♦ Manahy ny "cellule diovy i Madagasikara" fa tsy hanam-bola hikarakaràna ny fifidianana amin'ny 29 mey ny Fanjakàna. Mety miandry famatsiam-bola ny fitondràna vao hamoaka ireo fari-pifidianana sy ny isan'ireo solombavambahoaka hofidiana hoy izy ireo... ♦ Nivoaka ny lisitr'ireo mpikambana vaovao eo anivon'ny Filan-kevitra ambony miaro ny Demôkrasia sy ny tany tan-dalàna na ny HCDDED. Miisa 8 ireo mpikambana ao, araka ny didim-panjakàna mitondra ny datin'ny 6 marsa lasa teo... ♦ Mpibata entana aman-jatony eo anivon'ny seranan-tsabon'ni Toamasina no ahiana hiala maina, fa tsy handray fisotron-dronono. Nandefa taratasy fitakiana momba izany any amin'ny tale jeneraly vaovaon'ny CNaPs ny Randrana Sendikaly...
♦ Tsy voahaja ny voalazan'ny lalàna ny amin'ny tsy mbola namoahana ny didim-panjakàna mamaritra ny isan'ireo solombavambahoaka sy ny fari-pifidianana, manoloana ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey, hoy ny Sampana Fanaraha-maso Safidy... ♦ Nampahafantarina omaly ireo kandidà 20 andiany voalohany avy amin'ny antoko TIM; hirotsaka anatin'ny Vovonana Firaisan-kina, amin'ny fifidianana solombavambahoaka. Nisy ny fifandeferana tamin'ny fisafidianana ireo kandidà, hoy Andriamatoa Marc Ravalomanana... ♦ Manomboka miha-maro ireo mankalaza ny taom-baovao Malagasy. Mahavelombolo ny zava-misy satria efa manomboka manome lanja ny kolontsainy ny Malagasy hoy ireo mpandala ny fomban-drazana...
Ny fitsaihana no fotoana manan-danja indrindra eo amin'ny fiainan'ny olombelona satria amin'io fotoana io no manomboka ny fiainan'ny olona iray. Voafaritra amin'io fotoana io ilay zaza miforona miaraka amin'ireo toetra rehetra maha olombelona, ny maha izy azy feno : saina, fo, fanahy... Mitoe-jaza ny vehivavy iray raha toa ka tsy miverina ny fadim-bolana, miakatra tsy toy ny mahazatra ny hafanana. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa
♦ Maro ireo hetsika nankalazana ny Taom-baovao Malagasy, na dia andro fiasana aza ny androany... ♦ Misy amin'ireo Solombavam-bahoaka TIM am-perinasa ankehitriny, no tsy tafiditra ho kandidà atolotry ny Firaisankina... ♦ Mitana ny laharana faha-14 amin'ireo firenena maneran-tany, izay ahitana zazavavy miroso amin'ny fanambadiana mialoha ny faha-18 taonany, i Madagasikara...
♦ Notendren’i Papa François ho Evekan’i Miarinarivo, tamin’ny sabotsy 9 marsa 2024, i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa… ♦ Hotanterahana ny 19 hatramin’ny 21 aprily 2024 ny pèlerinage miaraka amin’ny Olontsambatra Lucien Botovasoa, sady fanokafana ny faha-800 taona nandraisan’i Masindahy François d’Assise ny fery dimin’ny Kristy… ♦ Tsy sitrak’Andriamanitra hisy ho very na dia iray aza isika, hoy ny hafatry ny Papa François, tamin’ny vavaka Angélus, omaly… ♦ Niantso ny mba hisian’ny fiadanana sy ny fampihavanana ao Haïti, ny Papa François…
23 marsa 2024 — Sabotsy, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra; amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 11, 45-56)
22 marsa 2024 — Zoma, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 31-42)
21 marsa 2024 — Alakamisy, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Izaho no fananganana sy fiainana, hoy ny Tompo; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 51-59)
20 marsa 2024 — Alarobia, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 31-42)
♦ Kendrena ny 40% amin'ny vahoaka Malagasy no hahazo karan-tany eto Madagasikara, raha ny nambaran'ny filohan'ny repoblika tany Toamasina. Tsy azo ekena ny fangalarana ny tanin'ny vahoaka Malagasy hoy izy...♦ Hihena be ny fahata-pahan-jiro lavareny eto Antananarivo sy ny manodidina afaka volana vitsy, raha ny nambaran'ny tale kabonetran'ny ministeran'ny angovo sy ny akoran'afo... ♦ Ho tanterahina ny 25 hatramin'ny 28 avrily ho avy izao ny tsenaben'ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy, na ny FEPA andiany faha-16... ♦ Nody mandry omaly i Kalid Batarfi lehiben'ny AQPA any Yemen... Niroso tamin'ny fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fotoana i Portugal omaly...
Ny volana Alohotsy no volana mamarana ny taona ka ny vody alohotsy no hitana amin'ny Alamady izay misy ny andro taom-baovao raha ny fankalazana nofaritan'ny Trano kolotoraly Malagasy. Ny antony nampisampana ny hevitra momba ny andro hanamarihana ny taom-baovao dia noho ny teny midina nomen'ireo andria-manjaka nitondra ny tany sy ny firenena ; maro no namadika ny taom-baovao hifanaraka amin'ny tsingerin-taona nahaterahany. Ny afo tsy maty dia azo alaina amin'ireo olona, izay velon-dray aman-dreny, manana afo mirehitra. Ny rano hidiovana na hanaovana fafirano dia rano nafanaina tamin'ny vilany tany vaovao na vilany vaovao, hapetraka eo an-joro firariazana, alaina amin'ny tanana ny rano ary hatao an-tampindoha ka harahina teny hoe : "sambasamba Andriamanitra Andriananahary, ho arivo ho tratry ny taona, tsy hisara-mianakavy izahay"...
19 marsa 2024 — Masindahy Josefa vadin'i Masina Maria Virjiny — Fankalazana manetriketrika — Sambatra izay monina ao an-tranonao, ry Tompo, ka midera Anao mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 2, 42-51a)
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco