♦ Voaheloka higadra 2 taona an-tranomaizina indray Andriamatoa Lôla Rasoamaharo, tompon'i La Gazette de la Grand Île. Nivoaka ny zoma teo ny didy momba izany noho ny voalaza fa fikasàny handositra ny fonja... ♦ Ahiana hihena be ny isan'ireo vehivavy hirotsaka ho fidiana solombavambahoaka. Mbola iharan'ny herisetra pôlitika ny vehivavy eto Madagasikara hoy ireo fikambanana misehatra amin'ny fandraisan'andraikitry ny vehivavy... ♦ Mety ho 10% ny fiakaran'ny karaman'ny mpiasa amin'ny sehatra tsy miankina amin'ity taona ity. Tsy nety nanao sonia ny fifanarahana momba izany tamin'ny vondron'ny mpampiasa ny Fisemare, anisan'ireo mpikamban'ny CTM...

♦ Namoizana ain'olona miisa dimy (5) sy naharatran'olona miisa folo (10) farafahakeliny, ireo tranganà lozam-pifamoivoizana ny faran'ny herinandro lasa teo, nisy ny loza an-dalamby, an-tanety ary an-dranomamy... ♦ Hiady ho amin'ny fananana fiahiana ara-tsôsialy sy ara-pahasalamana ho an'ny mpiasa tena  ny Sendika FISEMARE, manomboka izao, nanao hetsika mifandraika amin' izany ity sendika ity tamin'ny sabotsy lasa teo... ♦ Vehivavy sy zatovovavy 170, niharan'ny herisetra no hahazo tombontsoa mivantana aminà tetik'asa iarahana amin'ny fondation Aga Khan, tetik'asa roa lehibe no hotanterahina izay natomboka tamin'ny fomba ôfisialy ny sabotsy lasa teo...

Tsy anisan'ny fandrindram-piterahana velively ny fanalana zaza satria tsy fisakanana ny fitsaihana fa famonoana ny tsaika mihitsy na mamotika ny tranon-jaza mba tsy hipetrahan'ny tsaika intsony na mamongotra ny zaza ivelan'ny tranon-jaza. Na misy fahasamponana aza ny zaza ao am-bohoka dia tsy mendrika ny halana satria aina. Tsy voatery ho marina avokoa ny vokatry ny fitiliana rehetra ka aoka ho tandrovana ny aina. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa. 

Ny Sakramenta fanosorana ny marary dia Sakramenta natao mba hahasoa ny fanahy sy ny vatan'ny marary ary ahazoana fahasitrahana ; mankahery ny marary amin'ny fahosan'ny fanahy, ny saina ary ny sitrapo, ary manafaka.ny fahotana sy ny sazim-pahotana. Adidin'ny Pretra manome ny sakramenta fanosorana ny marary no manome ny indolizansy ny marary, indrindra ho an'ireo marary ambavahoana. Ny indolizansy dia famelana omen'ny Eglizy ivelan'ny konfesy ka manafaka ny sazim-pahotana misy fetra, valin'ny hota efa navela. Ny indolinzansy dia misy roa : manontolo sy ny tsy manontolo izany hoe manafaka fahotana sy sazim-pahontana voafetra...

♦ Azo atao tsara ny manala an-daharana ireo kandidà solombavambahoaka mandika lalàna hoy ny filohan'ny HCC Florent Rakotoarisoa... ♦ Handray anjara amin'ny fifidianana solombavambahoaka ny kôlektifa an'ny Malagasy saingy tsy hisy ny fifaninana eo amin'ny samy mpanohitra... ♦ Efa tara ny tsikera nentin'ny mpiara-miombon'antoka manoloana ny fahapotehan'ny lalam-pirenena hoy ny mpanao pôlitka Razanakoto Norbert... ♦ Mifanindran-dalana amin'ny fifidianana filoham-pirenena ao Rosia ny ady. Biraom-pifidianana miisa roa no niharan'ny fanaffihan'i Ukraine...

Ny siatika dia aretin'ny hazon-damosina, ka ny retsika ao anatin'ny tsokan'ny hazon-damosona no tratry ny tsy fahasalamana, indrandra ny faritra ambanin'ny hazon-damosina. Ny asan'io retsika io dia miantoka ny fandrenesan'ny tapany ambany amin'ny olombelona. Ny olona 22 taona no miakatra no mety harary siatiaka ; antony : fahanteran'ny hazon-damosina, dona am-boina, miraikitra ny hazon-damosina, tsimok'aretina na otrik'aretina, homamiadana, raritsaina... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Alahady fahadimy amin'ny karemy : Te hihavana amintsika Andriamanitra ; raha misy manompo Ahy, hoy ny Tompo, aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran'ny mpanompoko. Miantefa amintsika Kristiana ankehitriny ny fanirian'Andriamanitra, te ho Andriamanitsika Andriamanitra. Mila mandini-tena isika ka mametraka fanontaniana hoe : efa mifanaraka amin'ny antson'Andriamanitra ve ny atao rehetra, ekeko ve ny fitantanan'i Kristy, mitombo ve ny fifandraisako amin'Andriamanitra?. Ny famonjena dia tsy natao ho an'ny Jody irery fa ho an'ny firenena rehetra. Ny fitiavana sy ny fanoloratena dia mety hitondra fijaliana sy fahafatesana, izay mitia na tiavina dia mahatsapa sambatra sy faly, izany no maha voambary nafafy antsika, maty vao velona...

♦ Nitroatra ka nanaparitaka fako eran'ny lalana omaly ireo mpiasan'ny SMA noho ny tsy fandraisan'izy ireo karama. Nanomboka teny Ankadindramamy, Ampasampito, Avaradoha, Bel'Air hatreny Behoririka ny hetsika... ♦ Efa misy ny vola hiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka hoy ny Filohan'ny CENI Dama Arsène Andrianarisedo. Tontosa omaly ny sehatra ifampizaram-baovao sy ifanakalozana... ♦ Mitaky ny hamoahana ny didim-panjakàna fampiharana ny lalàna miantoka ny fiarovana ny zon'ny mpanjifa eto Madagasikara ireo fikambanana misehatra amin'izany... ♦ Tsy eken'ny ONU ny fanatanterahana fifidianana filoham-pirenena, any amin'ny faritany bodoin'ny Rosia...

Ny atao hoe manala zaza : fampitsaharana ny vohoka tsy hitohy amin'ny alalan'ny famonoana ny tsaika na famoahana azy tao am-bohoka alohan'ny fotoana ivelomany ety ivelany. Misy endrika samihafa ny fanalan-jaza : afa-jaza tsinahy, vokatry ny tsy napoizina ohatra nianjera, misy iniana hesorina... Hevi-diso ny fiheverana hoe anisan'ny fandrindram-piterahana ny fanalan-jaza. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa. 

Tokony hamakafaka fatratra sy handalina amin'ny alalan'ny mpitsabo na hitady olona manam-pahaizana mikasika ny fanabeazana ny rehetra fa tsy hianona fotsiny amin'ny honohono na toro-hevitra avy amin'ny namana satria sarobidy ny aina sy ny fahasalamana. Ny fametavetàna dia fahadisoana, anefa ny fanalan-jaza ihany ko adia fahadisoana faharoa, koa ao samy hitandrin-tena ny rehetra. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa. 

♦ Nankalaza ny Andro maneran-tany ho an'ny Zon'ny Mpanjifa isika teto Madagasikara androany. Lohahevitra tamin'izany ny hoe: Faharanitan-tsaina artifisialy sahaza sy tompon'andraikitra... ♦ Hampirisihana ny Malagasy hanao fizahan-tany anatiny, no anton'ilay tsenaben'ny fizahan-tany andiany faha-8, nanomboka androany eny amin'ny zaridaina Antaninarenina... ♦ Nandray ny delegasiôna avy amin'ny Sampandraharan'ny Firenena Mikambana misahana ny fanohanana ny tetikasa, na ny UNOPS, sy ny Banky Iraisam-pirenena, ny Filoha Andry Rajoelina androany...

♦ Nifantoka tamin'ny fikatsahana ny hafaliana amin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny Sinaodin'ny Diôsezin'i Farafangana, notanterahina ny 11 hatarmin'ny 15 marsa 2024... ♦ Mila mizotra mankany amin'ny lalan'ny hatsaram-panahy sy ny fitondran-tena marina isika, hoy ny Papa François, tamin'ny katesizy ny alarobia 13 marsa 2024... ♦ Nanamarika ny faha-11 taona naha teo amin'ny Fiketrahana masina ny Papa François ny antso amin'ny fampitsaharana ny ady sy ny fifampidinihana ho amin'ny fandriampahalemana...

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...