♦ Miseho lany ny olana amin'ny olona ho atolotry ny antoko pôlitika sy ny vovonana pôlitika ho kandidà ben'ny tanàna, indrindra ny amin'ny renivohi-paritany... ♦ Mbola mahaliana ny Malagasy tanora ny fandalinana ny hay pôlitika na eo aza ny zava-misy ara-pôlitika misy ankehitriny... ♦ Volana eran-tany momba ny "Alzheimer" ny volana septambra. Maro ireo hetsika karakarain'ny fikambanana Madagascar Alzheimer Masoandro Mody... ♦ Mahazo vahana ny herisetra sy fanenjehana ny finoana katôlika any Nouvelle-Calédonie. Miisa 6 ireo Eglizy nisy nandoro any an-toerana, tato anatin'ny 2 volana...

♦ Nampiakatra ny raharaha eny anivon'ny CENI manoloana ny fandavan'ny OVEC ny antotan-taratasiny ho kandidà ben'ny tanàna Andriamatoa Ravalomanana Marc. Manana roa andro hamaliana izany ny CENI... ♦ Mbola banga tsy misy kandidà ireo kaominina miisa 12 amin'ireo kaominina 16 mandrafitra ny Distrika Antananarivo-Avaradrano... ♦ Hanomboka androany ary haharitra 4 andro ny hay ranty karakarain'ny sekoly ambony momba ny hay fambolena sy fiompiana... ♦ Any Rosia, nanome baiko mba hampitombona isa ireo tafika ny filoha Vladmir Poutine...

♦ Nandefa taratasy eny anivon'ny CENI, manoloana ny fandavan'ny OVEC ny antontan-taratasiny ho kandidà Ben'ny Tanàna Andriamatoa Ravalomanana Marc. Manana roa andro hamaliana izany ny CENI... ♦ Tsy nanafina ny fikasany hanolotra ny PDS teo aloha, Ramanambitana Richard, ho kandidà amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna ao Antananarivo Renivohitra ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina... ♦ Nasiam-panavaozana maromaro ireo fepetra fahazoan-dalana mitrandraka harena ankibon'ny tany eto Madagasikara...

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

♦ Tontosa omaly alahady ny fivahinianana Masina fanao isan-taona ho an'ny Diôsezin'Antsirabe... ♦ Tontosa omaly ny fanadinana andiany voalohany handraisana mpiofana zandary miisa 1.500, hatao any Ambositra ny fihodinana faharoa... ♦ Maherin'ny 360.000 isa ny tokantrano tantsaha mpikambana ao amin'ny FIFATA mankalaza ny faha-35 taona nijoroan'ny fikambanana... ♦ Hiverina hisokatra ho an'ny rehetra ny sabotsy 7 desambra ny varavaran'ny katedraly Notre Dame de Paris.. ♦ Niheren-doza indray Andriamatoa Donald Trump raha ny fampitam-baovao avy amin'ireo ekipany, amin'ny fiomanana fiatrehana fifidianana filohan'ny repoblika any Etazonia...

♦ Mety hihemotra ny daty farany handraisana ny antotan-taratasy filatsahan-kofidiana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina, manoloana ny fahavitsian'ny kandidà efa nahatontosa ny fametrahana antotan-taratasy... ♦ Hiroso amin'ny fampiasana ny sambo hitaterana entana ny paositra Malagasy atsy ho atsy, iatrehana amin'ny fifaninanana... ♦ Mpiasa miisa 244 no nampihatoana ara-teknika teny amin'ny orinasa afakaba teny Ankadikely-Ilafy... ♦ Nandefa tifitra MISSIL niainga avy any Yemen tany afovoan'i Israely omaly maraina ny vondrona mpihoko Houthis izay tohanan'i Iran... ♦ Mpifindra monina an-tsokosoko miisa 8 no maty, ary 6 hafa naratra nahiditra hopitaly vokatry ny faharendrehan'ny sambo nitondra azy ireo tany La Manche...

Alahady faha-24 mandavantaona : Misy hasiny ny fijaliana ; Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Ny endriky ny mpanompon'Andriamanitra no hasehon'ny vakiteny voalohany, izay voasoratra ao amin'ny Bokin'i Izaia Mpaminany : isan'ireo sokajiana ho tonon-kiran'ny mpanompon'Andriamanitra ity vakiteny ity. Ny mpanompon'Andriamanitra dia olona môdely sy fakan-tahaka. Ny fomba nanehoan'i Jesoa ny maha Kristy azy dia amin'ny alalan'ny fanoloran-tenany dia ny misterin'ny paka : fijaliana, fahafatesana, fitsanganan-ko velona...

♦ Ao anatin'ny lalao hihaonany amin'i Comores ny Barean'i Madagasikara amin'izao fotoana izao. Vonona ny handresy ny Barea, hoy ny mpanazatra Me Rôrô... ♦ Alatsinainy mainty tamin'ny firehetana ny tao Antananarivo an-drenivohitra sy ny manodidina androany... ♦ Hirotsaka hofidiana no Ben'ny Tanàna ao amin'ny Kaominina Ankadikely Ilafy, ny mpanao gazety Andry Rakoto...

♦ Notontosaina omaly tao amin'ny Katedraly Masina Maria Vonjy Mahatoky, Diôsezin'i Tsiroanomandidy, ny fanamasinana ireo pretra dimy mirahalahy... ♦ Manentana antsika mianakavy hanohy ny vavaka totoafo amin'ny fangatahana ny hanandratrana ho eo amin'ny laharan'ny olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa, ireo tompon'andraikitra mikarakara izany... ♦ Fivahinianana masina teny Berivotra no namaranana ny Filankevitra Pastôralin'ny Diôsezin'i Mahajanga omaly...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 5, 5-11)

Tena ankasitrahan’Andriamanitra ny famonjena namana.

Moa izany va no fifadiana ankasitrahako?
Izany va no andro fanetren’ny olona ny fanahiny?
Ny miondri-doha hoatra ny zozoro, sy mandry amin’ny lasaka sy lavenona,
dia izany va no antsoina hoe fifadiana,
sy andro ankasitrahan’ny Tompo?
Tsy izao va ny fifadiana tiako kokoa:
dia ny manapaka ny famatorana tsy an-andrariny,
ny mamaha ny fehezan’ny jioga,
ny mandefa ny ampahorìna ho afaka;
ny manapatapaka ny jioga rehetra isan-karazany?
Moa tsy ny hizaranao ny mofonao amin’izay noana va;
sy ny hampiantranoana ireo mahantra tsy manan-kidirana,
sy ny hanafianao izay hitanao miboridana,
ary ny tsy hiviliana tsy hijery ny tapaky ny tenanao?
Amin’izany ny fahazavanao hiposaka hoatra ny fahazavan’ny maraina,
ary ny fahasitrananao ho tonga faingana;
ny fahamarinanao, hialoha lalana anao;
ny voninahitry ny Tompo ho vodi-lalanao.
Amin’izany ianao hiantso, ary ny Tompo hamaly;
ianao hitaraina, ary Izy hanao hoe: Inty aho!
Raha esorinao tsy ho eo imasonao intsony ny jioga,
ny fanambanana sy ny teny manala baraka;
raha manome ny haninao ho an’ny noana ianao,
sy mamoky ny fanahy miferin’aina;
hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao,
hamirapiratra hoatra ny mitataovovonana ny haizinao:
ary ny Tompo hitari-dalana anao mandrakizay;
sy hamoky ny fanahinao eny amin’ny tany karankaina;
ary hanome hery ny taolanao.
Ho tahaka ny zaridaina tsara tondraka ianao,
sy ho tahaka ny loharano velona, tsy manam-paharitana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 111, 1-2. 3-4. 5-6

Sambatra ny olona miaraka amin’ny Tompo.

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo,
sy mankasitraka fatratra ny didiny!
Ny taranany hahery eto an-tany;
ny taranjan’ny olo-marina tahina.

Fananana sy harena no ao an-tranony;
ny fahamarinany maharitra mandrakizay.
Ny olo-marina tsilovina raha maizina;
dia ireo izay mangoraka sy antra.

Ny tsara fanahy mahery mampisambotra;
ny lalany voalamina araka ny rariny;
tsia, tsy hirona izy mandrakizay.
Ny anaran’ny olo-marina ho mandrakizay.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 1, 26-31)

Izay ataon’izao tontolo izao ho adala no nofidin’Andriamanitra.

Ry kristianina havana,
jereo ange izato ianareo voaantso e:
tsy firy no hendry araka ny nofo,
tsy firy no mahery, tsy firy no avo razana!
Fa izay ataon’izao tontolo izao ho adala
no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry;
izay ataon’izao tontolo izao ho malemy
no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;
ary izay iva razana amana faneso amin’izao tontolo izao,
dia ny atao ho tsy misy aza,
no nofidin’Andriamanitra hahatsinontsinona ny misy,
mba tsy hisy nofo hirehareha eo anatrehan’Andriamanitra.
Fa avy amin’ny maha-ao amin’i Kristy Jesoa anareo,
dia ilay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana
sy fahamasinana amam-panavotana antsika,
mba ho tanteraka ny voasoratra hoe:
izay mireharaha, aoka ny Tompo no ho reharehany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia, Aleloia.

Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 35-38)

Be ny vokatra fa ny mpijinja no vitsy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra,
nampianatra teo amin’ny sinagôgany
sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra,
ary nanasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy
toy ny ondry tsy misy mpiandry.
Dia hoy Izy tamin’ny mpianany:

“Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy;
koa mihantà amin’ny Tompom-bary
mba haniraka mpijinja amin’ny variny”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nodimandry ny sabotsy teo ny mpitahiry ny fitombokasem-panjakàna, Ministry ny Fitsaràna teo aloha, Alice Rajaonah. Nitondra ny teny fampiononana ary nankahery ny fianakaviany ny Ministry ny Fitsaràna... ♦ Manampy betsaka ireo ray aman-dreny amin'izao fidiran'ny mpianatra izao ny fanapahan-kevitry ny Ministera manome lalana ny sekolim-panakàna handray ireo zaza any an-tsekoly hoy ny DREN Atsinanana... ♦ Notsikerain'ny sendika FISEMARE sy ny randrana sendikaly  nandritra ny hetsika nataon'izy ireo tamin'ny sabotsy teo ny fehezan-dalàna mifehy ny asa nankatoavin'ny fitsaràna avo momba ny lalam-panorenana ny 8 septambra teo...

♦ Nanonona ny voady voalohany maha relijiozy salezianina azy omaly alahady ireo Nôvisy 14 mirahalahy. Nitarika ny Sorona Masina tety Ivato Mompera Alfredo Maravilla.... ♦ Hiditra an-tsekoly manomboka anio ny mpianatra any amin'ny sekolim-panjakàna sy ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara. 9 septambra fanombohana amin'ny fomba ôfisialy ny taom-pianarana 2024-2025... ♦ Hihaona amin'ny Kaomôro any Tonizia indray anio ny Barean'i Madagasikara. Andro faharoa amin'ny lalao fifanitsanana ao amin'ny vondrona "A" afahana mandray anjara amin'ny CAN 20245...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...