♦ Nihaona tamin'ny filoha Frantsay tao amin'ny lapan'i Elysée any Paris, omaly, ny filoha Rajoelina Andry, voaresaky ny roa tonta tamin'izany ny fifandraisana ara-diplômasia sy ara-toekarena... ♦ Nigadona any Antsiranana ilay sambo hopitaly "Arche de la paix" hanome fitsaboana maimaimpoana ny mponina any an-toerana mandritra ny herinandro... ♦ Miankina amin'ny fahatongavan'ny taratasim-panadinana aty amin'ny foibe ny fanombohan'ny fitsarana ny antotantaratasim-panadinana bakalôrea hoy ny Sekretera Jeneralin'ny ministeran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa... ♦ Nahitàna taovan'olombelona sy biby tao amin'ny toerana faka aina tao Rosehill ao Sutton, any Atsimon'i Londres...

I Davida dia masina sy mpanota, voaenjika sy mpanenjika, nampijaliana sy mpampijaly, izany daholo mihitsy no niainany ; isika ihany koa eo amin'ny fiainantsika dia mety sendran'ireo tranga mifanohitra matetika. Ny vavaka irery ihany no lalan-tokana tsy nampihontsina an'i Davida teo amin'ny fiainany ka tsy nampivoana  azy tamin'ny sori-dalana natao hodiaviny. Ny vavaka no feo tsy maty tao anatin'i Davida... Katesizy momba ny vavak'i Davida, iarahana amin'i P. Sylvain Rafaralahimboa.

♦ Niantso ny rehetra mba hampitsahatra ny lainga sy ny kabary tsara lahatra ny Kardinaly Désiré Tsarahazana, Arsevekan'i Toamasina, nandirtra ny Sorona Masina famaranana ny fankalazana ny taon-jobily volamenan'ny Fihavaozana Karismatika... ♦ Niompana tamin'ny fiaraha-miasan'i Lafrantsa sy i Madagasikara amin'ny famokarana herinaratra azo avy amin'ny rian-drano, mba hamenoana ny angovo tsy ampy eto amintsika, ny fihaonana teo amin'ny Filoha frantsay, Emmanuel Macron sy ny Filoha malagasy, Andry Rajoelina androany...

♦ Notanterahana tao amin'ny renivohitry ny Diôsezin'i Mahajanga, ny fiofanana ho an'ny katesista avy ao amin'ny Distrika Misiônera Maevatanana, tamin'ity herinandro ity... ♦ Nanentana ny rehetra hiaina ny fitiavana, ny Arsevekan'i Toamasina, tamin'ny fanokafana ny lanonana famaranana ny taom-bolamenan'ny Fihavaozana Karismatika Katôlika Fiombonana, eto Madagasikara... ♦ Tontosa tamin'ny 13 jolay 2024, ny Antenimiera nataon'ny tanora tao amin'ny Diôsezin'i Farafangana, ho fanomanana ny JMJ Diôsezy...

Misedra olana amin'ny fanondranana ny vokany ny kaoperativa Taratra avy Analanjirofo amin'izao fotoana izao. Manomboka miditra amin'ny fanondranana ny voly fanondrana ifotoran'izy ireo mantsy ity kaoperativa ity ankehitriny saingy betsaka loatra hoy ny tompon'andraikitra ny pitsopitsony vola aloa noho ny lamina misy.

♦ Nodimandry omaly i Jean André Soja, fantatra tamin'ny anarana hoe Kaleta. Nahafantaran'ny maro azy ny tontolo pôlitika, ankoatra ny naha mpandraharaha azy... ♦ Mbola mitohy anio ny fanadinam-panjakana bakalôrea, ho an'ireo hiatrika ny taranja “Sciences économiques et sociales” ary ny adina an-tsoratra EPS. Hanohy ny taranja teknika kosa ireo mpiadina bakalôrea teknika, amin'io herinandro ho avy io... ♦ Manjaka indray ny fahatapahan-jiro mifandimby amin'ny Tambajotra Iraisan'Antananarivo. Mikorontana noho izany koa ny famatsian-drano amin'ny toerana sasany...

Ny fialan-tsasatra dia fotoana ialàna amin’ny zavatra mahazatra, na hisitahana ny toeram-ponenana mihitsy aza ho an’ny ankamaroan’ny olona. Mandritra io fotoana io dia maro no mieritreritra fa fety lava ny fiainana, hany ka manadino ny fitondran-tena mendrika. Ny VIH/SIDA anefa dia misoko mangina na dia tsy hita taratra ety ivelany aza. koa ilaina hatrany ny fahamailoana, koa hamporisihana ny tsirairay amin’ny fanajana ny vatana sy ho tompon’andraikitra amin’ny safidiny. Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Raha tsy manana fandinika pôetika ny olona iray dia mandringa ny fanahiny ; rehefa tsy ampy ny rindram-bavaka kanto dia mandringa ny fanahy, izany hoe lasa vavaka tsy tonga lafatra fa vavaka hafahafa. Rehefa mivavaka dia tena ilaina ny maneho ohatra tsara amin'ireo zava-dehibe teo amin'ny fiainana nataon'Andriamanitra. Zava-dehibe ny rindram-bavaka : mba hahatsapana ny fahalebiazan'Andriamanitra... Katesizy momba ny vavak'i Davida, iarahana amin'i P. Sylvain Rafaralahimboa.

♦ Mbola maro ireo laza adina niparitaka tamin'ny tambajotran-tserasera nandritra ity Bakalôrea 2024 ity. Nifarana androany izany fanadinam-panjakana izany ho an'ny fampianarana ankapobeny... ♦ Handiso ny tena fifandanjan-kery pôlitika marina, ny fifidianana Ben'ny Tanàna ho avy eo, indrindra izay hahazo ny fitantanana ny tanànan'Antananarivo, hoy ny antoko Teza... ♦ Nitotongana indray ny sandam-bola malagasy Ariary. Efa tafakatra 4.970 Ariary ny Euro iray amin'izao. Hitondra fanazavana ny mpahay teo-karena iray eo anivon'ny CREM...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 2, 8 — 3, 4)

Hano io taratasy io. Dia nohaniko izany, ka mamy ohatra ny tantely izy tao am-bavako.

Hoy ny Tompo tamiko:

“Ary ianao, ry zanak’olona, henoy izao lazaiko aminao izao:
Aza miodina tahaka izany taranaka miodina izany.
Sokafy ny vavanao, ka hano izay omeko anao.”

Dia nojereko, ka indro nisy tanana natsotra nankaty amiko,
ary indro fa nitana horonan-taratasy.
Novelariny teo anoloako io,
ka voasoratra ny tao anatiny sy ny teo ivelany;
ary hira fisaorana amam-pitomaniana sy fitarainana no voasoratra teo.
Hoy Izy tamiko:

“Ry zanak’olona, hano io hitanao eo anoloanao io;
hano io taratasy io, dia mandehana miteny amin’ny taranak’i Israely.”

Nosokafako ny vavako, dia nafahany ahy io taratasy io;
ka hoy Izy tamiko:

“Ry zanak’olona, vokiso ny kibonao,
ary fenoy ity taratasy atolotro anao ity ny tsinainao.”

Dia nohaniko izany, ka mamy hoatra ny tantely izy tao am-bavako.
Ary hoy Izy tamiko:

“Ry zanak’olona, mandehana mankany amin’ny taranak’i Israely,
ary lazao aminy ny teniko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 14 sy 24. 72 sy 103. 111 sy 131

Endrey, mamin’ny lanilaniko ny didinao.

Ny lalan’ny fanambarànao no ifaliako,
mihoatra noho ny harena rehetra.
Ny fanambarànao no firavoako;
ny fitsipikao no filàko saina.

Soa ho ahy ny lalàna avy amin’ny vavanao,
mihoatra ny volamena sy volafotsy arivoarivo!
Endrey! mamin’ny lanilaniko ny didinao,
ary tsara amin’ny vavako manoatra ny tantely.

Ny fanambarànao no lovako, ry Ilay mandrakizay:
izy no fifalifalian’ny foko!
Misokatra ny vavako: miemponempona aho;
ny baikonao no mahaliana ahy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy. Isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 1-5. 10. 12-14)

Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin’ireny madinika ireny aza.

Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe:

“Iza moa no ambony indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra?”

Dia niantso zazalahy kely anankiray i Jesoa
ka napetrany teo afovoany ary hoy Izy:

“Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo
ka tsy tonga tahaka ny zazakely,
dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory.
Koa amin’izany, na iza na iza hanetry tena tahaka ity zazakely ity,
dia izy no lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Ary izay handray zazakely anankiray tahaka ity amin’ny Anarako,
dia mandray Ahy koa.
Tandremo sao ataonareo tsinontsinona
na dia ny anankiray amin’ireny madinika ireny aza;
fa lazaiko aminareo fa ny Anjelin’izy ireny any an-danitra
dia mahita lalandava ny tarehin’ny Raiko izay any an-danitra.
Ahoana ny hevitrareo?
Raha misy olona manana ondry zato, ka nania ny anankiray,
moa tsy havelany eny an-tendrombohitra va ny sivy amby sivifolo,
ka handeha hitady ilay nania izy?
Ary raha sendra hitany izy, dia lazaiko marina aminareo
fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy noho ny sivy amby sivifolo tsy nania.
Toy izany koa, tsy tian’ny Rainareo izay any an-danitra hisy very
na dia anankiray amin’ireo madinika ireo aza.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 1, 2-5. 24-28d)

Sarintsarin’ny voninahitr’Andriamanitra ihany izany fahitana izany.

Tamin’ny taona fahatelopolo, volana fahefatra, andro fahadimin’ny volana,
raha teo amin’ireo babo, teo amoron’ny ony Kobara aho,
dia nisokatra ny lanitra, ary nahita fahitana avy amin’Andriamanitra aho.
Tamin’ny andro fahadimin’ny volana, taona fahadimy nahababo an’i Jôasina, mpanjaka, tamin’izay, —
tonga tamin’i Ezekiela, zanak’i Bozi, mpisorona, ny tenin’ny Tompo,
tany amin’ny tany Kaldeanina, amoron’ny ony Kobara,
ary mby teo aminy teo ny tanan’ny Tompo.
Hitako, fa indro, avy any avaratra,
nisy tafio-drivotra sy rahona lehibe aman’afo mivongana,
izay manjopiaka manodidina, ary ao afovoany
dia toa zavatra mitarehi-metaly voatsoboka anaty afo no niseho teo.
Ary hitako teo afovoany, ny endrijava-manana aina efatra,
ka toa izao no fijery azy: miendrika olombelona izy.
Nony mandeha izy ireo, dia reko ny fikapokapoky ny elany,
ka toy ny firohondrohon’ny rano be, tahaka ny feon’ny Tsitoha,
fihahohahom-pitabatabana toy ny re avy amin’ny toby;
nony mijanona izy, dia avelany milefitra ny elany.
Ary nisy naneno re avy ao amin’itsy andohalambo nivelatra teo ambonin’ny lohany:
nony mijanona izy dia navelany hilefitra ny elany.

Eo ambonin’ilay andohalambo nivelatra teo ambonin’ny lohany,
nisy hoatra ny vato safira, mitarehin-tseza fiandrianana;
ary toa nisy hoatra ny endrik’olona teo ambonin’io mitarehin-tseza fiandrianana io.
Tao anatiny sy tao amin’ny manodidina
dia nisy hitako hoatra ny zavatra miendri-metaly, tahaka ny afo no fijery azy,
hatramin’izay niseho ho tahaka ny andilany no ho miakatra;
ary hatramin’izay niseho ho toa andilany no ho midina kosa
dia nisy zavatra hitako, toy ny afo no fijery azy,
ary nisy famirapiratana manodidina azy.
Hoatra ny fijery ny avana eny amin’ny rahona, amin’ny andro misy orana,
no fijery ny famirapiratana manodidina azy.
Toy izany no fijery ny sarin’ny voninahitr’Izy Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 148, 1-2. 11-12ab. 12d-14a. 14bde

Feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Miderà ny Tompo ianareo izay any an-danitra any.
Miderà ny Tompo ianareo rehetra monina any.
Miderà ny Tompo ianareo Anjeliny rehetra.
Miderà ny Tompo ianareo, ry tafiny rehetra.

Ianareo mpanjaka, ianareo vahoaka tsy hita isa.
Ianareo andriana, ianareo mpitsara ny tontolo.
Ianareo zatovo, tsy an-kanavaka eran-tany.
Ianareo ankizy sy ny zokiolona rehetra.

Aoka ireo hidera ny Anara-masin’Izy Tompo.
Fa ny Anara-masiny no avo hany mendri-kaja.
Ka ny fiamboniany
avo noho ny lanitra sy tany.

Ireo mpanompo azy
faly mankalaza sy midera.
Tsy iza izany akory fa ny firenena Israely,
ilay vahoaka tiany, nolalainy hatrany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 17, 21-26)

Hovonoin’izy ireo Izy, nefa hitsangan-ko velona. — Afaka amin’ny hetra ny zanany.

Tamin’izany andro izany,
raha nitety an’i Galilea i Jesoa sy ny mpianany, dia hoy i Jesoa taminy:

“Efa hatolotra eo an-tanan’ny olona ny Zanak’Olona,
ary hovonoina Izy, nefa hitsangana amin’ny andro fahatelo.”

Dia nalahelo mafy izy ireo.

Nony tonga tany Kafarnaôma izy ireo,
dia nanatona an’i Piera ny mpamory ny hetra dragma roa, ka nanao hoe:

“Moa tsy mba mandoa ny dragma roa va ny Mpampianatra anareo?”

Dia hoy i Piera:

“Mandoa Izy.”

Ary raha niditra tao an-trano izy, dia notsenain’i Jesoa nilazany hoe:

“Ahoana ny hevitrao, ry Simôna?
Iza moa no angalan’ny mpanjaka ety an-tany hetra sy hajia,
ny zanany sa ny olon-kafa?”

Hoy i Piera taminy:

“Ny olon-kafa.”

Dia hoy i Jesoa:

“Raha izany àry, dia afaka ny zanany.
Kanefa sao manafintohina azy isika,
ka mandehana manjono any amin’ny ranomasina ianao,
dia raiso ny hazandrano azonao voalohany ka sokafy ny vavany,
fa hahita vola dragma efatra ao ianao, ka alao,
dia aloavy ho Ahy sy ho anao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 19, 4-8)

Noho ny hery azony tamin’izany hanina izany, dia niakatra ny tendrombohitr’Andriamanitra izy.

Tamin’izany andro izany, i Elia nandositra ny hatezeran’i Jezahela
ka nandroso lalana indray andro tany an’efitra;
ary nony mby tany izy, nipetraka teo ambanin’ny kofafambohitra anankiray,
dia nangataka ny ho faty, nanao hoe:

“Aoka izay! Alao amin’izao ny aiko, ry Tompo ô,
fa tsy tsara noho ny razako aho”.

Dia nandry izy, ka natory teo ambanin’ny kofafambohitra.
Fa indro nisy Anjely nanohina azy kosa, nanao taminy hoe:

“Miarena ianao hihinana”,

Nijery izy, ka indro tao amin’izay niondanany,
nisy mofo nendasina tamin’ny vato nohafanaina, sy rano iray tavoara;
ary rehefa nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray.
Fa tonga fanindroany indray ilay Anjelin’ny Tompo, nanohina azy,
sy nanao taminy hoe:

“Miarena ianao hihinana, fa lavitra loatra ho anao ny dia halehanao”.

Dia niarina izy, nihinana sy nisotro,
ary nandeha efapolo andro sy efapolo alina,
tamin’ny hery azony tamin’izany hanina izany,
ho any Hôreba tendrombohitr’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 33, 2-3. 4-5. 6-7. 8-9

Ankafizo sy anarano fo, fa mamy ny Tompo.

Izaho misaotra ny Tompo lalandava;
ny fiderana Azy eo am-bavako hatrany.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.

Ombay aho mankalaza ny Tompo,
miaraha isika midera ny Anarany.
Izaho nihanta tamin’ny Tompo ka nekeny,
ny tahotro rehetra nalàny tamiko.

Mibanjîna Azy fa ho mirana,
ny henatra tsy hanaloka ny tavanareo;
ity ory velona antso, ka novalian’ny Tompo,
novonjeny tamin’ny ahiahiny rehetra izy.

Ny Anjelin’ny Tompo milasy manodidina
mba hamonjy izay matahotra Azy.
Ankafizo ity hamamin’ny Tompo:
sambatra ny olona mifefy aminy.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 4, 30 — 5, 2)

Mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy.

Ry kristianina havana,
aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra
Izay nanasiana tombo-kase anareo, ho amin’ny andro fanavotana.
Esory aminareo rehefa mety ho lolom-po, fahatezerana,
fahavinirana, fitabatabana, fitenenan-dratsy, ary hasomparana.
Fa aoka ianareo samy halemy fanahy amin’ny namany avy,
ka hifampiantra sy hifamela heloka,
toraka ny namelan’Andriamanitra anareo ao amin’i Kristy.
Koa aoka àry hanahaka an’Andriamanitra, toy ny zanaka malala ianareo.
Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy,
Izay nanolo-Tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika,
mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 41-52)

Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra.

Tamin’izany andro izany,
nimonomonona tamin’i Jesoa ny Jody satria Izy nanao hoe:

“Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra”.

Hoy izy ireo:

“Moa tsy i Jesoa zanak’i Jôsefa va ity,
izay fantatsika ny rainy aman-dreniny?
Ka ahoana àry no anaovany hoe:
‘Nidina avy any an-danitra Aho?’”

Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Aza mimonomonona ianareo.
Tsy misy olona mahay manatona Ahy akory
raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka Ahy,
ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.
Voasoratra ao amin’ny Mpaminany hoe:
‘Hampianarin’Andriamanitra izy rehetra’.
Koa izay rehetra nahare tamin’ny Ray ka nianatra taminy no manatona Ahy.
Tsy dia hoe nisy nahita ny Ray akory:
fa Ilay avy amin’Andriamanitra no hany nahita ny Ray.
Lazaiko marina dia marina aminareo:
Izay mino Ahy no manana ny fiainana mandrakizay.
Izaho no Mofon’aina.
Ny razanareo nihinana ny mana tany an’efitra, nefa maty ihany;
tsy toy izany ny Mofo nidina avy any an-danitra,
fa tsy ho faty izay mihinana azy.
Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra:
raha misy mihinana ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay izy,
ary ny Mofo izay homeko dia ny Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...