♦ Fanadinana handraisana mpandraharahan'ny fonja : Efa ampanomanana ny fitsarana ireo antontan-taratasin'ny mpiadina niatrika ny fifaninana ny tompon'andraikitra, mpiadina 600 isa no horaisina tamin'ireo 9.000 isa nandray anjara... ♦ Tanterahina ny 26 hatramin'ny 29 septambra ho avy izao eny amin'ny Kianjan'ny Barea Mahamasina ny andiany faha-efatra amin'ny hetsika tsenaben'ny hazandrano... ♦ Vonona hiatrika ny vanim-potoam-pahavaratra 2024-2025 ny birao nasiônaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza na ny BNGRC taorian'ny fiofanana notanterahina teto Antananarivo sy Toamasina... ♦ Nahatsiaro sy nankasitraka ny asan'ny raim-pianakaviana iray mpiaro ny tontolo iainana tany Honduras, maty nisy namono ny Papa François...
♦ Tsy nahazo rariny teo anivon'ny Fitsaràna miady amin'ny Fanjakàna ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, nolavina mantsy ny fitoriana napetrany mahakasika ny fandavan'ny CENI ny fahafahany mirotsaka ho fidiana ben'ny tanàna an'Antananarivo Renivohitra... ♦ Olan'ny famatsiana rano avy amin'ny JIRAMA : Faritra maro ao an-drenivohitra no tsy nisitraka rano efa ho amam-bolana, tafakatra 3.000Ariary ny iray daba mavo amin'ny rano raha ny fitarainan'ny mpanjifa... ♦ Miaramila 3 mirahalahy avy amin'ny bataillon RECAMP voatendry namita hiraka tany amin'ny Silaka manokana mpandamina na ny DSS Behara, Distrika Antanimora-Atsimo no lavon'ny dahalo ny sabotsy 21 septambra teo...
Araka ny voasoratra ao amin'ny Jenezy dia mitso-drano mandrakariva Andriamanitra, nanomboka tamin'ny fahariana ani'izao tontolo izao izany ; nitso-drano ny voahary rehetra Izy na ny olombelona na ny biby, mba hitombo hanerana ny tany. Nitso-drano ny olombelona izy mba hizaka ny voahary, ary nampianatra ny olombelona mba hitso-drano ihany koa... Katesizy momba ny tso-drano, iarahana amin'i P. Philippe Ranaivoarisoa.
Alahady faha-25 mandavantaona - B : Ny fialonana mandrava fitiavana, ny fanetren-tena ahavitana soa ; Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy. Ny boky ny Fahendrena dia mitondra fampianarana mba hijoro hatrany amin'ny maha mpivavaka na dia eo aza ny fanenjehana sy ny fitsapana maro. Misy fiavahana ny fisainana sy ny fomba fiainan'ny mpino sy ny tsy mpino : manelingelina ny tsy mpino ny fitondran-tena sy ny fiainan'ireo mpino, tian'iretsy voalohany ho tsapaina sy fongorina. Ny mpino dia mila maneho ny finoana ary mangina manoloana ny fandrabirabiana ary mila mijanona amin'ny fahatokisana an'Andriamanitra.; mijoro hatrany ary tsy mandao ny marina...
Tsy mivadika koa ny mpiandry ondry tsara rehefa miatrika ny fahotan’ny olony: ny mpiandry ondry tsara dia mitoetra mandrakariva ny amin'ny maha-ray azy, na dia miala sy mahafoy azy aza ny zanany. Maharitra amin’ny fanompoana mpitandrina koa izy amin’izay mitarika azy handoto ny tanany; tsy manakatona ny fony amin’izay mety nampijaly azy izy. Katesizy momba ny vavaka fanelanelanana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
♦ Kandidà hiantoka ny fitoniana sy ny fampandrosoana an'i Madagasikara no tadiavin'ny antoko miara-dia amin'ny fitondrana amin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy ny mpanolontsaina amin'ny 11 desambra izao. Fanehoan-kevitry ny Sekretera Nasiônalin'ny Antoko TGV, Rasoamaromaka Hery... ♦ Navoaka tamin'ny fomba ôfisialy tao Antsirabe ny pôlisy nahavita fiofanana tao amin'ny ENIAP 1.200 isa mahery, nanome voninahitra izany ny Praiministra... ♦ Singa miantoka ny fahavitan-tena ara-tsakafo, fanamby hotratrarin'ny fitondram-panjakàna ny fampiasan'ny tantsaha ny masomboly nohatsaraina sy ny fampitomboana ny tany volena hoy ny solombavambahoaka Razafindrabary Richard, filohan'ny vaomiera misahana ny fampandrosoana eny ambanivohitra...
Ny homamiadana dia aretina vokatry ny fiovan'ny sela izay lasa tsy ara-dalàna sy mitombo be loatra. Manakorontana ny asan'ny sela io ka mamorona fivontosana maloto. Ny sela voakasiky ny homamiadana dia manimba ny sela manodidina azy ary manimba tsikelikely ny taova voakasiny. Ny sokajin'olona rehetra dia mety hararin'ny homamiadana, ary mety hakasika ny taova rehetra ankoatry ny volo sy ny hoho... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Nampitandrina an'ireo manana fikasana hanakorontana mandritra ny zotra-pifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina amin'ity taona ity ny fitondram-panjakàna. Tsy maintsy hadray fepetra mifanandrify amin'izany ny fanjakàna hoy ny mpitondra tenin'ny Governemanta Vola Miranty Dona... ♦ Manantena ny fitsaràna, hitsara am-pitoniana sy am-pahamarinana ny fitoriana napetr'izy ireo ny mpisolo vava an'Andriamatoa Marc Ravalomanana. Nametraka fitoriana teny amin'ny fitsaràna misahana ny ady amin'ny fanjakàna momba ny fanapahan-kevitra noraisin'ny CENI izy ireo... ♦ Omena sehatra mandritra ny andiany faharoa amin'ny foaran'Analamanga ny vokatra Vita Malagasy...
Rehefa mivavaka ho an’ny mpanota ny mpino, entanin’ny Fanahy Masina, dia tsy mifidy, tsy mitsara na manameloka fa mivavaka ho an’ny rehetra. Izao no ao amin’ny salamo: Tompo ô, tsy misy marina eo anatrehanao, na iza na iza; mpanota izahay rehetra - mpitrosa tsy manan-tsahala izahay rehetra, tsy misy tsy manota eo imasonao. Katesizy momba ny vavaka fanelanelanana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
♦ Nitondra fanazavana momba ilay fanovana ny fanomanana ireto antontan-taratasy ilaina amin'ny firotsahan-kofidiana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina, ny eo anivon'ny CENI... ♦ Nampitandrina ireo rehetra manana fikasana hamboly korontana mandritra ny zotram-pifidianana kaominaly, ny mpitondra tenin'ny Governemanta. Tsy maintsy handray andraikitra amin'izany ny fitondram-panjakana, hoy izy... ♦ Omena sehatra mandritra ny andiany faha-2 amin'ny Foaran'Analamanga, tanterahina eny amin'ny Kianjan'ny Barea nanomboka androany, ny vokatra vita malagasy...
♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...
Bokin’i Jôba (Jôb. 42, 1-3. 5-6. 12-17)
Namaly ny tenin’ny Tompo i Jôba ka nanao hoe:
“Fantatro fa mahefa ny zavatra rehetra Ianao, ka tsy misy hevitra sarotra ho Anao.
Iza moa izato manamaizina ny fandaharan’Andriamanitra tsy amim-pahalalana?
Eny, niteny tsy amim-pahalalana tokoa aho,
ny amin’ny zava-mahagaga tsy takatro aman-tsy fantatro!
Mihainoa fa hiteny aho, hanadina Anao aho, ka valio.
Ny sofiko taloha efa nandre filazana Anao,
fa ny masoko kosa ankehitriny efa nahita Anao.
Koa dia manameloka ny tenako aho, sy manenina eo amin’ny vovoka sy ny lavenona.”
Nambinin’ny Tompo mihoatra noho ny tamin’ny taloha ny andro niainan’i Jôba tayý aoriana,
ka nanana ondry efatra arivo amby iray alina, rameva enina arivo, omby arivo tsiroaroa, ary ampondravavy arivo.
Nanan-janaka fito lahy sy telo vavy izy:
ny voalohany nataony hoe Jemimà, ny faharoa Ketsia, ary ny fahatelo Keren-Happòka.
Tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ireo zanakavavin’i Jôba ireo tamin’ny tany rehetra;
nomen-drainy anjara lova eo amin’ireo anadahiny izy.
Velona efapolo amby zato taona i Jôba taorian’izany;
ka nahita ny zanany lahy sy ny zanakalahin’ny zanany lahy hatramin’ny taranaka fahefatra.
Dia maty i Jôba, efa antitra sy voky andro niainany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 118, 66 sy 71. 75 sy 91. 125 sy 130
Ampianaro ahy ny fahaizan-tsoa sy ny fahalalana
fa izaho matoky ny baikonao!
Soa ho ahy ny nomenao fijaliana,
mba hianarako ny fitsipikao!
Fantatro, ry Tompo, fa rariny ny fitsaranao:
ara-pahamarinana no ampahorianao ahy!
Noho ny fitsaranao dia maharitra mandraka androany
ny zava-drehetra izay samy mpanomponao!
Mpanomponao aho ka mba omeo fahalalana,
hahafantarako ny fanambarànao!
Vavahady mazava ny teninao,
sy mampahazo fahalalana ny olon-tsotra.
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 17-24)
Tamin’izany andro izany, dia niverina tamin-kafaliana ny roa amby fitopolo lahy ka nanao hoe:
“Tompo ô, na dia ny demony aza dia manaiky anay noho ny Anaranao.”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Nahita an’i Satana latsaka avy tany an-danitra toy ny varatra Aho.
Indro efa nomeko ny fahefana hanitsaka ny bibilava sy ny maingoka
mbamin’ny hery rehetra ananan’ny fahavalo ianareo
ka tsy hisy hampaninona anareo akory ireny.
Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony hifalianareo,
fa noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio.”
Tamin’izay nientan-kafaliana tamin’ny Fanahy Masina Izy ka nanao hoe:
“Misaotra Anao Aho, ry Raiko Tompon’ny lanitra sy ny tany,
noho Ianao nanafina izany tamin’ny mahay sy ny hendry,
fa nanambara azy tamin’ny zaza madinika kosa.
Eny, Raiko, fa izany no sitraponao.
Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra,
ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na ny Ray afa-tsy ny Zanaka
sy izay tian’ny Zanaka hanambarana Azy.”
Dia nitodika tamin’ny mpianany Izy ka nilaza taminy manokana hoe:
“Sambatra ny maso mahita izay hitanareo;
fa lazaiko aminareo fa maro ny mpaminany sy ny mpanjaka naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita,
ary handre izay renareo fa tsy nandre.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco