, ny FEKRITAMA, ny FIFATA, ny KOLOHARENA, ny SOA, ny FVTM, ny MDB ary ny Tranoben'ny Tantsaha mpamokatra Nasiônaly...

♦ Dingana maika andrasana amin’ireo ministra mandrafitra ny governemanta tarihin’ny Praiministra Mamitiana Rajaonarison ny hanaovan’izy ireo ny fanambaram-pananana araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika an’i Madagasikara… ♦ Laharam-pahamehana amin’ny ady doro ala sy doro tanety ny fihomanana mialoha, nizara traik’efa ny mikasika izany ny tompon’andraikitry ny tetik’asa ny fitantanana maharitra lovain-jafy (FMH)… ♦ Nijoro vavolombelona tamin’ny fitaizany sy ny fampianarany ary ny fahalalany, ireo olona akaiky ny Profesora Jaona Siméon, nandritry ny fankalazana ny faha-100 taona ho an’ity olo-malaza ity… ♦ Nanomboka androany ny fampielezan-kevitra, amin’ny fifidiana ho filoham-pirenena, izay hotanterahiana any Bénin amin’ny alahady 12 avrily ho avy izao…

Ny fanovana dia dingana mankany amin’ny tsara kokoa, ary ny mpitarika dia olona afaka mandresy lahatra sy manome ohatra ampiariny "Modely". Mitaky toetra toy ny fahamarinana, fahasahiana, fahaiza-mihaino, fiaraha-miasa, fahatokisan-tena ary faharetana izany. Ny fahaiza-mitarika dia fomba fiaina sy firotsahana, ary ny tanora mpitarika fanovana dia fitaratra sy hery manosika ho an’ny fiaraha-monina. Mitaky toetra sy fomba fisainana sy fieritreritra: fahatsapna andraikitra, fahamarinana sy fahitsiana, fahauza-mihaino sy manaja ny hafa... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...