♦ Hanome famatsiam-bola mitentina 200 tapitrisa Yuans hanohanana tetik'asa samihafa eto Madagasikara i Chine, raha ny nambaran'ny filoha Sinoa Xi Xiping tamin'ny fihaonana tamin'ny filohan'ny repoblika Malagasy Andry Rajoelina omaly... ♦ Mifanandrify amin'ny politika ankapoben'ny fanjakàna ny fifaninana famoronana tetik'asa nokarakarain'ny Ravinala Airports, ka nanome tantsoroka tamin'izany ny ministeran'ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy... ♦ Hiara-hiasa amin'ny C.P.L.A rafitra Camp des Programmmes de Leadership Africain ny Fikambanana Tsaravoatra, amin'ny fanofanana mahakasika ny tetik'asa eny anivon'ny fiaraha-monina...

Alahady faha-23 mandavantaona - B : Tia, tsy manavaka ny Tompo ; Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao. Ny tonin-kira fidirana dia maneho ny fitiavan'Andriamanitra ary tsy manavaka Izy : Marina Ianao, ry Tompo, ary mahitsy ny fitsarànao. Araka ny hatsaram-ponao atao ny mpanomponao. Eo anatrehan'ny Tompo dia mitovy ny olona rehetra, araka izy efa voasoratra Jak 2, 5 : Henoy ange, ry rahalahy malalako: Moa tsy ny mahantra eo imason'izao tontolo izao va no nofidin'Andriamanitra ho mpanan-karena amin'ny finoana, sy ho mpandova ny fanjakana nampanantenainy an'izay tia azy?. Olona maro no voafatotry ny fahasahiranana ka tsy afaka mifanerasera amin'ny hafa, maro ireo iharan'ny fanilikilihana...

 ♦ Mitsidika eto Madagasikara hatramin'ny 9 septambra izao i Mopera Alfred Mara Villa, mpanolontsaina Jeneraly momba ny Misiona ao amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... ♦ Handray fepetra manoloana ny famoahana vaovao tsy marina anaty tambazotra serasera facebook ny zandarimariam-pirenena, raha ny nambaran'izy ireo omaly... ♦ Tsy manaja ny zon'ny Mpiasa ireo orinasa tantanan'ny vahiny sasany eto Madagasikara, raha ny fitarainana voarain'ny Sendika FISEMARE... ♦ Niala tany Jenine any amin'ny Faritr'i Cisjordanie ny tafika Israeliana, rehefa nanao hetsika ara-tafika goavana nandritra ny 10 andro tany an-toerana...

♦ Manatanteraka fitsidihana eto Madagasikara nanomboka ny 4 hatramin'ny 9 septambra 2024 i Mompera Alfred Maravilla, Mpanolotsaina Jeneraly momba ny Misiona, ao amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Handray fepetra manoloana ny famoahana vaovao tsy marina anaty tambazotran-tserasera Facebook, ny Zandarimariam-pirenena, raha ny nambaran'izy ireo androany... ♦ Miady amin'ny fampiasana ankizy tsy ampy taona, ny Minisitera misahana ny asa. Najoro ny ivon-toerana Manjary Soa, mandray ireo ankizy tsy mianatra intsony ka niroso tamin'ny asa avy hatrany...

♦ Manatanteraka fitsidihina eto Madagasikara, ny 4 hatramin'ny 9 septambra 2024, i P. Alfred Maravilla, Mpanolotsaina Jeneraly momba ny Misiona, ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... ♦ Manentana ny kristianina hivavaka ho an'ny olona tsirairay, mba hihaino ny fitarainan'ny tany, ny Papa François amin'ity volana septambra ity... ♦ Nanomboka androany ny dingana faharoa amin'ny fitsidihina apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-45, ataon'ny Papa François, izay tanterahany any Asie sy Océanie...

♦ Toerana hitazonana fitondrana, kanefa toerana nahafahana nanongana mpitondra, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ka tsy mahagaga raha hifandroritan'ny mpanao pôlitika... ♦ Efa manomboka mihena ireo olona mikarakara taratasim-panjakana eny amin'ny Boriborintany ao Antananarivo Renivohitra, tamin'ity herinandro ity... ♦ Tsy handefitra amin'ireo olona mibodo ny tanin'ny SEIMAD eny Betsizaraina Ambohimangakely, ny fitondram-panjakana...

♦ Tsy nahavita nanala vela tamin'ny ekipan'i Tonizia i Madagasikara. Resy iray no ho tsy misy ny Barea, tamin'ny andro voalohany amin'ny fifanintsanana CAN 2025... ♦ Andro faharoa amin'ny fandraisana ny antontan-taratasin'ireo maniry ho kandidà amin'ny fifidianana kaominaly ny 11 desambra, anio. Mbola nangingina aloha ireo OVEC nandalovana ho an'ny omaly... ♦ Naiditra am-ponja vonjy maika noho ny kolikoly ny tompon'andraikitry ny tsenambaro-panjakana, na ny PRMP, any amin'ny DREN Menabe. Araha-maso ara-pitsarana kosa ny olona roa hafa...

♦ Nisokatra androany eny anivon'ny OVEC isan-distrika ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an'ireo ho kandidà amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina. Tsy mbola nisy kandidà nametraka firotsahan-ko fidiana ho an'ny OVEC sasany... ♦ Tsy nilaza mazava ny maha kandidà azy na tsia ny PDS Antananarivo, raha nanontanian'ny mpanao gazety... ♦ Hihaona amin'i Tonizia anatin'ny fifanintsanana CAN 2025 anio alina, ny Barean'i Madagasikara. Any amin'ny Tonizianina ny tsindry, ka azo eritreretina tsara ny handresen'ny Barea, hoy i Franck Rajaonarisamba...

Notanterahan’ny Arsevekan’Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, tamin’ny  alarobia 13 aogositra 2024 ny fanendrena ny pretra ho an’ny asa fanirahana mandritra ny taom-pikatrohana 2024-2025. Misy ireo mbola manohy ny andraikiny teo aloha, misy kosa ireo voatendry hiandraikitra iraka vaovao.

♦ Handray andraikitra tandrify azy hampizotra ara-dalàna ny fifidianana eny anivon'ny kaominina ny antenimieram-pirenena. Miantso ny CENI ihany koa hanatanteraka ny andraikiny amin'ny fikarakarana ny fifidianana ny filohan'ity andrim-panjakàna mpanao lalàna ity, Tokely Justin... ♦ Hotohanana amin'ny famoronana asa ho an'ny tenany ireo tanora tsy an'asa amin'ny faritra iva ao an-drenivohitra ao. Mikarakara fampiofanana arak'asa faobe ho azy ireo ny ministeran'ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak'asa... ♦ Namolavola fandaharan'asa ahafahana miatrika ny loza voajanahary ny Croix Rouge Malagasy sy ny Croix Rouge Anglisy. Mamatsy vola tamin'izany ny governemanta Britanika...

Ny safidy atao manoloana tranga isan-karazany dia miteraka vokatra tsara na ratsy ; tsy misy olona hafa tokony ho tompon'andraikitra amin'ny safidinao. Ny safidy dia avy amin'Andriamanitra, indrindra ny fomba fifandraisana eo amin'ny olona roa. Raha tambazana vola na zavatra hafa ny safidy dia midika izany fa fanerena ankolaka, fikatsahana tombontsoa manokana fa tsy tombontsoa iombonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Tsy tanteraka ny hetsika nokasain'ny mpanohana ny TIM sy ny vovonana Firaisankina natao teny amin'ny Magro Behoririka omaly. Fitrotroana am-bavaka ny firotsahan'ny kandidà Ravalomanana sy ny mpanolotsaina iray lisitra aminy nosakanan'ny mpitandro filaminana noho ny tsy fahazoana alalana... ♦ Hamory ny sendikan'ny mpiasa miankina sy tsy miankina amin'ny Fanjakàna ary ny mpiasa misotro ronono eny amin'ny kianjan'Antsahamanitra ny Kômity Iombonan'ny Mpiasa Malagasy (KIM) amin'ny sabotsy izao... ♦ Hiakatra kianja any Tonizia indray ny Barean'i Madagasikara anio hifanandrina amin'ny ekipam-pirenena Toniziana. Andro voalohany amin'ny fifanitsanana isam-bondrona handraisana anjara amin'ny CAN 2025...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...