Ny fidiran’ny mpianatra eto Madagasikara dia tsy resaka fitaovam-pianarana sy saram-pianarana ihany, fa mifandray amin’ny toe-karena sy ny fiainan’ny tokantrano manontolo. Noho izany, ilaina ny fandaminana, ny fifampiresahana ary ny fametrahana laharam-pahamehana, mba hisorohana olona mety hiseho amin’ny fianaran’ny ankizy. Andraikitra iombonan’ny ray aman-dreny, ny sekoly, ny mpampianatra ary ny fiarahamonina ny fanohanana ny mpianatra. Ary amin’ny alalan’ny firaisankina sy fifanohanana no ahafahana miatrika ireo fanamby mba hisian’ny fahambiazana lavorary...

♦Zoma ny andro ary manamarika izany ny fanomezan-danja ny fitafy Malagasy. Hitondra ny heviny momba izany Sy Ratolojanahary Mpanoratra, Mpanabe an-tserasera sady Mpanao gazety ... ♦ Manomana hetsika hahatsiarovana ny tolona nataon'ny tanora Malagasy tamin'ny taona 2025 izay tonga hatrany amin'ny firodanan'ny fitondrana teo aloha, ny governemanta ankehitriny... ♦ Nifantoka indrindra tamin'ny tontolon'ny haitao sy ny fivoaran'ny teknolojia ny fifaninanana Hackaton ITOVIA andiany voalohany... ♦ Manentana ireo Eveka any amin'ny tany Arabo ny Papa Léon-XIV mba ho mpamafy fiadanana...

♦ Voatendry ny anaran'ireo mpikambana ao anatin'ny kômity teknika misahana ny fikaonandoham-pirenena... ♦ Vondrona pôlitika maromaro no efa nakàna hevitra momba ny fanomanana ny fifidianana teny Iavoloha. Tena fakàn-kevitra no natao fa tsy dinika pôlitika hoy ny Filohan'ny Antoko Ilo Mada, androany... ♦ Nankatoavin'ireo parlemanta amerikana roa tonta ny hanitaran ny AGOA amin'ny taona 2028. Antoka fahamarinan-toerana ho an'ireo mpanondrana sy mpampiasa vola eto Madagasikara izany hoy ny Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifàna... ♦ Tsy mitsaha-mitombo ny isan'ny olona matin'ny EBOLA any RD Congo...

♦ Mila hamafisina ny lalàm-pifidianana eto Madagasikara hoy Profesora Mahazoasy Freddy. Apetraka ny sazy toa ny fametraham-pialàna ho an'ireo kandidà tsy mahatanteraka ny fandaharan'asany hoy ity mpanao politika ity... ♦ Mijoro amin'ny fomba ôfisialy eto Madagasikara ny Fikambanana FANJIRY. Tao Andemaka, Distrikan'i Vohipeno no nanaovana ny lanonana momba izany omaly... ♦ Nisafidy ny tarika Reko, ho masoivohony vaovao mandritry ny roa taona ny orinasam-pifandraisan-davitra Orange Madagascar. Tarika manana ny lazany ankafizin'ny maro, indrindra fa ny tanora, nitsangana tamin'ny taona 2017...

Manamarika ny "Jobily kristaly" miampy taona iray ny fandaharana "MBA HO VANONA", fandaharana nanabeazana sy mbola mandray anjara amin'ny tantsoroka ha-olom-banona ny mpihaino. Ho tohin'ny ezaka dia irina ny hananan'ny tsirairay fahasalamana sy fahavanonana, indrindra fihavaozana anatin'izao kihon-dalana lalovan'ny Firenena izao dia ny fanavaozana. Miainga amin'ny tsirairay ny fanavaozana, mifototra amin'ny fihavaozan'ny toe-tsaina sy ny fomba fijery miabo. Teboka kely indrindra azo hiaingàna ny fahadiovana, io ny handrafitra tsikelikely ny rafi-tsaina. Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...

♦ Nihaona tamin'ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola Dokotera Ramiarison Herinjatovo Aimé ny mpiandraiki-draharaha ao amin'ny Masoivoho Amerikana eto Madagasikara. Vonona hanamafy ny fiaraha-miasa ara-toe-karena i Etazonia... ♦ Nanamafy ny sendika ivondronan'ny kaomiseran'ny varotra sy ny fifaninana fa natao handrindràna ny tsena anatiny ny fanafarana vary, ary misy ny arofanina amin'ny fanafarana vary gaboraraka... ♦ Mitaky ny hanomezan-danja ny vondron'olona mivoy sy efa mampihatra ny rafitra Fokonolona amin'ny fikaonandoham-pirenena ny antoko Fy-M...

♦ Hamafisina ny fifandraisana ara-barotra eo amin'i Madagasikara amin'i Etazonia. Nivoatra izany nandritry ny fihaonan'ny mpiandraiki-draharaha eo anivon'ny masoivohon'i Etazonia eto Madagasikara sy ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola, Dokotera Ramiarison Herinjatovo Aimé... ♦ Nametraka fanamby ny hampiakatra hatrany amin'ny 40% ny tahan'ny vehivavy misehatra amin'ny pôlitika, sy ny fitantanana ny Firenena ny filoha vaovaon'ny vovonan'ny vehivavy misehatra amin'ny politika aty amin'ny Ranomasimbe Indiana... ♦ Voarakitra anaty bokibe iray, ireo antonta-kevitry ny voka-pikarohana momba ny Antrôpôlojia...

♦ Ho fampandraisana anjara ny rehetra amin'ny fifidianana, ny hizoran'izany anaty mangarahara ary eken'ny rehetra no isany tanjona anatin'ilay dinika fakan-kevitra hanomanana ny fifidianana karakarain'ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika... ♦ Hanomana hetsika sendikaly goavana hijerena ireo olan'ny sendikan'ny mpiasam-panjakàna toy ny SECREN, ny ACM ary Air Madagascar sy ho fanamarihana ny faha-9 taona nijoroany ny Randrana Sendikaly... ♦ Mahatsiaro ho voafitaka sy nivadihan'ny minisiteran'ny fitanterana ireo kôperativa miasa eny amin'ny toby fiantsonana Fasan'ny karàna noho ilay fe-potoana 15 andro, hialana eny an-toerana...

Efa misy ny ezaka vita mikasika ny fampitovian-jo ho an'ny lehilahy sy ny vehivavy, anefa mbola maro ihany koa no tsy tanteraka. Ny lalàna afahan'ny vehivavy misitraka zo sy lalàna miaro azy ireo dia maro no voadiaka sy tsy sitrahany. Ohatra mivaingana ny fampianarana sy ny fanabeazana, maro ny vehivavy tsy nomena fahafahana feno hianatra. Zava-dehibe anefa ny toerana sahanin'ny vehivavy, singa iray mampivelatra ny fianakaviana. Tokony misy fahafahana mitovy eo amin'ny lehilahy sy vehivavy, mba afahany mitombo sy mivoatra, samy mendrika fanajàna... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Miampy iray indray ny karazam-bary vaovao azon'ny tantsaha Malagasy vokarina dia ny " Besalohy" izay niarahan'ny FOFIFA sy ny Foibem-pikarohana Japoney momba ny siansa mahakasika ny Fambolena JIRCAS, namolavola... ♦ Nosazian'ny Fitsaràna sazy anterivozona 10 taona an-tranomaizina nandritry ny fotoam-pitsarana notanterahina omaly talata ny Jeneraly Ravalomanana Richard... ♦ Mpisandoka laharam-boninahitra fa tsy jeneraly no tompon'antoka tamin'ilay fiara ana manamboninahitra tra-tehaka nitondra rongony tany Betroka ny 30 aogositra teo hoy ny fampitam-baovao nataon'ny Ministeran'ny Foloalindahy Malagasy...

♦ Niatrika fitsarana teny amin'ny tribonaly ambaratonga voalohany teny Anosy, androany, ny jeneraly Ravalomanana Richard. 10 taona an-tranomaizina, sazy miatra, asa an-terivozina no azony... ♦ Hanohana ny FOFIFA amin'ny fanapariahana ny voka-pikarohana vitan'izy ireo ny Fanjakàna Malagasy. Nampahafantarina androany ny karazam-bary vaovao "Besalohy"... ♦ Namoaka ny andiany Fanilo sy Mahefa ny Sekoly ambony ESDES. Hentitra ny tale jeneralin'ny BIANCO, nampitandrina sy nanentana ireo tanora mba tsy ho voasarika amin'ny kolikoly... 

♦ Miakatra fitsaràna eny Anosy ny Jeneraly Richard Ravalomanana. Ora vitsivitsy izay no efa nandeha ny fotoam-pitsaràna azy, momba ny resaka fanomezana baiko hampiasa hery tamin'ny hetsi-bahoaka tamin'ny taon-dasa... ♦ Nomena 15 andro hialàna eny amin'ny toby fiantsonana Fasankaràna ireo mpitatitra miasa eny an-toerana. Nasaina hifindra eny amin'ny toby fiantsonana vaovao eny Amoronankona izy ireo... ♦ Hafainganina ny fanomezana ireo hetra anjaran'ny Faritra sy ny Kaominina misy ny toeram-pitrandrahana vaventy eto Madagasikara, hoy ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...