♦ Hitafa amin'ny vahoaka Malagasy amin'ny alalan'ny haino aman-jerim-panjakàna indray rahampitso alahady amin'ny 8 ora alina ny Filoha Rajoelina Andry, andrasana izay mety hambarany mandritra izany... ♦ 38% amin'ny taham-pahafatesan'ny zazakely teto amintsika ny taona 2019 dia noho izy ireny teraka tsy tonga volana na ilay antsoina hoe : "prématuré", hanamarika ny andro eran-tany ho an'ny zaza prématuré ny fikambanana Support the premeture... ♦ Manjaka amin'ireo tanàna maro ao Atsinanan'Antananarivo tato anatin'ny herinandro maromaro izao ny doro ala sy doro tanety, mizaka ny voka-dratsin'ny setroka vokatr'izany ihany koa ny ao an-drenivohitra...
Alahady faha-32 mandavantaona — b : izay tia, mahafoy ; misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao. Ny mpitondra tena dia ireo vehivavy niangaran'ny vintana fa sady mamalona ny tenany no mamelona ny zanany satria tsy eo intsony ny raim-pianakaviana, ka izay foin'ny olona no hivelomany. Ireny sokajin'olona ireny dia manao asa mitondra aina, miasa mangina. Mety ho kely eo amin'ny fiaraha-monina ny zava-bitan'ireny olona ireny fa lehibe eo anatrehan'Andriamanitra satria manolotra amim-pitiavana sy azo ambara fa ny fiainany manontolo no omeny. Ny hoe "lazaiko marina" dia avy amin'ny teny hoe "AMEN". Ny fampianaran'i Jesoa dia marina tsy azo doifina.
♦ Tapaka tamin'ny fivorian'ny OMC Antananarivo fa handraisana fepetra ireo manakan-dalana sy mandoro-kodiarana, efa misokatra ihany koa ny fanadihadiana momba ireo olona manao fiantsiana anaty tambazotran-tserasera Facebook, momba ny olan'ny famatsiana jiro sy rano ao an-drenivohitra sy ny manodidina... ♦ Nahatratra 444 tao anatin'ny 3 volana izao ireo mpandraharaha vaovao vao niforona raha ny antontan'isa eo anivon'ny fikambanan'ny mpandraharaha Aina vao... ♦ Hatomboka amin'ny fomba ôfisialy ny alatsinainy 146 desambra ho avy izao ny taom-pambolen-kazo 2024-2025 izay ho tanterahina any Andekaleka...
♦ Miroso mankany amin'ny fampiasana haitao ara-kajy mirindra ny fandaharana asa fiantohana ara-tsakafo sy ny fanjariana ara-tsakafo, aty amin'ny Tanomasimbe Indiana... ♦ Miara-miasa amin'ny fametrahana ny paikady hiadiana amin'ny afo sy ny doro tanety ary ny doro ala, ny Minisiteran'ny Tontolo iainana sy ny BNGRC... ♦ Isan'ireo firenena kandidà hifaninana amin'ny fandraisana ny fihaonana an-tampon'ny tanora aty Afrika: Youth Connect Africa Summit, ho an'ny taona 2025, isika Malagasy...
♦ Manatanteraka ny Fivoriambe faharoa fanaony isan-taona, ao amin'ny Episcopat Ambatoroka, ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ny 5 hatramin'ny 15 nôvambra 2024... ♦ Mirehi-pitiavana ho an'i Jesoa, manokan-tena ho an'ny tanora. Io no manentana ny Fikambanana Salezianina Don Bosco, ho an'ny Chapitre Général CG29...
♦ Tsy eken'ny Depiote mpanohitra ny fividianana fiara 4x4. Tsy nifampierana, hoy izy ireo, ny fanapahana ny fandoavana solika hividianana izany, fa natao tery vay manta... ♦ Hiakatra ho 25% amin'ny tahan'ny karama farany ambany ny fisotroan-dronon'ireo zokiolona mihoatra ny 80 taona, mandray vola amin'ny CNaPS. Hiakatra ihany koa ny an'ireo maty vady mbola miasa sy tsy an'asa... ♦ Tsy fahita raha tsy eto amintsika ny 99%-n'ireo karazana sahona misy eran-tany. Nisy ny “Festival des amphibiens” omaly, nanentanana ny rehetra hiaro ireny karazam-biby ireny...
♦ Nampiantso ireo Minisitra teny Tsimbazaza omaly, ireo Solombavam-bahoaka mpanohitra. Nafanafana ny fifamalian-dresaka momba ny olan'ny jiro sy ny rano amin'izao fotoana izao... ♦ Ny 30%-n'ny filana herinaratra eto Antananarivo sy ny manodidina sisa ankehitriny no vokarin'ny Jirama, noho ny hain-tany. Nitondra fanazavana momba izany ny Minisitry ny angovo, omaly... ♦ Nisehoana savorovoro tany amin'ny Distrikan'i Manakara omaly. Savorovoro niafara tamin'ny fandorana ny tranon'ny rain'ilay tovolahy iray, maty nofirin'ny zandary...
♦ Nampiantso ireo mpikamban'ny Governemanta teny Tsimbazaza androany, ireo Solombavam-bahoaka mpanohitra. Nibahan-toerana ny fangataham-panazavana momba ny olan'ny rano sy ny jiro ankehitriny... ♦ Nanazava momba ny delestazy misy amin'izao fotoana izao ny Minisitry ny angovo androany. Ny 30%-ny filana herinaratra ho an'Antananarivo sy ny manodidina ihany no vokatra amin'izao, hoy izy... ♦ Teratany Malagasy miisa 25, nampodiana an-tanindrazana, rehefa nikasa hiditra an-tsokosoko atsy amin'ny nosy Mayotte. Nisy 5 hafa nogadraina any an-toerana, noho izy ireo efa matetika no tratra amin'izao fiondranana izao...
♦ Mbola nanazava ny momba ny didim-pitsarana na ny ordonnance ahafahana manoratra ny anarana ao amin'ny lisi-pifidianana indray ny CENI. Nambara fa ireo olom-pirenena efa nisoratra anarana kanefa tsy tafiditra tao anatin'ny lisitra teo aloha no afaka manao fangatahana. Toa izany koa ireo feno 18 taona ka mahafeno ny fepetra ho mpifidy... ♦ Dinihan'ny antenimieran-doholona androany ny volavolan-dalàna momba ny fandaharan'asa tetezana miantona na ny Fly Over Makis... ♦ Marin-toerana ny toe-karena teto Madagasikara ka notazonin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara ny tahan'ny zana-bola fampiasa ao aminy...
Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 12, 1-3)
Amin’izany andro izany, hitsangana i Misely ilay filoha ambony,
izay miandany amin’ny zanaky ny firenenao,
ka amin’izany no ho androm-pahoriana tsy mbola nisy toa azy,
hatrizay nisian’ny firenena, ka hatramin’izany andro izany.
Amin’izay dia ho voavonjy ny firenenao,
dia izay rehetra hita voasoratra eo amin’ny boky.
Ary maro amin’ireo mandry ao amin’ny vovo-tany no hifoha:
ny sasany ho amin’ny fiainana mandrakizay;
fa ny sasany ho amin’ny latsa amam-panariana mandrakizay.
Izay ho efa hendry hamirapiratra hoatra ny famirapiratry ny lanitra;
ary izay ho efa nitarika ny maro ho amin’ny fahamarinana,
ho tahaka ny kintana mandrakizay.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 15, 5 sy 8 .9-10. 11
Ny Tompo ny ahy no zara lovako;
Ianao no rakitro mateza.
Ataoko eo anoloana hatrany ny Tompo,
izaho tsy hiala eo ankavanany.
Koa faly ny foko, ravo ny fanahiko,
ny nofoko avy no mandry amin-toky.
Ny fanahiko tsy hafoinao ho any an-tSeoly,
ity sakaizanao tsy hekenao hahita ny hady.
Fa ny lalan’ny fiainana
no hatoronao ahy:
hafenoam-pifaliana eo anoloanao,
hafinaretan-dava eo ankavananao.
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 10, 11-14. 18)
Ry kristianina havana, ny mpisorona rehetra dia mijoro isan’andro hanao ny raharahany,
sy manolotra matetika ireny sorona tsy nahafa-pahotana akory ireny,
fa i Kristy kosa indray mandeha monja no nanolotra sorona noho ny ota,
dia mipetraka mandrakizay eo ankavanan’Andriamanitra;
ka hatramin’izao Izy dia miandry ny hanaovana ny fahavalony ho fitoeran-tongony rahatrizay.
Fanatitra iray monja dia ampy handavorariany mandrakizay izay nohamasininy;
ka rehefa voavela ny fahotana, dia tsy ilaina intsony ny sorona noho ny ota.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Miambena sy mivonòna ianareo: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 13, 24-32)
Tamin’izany andro izany
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany ny amin’ny hiverenany nanao hoe;
“Amin’izany andro izany, rehefa afaka ireo fahoriana lehibe,
ny masoandro hihamaizina, ny volana tsy hazava intsony,
ny kintana any an-danitra hiraraka, ary ny herin’ny lanitra hihozongozona.
Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy eo ambonin’ny rahona amin-kery lehibe sy voninahitra.
Amin’izay Izy dia haniraka ny Anjely ary hanangona ny olom-pinidy avy amin’ny vazan-tany efatra,
hatramin’ny faran’ny tany ka hatramin’ny faran’ny lanitra.
Alaovy ho fanoharana ny aviavy.
Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina,
dia fantatrareo fa efa antomotra ny fahavaratra.
Toy izany koa, rehefa hitanareo fa tonga izany zavatra izany,
dia fantaro fa efa antomotra mby eo am-baravarana Izy.
Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka it
mandra-pahatongan’izany rehetra izany.
Ho levona ny tany aman-danitra, fa ny teniko tsy mba ho levona.
Izany andro sy ora izany anefa, dia tsy misy mahalala,
na ny Anjely any an-danitra, na ny Zanaka aza,
afa-tsy ny Ray ihany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Isany fototra hatongavana ho amin'ny fandrosoana ny safidy, izay fahafahana misy eo amin'ny tsirairay, indrindra ho an'ny olom-pirenena. Safidy ratsy ny fanapotehana ny ho avin'ny ankizy, indrindra izay mahakasika ny fanabeazana ; ny fanaovana tsinotsinona ny lafiny ara-panabeazana dia fanimbana ny fototry ny fampandrosoana. Ny fitiavan-tanindrazana dia ny fanomezan-danja ny soa iombonana ho an'ny vahoaka 30 tapitrisa eto amin'ny nosintsika. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Mivory ara-potoana toa ny fanao isan-taona ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara. Fivoriana nanomboka ny 5 novambra lasa teo hatramin'ny 15 novambra ho avy izao... ♦ Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny taom-pianarana 2024-2025 ho an'ny sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo. Ny Distrika Misiôneran'i Itaosy no nandray ny lanonana... ♦ Nampiantso ministra vitsivitsy ao amin'ny governemanta hanazava ny momba ny fahapotehan'ny lalana sy ny olan'ny angovo anio ny solombavambahoaka eny Tsimbazaza raha tsy misy ny fiovana. Ny solombavambahoaka avy amin'ny fanoherana no namaritra io fandaharam-potoana io...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco