Ny Eglizy dia vatan'i Kristy ; noho ny batemy dia vatana iray monja isika rehetra ao amin'i Kristy na dia maro aza. Ny Batemy dia fahateraham-baovao ho antsika : natsoboka ao amin'ny ain'i Kristy isika, naiditra ao amin'ny Eglizy isika ka manjary misitraka amin'ny fomba manokana ny fanoloran-tenan'i Kristy, izay maty sy nitsangan-ko velona... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
Ny Eglizy dia sady hita maso no ara-panahy, izany hoe, fikambanana hita maso misy mpitondra sy olona entina. Fikambanana ara-panahy noho ny Batemy sy ny Fahasoavana. I Jesoa irery ihany no Mpanalalana lavorary amin'olombelona sy Andriamanitra. Ny Eglizy dia vondron'olona atambatry ny Finoana, Fanantenana sy Fitiavana. Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
• Nihaona tany Paris androany, Andriamatoa isany Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery, Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara teo aloha. Niresaka ny olana samihafa sedrain'ny vahoaka Malagasy ankehitriny izy ireo... • Tsy anavahana firehana na antoko politika, fa vonona hisokatra sy haira-miasa amin'ny Ben'ny Tanana rehetra ny fitondram-panjakana... • Hiaro ny tombontsoan'i Frantsa no antony hahatongavan'ny Filoha Frantsay, Emmanuel Macron eto Madagasikara, raha ny hevitry ny Komity Foiben'ny antoko MFM...
• Efa mivoaka ireo sary famantarana sy hira faneva ho fankalazana ny Andro Nasionaly ho an'ny Vovonan'ny Olondehibe... • Nozaraina ho Vikaria Episkopaly telo ny Diosezin'i Farafangana... • Nanao antso avo ho fanafoanana ny sazy fanamelohana ho faty, ny Papa François...
• Fanamby lehibe ny fampiasana ny saina voatr'olombelona na ny “Intelligence artificielle” amin'ny tontolon'ny fikarohana, saingy mila fahamalinana, hoy ny Talen'ny Oniversite U-Magis eny Amparibe... • Nankatoavin'ireo mpikambana ao amin'ny fikambanana ara-toekarena AEMAJA, ny hamadihana ny fikambanana ho Antenimieran'ny Varotra Madagasikara Japon... • Nidoboka am-ponja vonjimaika avokoa ireo olona sivy voarohirohy tamin'ny famonoana ilay tovolahy antsoina hoe Faneva, tany Tsiroanomandidy...
Fambolena miaro ny tontolo iainana : mahaliana ny tanora Tafita any amin’ireo tanora nahazo tohana ara-piofanana avy amin’nytambazotra iraisam-pirenena misehatra amin’ny fampiofanana amin’ny famokarana sy ny tontolo ambanivohitra na ny RI-FAR sy ny Réseau SOA ny fahaza-manao noratovin’izy ireo.Nahita tombotsoa ireo tanora nampihatra ny fambolena miaro ny tontolo iainana sy ny fitantanana ny rano tao amin’ny fikambanana Soa Mitsinjo
ao amin’ny kaominina Antanetibe Mahazaza ato amin’nydistrikan’Ambohidratrimo.
• Filana voa tsy ary sy filana kisa ary fanaovana tsinontsinona ny vahoaka ny fametrahana amin'ny fomba ofisialy ireo Ben'ny Tanana tsy lanim-bahoaka tamin'ny fomba demokratika, hoy ny Solombavam-bahoakan'i Vatomandry... • Hanamora ireo dinika ara-panjakana hanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena eo amin'i Madagasikara sy i Japon ny AEMAJA... • Manamafy ny fahaiza-manao eo amin'ny fampianarana, ireo mpampianatra miisa 134 avy amin'ny sekoly katolika, ao amin'ny Diosezin'i Mahajanga...
Ny fianakaviana dia antso sy fanomezana manokana avy amin’Andriamanitra, toerana voalohany itomboan’ny fitiavana sy ny fanantenana. Toy ny zaridaina, mila fikarakarana sy fitiavana ary faharetana ny fiainam-pianakaviana mba hahafahana miaina sy manome aina vaovao ho an’ny tsirairay. Amin’ny alalan’ny Sakramenta, indrindra ny Mariazy sy ny Eokaristia, dia omban’Andriamanitra sy ampaherezina ny mpivady sy ny fianakaviana. Ankehitriny dia antsoina isika hikarakara sy hanatsara ny fifandraisana, ny fihavanana ary ny fahamasinana ao anatin’ny fianakaviana... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny Eglizy dia toy ny valan'ondry, foto-boaloboka, trano aorina, lapa soa sns... Tao amin'ny Testamenta Taloha dia fanoharana mazàna no nenti-nanambara an'ilay Fanjakàna ; ohatra notsongaina tao amin'ny fiompiana, na tao amin'ny fambolena na tao amin'ny taotrano, na koa tao amin'ny fianakaviana sy ny fanambadiana ary efa voaomana ao amin'ny bokin'ireo Mpaminany Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
• Tokony hofoanana ny didim-panjakana ahafahana mivarotra tany amin'ny vahiny, hoy ny RMDM. Miantso ireo Solombavam-bahoaka hanafoana izany eny amin'ny Antenimieram-pirenena izy ireo... • Naato vonjy maika ny fampiharana ilay haba 47 % amin'ireo entana ahodrantsinka any Etazonia. Mbola mitohy ny dinika arahan'ny fanjakana sy ireo mpandraharaha, hoy ny Tale Jeneralin'ny Varotra, androany... • Nanao fitokonana ireo mpitatitra amin'ny Bus mampitohy ny Renivohitra sy i Vontovorona androany maraina. Tsy faly amin'ny fandrarana hiasa mialoha ny amin'ny 5 ora maraina izy ireo...
♦ Nandroso ny vina fifanarahana miaraka amin'ny mpanakanto ho vahaolana amin'ny haban-tseranana ampiharin'i Etazonia amin'i Madagasikara ny antoko Humaniste Ecologiste... ♦ Misy lesoka mila arenina ny fanatanterahana ny teti-bolam-panjakàna eto Madagasikara. Mbola sahirana amin'ny fijerena ny laharam-pahamehana noho ny tsy fahampian'ny vola miditra koa isika hoy ny MSIS TATAO... ♦ Miverina indray ny fahatapahan'ny famatsiana herinaratra mifandimby ho an'Antananarivo sy ny manodidina. Ny fihenan'ny rotsak'orana tato ho ato no antony araka ny fanazavan'ny JIRAMA...
Ao natin'ny "TENY" dia misy hery miafina, koa tokony hitandrina isika amin'ny "teny" lazaina : mety ho tso-drano ary mety ho ozona. Ny teny dia endrik'Andriamanitra ao amintsika olombelona noho izany dia tokony ho "TENY" famporisihana mitondra soa ho an'ny hafa no hatao fa tsy fandatsana sy fandrabirabiana. Ady lehibe ny ady ara-toekarena koa samia miezaka sy manome lanja ny haren'ny firenena... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco