Vakiteny voalohany

Boky Fanisana (Fanis. 12, 1-13)

Tsy mba tahaka ny mpaminany hafa i Môizy; ka nahoana ianao no tsy matahotra ny hanome tsiny azy?

Tamin’izany andro izany,
i Maria mbamin’i Aarôna nanome tsiny an’i Moizy
noho ny amin’ny vehivavy Kosita izay efa nalainy ho vady,
fa nanambady vehivavy Kosita izy.
Hoy izy ireo:

“Moa dia amin’ny alalan’i Môizy ihany va no efa nitenenan’ny Tompo?
Moa tsy efa niteny tamin’ny alalanay va Izy?”

Ren’ny Tompo izany.
I Môizy anefa dia lehilahy malemy fanahy indrindra,
mihoatra noho ny olona rehetra ety ambonin’ny tany.

Niteny tampoka tamin’i Môizy sy i Aarôna ary i Maria ny Tompo nanao hoe:

“Mivoaha ianareo telo mianadahy ho any an-tranolay fihaonana.”

Dia nivoaka daholo izy telo mianadahy
ary ny Tompo nidina tamin’ny andry rahona,
ka nitoetra teo am-baravaran’ny tranolay.
Niantso an’i Aarôna sy i Maria Izy,
dia nandroso izy mianadahy ireo; ary hoy Izy hoe:

“Henoy tsara izao teniko izao:
Raha misy Mpaminanin’ny Tompo eo aminareo,
dia fahitàna no isehoako aminy,
ary nofy no itenenako aminy.
Tsy mba toy izany i Môizy mpanompoko;
ekena ho olo-mahatoky amin’ny tranoko rehetra izy.
Miteny aminy mifanatrika ka miseho miharihary aminy Aho,
fa tsy aman’ohatra,
dia mijery ny endriky ny Tompo izy.
Koa nahoana àry ianareo no dia tsy natahotra ny hanome tsiny ny mpanompoko,
dia i Môizy?”

Ary nirehitra tamin’izy mianadahy ny fahatezeran’ny Tompo,
ka lasa Izy.

Ny rahona niala teo ambonin’ny tranolay.
Ary indro i Maria tonga boka, mova tsy ny oram-panala.
Nitodika an’i Maria i Aarôna, dia indro fa boka izy.
Ary hoy i Aarôna tamin’i Moizy:

“Aoka re, tompoko,
mba tsy hatsindrinao anay izany fahotana nataonay tamin-kadalana
sy mahameloka anay izany.
Aoka re, tsy ho toy ny zaza maty hatrany am-bohoka izy;
ka raha vao teraka dia efa lany sasaka ny nofony.”

Dia nitaraina tamin’ny Tompo i Môizy, ka nanao hoe:

“Ry Andriamanitra ô, mihanta aminao aho, sitrano izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 50, 3-4. 5-6a. 6bd-7. 12-13

Iantrao izahay, ry Tompo, fa nanota taminao!

Iantrao aho, ry Tompo Andriamanitra,
fa Ianao manko lalim-pitiavana.
Mba koseho re ny heloka vitako,
dia diovy aho hiala amin’ny otako.

Efa niaiky hadisoana ny tenako,
eo imasoko hatrany ny otako.
Taminao aho no diso Andriamanitro,
fantatrao avokoa ny kilemako!

Izay lazainao tokoa no hany marina.
Raha mitsara ahy Ianao, ara-drariny.
Fa tanaty heloka aho re no teraka,
tamin’ny ota aho no torontoronina.

Fo madio vaovao no angatahiko,
sy fanahy mahatoky tanteraka.
Aza alàna aminao aho, ry Tompoko,
ny Fanahy aza esorinao amiko!

Evanjely (Taona A)

Aleloia. Aleloia.

Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana ny Ray,
mba ho santatry ny zava-boaariny isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 15, 1-2. 10-14)

Ny voly rehetra tsy ambolen’ny Raiko dia hongotana.

Tamin’izany andro izany,
nisy mpanora-dalàna sy Farisianina avy tany Jerosalema nanatona an’i Jesoa
ka nanao taminy hoe:

“Nahoana ny mpianatrao no mandika ny lovan-tsofina,
fa tsy mba manasa tanana izy raha hihinan-kanina?”

Ary rahefa nasain’i Jesoa hanatona Azy ny vahoaka,
dia hoy Izy taminy:

“Hainoy, ary fantaro:
tsy izay miditra amin’ny vava no mahaloto ny olona.”

Dia nanatona Azy ny mpianany ka nilaza taminy hoe:

“Fantatrao va fa tafintohina ny Farisianina nandre izany teny izany?”

Ary hoy ny navaliny azy ireo:

“Ny voly rehetra tsy nambolen’ny Raiko izay any an-danitra dia hongotana.
Avelao izy, fa jamba mitari-dalana ny jamba;
ka raha misy jamba mitari-dalana ny jamba,
dia hianjera any an-kady izy roroa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely (Taona B sy D)

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo,
hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 22-36)

Asaovy hankany aminao eny ambony rano aho.

Tamin’izany andro izany, nony efa voky ny vahoaka dia nodidian’i Jesoa
hiakatra an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany,
sy hita hialoha Azy ambara-pandravany ny vahoaka;
ary rahefa nampirava ny vahoaka Izy,
dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana;
ka nony alina ny andro, dia Izy irery no teo.
Tamin’izay ny sambo kely dia nahilangilan’ny onjan-drano teny afovoan’ny ranomasina,
fa nanoha rivotra.
Ary tamin’ny fiambenana fahefatra amin’ny alina,
dia nandeha teny ambony rano i Jesoa ka nankeo amin’izy ireo.
Fa nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo,
dia natahotra ka nanao hoe:

“Matoatoa io”,

sady niantsoantso izy noho ny tahony.
Niaraka tamin’izay, dia niteny taminy i Jesoa nanao hoe:

“Matokia, fa Izaho ihany, ka aza matahotra!”

Namaly i Piera nanao hoe:

“Raha Ianao àry, Tompo,
asaovy hankeny aminao eny ambony rano aho.”

Dia hoy Izy hoe:

“Avia.”

Dia nidina avy eny an-tsambo i Piera,
ka nandeha teny ambony rano ho eny amin’i Jesoa.
Kanjo nony hitany fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy;
ary nony nanomboka nilentika izy,
dia niantso mafy nanao hoe:

“Tompo ô! vonjeo aho.”

Niaraka tamin’izay,
naninji-tanana i Jesoa, dia nandray azy,
ka nanao taminy hoe:

“Ry kely finoana,
nahoana no nisalasala ianao?”

Ary rahefa niakatra teo an-tsambo izy ireo,
dia nitsahatra ny rivotra.
Tamin’izany ry zareo teo an-tsambo kely dia nanatona Azy
sy nitsaoka Azy nanao hoe:

“Tena Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao!”

Ary nony tafita ny rano izy ireo,
dia tonga tany amin’ny tanin’i Genezareta;
ka nony nahafantatra Azy ny mponina tao,
dia nandefa iraka tamin’ny tany manodidina rehetra,
ka nentin’ny olona teo aminy avokoa ny marary rehetra,
ary nangataka taminy izy ireo mba hanendry ny moron-tongotr’akanjony fotsiny ihany,
dia sitrana avokoa izay rehetra nanendry.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Fanisana (Fanis. 11, 4b-15)

Tsy zakako izaho irery izao vahoaka rehetra izao.

Tamin’izany andro izany,
rafitra nitomany indray ny zanak’i Israely nanao hoe:

“Iza re no mba hanome hena hohahinay?
Tsaroanay izany hazandrano nohaninay maimaim-poana tany Ejipta,
ny voatango, ny voanketsihetsy, ny tongolo sy ny tongolon-kova.
Izao kosa maina ny ainay;
tsy misy na inona na inona intsony;
tsy mahita afa-tsy ny mana ny masonay.”

Nitovy amin’ny voan-koriandra ny mana, toy ny bdeliôma ny tarehiny.
Nihahaka nanangona azy ny vahoaka,
dia nanorotoro azy tamin’ny vato fitotoambary,
na nitoto azy tamin’ny laona,
dia nahandro azy tamin’ny vilany sy nanao mofo aminy.
Sahala amin’ny mofomamy misy diloilo ny tsirony.
Amin’ny alina filatsahan’ny ando amin’ny toby,
no nilatsahan’ny mana ao koa.

Ren’i Môizy ny vahoaka samy nitomany isam-pianakaviana
avy eo am-baravaran-dainy.
Nirehitra mafy ny fahatezeran’ny Tompo.
Dia nalahelo i Môizy ka nilaza tamin’ny Tompo hoe:

“Nahoana no dia nasiana izao ratsy izao ny mpanomponao,
ary nahoana no dia tsy nahita fitia taminao aho
ka novesaranao ny fitondrana ity vahoaka ity?
Izaho va notorontoronina ity vahoaka ity,
ary izaho va no niteraka azy,
no dia izaho no ilazanao hoe:

‘Trotroinao izy, toy ny itondran’ny ray mpitaiza ny zaza minono,
ho any amin’ny tany izay nianiananao tamin’ny razany homena azy?’

Aiza no hangalako hena homena an’izao vahoaka rehetra izao?
Fa mitomany manodidina ahy izy, manao hoe:

‘Omeo hena izahay hohaninay.’

Tsy zakako izaho irery izao vahoaka rehetra izao,
fa mavesatra amiko loatra.
Koa raha izao no ataonao amiko
mihanta aminao aho raha mahita fitia eo imasonao,
vonoy aho mba tsy hahita ny fahoriako.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 80, 12-13. 14-15. 16-17

Kinanjo ny oloko tsy mihaino,
i Israely manosika Ahy!
Izao izy avelako hanao ny tiany,
hanaraka tsara izay sitra-pony.

Indrisy, raha nihaino Ahy ireo olon-tiako,
ka i Israely nanaraka Ahy.
Dia ho noreseko ny fahavalo,
ny rafy ho nasiako tokoa tokoa.

Ireo mpankahala ho nandadilady,
ho nanaiky resy tanteraka izy!
Ny oloko ho nomeko vary kanto,
niampy tantely tam-batolampy.

Evanjely (Taona A)

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo,
hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 22-36)

Asaovy hankany aminao eny ambony rano aho.

Tamin’izany andro izany, nony efa voky ny vahoaka dia nodidian’i Jesoa
hiakatra an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany,
sy hita hialoha Azy ambara-pandravany ny vahoaka;
ary rahefa nampirava ny vahoaka Izy,
dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana;
ka nony alina ny andro, dia Izy irery no teo.
Tamin’izay ny sambo kely dia nahilangilan’ny onjan-drano teny afovoan’ny ranomasina,
fa nanoha rivotra.
Ary tamin’ny fiambenana fahefatra amin’ny alina,
dia nandeha teny ambony rano i Jesoa ka nankeo amin’izy ireo.
Fa nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo,
dia natahotra ka nanao hoe:

“Matoatoa io”,

sady niantsoantso izy noho ny tahony.
Niaraka tamin’izay, dia niteny taminy i Jesoa nanao hoe:

“Matokia, fa Izaho ihany, ka aza matahotra!”

Namaly i Piera nanao hoe:

“Raha Ianao àry, Tompo,
asaovy hankeny aminao eny ambony rano aho.”

Dia hoy Izy hoe:

“Avia.”

Dia nidina avy eny an-tsambo i Piera,
ka nandeha teny ambony rano ho eny amin’i Jesoa.
Kanjo nony hitany fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy;
ary nony nanomboka nilentika izy,
dia niantso mafy nanao hoe:

“Tompo ô! vonjeo aho.”

Niaraka tamin’izay,
naninji-tanana i Jesoa, dia nandray azy,
ka nanao taminy hoe:

“Ry kely finoana,
nahoana no nisalasala ianao?”

Ary rahefa niakatra teo an-tsambo izy ireo,
dia nitsahatra ny rivotra.
Tamin’izany ry zareo teo an-tsambo kely dia nanatona Azy
sy nitsaoka Azy nanao hoe:

“Tena Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao!”

Ary nony tafita ny rano izy ireo,
dia tonga tany amin’ny tanin’i Genezareta;
ka nony nahafantatra Azy ny mponina tao,
dia nandefa iraka tamin’ny tany manodidina rehetra,
ka nentin’ny olona teo aminy avokoa ny marary rehetra,
ary nangataka taminy izy ireo mba hanendry ny moron-tongotr’akanjony fotsiny ihany,
dia sitrana avokoa izay rehetra nanendry.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely (Taona B sy D)

Aleloia. Aleloia.

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona,
fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 13-21)

Niandrandra ny lanitra i Jesoa ka nitso-drano ny mofo dia nomeny ny mpianany ary nozarain’ny mpianany tamin’ny vahoaka.

Tamin’izany andro izany,
nony nandre ny nahafatesan’i Joany Batista i Jesoa,
dia niala teo ka niondrana an-tsambo kely mba hitokana samirery any an’efitra
fa rahefa nahare izany ny vahoaka,
dia niainga avy amin’ny tanàna samihafa ka nandeha an-tongotra nanaraka Azy.
Rahefa niala tao an-tsambo kely Izy,
dia nangoraka nahita ireto vahoaka betsaka,
ka nositraniny ny marary teo aminy.

Ary nony hariva ny andro,
dia nanatona Azy ny mpianany nanao hoe:

“Tany efitra ity, ary efa hariva ny andro:
koa ravao ny vahoaka handeha hividy hanina eny amin’ny vohitra.”

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Tsy tokony handeha izy, fa omeo hanina.”

Dia hoy ireo taminy:

“Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa atý aminay.”

“Ento atý amiko izany”, hoy Izy taminy.

Dia nasainy nipetraka tamin’ny ahitra ny vahoaka,
ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa,
dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano;
ary rahefa novakìny ny mofo, dia nomeny ny mpianany,
ka nozarain’ny mpianany tamin’ny vahoaka.
Dia nihinana izy rehetra ka voky,
ary nangonina ny sombintsombiny sisa tsy lany
ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo.
Nefa dimy arivo lahy no isan’ny nihinana
afa-tsy ny zaza amam-behivavy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Voafidy ary voatendry ho "Administrateur Diocésain" an'ny Diôsezin'Ambatondrazaka i P. Andrianasolo Sata Jean Noël Peterson... ♦ Tontosa omaly ny fametrahana amin'ny fomban'ny Eglizy ho Arsevekan'Antananarivo an'i Mgr Jean de Dieu Raoelison. Nifanindran-dàlana tamin'izay ny famaranana Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy, Andiany fahatelo... ♦ Hivahiny any Marseille, faritra atsimon'i Frantsa ny 22 sy 23 septambra 2023, ny Papa François...

♦ Ankizy avy amin'ny Diôsezy 22, manodidina 15.000 no miatrika ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy, andiany fahatelo, tanterahana eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nanomboka omaly hatramin'ny alahady ho avy izao... ♦ Mangataka vavaka ho an'ny tanora maneran-tany ny Papa François, mandritra io volana aogositra ho avy io... ♦ "Araraoty hananganana ny ho avy ny hatanorana", hoy ihany Papa François amin'ny hafatra nomeny ireo tanora izay manatanteraka fihaonana hatramin'ny alahady izao, ao amin'ny "Sanctuaire de Medjugorje" any Bosnie-Herégovine...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 55, 1-3)

Faingàna, dia mihinàna.

Izao no lazain’ny Tompo:

Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa aty amin’ny rano,
na dia ianareo tsy manam-bola aza;
avia, mividiàna vary ka mihinàna;
avia mividy tsy amim-bola na takalo,
hividy divay sy ronono.
Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina;
sy misasatra amin’izay tsy mahavoky?
Koa mihainoa Ahy,
ary mihinàna izay tsara;
ary aoka ny fanahinareo hiravoravo amin’izay hanina fy.
Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa aty amiko;
mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo;
ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho,
ary hanome anareo ny fahasoavana nampanantenaina an’i Davida.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

{tan=Salamo fandinihana}

Sal. 144, 8-9. 15-16. 17-18

Manokatra ny Tananao Ianao, ry Tompo, ka mamoky zava-tsoa anay.

Antra sy mangoraka ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be fitiavana;
tsara amin’izao rehetra izao ny Tompo,
ny asany rehetra angorahany.

Ny mason’ny voaary rehetra miandry Anao,
Ianao mpamahana azy ara-potoana:
ny tananao sokafanao,
dia voky zava-tsoa ny miaina rehetra.

Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo,
tsara fo amin’ny asany rehetra;
ny Tompo eo anilan’izay miantso Azy,
dia ireo izay miantso Azy marina.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 35. 37-39)

Tsy misy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy.

Ry kristianina havana,
iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy?
Fahoriana va sa fahaterena,
sa fanenjehana sa fahanoanana,
sa tsy fananana inoninona sa loza sa sabatra?
Amin’izany rehetra izany anefa,
dia mihoatra noho ny mpandresy isika,
amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
Satria matoky aho fa na fahafatesana na fiainana,
na Anjely na fanjakana,
na zavatra ankehitriny na zavatra ho avy,
na ireo fahefana na ny any ambony na ny any ambany,
na zava-boaary hafa,
dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra
izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika;
ary amin’ny alalany dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 13-21)

Nihinana izy rehetra ka voky.

Tamin’izany andro izany,
nony ren’i Jesoa ny nahafatesan’i Joany Batista,
dia niondrana an-tsambo kely Izy mba hitokana samy irery any an’efitra;
fa rehefa nahare izany ny vahoaka
dia niainga avy amin’ny tanàna samihafa,
ka nandeha tongotra nanaraka Azy.
Rehefa niala tao an-tsambo Izy,
dia nangoraka nahita ireto vahoaka betsaka;
ka nositraniny ny marary teo aminy.
Ary nony hariva ny andro,
dia nanatona Azy ny mpianany nanao hoe:

“Tany efitra ity, ary efa hariva ny andro;
koa ravao ny vahoaka handeha hividy hanina any amin’ny vohitra”.

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Tsy tokony handeha izy; fa omeo hanina”.

Dia hoy ireo taminy:

“Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa aty aminay”.

Hoy Izy taminy:

“Ento aty amiko izany”.

Dia nasainy nipetraka tamin’ny ahitra ny vahoaka,
ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa,
dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano;
ary nony efa novakiny ny mofo dia nomeny ny mpianany,
ka nozarain’ny mpianany tamin’ny vahoaka.
Dia nihinana izy rehetra ka voky,
ary nangonina ny sombintsombiny sisa tsy lany,
ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo.
Nefa dimy arivo lahy no isan’ny nihinana
afa-tsy ny zaza amam-behivavy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nankatoavin'ny Papa François, ny fangatahan'i Mgr Fulgence Rabeony, hitsahatra amin'ny fitantanana pastôraly ny Arsidiôsezin'i Toliara noho ny fahafenoan'ny taona. Notendren'ny Ray masina handimby toerana azy i Mgr Gustavo Bombìn Espino, Evekan'i Maintirano... ♦ Nanainga omaly alina ireo Delegasôna Fahazavan'i Madagasikara, hiatrika ny JMJ hatao any Lisbonne, Portugal... ♦ Nigadona teto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, ny sabotsy hariva lasa teo, i Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Vakiteny voalohany

Boky Levitika (Lev. 25, 1. 8-17)

Amin’ny taona Jobily, hody any amin’ny taniny avy ny olona rehetra.

Tamin’izany andro izany, ny Tompo niteny tamin’i Môizy
tany an-tendrombohitra Sinaia nanao hoe:

“Hanisa taom-tsabata fito impito fito taona ianao:
fotoana mahalany sivy amby efapolo taona no faharetan’izany taona sabata fito izany.
Ny andro fahafolon’ny volana fahafito
dia tsofy ataovy manakoako ny feon’ny trômpetra;
amin’ny andron’ny Fanorenana dia tsofy hatraiza hatraiza eo amin’ny taninareo ny trômpetra.
Ary ankamasino ny taona fahadimampolo,
ataovy antso avo ny fahafahana ho an’ny mponina rehetra amin’ny tany.
Fa Jobily ho anareo izany, ka samia ianareo mody amin’ny taniny avy,
samia mody ao amin’ny fianakaviany avy.
Jobily ho anareo ny taona fahadimampolo:
tsy hamafy ianareo, tsy hijinja izay maniry ho azy amin’ny tany;
ary tsy hioty ny voaloboka tsy norantsanana,
fa Jobily izany, ka masina ho anareo.
Izay ho vokatry ny taninareo no hohaninareo.

Amin’izany taona Jobily izany,
samia ianareo mody amin’ny taninareo avy.
Raha misy varotra ifanaovanareo amin’ny namanareo,
na misy zavatra vidinareo aminy,
dia aza misy mamono antoka ny rahalahiny.
Araka ny isan-taona isaina hatramin’ny Jobily lasa teo
no hividiananao amin’ny namanao,
ary araka ny isan’ny fotoam-pahavokarana no hivarotany aminao.
Araka ny hamaroan’ny taona mbola ho avy no hanondrotanao ny vidiny,
ary araka ny havitsian’ny taona no hampihenanao ny vidiny:
satria ny isan’ny vokatra isan-taom-pijinjana no ivarotany aminao.
Aza misy mamono antoka ny rahalahinareo ianareo,
fa matahora an’Andriamanitra,
satria Izaho no Tompo Andriamanitrareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 66, 2-3. 5. 7-8

Hidera Anao ny vahoaka rehetra, ry Andriamanitra. Hidera Anao ny vahoaka rehetra!

Hiantran’Andriamanitra anie isika hotsimbininy
ka ataony mamiratra eo amintsika ny Tavany.
Dia ho fantatry ny olona eran-tany ny herinao
ka hanerana ireo firenen-drehetra ny vonjinao!

Aoka hifaly sy hiantsa ny firenena isan-tokony,
fa Ianao dia mitsara azy rehetra ireny ara-drariny.
Fa Ianao dia mitsara vahoaka araka ny hitsiny
sy manjaka amin’ireo firenen-drehetra isan-tokony!

Fa ny tany volena tsy misy izay tsy mamokatra.
Andriamanitra mantsy Andriamanitsika: mitsimbina.
Enga anie ka hitsimbina antsika hatrany Andriamanitra,
ka ho masina eran’ny vazan-tany ny Anarany!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao,
ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 1-12)

Naniraka hampanapaka ny lohan’i Joany i Herôda ary lasa nilaza izany tamin’i Jesoa ny mpianany.

Tamin’izany andro izany, ren’i Herôda tetrarka ny lazan’i Jesoa,
ka hoy izy tamin’ny mpanompony:

“I Joany Batista izay;
efa nitsangan-ko velona izy,
ka izany no ahavitany fahagagana maro.”

Fa i Herôda efa nampisambotra an’i Joany,
ka nanagadra sy nanao azy an-tranomaizina,
noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny.
Satria i Joany nilaza taminy hoe:

“Tsy mahazo manambady io ianao.”

Nitady hamono azy i Herôda saingy natahotra ny vahoaka,
satria nataon’ny olona fa mpaminany i Joany.
Ary tamin’ny andro nankalazana ny nahaterahan’i Herôda,
dia nandihy teo anatrehan’ny olona nasaina ny zanakavavin’i Herôdiada,
ka nahafaly an’i Herôda.
Noho izany dia nianiana izy hanome azy izay zavatra hangatahiny na inona na inona.
Efa nomen-dreniny hevitra rahateo razazavavy, ka hoy izy hoe:

“Omeo ahy eto amin’ny lovia ny lohan’i Joany Batista.”

Dia nalahelo ny mpanjaka,
kanefa noho ny fianianany sy noho ny olona niara-nihinana taminy,
dia nasainy homena azy ihany izany;
ary naniraka nampanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina izy.
Dia nentina tamin’ny lovia ny lohany, ka nomena an-drazazavavy,
ary nentiny tany amin-dreniny.
Nalain’ny mpianatr’i Joany kosa ny faty dia naleviny,
vao lasa izy nilaza izany tamin’i Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Levitika (Lev. 23, 1. 4-11. 15-16. 27. 34b-37)

Ireo no fetin’ny Tompo antsoinareo andro tena malaza sy tena masina.

Niteny tamin’i Môizy ny Tompo nanao hoe:

“Ireto no fetin’ny Tompo,
ny fivoriana masina izay hantsoinareo amin’ny fotoany avy:
Amin’ny volana voalohany, andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana
amin’ilay àty takariva iny, dia Pakan’ny Tompo.
Ary ny andro fahadimy ambin’ny folon’io volana io,
dia fetin’ny mofo tsy misy lalivay, fankalazana ny Tompo;
hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy lalivay.
Amin’ny andro voalohany hisy fivoriana masina ho anareo,
ary tsy hanao asa-mpanompo na inona na inona ianareo.
Mandritra ny hafitoana,
hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’ny Tompo ianareo.
Ary amin’ny andro fahafito,
hisy fivoriana masina ho anareo,
tsy hanao asa-mpanompo ianareo, na inona na inona.”

Ary niteny tamin’i Môizy ny Tompo nanao hoe:

“Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe:
Raha avy izay hahatafidiranareo any amin’ny tany omeko anareo,
ka mijinja ny vokatrareo ianareo,
dia hitondra amboaram-bary iray amin’ny mpisorona ho santatry ny vokatrareo.
Hahevahevany eo anatrehan’ny Tompo io amboara io,
hahitanareo sitraka aminy;
ary ny ampitson’ny sabata no hanevahevan’ny mpisorona azy.
Ary miantomboka amin’ny ampitson’ny sabata
amin’ny andro nitondranareo ny amboara hahevaheva
dia hanisa herinandro fito mipaka ianareo.
Hanisa andro dimampolo ianareo aloha mandrapahatongan’ny ampitson’ny sabata fahafito,
dia hanatitra fanatitra vaovao amin’ny Tompo.
Ny andro fahafolon’io volana fahafito io no andron’ny Fanorenana:
Hanao fivoriana masina ianareo,
hampijaly tena, ary hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’ny Tompo.

Amin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’io volana fahafito io, no fetin’ny Tabernakla,
mandritra ny hafitoana ho fankalazana ny Tompo.
Amin’ny andro voalohany, hisy fivoriana masina.
Tsy hanao asa-mpanompo, na inona na inona ianareo;
mandritra ny hafitoana dia hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’ny Tompo ianareo.
Ary amin’ny andro fahavalo, hisy fivoriana masina ho anareo,
ary hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’ny Tompo ianareo,
famaranam-pety izany:
tsy hanao asa-mpanompo, na inona na inona ianareo.
Ireo no fetin’ny Tompo hantsoinareo hanaovana fivoriana masina,
hanaterana amin’ny Tompo sorona atao amin’ny afo,
sorona dorana, fanatitra, sorona sy fanatitra araraka,
samy amin’ny fotoany avy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 80, 3-4. 5-6b. 10-11ab

Hobio Andriamanitra herintsika.

Hobio Andriamanitra herintsika!
Derao ny Andriamanitr’i Jakôba!
Venteso ny hira, velezo ny amponga;
tendreo ny lokanga soa omban’ny valiha!
Amin’ny tsinambolana sy fenomanana,
tsofy ny anjomara hilanosantsika.

Fa izany no didy, ry Israely,
fitsipiky ny Andriamanitr’i Jakôba,
nataony lalàna ho an’i Jôsefa,
fony izy niala tany Ejipta!
Drey! teny tsy fantatro
izany henoko izany.

Aza mitahiry andriamanitra vahiny!
Aza mitsaoka andriamani-kafa!
Fa Izaho no Tompo Andriamanitrao,
izay nampiakatra anao avy tany Ejipta!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitenena Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao:
Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 54-58)

Tsy ilay zanaky ny mpandrafitra va ity? Taiza no nahazoany izany rehetra izany?

Tamin’izany andro izany nankany amin’ny tany nahabe azy i Jesoa,
ary nampianatra tao amin’ny sinagôgany;
dia gaga ny olona ka nanao hoe:

“Avy taiza àry no nahazoan’izy io izany fahendrena sy hery izany?
Tsy ilay zanaky ny mpandrafitra va io?
Tsy i Maria va no anaran-dreniny,
ary tsy i Jakôba sy i Jôsefa sy i Simôna, ary i Jodà va
no rahalahiny ary moa tsy ety amintsika avokoa va ny anabaviny rehetra?
Koa taiza no nahazoany izany rehetra izany?”

Ary tafintohina taminy izy ireo; fa hoy i Jesoa taminy:

“Eo amin’ny tany onenany sy eo amin’ny ankohonany ihany
no tsy mba voahaja ny mpaminany.”

Dia tsy nanao fahagagana betsaka teo Izy noho ny tsy finoan’ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 40, 16-21. 34-38)

Ny rahona nanarona ny trano lay fihaonana ary ny voninahitry ny Tompo nameno ny Fonenana.

Tamin’izany andro izany,
nataon’i Môizy izay rehetra nandidian’ny Tompo azy, dia vitany araka izany.
Tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany amin’ny taona faharoa,
dia voatsangana ny Fonenana.
Natsangan’i Môizy ny Fonenana;
naoriny ny faladiany, nalahany ny hazo fisany mbamin’ny barany,
dia natsangany ny andriny.
Novelariny ny lay teo ambonin’ny Fonenana,
ary nataony teo ambony ny firakotry ny lay,
araka ny nandidian’ny Tompo an’i Môizy.
Nalainy ny Vavolombelona, dia napetrany tao anaty fiara;
nataony tamin’ny fiara ny bao,
ary napetrany teo ambonin’ny fiara ny fanaovam-panavotana.
Nentiny tao anatin’ny Fonenana ny fiara,
dia nahantony ny efitra lamba faneferana nanakonany ny fiaran’ny Vavolombelona,
araka ny nandidian’ny Tompo an’i Moizy.

Tamin’izay ny rahona nanarona ny trano lay fihaonana;
ary ny voninahitry ny Tompo nameno ny Fonenana.
Ka tsy afa-niditra intsony tao an-trano lay fihaonana i Môizy,
fa nijanona teo amboniny ny rahona,
ary nameno ny Fonenana ny voninahitry ny Tompo.
Nandritra ny andro rehetra nandehanan’ny zanak’i Israely,
dia niainga izy ireo raha niakatra niala teo ambonin’ny Fonenana ny rahona,
fa tsy niainga kosa izy ireo raha tsy niakatra ny rahona,
mandrapahatongan’ny andro niakaran’ny rahona indray.
Fa ny rahon’ny Tompo dia nijanona teo ambonin’ny Fonenana, raha antoandro ny andro,
ary amin’ny alina dia nisy afo, hitan’ny taranak’iIsraely rehetra, teo amin’ny rahona,
mandritra ny andro rehetra nandehanany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 83, 3. 4. 5-6a. sy 8a. 11

Drey mahatehotia ny Fonenanao, ry Tompon’ny Tafika!

Ny fanahiko manembona ka reraka,
manina ny Kianjan’ny Tompo!
Ny foko sy nofoko
mihoby an’ilay Andriamanitra velona!

Ny fody avy no mahita trano,
ny sidintsidina mahita akany ho an-janany
eo anilan’ny alitaranao,
ry Tompon’ny Tafika, ry Mpanjaka sy Andriamanitro!

Sambatra izay monina ao an-tranonao,
ka midera Anao mandrakizay!
Sambatra ny olona izay omenao hery:
mitombo ny hery, ka roso indray ny dia.

Eny, andro iray eo an-Kianjanao,
dia tsara noho ny arivo ao an-tranon’ny tena!
Aleo mijoro eo am-baravaran’ny Andriamanitro,
toy izay miantrano ao an-dain’ny mpanana!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo,
ary tsara fo amin’ny asany rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 47-53)

Fantenany ny tsara hankao an-karona, fa ny ratsy kosa ariany.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina,
ka nanangona izao karazan-kazandrano rehetra izao:
rahefa feno izy, dia nosarihana ho eny amoron-drano,
ka nipetraka ny olona nifantina ny tsara hataony an-karona
fa ny ratsy kosa nariany.
Dia ho tahaka izany koa raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao:
hivoaka ny anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina,
ka hanipy azy any amin’ny memy mirehitra:
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.
Efa azonareo va izany?”

Eny, hoy izy ireo taminy.
Dia nanampy teny indray Izy nanao hoe:

“Koa ny mpanora-dalàna rehetra izay mahay tsara ny amin’ny fanjakan’ny lanitra àry,
dia tahaka ny raim-pianakaviana izay mamoaka zava-baovao sy tranainy
avy amin’ny fitoeran-drakiny.”

Nony tapitra izany fanoharana izany, dia niala teo i Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 34, 29-35)

Nahita ny endrik’i Môizy izy ireo dia natahotra ny hanatona azy.

Tamin’izany andro izany, nidina avy tany an-tendrombohitra Sinaia i Môizy,
ary i Môizy nitondra ny takelaka roan’ny vavolombelona teny an-tanany
nony nidina avy any an-tendrombohitra;
ary tsy fantatr’i Môizy fa tonga nandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavany,
nandritra ny niresahany tamin’ny Tompo.
I Aarôna sy ny zanak’i Israely rehetra nahita an’i Môizy
ka indro nandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavany
dia natahotra ny hanatona azy izy ireo.
Nantsoin’i Môizy ireo,
ka nanatona azy i Aarôna sy ny loholona rehetra amin’ny fiangonana
ka niresaka tamin’ireo izy.
Vao izay vao nanatona azy koa ny zanak’i Israely rehetra,
ka nomeny azy ny didy rehetra noraisiny tamin’ny Tompo
tany an-tendrombohitra Sinaia.
Nony avy niteny i Môizy, dia nosaronany voaly ny tarehiny.

Raha niditra teo anatrehan’ny Tompo i Môizy hiresaka aminy
dia nesoriny ny voaly, mandra-pivoakany.
Rahefa izany dia nivoaka izy ary nanambara tamin’ny zanak’i Israely ny didy azony.
Hitan’ny zanak’i Israely ny tarehin’i Môizy,
fa nandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavan’i Môizy,
ka dia nosaronan’i Môizy voaly indray ny tarehiny mandra-pidiny hiresaka amin’ny Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 98, 5. 6. 7. 9

Eny, marina ny Tompo Andriamanitsika.

Asandrato
ny Tompo Andriamanitra!
Iankohofy ny Fitoeran-Tongony:
fa Masina Izy!

I Môizy sy i Aarôna tamin’ireo Mpisorony,
i Samoela tamin’ireo Mpiantso ny Anarany.
Samy niantso ny Tompo
ka novaliany.

Nitenenany tanaty andry rahona,
nitandrina ny Fanambaràna
sy ny Fitsipika
izay nomeny.

Asandrato ny Tompo Andriamanitsika,
miankohofa eo amin’ny Vohiny Masina!
Masina ny Tompo Andriamanitra!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo,
hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 44-46)

Lasa nivarotra ny fananany rehetra izy, ka nividy ilay saha.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny rakitra nafenina tany an-tsaha,
izay hitan’olona ka nafeniny tao ihany aloha;
dia lasa tamin-karavoana izy nivarotra izay rehetra mety ho fananany,
ary nividy io saha io.
Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpandranto mitady voahangy tsara.
Ary nony nahita anankiray be vidy izy,
dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 33, 7-11 ; 34, 5b-9. 28)

Niteny nifanatrika tamin’i Môizy ny Tompo.

Tamin’izany andro izany, dia nalain’i Môizy ny trano lay,
ka naoriny eo ivelan’ny toby, lavidavitra ihany; nataony hoe:

“Ny trano lay fihaonana” no anarany;

ary na zovy na zovy nitady ny Tompo dia nankeo amin’ny trano lay fihaonana
teo ivelan’ny toby.
Nony injay miainga i Môizy ho ao an-trano lay fihaonana,
ny vahoaka rehetra kosa samy mitsangana eo am-baravaran’ny lay
manara-maso an’i Môizy mandra-pidiny ao an-trano lay.
Raha vao tafiditra ao an-day i Môizy,
ny andry rahona midina mijanona eo anoloan’ny trano lay,
ary ny Tompo miresaka amin’i Môizy.
Mahita ny andry rahona mijanona eo anoloan’ny trano lay ny vahoaka rehetra
ary samy miankohoka eo am-baravaran’ny lainy avy.
Ary ny Tompo miresaka mifanatrika amin’i Môizy,
mova tsy ny olona miresaka amin’ny sakaizany.
Rahefa izany dia miverina mankany amin’ny toby i Môizy,
fa i Jôsoe zanak’i Nôna, ilay zatovolahy mpanompony,
tsy mba niala tao afovoan’ny trano lay.

Ary niantso ny anaran’ny Tompo i Môizy.
Ary nandalo teo anatrehany ny Tompo sady niantso hoe:

“Ny Tompo! Ny Tompo!
Andriamanitra mamindra fo sy miantra,
maharipo sy be hatsaram-po amam-pahamarinana;
mitahiry ny fitiavany hatramin’ny taranaka faharivo,
mamela heloka amam-pikomiana sy fahotana,
nefa tsy avelany ho afa-maina ireny,
fa ny heloky ny ray valiany amin’ny zanaka sy ny zafy,
hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra.”

Niondrika tamin’ny tany niaraka tamin’izay i Môizy,
dia niankohoka nanao hoe:

“Raha nahita fitia teo imasonao aho, ry Tompo,
aoka re mba hiaraka aminay ny Tompo,
fa vahoaka mafy hatoka ity.
Avelao ny heloka amam-pahotanay,
ary raiso ho lovanao izahay.”

Efapolo andro sy efapolo alina i Môizy no tao amin’ny Tompo tao;
tsy nihina-mofo na nisotro rano akory.
Ary nosoratan’ny Tompo tamin’ireo takelaka
ny tenin’ny fanekem-pihavanana, dia ny Teny folo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 102, 6-7. 8-9. 10-11. 12-13

Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo.

Manome rariny ny Tompo;
omeny hitsiny izay ampahoriana rehetra.
Nampahafantatra ny Lalàny an’i Môizy Izy,
sy ny asany vaventy... ny zanak’i Israely.

Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo;
tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po.
Tsy mba lalandava no ifandaharany,
na mandrakizay no irehetan’ny Fony.

Tsy araka ny otantsika no ataony antsika;
na araka ny helotsika no avaliny antsika.
Fa tahaka ny haavon’ny Lanitra ambonin’ny tany,
no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy.

Tahaka ny ifanalaviran’ny atsinanana sy andrefana,
no analavirany amintsika ny hadisoantsika.
Tahaka ny fangoraky ny ray ny zanany,
no angorahan’ny Tompo an’izay matahotra Azy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny fahamarinana ny Ray;
mba ho santatry ny zava-boaariny isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 36-43)

Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy amin’ny afo no hatao raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao.

Tamin’izany andro izany, nony efa nampody ny vahoaka i Jesoa dia mba nody,
ary nanatona Azy ny mpianany nanao hoe:

“Lazao anay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny ahi-dratsy.”

Ary i Jesoa namaly ka nilaza taminy hoe:

“Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’Olona;
ny tanimbary dia izao tontolo izao;
ny voa tsara dia ny zanaky ny Fanjakana;
ny ahi-dratsy dia ny zanak’ilay Ratsy;
ny fahavalo izay namafy azy, dia ny demony;
ny taom-pijinjana, dia ny fahataperan’izao tontolo izao;
ary ny mpijinja, dia ny Anjely.
Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy amin’ny afo
no hatao raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao.
Haniraka ny Anjeliny ny Zanak’Olona,
ary ireo dia hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra
hiala amin’ny Fanjakany,
ka hanipy azy ao amin’ny memy mirehitra:
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.
Amin’izany kosa ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro
any amin’ny Fanjakan’ny Rainy.
Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 32, 15-24. 30-34)

Efa nahavita heloka bevava io vahoaka io, fa efa nanao andriamanitra volamena ho azy izy ireo.

Tamin’izay i Môizy niverina nidina avy any an-tendrombohitra;
nitondra teny an-tanany ny takelaka roan’ny vavolombelona,
takelaka voasoratra tamin’ny lafiny roa;
voasoratra tamin’ny lafiny iray sy tamin’ny lafiny iray koa.
Asan-tanan’Andriamanitra ireo takelaka ireo,
ary ny soratra dia soratr’Andriamanitra voasokitra tamin’ny takelaka.
Nony nandre ny tabataban’ny vahoaka nihorakoraka i Jôsoe dia nilaza tamin’i Môizy hoe:

“Finanananàna toy ny any an’ady izany any amin’ny toby izany.”

Fa hoy ny navalin’i Môizy:

“Tsy mba feo fihobian’ny mpandresy na feo fibabababan’ny resy izany
fa feon’olona mihira no reko.”

Nony mby teo akakin’ny toby izy, dia nahita ny zanak’omby sy ny dihy,
ka nirehitra ny hatezeran’i Môizy,
nazerany ny takelaka teny an-tanany,
sady novakivakiny teo am-bodin’ny tendrombohitra.
Ary nalainy ilay zanak’omby nataon’izy ireo,
nodorany tamin’ny afo, notorotoroiny hanjary vovony,
ary nafafiny tao anaty rano ny vovony,
ka nampisotroiny ny zanak’i Israely.

Dia hoy i Môizy tamin’i Aarôna:

“Fa nataon’ity vahoaka ity ahoana ianao
no dia notsindrinao heloka be vava toy izao izy?”

Hoy Aarôna namaly azy:

“Aoka re mba tsy hirehitra ny fahatezeran’ny tompoko.
Fa na ny tenanao aza dia mahalala fa mitongilana amin’ny ratsy ity vahoaka ity.
Izao no nolazain’izy ireo tamiko:

‘Anaovy andriamanitra izahay hialoha lalana anay,
fa raha ny amin’iny Môizy iny,
ilay lehilahy nitondra anay niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta,
tsy fantatray na naninona izy na naninona.’

Dia hoy aho tamin’izy ireo:

‘Samia ary mahafoy ny azy izay manam-bolamena.’

Koa nanome izy, ary natsipiko tao anaty afo,
dia io zanak’omby io no nivoaka avy ao.”

Nony ampitso, dia hoy i Môizy tamin’ny vahoaka:

“Efa nahavita heloka be vava ianareo,
ka ankehitriny ndeha hiakatra ho any amin’ny Tompo aho,
fa angamba hahazo famelana ny fahotanareo aho.”

Dia niverina nankany amin’ny Tompo i Môizy, ka nanao hoe:

“Indrisy, efa nahavita heloka be vava io vahoaka io,
fa efa nanao andriamanitra volamena ho azy izy ireo.
Ary ankehitriny avelao re ny helony;
fa raha tsy izany,
vonoy ny anarako ao amin’ny bokinao izay nosoratanao.”

Fa hoy ny Tompo tamin’i Môizy:

“Izay nanota tamiko no hovonoiko anarana amin’ny bokiko.
Fa ianao izao, mandehana mitarika ny vahoaka ho any amin’izay nolazaiko taminao.
Indro fa handeha eo alohanao ny anjeliko,
nefa amin’ny andro famangiako dia hofaiziko noho ny fahotany izy ireo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 105, 19-20. 21-22. 23

Derao ny Tompo fa tsara.

Tany Hôreba izy ireo nanao zanak’omby,
niankohoka tamin-tsary anidina.
Ilay voninahiny dia natakalony
sarin’ombalahy homana ahitra.

Hadinony Andriamanitra Mpamonjy Azy.
Ilay nanao zava-dehibe tany Ejipta,
zava-mahagaga tany an-tanin’i Kama,
zava-mahatahotra teo an-dRiakan-Jozoro.

Dia nilaza handringana Izy,
raha tsy i Môizy ilay voafidiny
no nisosoka nitokona teo anoloany,
mba hanoha ny havinirany tsy hahavoa.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra,
fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 31-35)

Tonga hazo ny voatsinapy, dia avy ny voromanidina mipetraka eo amin’ny rantsany.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao fanoharana hafa tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny voatsinapy
izay nalain’ny olona ka nafafiny tany an-tanimboliny.
Kely indrindra amin’ny voan-javatra rehetra izy;
fa rahefa mitombo kosa,
dia lehibe noho ny anana rehetra, ka tonga hazo;
dia avy ny voromanidina mipetraka ao amin’ny rantsany.”

Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy hoe:

“Ny fanjakan’ny lanitra, dia mitovy amin’ny lalivay,
izay nalain’ny vehivavy anankiray
ka nataony tao amin’ny koban-dafarina intelon’ny famarana,
mandra-pahazon’ny lalivay azy rehetra.”

Fanoharana no nilazan’i Jesoa izany rehetra izany tamin’ny vahoaka,
ary Izy tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana,
mba ho tanteraka ny tenin’ny mpaminany manao hoe:
‘Hiloa-bava hilaza fanoharana aho,
ary hanambara zavatra izay miafina hatramin’ny nanaovana an’izao tontolo izao’.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...