18 janoary 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Araikao amin’ny fanambarànao ny foko ry Tompo, ary ny lalanao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 7-12)

17 janoary 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 1-6)

16 janoary 2024 — Talata, Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 2, 23-28)

15 janoary 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 2, 18-22)

14 janoary 2024 — Alahady Tsotra faharoa Mandavantaona — Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika; ary amin’ny alalany dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 1, 35-42)

♦ Nandray fepetra maromaro hanamarika ny drafitr'asa 100 andro anombohan'ny fe-potoan-kiasany ny filohan'ny Repoblika nandritra ny filan-kevitry ny ministra omaly. Isan'izany ny fanampiana ny vahoaka manoloana ny fidangan'ny vidim-bary ankehitriny... ♦ Vahaolana hamahana ny olana miverimberina misy ankehitriny ny famadihana ho vina ireo filàna eny ifotony hoy Andriamatoa Herimanjaka Tsilavo Manantsoa. Mila mandray andraikitra haingana ny fitondrana hoy izy... ♦ Niakatra fampanoavana omaly ny mpitandro ny filaminana 9 sy olom-boafidy roa ary olon-tsotra 5 izay voasaringotra tamin'ny fakàna an-keriny tao amin'ny distrika Ankazobe...

♦ Niakatra Fampanoavana androany, ny mpitandro ny filaminana 9 sy olom-boafidy roa ary olon-tsotra 5, voasaringotra tamin'ny fakana an-keriny tany Ankazobe... ♦ Nanatitra taratasy teny amin'ny Masoivoho frantsay, teny Ambatomena, indray androany ny Antenimieran'ny Ray aman-dReny ara-drazana sy Foko eto Madagasikara, na ny ARFM... ♦ Velon-taraina ireo mpampianatra mbola tsy nisitraka tambinkarama efa ho folo volana, any amin'ny CISCO Mandritsara...

Vakiteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 1, 1-4. 11-12. 19. 23-27)

Ahoana no nahalavoan’ny mahery tany an’ady?

Fiantombohan’ny Boky Faharoan’i Samoela.
Nony maty i Saola dia niverina avy nandresy ny Amalesita kosa i Davida
ka nipetraka tao Sikelega.
Tamin’ny andro fahatelo, intý nisy lehilahy anankiray,
avy tany an-toby, avy tany amin’i Saola,
ary ny akanjony rovitra, ny lohany norarahan-tany,
ary nony mby teo amin’i Davida izy
dia nidaboka tamin’ny tany, ka niankohoka.
Hoy i Davida taminy:

“Avy aiza ianao?”

Ary hoy ny navaliny azy:

“Nandositra avy tany an-tobin’i Israely aho.”

Dia hoy i Davida taminy:

“Ka nanao ahoana avy?
Tantarao amiko kely hoe.”

Ary hoy izy:

“Nandositra tamin’ny ady ny vahoaka,
ka be no nitsingidina sy maty tamin’ny vahoaka,
ary maty koa aza i Saola sy i Jônatasy zanany.”

Dia noraisin’i Davida ny fitafiany,
ka norovitiny ary nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy.
Nanao ny fombam-pisaonana azy izy ireo,
nitomany sy nifady hanina mandra-paharivan’ny andro,
nisaona an’i Saola sy i Jônatasy ary ny olon’ny Tompo sy ny tranon’i Israely,
satria lavon-tsabatra izy ireo.
Ary i Davida niventy izao hira fisaonana izao:

“Moa levona teny amin’ny tamponao va ny famirapiratr’i Israely?
Ahoana no nahalavoan’ny mahery?
Malala sy mahatehotia i Saola sy i Jônatasy, fony fahavelony,
ary teo am-pahafatesany dia tsy tafasaraka.
Mailaka noho ny voromahery izy, mahery noho ny liona.
Mitomania an’i Saola, ry zanakavavin’i Israely
fa notafiany jaky tao anatin’ny fahafinaretana ianareo;
noravahany volamena ny fitafianareo!
Ahoana no nahalavoan’ny mahery tany an’ady?
Voagorobaka teo amin’ny havoana i Jônatasy!
Trotraky ny alahelo anao aho, ry Jônatasy rahalahiko!
Fa ianao ihany no fahafinaretako tanteraka,
mamiko noho ny fitiavan’ny vehivavy ny fitiavanao.
Ahoana no nahalavoan’ny mahery?
Ahoana no nahafatesan’ny mpiady?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 79, 2-3. 5-7

Ny Tavanao aseho, Tompo; dia ho voavonjy izahay.

Ry Mpiandry an’i Israely mandrenesa,
izay mitondra an’i Jôsefa toy ny ondry.
Ry mipetraka eo ambony kerobima,
efa Anao ny voninahitra, asehoy.
Eo alohan’i Manase sy i Efraima,
dia fohazy ny herinao hamonjy anay.

Rahoviana re ianao vao hitony
tsy ho tezitra amin’ny sisa izay tavela.
Raha ny mofom-pahoriana, dia efa voky,
ranomaso no gohinay hatrizay!
Fa izahay dia nanjary fanaraby,
sy faneson-dry zareo fahavalo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 20-21)

Hoy ny havany: Efa very saina Izy.

Tamin’izany andro izany,
niverina nankany an-trano i Jesoa sy ny mpianany,
dia nivory indray ny vahoaka,
ka tsy afa-nihinana akory izy ireo.
Nony nandre izany ny havany dia nivoaka hihazona Azy,
fa hoy izy ireo:

“Efa very saina Izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Tsy maintsy miasa ny olona satria asesiky ny filàna ho an'ny tenany sy ny fitsinjovany ny ankohonany satria izay mazoto dia hanana izay ilainy. Ilaina ny miangaly ny asa atao. Tsy misy ny asa ratsy raha tena atao tsara. Ny isan-tsokajin'asa dia aseho sy hiainana tsara ny fanomanana azy sy ny fiangaliana azy satria entina hanehoana fa tia ny asany ny tsirairay. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

♦ Mila mahay maka lesona tamin'ireo fomba fitantanana tsy mahomby teo aloha ny filoha Rajoelina Andry hoy ny Filohan'ny antenieran-doholona jeneraly Richard Ravalomanana... ♦ Nampidi-bola 32 tapitrisa Euro tao anatin'ny Kitapom-bolam-panjakàna ny taona 2023, ny fanondranana ireo asa-tanana Malagasy tany ivelany... ♦ Tokantrano miisa dimy ahitana fianakaviana 120 isa no ahiana ho rava fananana sy tsy hanan-kialofana noho ny resaka ady tany ao Ambohitraivo-avaratra, kaominina Ambohidratrimo... ♦ Mifidy izay ho filoham-pireneny ny any amin'ny repoblika Demôkratika an'i Congo amin'ity anio ity...

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 24, 3-21)

Noho izy voahosotr’Andriamanitra dia tsy hamely azy amin’ny tanako aho.

Tamin’izany andro izany,
naka telo arivo lahy voafantina tamin’i Israely rehetra i Saola
ka nandeha nitady an’i Davida sy ny olony,
hatrany amin’ny vatolampin’ny osy dia.
Tonga tamin’ny valan’ondry izay tao amoron-dalana izy
ary nisy zohy tao ka nidiran’i Saola hiavela;
nefa i Davida sy ny olony izany,
nipetraka tao amin’ny faravodi-zohy.
Ary hoy ny olon’i Davida taminy:

“Itý no andro holazain’ny Tompo aminao hoe:
Indro hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao,
ka ataovy izay sitrakao.”

Dia nitsangana i Davida
ka nanapahany antsokosoko ny sisin-kapaotin’i Saola.
Nitepotepo mafy ny fon’i Davida taorian’izany,
noho ny nanapahany ny sisin-kapaotin’i Saola.
Ka hoy izy tamin’ny olony:

“Hampanalavirin’ny Tompo ahy anie,
ny hanao izany zavatra izany amin’ny tompoko,
izay voahosotry ny Tompo,
ka hamely azy amin’ny tanako,
satria izy no ilay voahosotry ny Tompo.”

Izany no nisakanan’i Davida ny olony
sy tsy namelany azy hiantoraka amin’i Saola.
Dia nitsangana i Saola hivoaka ny zohy, ka nanohy ny diany.
Izay i Davida vao nitsangana koa sy nivoaka ny zohy
ary rafitra niantsoantso an’i Saola nanao hoe:

“Ry mpanjaka tompoko ô!”

Niherika nijery i Saola,
dia niondrika tamin’ny tany i Davida ka niankohoka.
Ary hoy i Davida tamin’i Saola hoe:

“Nahoana ianao no dia maka ny vavan’olona hoe:
Indro fa mitady hanisy ratsy anao i Davida?
Kanefa indro nahita maso ianao androany
izay nanoloran’ny Tompo anao teo an-tanako androany tao an-johy,
ka ny olona nilaza tamiko mba hamono anao.
Nefa namindra fo taminao aho, fa hoy izaho:
tsy haninjitra ny tanako amin’ny tompoko aho,
fa voahosotry ny Tompo izy.
Jereo kely ange, ry ikaky,
jereo itý sisin-kapaotinao eto an-tanako!
Ary raha ny sisin-kapaotinao, notinapako,
nefa ny tenanao tsy novonoiko,
dia ekeo ary zahao fa ny fitondran-tenako tsy misy ratsy
na fikomiana ary tsy nanota taminao aho.
Ianao kosa, manenjika ny aiko hanala azy amiko!
Ka aoka ny Tompo no hitsara ahy sy ianao
ary aoka ny Tompo no hamaly anao noho ny amiko,
fa ny tanako tsy hamely anao.
Ny ratsy fanahy no iavian’ny haratsiam-panahy,
hoy ny ohabolana fahagola,
koa tsy hamely anao ny tanako.
Hanenjika an’iza moa no dia niaingàn’ny mpanjakan’i Israely?
Iza no enjehinao?
Amboa maty ve? parasy ve?
Aoka ny Tompo hitsara ahy sy ianao, ary hanapaka ny amintsika.
Aoka hitsinjo sy handahatra ho ahy Izy,
ka hanafaka ahy amin’ny tananao ny didim-pitsarany.

Nony vitan’i Davida ny filazana izany teny izany tamin’i Saola,
dia hoy i Saola:

“Feonao tokoa va izany, ry Davida, zanako ô!”

Sady nanandra-peo i Saola ary nitomany.
Hoy izy tamin’i Davida:

“Marina noho izaho ianao,
fa soa no nataonao tamiko,
nefa ratsy kosa no navaliko anao.
Nasehonao ny hatsaram-ponao amiko androany
fa nanolotra ahy eo an-tananao ny Tompo,
nefa ianao kosa tsy nahafaty ahy.
Raha misy olona mifanena amin’ny fahavalony,
moa avelany hanohy ny diany soa aman-tsara va izy?
Hovalian’ny Tompo soa anie ianao,
noho izay nataonao tamiko androany izay.
Ary ankehitriny fantatro fa ho mpanjaka ianao,
ary ho tafatoetra eo an-tananao ny fanjakan’i Israely.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 56, 2. 3-4. 6 sy 11

Iantrao aho, ry Andriamanitra, iantrao.

Iantrao aho, ry Andriamanitra, iantrao!
Ianao no ifefen’ny fanahiko;
ny aloky ny Elatrao
no ifefeko mandra-pidifin’ny loza!

Izaho miantso an’Andriamanitra Avo indrindra,
Ilay Mpamaly ny ratsy atao ahy.
Izy maniraka avy any an-danitra,
ka mamonjy ahy amin’ny tanan’ny mpanosy!

Misandràta, ry Andriamanitra, any ambonin’ny lanitra!
Eran’ny tany tontolo ny Voninahitrao!
Fa lehibe hatrany an-danitra ny hatsaram-ponao:
mahatakatra ny rahona ny fahamarinanao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 13-19)

Niantso izay tiany hankeo aminy Izy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niakatra tany amin’ny tendrombohitra anankiray,
ka niantso izay tiany hankeo aminy,
dia nankeo aminy ireo.
Ary nanendry roa ambin’ny folo lahy Izy
hiara-kitoetra aminy sy hirahiny hitory teny,
sady hanam-pahefana hanasitrana ny aretina sy handroaka ny demony.
Ary i Simôna nomeny fanampin’anarana hoe Piera;
ary i Jakôba zanak’i Zebede
sy i Joany rahalahin’i Jakôba,
izay nomeny fanampin’anarana hoe Bôanerjesy,
izany hoe zana-baratra;
ary i Andre, sy i Filipo, sy i Bartelemy,
sy i Matio sy i Tôma, sy i Jakôba zanak’i Alfe,
sy i Tade, sy i Simôna Zelôty,
ary i Jôdasy Iskariota ilay namadika Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 18, 6-9 ; 19, 1-7)

Tadiavin’i Saola raiko hovonoina ianao.

Tamin’izany andro izany:
tamin’ny niverenan’i Davida avy namono ilay Filistinina,
dia nivoaka avy tamin’ny tanànan’i Israely rehetra ny vehivavy,
nihira, nandihy teo anoloan’i Saola mpanjaka, an-kafaliana
tamin’ny feon’ny ampongatapaka sy ny valiha.
Ka nifamaly ny vehivavy, ny mpandihy, nanao hoe:

“Arivoarivo no matin’i Saola.
Fa alinalina kosa, ny an’i Davida.”

Tezitra mafy i Saola
ary tsy sitrany izany teny izany, ka hoy izy:

“Ny an’i Davida nataony alinalina
fa ny ahy kosa nataony arivoarivo
ka ny fanjakana izany no sisa tsy azony.”

Hatramin’izay andro izay dia ratsy fijery an’i Davida i Saola.
Niresaka tamin’i Jônatasy zanany sy ny mpanompony rehetra i Saola
ny amin’izay hahafaty an’i Davida.
Fatratra kosa anefa ny fitiavan’i Jônatasy zanak’i Saola an’i Davida.
Koa nampandre an’i Davida i Jônatasy nanao hoe:

“Tadiavin’i Saola raiko hovonoina ianao
ka mitandrema tena rahampitso maraina,
mihataha ka miere.
Ary hivoaka aho ka ho eo anilan’i dada amin’ny saha misy anao
ka hiresaka amin’i dada ny aminao,
dia ho hitako izay heviny,
ka hampandrenesiko anao.”

Nilaza soa an’i Davida tamin’i Saola rainy i Jônatasy,
fa hoy izy taminy:

“Aoka ny mpanjaka tsy hanota amin’i Davida mpanompony,
satria tsy nanota taminao izy.
Fa vao mainka koa soa ho anao aza ny nataony rehetra,
nanao vy very ny ainy,
namono an’ilay Filistinina izy,
ka izy no nanaovan’ny Tompo famonjena lehibe ho an’i Israely rehetra.
Nahita izany ianao sy nifaly tamin’izany.
Ka ahoana no hanotanao amin’ny ra tsy manan-tsiny,
amin’ny famonoana, tsy misy antony, an’i Davida?”

Nihaino ny tenin’i Jônatasy i Saola,
ka nianiana i Saola nanao hoe:

“Velona ny Tompo,
tsy hovonoina i Davida!”

Dia nantsoin’i Jônatasy i Davida
ary nilazan’i Jônatasy izany teny rehetra izany,
vao nentin’i Jônatasy nankeo amin’i Saola i Davida,
ka nitoetra teo anatrehany, toy ny taloha indray.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 55, 2-3. 9-10ab. 10d-11. 12-13

Andriamanitra no itokiako, tsy hatahotra aho.

Iantrao aho, ry Andriamanitra, fa hosena;
tontolo andro viraviraina;
tontolo andro hosen-drafilahy;
ifarimbonan’ny maro iadiana!

Ny nirenireneko voasoratrao ao amin’ny Bokinao;
ny ranomasoko voaangonao ao an-tsiny kelinao!
Ny fahavaloko hiamboho
amin’ny andro hiantsoako.

Fantatro izany,
fa Andriamanitra momba ahy!
Andriamanitra
izay deraiko ny Teniny!

Andriamanitra, hoy aho, no itokiako:
tsia, tsy matahotra aho: hahavita inona amiko izay nofo?
Eny, adidiko, ry Andriamanitra, ny voadiko taminao;
hatolotro ny sorom-pisaorana Anao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Araikao amin’ny fanambarànao ny foko ry Tompo, ary ny lalanao no aoka hanenika ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 7-12)

Niantso ny fanahy ratsy nanao hoe: “Ianao no zanak’Andriamanitra”, fa norarany izy ireo mba tsy hanao izay hahafantarana azy.

Tamin’izany andro izany:
Lasa nankany amin’ny ranomasina niaraka tamin’ny mpianany i Jesoa,
ary maro ny olona avy tany Galilea no nanaraka Azy.
Ary maro koa no tany Jodea sy Jerosalema,
sy tany Idomea, sy tany an-dafin’i Jordany,
ary tamin’ny tany manodidina an’i Tira sy Sidôna
no nankeo aminy nony nandre ny nataony.
Ary nilaza tamin’ny mpianany Izy mba hanomana sambo kely
hiandry Azy eo noho ny habetsahan’ny vahoaka
fandrao dia poritin’ny olona Izy.
Fa nahasitrana olona betsaka Izy,
ka nifanesika hanendry azy izay rehetra nanana aretina.
Ary raha nahita Azy koa ny fanahy maloto,
dia miankohoka eo anatrehany ka miantso Azy hoe:

“Ianao no zanak’Andriamanitra”;

fa rarany sy rahonany mafy izy ireo
mba tsy hanao izay hahafantarana azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 29 aogositra 2025

• Olon-dehibe mijoro amin'ny finoana sy fanantenana Kristianina, hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana eo amin'ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana. Io teny manentana ny Andro Nasionaly ho an'ny Olon-dehibe andiany faharoa io no nantintranterin'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona nandritra ny fanokafana izany tany amin'ny Diosezin'i Morondava... • Samy ao anatin'ny fanatanterahana ny Andron'ny Tanora isan-diosezy ihany koa ny ao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa sy Port-Bergé, izay hifarana ny alahady izao...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...