Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 2, 1-4)
Ry kristianina havana,
raha mba manana famporisihana ao amin’i Kristy koa ianareo,
na manana fanalana alahelo amin’ny fitiavana ihany,
raha mba misy firaisam-po amam-panahy koa amintsika,
ka mba misy fitserana amam-pangorahana ahy ihany aminareo,
dia fenoy tanteraka ny hafaliako amin’ny firaisanareo saina,
ka hiray fitiavana, hiray fo, hiray hevitra,
tsy hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na filan-dera foana,
fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy,
samy tsy hihevitra ny azy ihany, fa ny an’ny namany koa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 130, 1. 2. 3
Tompo ô, tsy mba miavona ny foko!
tsy miandranandrana ny masoko!
tsy manenjika zava-baventy aho,
na zavatra ambony tsy sahaza ahy!
Ny fanahiko afa-po ka mamitsaka:
toy ny zaza voky eo am-pofoan-dreniny:
eny, toy ny zaza voky
ny fanahiko ato amiko!
Aoka i Israely
hatoky ny Tompo
hatrizao
ka ho mandrakizay!
Aleloia. Aleloia.
Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao! Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 12-14)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ilay loholon’ny Farisianina nanasa Azy hoe:
“Raha manasa olona hisakafo antoandro na hariva ianao,
aza dia ny sakaizanao na ny rahalahinao, na ny havanao na ny mpanan-karena mifanakaiky aminao no asaina,
fandrao asain’ireo koa ianao ka ho voavaliny izay nataonao taminy.
Fa raha manao fanasana ianao,
ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba, no asao:
dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly anao ireo;
fa rahefa mby amin’ny fitsanganan’ny olo-marina vao hovaliana ianao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Misy ireo dingana tsy maintsy hajaina na dia manjavozavo aza ny lalàna amin'izao vanim-potoana mialoha ny fifidianana izao, hoy ny CENI... ♦ Manana ny maha izy azy ny vehivavy Malagasy eo amin'ny sehatry ny fandraharahana... ♦ Manameloka ny gaboraraka ka nahavery ireo sokatra tao amin'ny valanjavaboahary Tsimbazaza, ny Minisiteran'ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa...
Boky Deterônômy (Det. 6, 2-6)
Tamin’izany andro izany, niteny tamin’ny vahoaka i Môizy nanao hoe:
“Matahora an’Andriamanitra Tomponao ianao sy ny zanakao ary ny zanaky ny zanakao,
ary tandremo ny didy aman-dalàny rehetra nandidiako anao,
amin’ny andro rehetra hiainanao, mba hohalavaina ny andronao.
Koa henoy izany, ry Israely, ary mitandrema ny mba hanatanteraka izany,
mba ho sambatra sy hitombo isa be ianao,
any amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely;
araka ny nolazain’ny Tompo Andriamanitry ny razanao anao.
Mihainoa, ry Israely:
Ny Tompo Andriamanitsika, dia Izy ihany no Tompo.
Tiava ny Tompo Andriamanitrao, amin’ny fonao manontolo sy amin’ny fanahinao manontolo.
Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 17, 2-3a. 3bd-4. 47 sy 51ab
Mamiko Ianao, ry Tompo, fa heriko,
Tompo vatolampiko, toera-mafy ho ahy,
Andriamanitra Mpanafaka,
haram-bato fialofana.
Ampinga, famonjena mahery,
fiarovana-avo ho ahy.
Dera ho an’ny Tompo, hoy aho,
fa voavonjy amin’ny rafiko aho!
Veloma ny Tompo! Hisaorana ny vatolampiko!
Hasandratra ilay Andriamanitra mampandresy.
Omeny fandresen-dehibe ny Mpanjakany,
anehoany fitiavana ilay Nohosorany.
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 7, 23-28)
Ry kristianina havana, maro no natao mpisorona tamin’ny Testamenta taloha
satria tsy navelan’ny fahafatesana haharitra;
fa i Kristy kosa maharitra mandrakizay, ka manana fisoronana tsy manam-pifandiasana.
Noho izany koa, dia mahavonjy marimarina izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy,
satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy ireo.
Eny tokoa, dia Mpisorombe toy izao no sahaza antsika:
masina, tsy manan-tsiny, tsy misy pentina, voàvaka amin’ny mpanota, voasandratra avo noho ny lanitra;
ary tsy mila hanolotra sorona isan’andro toy ny mpisorombe hafa
ho an’ny fahotan’ny tenany aloha, dia ho an’ny vahoaka koa,
fa indray mandeha monja Izy no nanao izany tamin’ny nanolorany ny Tenany, dia ampy.
Satria olona zoim-pahalemena no atsangan’ny Lalàna ho mpisorombe:
fa ny tenin’ny fianiànana taorian’ny Lalàna kosa dia nanendry ny Zanaka,
Izay tonga amin’ny fara fanaperana mandrakizay.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)
Tamin’izany andro izany, nisy mpanora-dalàna nanatona an’i Jesoa
ka nanontany Azy izay voalohany amin’ny didy rehetra.
Ary i Jesoa namaly azy hoe:
“Ny voalohany indrindra amin’izy rehetra dia ity:
Mihainoa, ry Israely: ny Tompo Andriamanitsika no hany Tompo tokana;
koa tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo,
sy amin’ny fanahinao manontolo, sy amin’ny sainao manontolo, ary amin’ny herinao manontolo.
Izany no didy voalohany.
Ary ity no faharoa mitovy aminy ihany koa:
Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.
Tsy misy didy lehibe mihoatra noho ireo”.
Dia hoy ilay mpanora-dalàna taminy:
“Tsara izany, ry Mpampianatra,
marina indrindra ny nilazanao fa tokana Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy Izy,
ka ny tia Azy amin’ny fo manontolo, sy amin’ny fanahy manontolo,
ary amin’ny hery manontolo, ary ny tia namana tahaka ny tena,
dia lehibe lavitra noho ny sorona dorana rehetra, sy ny fanatitra hafa rehetra”.
Nony hitan’i Jesoa fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy:
“Tsy lavitra ny Fanjakan’Andriamanitra ianao”.
Ary hatramin’izay dia tsy nisy olona sahy nanontany Azy intsony.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nahatsiaro sy nitsodrano ny vahoaka Malagasy ny Papa François, nandritra ny Sinaodin'ny Eveka tanterahana any Roma... ♦ Mbola tsy manome sehatra ny vehivavy ny antoko pôlitika, hoy ny CNFM. Zara mantsy raha misy 6%-n'ireo kandidà Ben'ny Tanàna no vehivavy... ♦ Nitondra valin-teny fohy momba ny valin-kafatra nentin'i Comores manoloana ilay fanapahan-kevitry ny fanjakana malagasy ho fisorohana ny fihanaky ny valan'aretina Choléra, ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy, Rasata Rafaravavitafika...
♦ Nitsodrano ny vahoaka Malagasy ny Papa François amin'izao famaranana ny Sinaodin'ny Eveka any Roma izao. Manazava ny momba ny famaranana ny Sinaody i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina... ♦ Telonjato monja ny isan'ireo vehivavy mirotsaka hofidiana ho Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina amin'ny 11 desambra 2024, araka ny antontan'isa nomen'ny CENI... ♦ Nitondra valin-teny fohy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy, manoloana ny fampitam-baovao nataon'i Comores momba ny fanidiantsika ny sisin-tany...
♦ Hifarana amin'ny alahady 27 oktobra ho avy izao, amin'ny alalan'ny Sorona Masina hotarihan'i Papa François ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera, ny Synaodin'ny Eveka, andiany faha-16... Nihaona sy niresaka tamin'i Papa François ny Evekan'Antsirabe mandray anjara amin'izao sinaody any Roma izao, Mgr Jean Pascal Andriantsoavina... ♦ Manana ambasadaoro vaovao eto Madagasikara i Afrika-Atsimo. Nanolotra ny taratasy manendry azy tamin'ny filohan'ny Repoblika Malagasy Andriamatoa Khazamula Lawrence Chabane... ♦ Misedra olana ireo varira ao Farafangana. Miantso ny Fanjakàna hijery akaiky ny zava-misy ny solombavambahoaka voafidy tao amin'ity distrika ity sy ny fikambanana varira...
Ny olom-banona dia olona tia filaminana, tia fihavanana, manana toetra tia fifanajàna. Na arahaba aza no atao amin'ireo olona heverina ho sahirana sy tsinotsinona ireny dia ampy hampiova ny sainy hivoatra. Ny safidy amin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolon-tsaina dia fototry ny rafitra izay afahana mampandroso ny firenena miainga amin'ny kaominina. Ny olom-pirenena izay miisa 13 tapitrisa no antoky ny fampandrosoana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Hisitraka fanampiana hatrany amin'ny 250 tapitrisa dôlara ny fianakaviana marefo eto Madagasikara hatramin'ny taona 2027. Tetik'asan'ny ministeran'ny mponina tanterahan'ny FID. Mamatsy vola ny banky iraisam-pirenena... ♦ Nanentana ny olom-pirenena hanefa ny adidiny amin'ny fifidianana kaominaly amin'ny 11 desambra izao Andriamatoa Tojo Ravalomanana kandidà ben'ny tanàna ao Antananarivo-renivohitra... ♦ Hihena tsy toa ny isan-taona ny vokatra letchis any amin'ny Faritra Atsinanana amin'ity taona ity hoy ny mpamokatra. Hitombo ny vidiny eo amin'ny tsena, mangataka ny hampiakarana ny vidim-bokatra ireo tantsaha... ♦ Mitohy ny herisetra any Haïti na dia efa mijoro aza ny fitondrana tetezamita...
♦ Tokantrano maherin'ny 1.100.000 eto Madagasikara no hisitraka ny fandaharan'asa haraton'aina FSR... ♦ Hirotsaka an-tsehatra amin'ny andraikitra nankinina taminy avy hatrany ireo mpanara-mason'ny SAFIDY, nahavita fiofanana teto an-drenivohitra... ♦ Trano miisa 400 no kila forehitra, ary olona miisa 700 no tsy manan-kialofana any Ankazomborona, Distrikan'i Soalala...
♦ Sakana ho an'ny ady atao amin'ny kolikoly indrindra ho an'ireo olona ambony ny fisian'ilay fakana fahazoan-dalàna manokana mialoha ny hanaovana fanadihadihana sy fanejehana ara-pitsarana hoy ny filohan'ny komity mitandro ny fahitsiana na ny CSI... ♦ Avotra teo am-pelan-tanan'ireo naka ankeriny azy i Zafindrafaly, zaza varira 8 taona, tany amin'ny distrikan'i Vaingandrano, ahiana ny ho avin'ireo zaza varira 64 tezaina ao amin'ny sekolin'ny jamba ao Farafangana noho ny olana tsy fampiana vatsy hiatohana azy ireo... ♦ Tsy mbola naharaisam-baovao ny momba ilay fiaramanidina kely ULM sy ireo teratany Frantsay miisa roa mpanamory azy rehefa niala tany Nosy be saika hiazo an'i Dzaoudzi, ny alahady teo...
♦ Miha tanora ireo mitondra ny tsimok'aretina VIH/SIDA aty amin'ny fari-dranomasimbe indiana, ho antsika eto Madagasikara manodidina ny 15.000 ireo mitondra ny tsimok'aretina tsy vita fitiliana mirihariha eny anivon'ny fiaraha-monina... ♦ 90% amin'ny Malagasy no mbola mampiasa harina fandrehitra sy kitay hahandroana sakafo, nivondrona anaty fikambanana iray ireo orinasa misehatra amin'ny fampiasana angovo madio... ♦ Olona 24 mianadahy tra-tehaky ny zandary tamin'ny raharaha fanapohana solika tany Toamasina, natolotra ny fampanoavana teny Anosy omaly izy ireo... ♦ Tsy nahomby ny politika fanokana-monina an'i Russie nataon'ny firenena tandrefana hoy ny filoha Rosiana...
♦ Mizotra araka ny tokony ho izy ny iraka nataon'ny delegasion'ny CENI tatsy Afrika Atsimo, momba ny fanontana ireo antontan-taratasy hiatrehana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy ny Mpanolotsaina... ♦ Natolotra ny Fitsarana teny Anosy androany ireo olona miisa 24, tra-tehaky ny zandary tamin'ny fanapohana solika tany Toamasina... ♦ Maherin'ny 90%-n'ny Malagasy no mbola mampiasa arina fandrehitra sy kitay ahandroana sakafo. Nampahafantarina amin'ny fomba ôfisialy androany ny fikambanana hamondronana ireo orinasa sy fikambanana misehatra amin'ny fampiroboroboana ny angovo madio...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco