Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 17, 10-16)

Nanao mofo kely tamin’ny lafarìna eran’ny tanana ila izy ary nitondrany i Elia.

Tamin’izany andro izany, dia niainga nankany Sareftà i Elia mpaminany.
Nony mby teo am-bavahadin’ny tanàna izy,
indro nisy vehivavy mpitondratena anankiray teo nanangon-kitay hazo,
dia nantsoiny ka nataony hoe:

“Aza mahafady, mba angalao rano kely amin’ny fisotroana aho hosotroiko”.

Dia nandeha naka rano ravehivavy.
Nantsoiny izy ary nataony hoe:

“Dia mba itondray mofo kely eny an-tananao aho, raha sitrakao”.

Fa hoy ny navaliny:

“Velona ny Tompo Andriamanitrao, tsy misy zavatra masaka ao amiko;
lafarìna eran-tanana ila ao am-bilany sy diloilo kely foana ao amin’ny siny no hany ananako.
Ary indro aho manangona tapa-kazo roa izao, dia hody hanamboatra izany ho anay mianaka;
hohaninay izany, dia ho faty izahay”.

Fa hoy i Elia taminy:

“Aza matahotra, fa modia ka ataovy izany voalazanao izany.
Nefa anaovy mofo kely amin’izany aho aloha, dia ento mankaty amiko,
vao manao ho anao sy ny zanakao ianao.
Fa izao no lazain’ny Tompo Andriamanitr’i Israely:
Ny lafarìna ao am-bilany tsy ho lany, ny diloilo ao an-tavoara tsy hihena akory,
mandra-piavin’ny andro handatsahan’ny Tompo ranonorana eto ambonin’ny tany”.

Dia nandeha ravehivavy, nanao araka ny tenin’i Elia,
ka nanan-kohanina ela izy sy ny ankohonany, ary i Elia koa.
Ny lafarìna tao am-bilany tsy lany, ny diloilo tao an-tavoara tsy nihena,
araka ny tenin’Andriamanitra, nolazainy tamin’ny alalan’i Elia.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 145, 7. 8-9a. 9bd-10

Derao ny Tompo, ry fanahiko.

Izy manome rariny izay ampahoriana.
Ilay manome sakafo ny noana,
no Tompo mamaha ny mpifatotra.

Tompo mampahiratra ny jamba,
Tompo mampitraka ny miondrika.
Tompo mpiaro ny vahiny.

Tohan’ny kamboty sy ny tokan-tena,
Tompo tia ny olo-marina.
Manjaka ny Tompo amin’ny taona mifandimby,
ilay Andriamanitrao, ry Siôna, mandrakizay.

Vakiteny faharoa

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb 9, 24-28)

Nanolotra ny Tenany indray mandeha i Kristy mba hanala ny fahotan’ny maro.

Ry kristianina havana,
tsy mba fitoerana masina nataon-tanana sy tandindon’ny tena izy fotsiny no nidiran’i Kristy,
fa tany an-danitra mihitsy, mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika ankehitriny.
Ary tsy mba toy ny Mpisorombe niditra isan-taona tao amin’ny fitoerana masina
sy nitondra ran-javatra hafa Izy, ka hoe hanolo-tena matetika;
raha izany dia ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao;
fa indray mandeha monja Izy no niseho tamin’izao andro farany izao,
mba hanongotra ny fahotana tamin’ny nanolorany ny Tenany ho sorona.
Ary toy ny nandraiketana ny olona ho faty indray mandeha sy hotsaraina rehefa afaka izany,
no nanoloran’i Kristy ny Tenany indray mandeha monja koa,
mba hanala ny fahotan’ny maro, sy mbola hisehoany tsy amin’ota fanindroany,
mba hamonjy izay miandry Azy.

— Izany ary ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 41-44)

Io mahantra mpitondratena io no nandatsaka be indrindra tamin’ireo.

Ary indray andro, raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra i Jesoa,
dia nijery ny fandatsaky ny olona tao,
ary maro ny mpanan-karena no nandatsaka be.
Ary nisy mpitondratena mahantra anankiray tonga tao koa,
ka nandatsaka farantsa kely roa ankevitry ny variroaventy avy.
Dia nantsoin’i Jesoa ny mpianany ka nilazany hoe:

“Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be indrindra
tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra;
satria ireo rehetra ireo nandatsaka ny ambim-bavany,
fa izy kosa nandatsaka izay ilainy, dia izay rehetra nananany sy ivelomany”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 38-44)

Io mahantra mpitondratena io no nandatsaka be indrindra tamin’ireo.

Tamin’izany andro izany,
izao no nolazain’i Jesoa tamin’ny fampianarana nataony tamin’ny vahoaka:

“Mahìna amin’ny mpanora-dalàna, izay tia ny mitsangantsangana miakanjo mirebareba,
sy ny arahabaina eny an-kianja, ary ny fipetrahana voalohany ao amin’ny sinagôga,
mbamin’ny fitoerana ambony amin’ny fanasana.
Fa miseho ho manao fivavahana lavareny izy ireny,
kanjo mihinana ny fananan’ny mpitondratena,
ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa.

Ary indray andro, raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra i Jesoa,
dia nijery ny fandatsaky ny olona tao,
ary maro ny mpanan-karena no nandatsaka be.
Ary nisy mpitondratena mahantra anankiray tonga tao koa,
ka nandatsaka farantsa kely roa ankevitry ny variroaventy avy.
Dia nantsoin’i Jesoa ny mpianany ka nilazany hoe:

“Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be indrindra
tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra;
satria ireo rehetra ireo nandatsaka ny ambim-bavany,
fa izy kosa nandatsaka izay ilainy, dia izay rehetra nananany sy ivelomany”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Ny fifanajàna no fototra sy toetra maha olom-banona. Ny olom-pirenena manana zo hifidy dia manana fahefana hamaritra ny olona hitondra ny fireneny, ary izany no antoka hampandrosoana. Manana adidy ny hiaina ny fahamarinana ny olona rehetra, samia miezaka hiala amin'ny risoriso, ny fitiavantena sy ny toetra ratsy hafa ; ny mpanao gazety dia tompon'andraikitra amin'ny fitaizana, tokony hasongadina kokoa ny soa iombonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Hoampiasaina avokoa ireo foibe famokarana herinaratra ao Ambohimanambola na dia mandany volabe aza izany hoy ny Filoham-pirenena raha nitsidika teny an-toerana izy omaly. Hamahana ny olan'ny delestazy amin'izao fotoana izao no tanjona... ♦ Fototra mahafaty momoka ny tolom-bahoaka teto Madagasikara ny tsy fanajàn'ny mpanao pôlitika ny hetaheta sy ny safidim-bahoaka hoy Profesora Ralison Roger. Manampy trotraka ny fitsabahan'ny any ivelany ny raharaham-pirenena... ♦ Miantraika lalina any amin'ny ankizy eto Madagasikara ny vokatry ny fiovan'ny toetr'andro, izay miteraka rivo-doza mahery vaika sy hain-tany any amin'ny faritra samihafa... ♦ Manantena ny hiaton'ny ady mialohan'ny 5 novambra izao ny PM any Liban...

♦ Ahena hatrany amin'ny 80% ny délestage eto Madagasikara ato anatin'ny fotoana fohy, ary ho foana tanteraka izany amin'ny taona ho avy, hoy ny Filohan'ny Repoblika, androany... ♦ Miantraika lalina amin'ny ankizy eto Madagasikara ny vokatry ny fiovan'ny toetr'andro, izay miteraka rivodoza mahery vaika, sy hain-tany any amin'ny faritra samihafa eto amintsika... ♦ Malaina mametraka ny mangarahara amin'ny teti-bolam-panjakana ny tompon'andraikitra misahana izany eto amintsika, hoy ny Rohy...

♦ Ahiana hihitatra any amin'ny fipoahana ara-tsôsialy ny hetsika mifanesisesy izay hanehoan'ireo mpanjifa ny tsy fisitrahana jiro sy rano avy amin'ny JIRAMA hoy ny mpandinika fiaraha-monina... ♦ Andrasana ny hahatongavan'ny volavolan-dalàna hifehy ny teti-bolam-panjakàna 2025 eny amin'ny andrim-panjakàna mpanao lalàna... ♦ Renim-pianakaviana iray mpivarotra no maty notifirin'ny jiolahy omaly tao Toamasina... ♦ Tafakatra 30 isa ireo mpilatsaka an-tsitrapo namoy ny ainy noho ny fanatontosany ny andraikiny any amin'ny tany miady hatramin'ny niandohan'ity taona ity...

♦ 2 no naratra omaly ten Ambohibao-Antehiroka : ny iray naratra mafy teo amin'ny masony, ny iray hafa teo amin'ny tongony vokatry ny hetsika tsy fankasitrahana ny tsy fisian'ny jiro sy rano... ♦ Milaza ny hidina ifotony eny amin'ny JIRAMA anio ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina ary tsy hivoaka ao raha tsy misy vahaolana aroson'ny tompon'andraikitra... ♦ Miandrandra ny fahalanian'ny tolo-dalàna eny amin'ny parlemanta mba hahafahan'ireo olona manana toe-tena varira, miaina toy ny olon-drehetra ny fikambanana Albinos Madagasikara... ♦ Maminavina ny hanampy isa ny tafika i Ukraine, milaza efa miroso amin'ny andrana amin'ny fitaovam-piadiana nokleary kosa i Rosia...

♦ Nampahafantarina androany tamin'ny alalan'ny atrikasa ny tombana fanadihadiana momba ny sakafo, ho an'ny taona 2016—2022. Nivoitra fa mibahana kokoa amin'ny prôtida sy ny lipida sakafon'ny Malagasy ny avy amin'ny zavamaniry... ♦ Handaha-teny amin'ny fihaonana iraisam-pirenena, hatao any Colombie, momba ny fiarovana ny karazan-java-manana aina, ny Minisitra Malagasy, Andonirina Max Fontaine... ♦ Miverina indray ny asan-dahalo ao amin'ny tapany andrefan'ny Distrikan'i Betroka. Manampy trotraka ny olan'ny vahoaka ny fanararaotam-pahefana ataon'ny mpitandro ny filaminana sasany...

Hotsenaina eny amin'ny "Le Wagon" Ambalavao ny Lakroa JMJ sy Ikônan'ny Virjiny Masina, amin'ny Zoma 1 novambra 2024 izao, hoentina amin'ny alalan'ny dia-mivavaka eny amin'ny Katedraly Andohalo. Marihana fa herintaona alohan'ny hamindràna azy any amin'ny Diôsezy handray ny JMJ manaraka indray dia averina amin'ny vovonana Nasiônaly eto Antananarivo aloha ireo famantarana ireo. Fandarahana "onjam-panahy" iarahana amin'i Anna Domoina eto amin'ny RDB.

♦ Mitaky famaliana tsy fanamarinam-baovao na "démenti" amin'ny gazety Kômôriana iray ny mpitondra tenin'ny Governemanta. Fanamarinana tamin'ilay vaovao mivoaka momba ny fifandraisana eo amin'i Madagasiara sy i Comores... ♦ Mety ho lasan'ny mpanohitra ny toeran'ny ben'ny tanànan'Antananarivo fa ho halam-bahoaka izy ireo, hoy ny antoko Teza, raha naneho hevitra amin'ny fandraisan'anjaran'ny fanoherana amin'ny fifidianana amin'ny 11 desambra izao... ♦ Hiverina hiodina ny orinasa Ambatovy. Efa nandeha ny andrana ny faran'ny herinandro teo, amin'ny fandefasana akoran-tany famokarana Nickel sy Cobalt avy ao Moramanga mankany Toamasina...

♦ Toerana maromaro eto Antananarivo indray no nisian'ny fihetsiketsehana alina, hanehoana ny tsy fankasitrahana ny "delestage" ankehitriny... ♦ Nisy ny toromarika nomen'ny CENI ireo rantsamangaikany eny anivon'ny distrika, manoloana ny fisian'ny vondron'olona na kandidà, manao fangatahana "ordonnance" mba afahana miditra anaty lisi-pifidianana... ♦ Miato kely ny fianarana amin'ity herinandro ity, indrindra ho an'ny Sekolim-panjakàna. Maro anefa ireo sekoly tsy miankina no mbola manohy ny fampianarana hatrany... ♦ Nivory maika omaly ny filan-kevi-pilaminan'ny Firenena Mikambana, nandinika ny ady misy any Moyen-Orient...

♦ Mihamafy ary miverimberina hatrany ny fahatapahan'ny herinaratra avy amin'ny Jirama. Maro ireo toerana misedra izany amin'izao fotoanan'ny vaovao izao... ♦ Efa mazava ny toromarika sy torolalana nomena ireo rantsan'ny CENI eny amin'ny Distrika, araka ny fanazavan'ny kaomiseram-pifidianana eo anivon'ity vaomiera ity... ♦ Ao anatin'ny fialan-tsasatry ny Toussaint ny sekolim-panjakana nanomboka androany. Misy kosa ireo sekoly tsy miankina mbola manohy ny fampianarana...

♦ Eokarisita Masina hotanterahana eny amin'ny Katedraly Andohalo no handraisan'ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo ny Lakroan'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria... ♦ Nankalazaina ny 27 ôktôbra 2024 ny andron'ny Vikaria Episkôpaly Afovoany, tao amin'ny EKAR Masindahy Louis Mpanjaka Fenomanana... ♦ Hangataka ny famonjena tahaka an'i Bartimé jamba isika, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus ny 27 ôktôbra 2024...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...