Vakiteny voalohany

Bokin’i Siràka (Eklesiastika 6, 5-17)

Tsy misy soa hoatra ny sakaiza mahatoky.

Ny teny mora, mahamaro sakaiza, ary ny fiteny mamy, dia be hamamiana.
Aoka ho maro izay mifankahazo tsara aminao,
nefa iray monja amin’arivo no ilao hevitra.
Raha te-hahazo sakaiza ianao, fizahan-toetra azy no aoka hahazoanao azy,
fa aza malaky matoky azy foana.
Satria misy sakaiza manao an’androny, fa hihataka izy amin’ny andro mahory anao;
misy sakaiza ho tonga fahavalo, ka hanambara ny adinareo, hahazoanao henatra.
Misy, sakaiza raha hiara-komana aminao,
fa tsy haharitra ho izany intsony amin’ny andro hahory anao.
Amin’ny andro iadanana izy mitsangan-ko toy ny tenanao, ka hiresaka mora foana amin’ny ankohonanao.
Raha avy izay ietrenao, hitsangan-kanohitra anao izy, ary hiery anao.
Halavito ny fahavalonao, ary mitandrema tena amin’ny sakaizanao.
Ny sakaiza mahatoky dia fiarovana mahery, ka nahita rakitra izay nahita azy.
Tsy misy soa toy ny sakaiza mahatoky; tsy misy vato-mizana azo andanjana ny vidiny.
Ody aina ny sakaiza mahatoky; izay matahotra ny Tompo no mahazo azy.
Izay matahotra ny Tompo no manam-pisakaizana marina,
satria manahaka azy ny sakaizany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 12 sy 16. 18 sy 27. 34 sy 35

Ampizory amin’ny soritry ny baikonao aho, ry Tompo.

Hisaorana anie Ianao, ry Tompo!
Ampianaro ahy ny fitsipikao!
Ny fitsipikao no firavoako;
ny teninao no fitadidiko!

Alao tampina ny masoko
hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.
Ampahafantaro ny lalan’ny lahatrao aho,
mba hisaintsainako ny asanao mahagaga.

Omeo fahalalana aho hitandremako ny lalànao,
sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo!
Ampizory amin’ny soritry ny baikonao aho:
fa io no hafinaretako.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 1-12)

Izay nakamban’Andriamanitra, tsy azon’olombelona sarahina.

Tamin’izany andro izany:
Niala teo i Jesoa dia tonga tany amin’ny sisin-tanin’i Jodea, an-dafin’i Jordany;
ary nivory teo aminy indray ny vahoaka, ka nampianariny indray araka ny fanaony.
Dia nanatona Azy ny Farisianina mba haka fanahy Azy ka nanontany hoe:

“Mahazo misao-bady va ny lehilahy?”

Ary izao no navaliny azy ireo:

“Ahoana no nandidian’i Môizy anareo?”

Dia hoy Izy:

“Nomen’i Môizy lalana hanao taratasy fisaoram-bady sy hisao-bady ny lehilahy.”

Fa hoy kosa i Jesoa:

“Ny hamafin’ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo.
Fa tamin’ny niandohan’izao tontolo izao,
dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon’Andriamanitra;
noho izany dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny,
ary ho nofo iray izy roroa;
koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany.
Koa ao ka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona.”

Nony mby tao an-trano, dia nanontany Azy ny amin’izany indray ny mpianany,
ka hoy Izy taminy:

“Na iza na iza misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa
dia mijangajanga mandika ny lalàm-panambadiana;
ary raha ny vavy koa no misaotra ny lahy ka manambady hafa,
dia mijangajanga.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Ny vola sy ny harena ary ny fahefana dia fanomezana avy amin'Andriamanitra, vokatr'ireo ezaka natao. Ny fahantrana no zary efitra mampisara-bazana ny mpiray tampo sy mpiara-monina. Satria isika mpivahinin'ny fanantenana dia amporisihina ireo rehetra manana vola harena, fahefana mba hamorona asa ho an'ny hafa izay tsy manana fahafahana. Soatoavina tsara ny fifampitsinjovana sy ny fifanampiana ary fifampitokisana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ny asan'i Jesoa teto an-tany no maneho miharihary fa raha mino sy manaiky an'Andriamanitra sy ny heriny isika dia ho azontsika izay angatahantsika. "Satria ny finoanao no nahavonjy anao" hoy ny Tompo tamin'ireo olona nositraniny. koa mila manamafy finoana isan'andro isika mba ho azo antoka ny vavaka ataontsika ary mba ho tena vavaka araka izay vokatry ny fo sy an-kalalahana... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

• 16 taona katroka androany ny fisian'ny tifitra nahafaty olona am-polony teny Ambohitsorohitra ny taona 2009... • Natao sorona ny vahoaka tamin'ny fitondrana azy nidina an-dalambe, ny 7 febroary 2009, hoy ny antoko MFM... • Namela takaitra maro ho an'ny Distrikan'i Toliara Faharoa, ny rivodoza Elvis farany teo...

• Nanatanteraka fambolen-kazo ny Diôsezin'i Port-Bergé, tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo... • Natokana hiaraha-mankalaza ny taon-jobilin'ny mpitandro ny filaminana, sy ireo mpanakanto ary ny diakra, ity volana febroary... • Mizara ny finoany Ilay Andriamanitra mahavita zava-mahagaga i Masina Maria, hoy ny fampianaran'ny Papa, nandritra ny Audience Générale ny alarobia 5 febraory 2025...

• Ho sahirana ireo zatra ny lalan-dririnina tamin'ny fanodikondinana ny vola tamin'ireny tetikasa novatsian'ny USAID ireny, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Rakotoson Dany Herintsoa... • Mafampana ny any Vatomandry manoloana ny fihetsiketsehana nanoherana ny voka-pifidianana Ben'ny Tanana sy Mpanolotsaina, farany teo. Miisa fito, hatramin'izao, ireo olona nosamborina vokatry ny filaharana... • Efa nihazo an'i Frantsa ireo dimy mirahalahy mandrafitra ny ekipam-pirenena, hiatrika ny fifaninanana amin'ny taranja tsipy kanetibe PPF...

• Notendrena ho Loholon'i Madagasikara avy amin'ny Filohan'ny Repoblika, Ramatoa Rakotondrazafy Lalatiana... • Tsy hangataka lalana amin'ny fivoriana hataony ny RMDM fa hanasa avy hatrany Préfet an'Antananarivo na ny solontenany, mba hanatrika izany... • Manomboka midina ny vidim-bary eny an-tsena eto Antananarivo sy ny manodidina, hoy ny fikambanana PMH...

25 taona nilofosana tamin'ny fampivoarana sy ny fampandrosoana ny teny ambanivohitra ny mpikambana ao amin'ny KOLOHARENA. Ny fikambanana KOLOHARENA izay fantatra tamin'ny fanapariahana ny famokarana miaro ny tontolo iainana. Nivohy sy nanaparitaka ilay vary atao hoe "DISTA" teto Madagasikara ihany koa.

Manoloana ny zava-misy ankehitriny vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny fiovan’ny toetrandro dia miatrika fanamby maro ny firenena Malagasy. Anisan’ny vahaolana mahomby sy maharitra hiatrehana izany ny fambolen-kazo, izay sady manamaintso ny tontolo, no antoky ny fahasalamana, ary indrindra mitsinjo ny ho avin’ireo taranaka... Entanina ny rehetra mba hampahafantarana ireo singa sy rafitra rehetra tsara ho fantatra mba ho tena mamboly hazo tokoa fa tsy manatsatoka, Tsy vitan’ny olo-tokana na andian’olom-bitsy ny fiatrehana io olana io fa mila ny fiaraha-mientana... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.

Mazana dia mitoetra ny fahatezarantsika manoloana ny fitalahoantsika tsy tanteraka. Betsaka tokoa ny olana miseho ilantsika valim-bavaka kanefa toa tsy misy vokany. Tamin'i Jesoa Kristy tety an-tany dia maro tokoa ireo nitalaho ny famonjena taminy ka niantsoantso hoe "mamindra fo aminay". Na izany aza, ao ny nolaviny , saingy nanao lemozy fa ao koa ireo nanontaniany raha tena mino... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

• Hanasa ny Préfet an'Antananarivo ny RMDM amin'ny fivoriana hataony, manomboka izao. Tsy hangataka alalana kosa anefa satria voalazan'ny lalana mifehy ny antoko politika ny fivoriana, hoy ny Pasitera Edouard Tsarahame, androany... • Manomboka midina ny vidim-bary eny an-tsena eto Antananarivo sy ny manodidina amin'izao. Eo anelanelan'ny 800 Ariary ka hatramin'ny 1.200 Ariary ny iray kapoaka, arakaraka ny karazany avy... • Nihatsara ny fahatongavan'ny “Caisse école” eny anivon'ireo sekoly tokony hisitraka izany. Maherin'ny 66 miliara Ariary ny teti-bola natokana ho amin'izany amin'ity taom-pianarana ity, raha ny tatitry ny tetikasa Score...

  • Misedra olana ireo mpampiasa ny lalana RN-6, efa mandray andraikitra ny Governoran'ny Faritra Sôfia...
  • Mbola tena manjavozavo tanteraka ny mety ho fahampian'ny teti-bola eo am-pelan-tanan'ny fitondram-panjakàna manoloana ny zava-misy sy ny fepetra noraisiny hoy i Gérard Andriamilerovason...
  • Very hasina ny fanabeazana amin'ny mahaolona ankehitriny ary antony iray tsy mampandroso ny firenena izany hoy ny mpanabe Faly Rafieferana...
  • Miisa 150isa ireo babo an'ady nifanankalozan'i Ukraine sy Russie androany. Tsy nofaritana mazava ny toerana nanatanterahana izany ho fiarovana ny ain'izy ireo...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...