Bokin’i Jôsoe (Jôs. 24, 1-13)
Tamin’izany andro izany,
novorìn’i Jôsoe ny fokon’i Israely rehetra;
nantsoiny avokoa ny loholon’i Israely,
ny lehibeny, ny mpitsarany ary ny manamboninahiny;
ka niseho teo anatrehan’ny Tompo izy ireo:
dia hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka rehetra:
“Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitr’i Israely:
Taloha dia tany an-dafin’ny ony no nonenan’ny razanareo,
Teraha rain’i Abrahama sy rain’i Nakôra,
ary andriamani-kafa no notompoin’izy ireo.
Nalaiko tany an-dafin’ny ony i Abrahama razanareo
ary nentiko ho amin’ny tany Kanaana rehetra;
nampitomboiko taranaka, ary nomeko an’i Isaaka izy.
I Isaaka dia nomeko an’i Jakôba sy i Esao;
ary i Esao nomeko ny tendrombohitra Seïra ho fananany,
ary i Jakôba sy ny zanany nidina nankany Ejipta.Taorian’izany dia nirahiko i Môizy sy i Aarôna
ary nasiako i Ejipta araka izay nataoko teo afovoany;
ary rahefa izany, dia nentiko nivoaka ianareo.
Nentiko nivoaka avy tany Ejipta ny razanareo,
ka tonga teo amin’ny ranomasina ianareo.
Ny Ejipsianina an-kalesy sy an-tsoavaly nanenjika ny razanareo,
hatreo amin’ny ranomasina Mena.
Velon-taraina tamin’ny Tompo izy ireo,
ka nasian’ny Tompo haizina teo anelanelanareo sy ny Ejipsianina,
nakatony tamin’izy ireny ny ranomasina ka nanafotra azy,
ary ny masonareo no nahita izay nataoko tany Ejipta;
dia nitoetra ela tany an’efitra ianareo.
Nentiko ho any amin’ny tanin’ny Amôreanina
izay monina any an-dafin’i Jordany ianareo, ka niadian’ireny.
Natolotro teo an-tananareo izy, nahazo ny taniny ianareo,
ary naringako teo anoloanareo izy.
Nitsangana i Balàka, zanak’i Sefôra, mpanjakan’i Môaba,
ka niady tamin’i Israely;
nampiantso an’i Balaama zanak’i Beôra izy hanozona anareo.
Fa tsy nety nihaino an’i Balaama Aho, ka nitso-drano anareo izy,
dia voavonjiko tamin’ny tanan’i Balàka ianareo.
Nita an’i Jordany ianareo, dia tonga tao Jerikao;
niady taminareo ny mponina tao Jerikao,
ny Amôreanina, ny Farezeanina, ny Kananeanina, ny Hateanina,
ny Gergeseanina, ny Heveanina, ary ny Jebôseanina;
ka natolotro teo an-tananareo ireny.
Nalefako teo alohanareo ny fanenitra izay nandroaka an’ireny teo anoloanareo,
mbamin’ny mpanjaka roa tamin’ny Amôreanina:
tsy tamin-tsabatra aman-tsipikanareo no nahatanterahan’izany.
Nomeko tany tsy nasainareo ianareo sy tanàna tsy naorinareo, ary monina ao,
tanim-boaloboka aman’ôliva izay tsy nambolenareo,
ka mihinana ny vokany ianareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 135, 1-3. 16-18. 21-22 sy 24
Isaory ny Tompo fa tsara!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Isaory ny Andriamanitry ny andriamanitra.
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Isaory ny Tompon’ny tompo!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ilay nampizotra ny vahoakany tany an’efitra!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ilay nikapoka Mpanjaka lehibe!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Sy nahafaty mpanjaka mahery!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ka nanome ny taniny ho lova!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ho lovan’i Israely mpanompony!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ilay nisarika antsika tamin’ny mpampahory
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Aleloia. Aleloia.
Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ary tariho ho amin’ny fahamarinana aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 3-12)
Tamin’izany andro izany,
nisy Farisianina nanatona an’i Jesoa mba haka fanahy Azy, ka nanao hoe:
“Mahazo misao-bady va ny lehilahy
na inona na inona antony?”
Dia hoy Izy namaly azy ireo:
“Tsy novakianareo va fa izay nahary ny olona tamin’ny voalohany,
dia nanao azy ho lahy sy vavy ary nilaza hoe:
‘Noho izany, dia hilaozan-dralehilahy ny rainy aman-dreniny
ka hikambana amin’ny vadiny izy,
ary ho nofo iray ihany izy roroa?’
Noho izany tsy roa intsony izy, fa nofo iray.
Ka aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’ny olona.”
Fa hoy ireo taminy:
“Ka nahoana àry i Môizy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy?”
Dia hoy Izy taminy:
“Ny hamafin’ny fonareo no nanomezan’i Môizy lalana anareo hisao-bady;
fa hatramin’ny voalohany dia tsy mba toy izany.
Koa dia lazaiko aminareo,
fa izay rehetra mandroaka ny vadiny,
afa-tsy noho ny fijangajangana ihany,
ka manambady hafa,
dia mpijangajanga ary izay mampakatra ny vehivavy voaroaka,
dia mpijangajanga koa.”
Hoy ny mpianany taminy:
“Raha izany no toetry ny lehilahy amin’ny vadiny,
dia aleo tsy manambady.”
Ary hoy Izy taminy:
“Tsy ny olona rehetra no mahazo izany teny izany,
fa izay nomena fahasoavana ihany.
Fa misy eonoka hatrany an-kibon-dreniny;
misy eonoka nataon’ny olona,
ary misy eonoka izay nanao ny tenany eonoka
noho ny fanjakan’ny lanitra.
Aoka handray izay mahay mandray.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Jôsoe (Jôs. 3, 7-10a. 11. 13-17)
Tamin’izany andro izany, hoy ny Tompo tamin’i Jôsoe:
“Indro Aho hanomboka hanandratra anao eo imason’i Israely rehetra
mba ho fantany fa toy ny nombàko an’i Môizy no ombàko anao koa.
Ary ianao dia manomeza izao didy izao
amin’ny mpisorona mitondra ny fiaran’ny fanekena:
Rahefa tonga eo amoron’ny ranon’i Jordany ianareo,
dia mijanòna ao anatin’i Jordany.”
Ary i Jôsoe nilaza tamin’i Israely hoe:
“Manatòna ianareo,
ary mihainoa ny tenin’ny Tompo Andriamanitrareo.”
Dia hoy i Jôsoe:
“Izao no hahafantaranareo fa eo afovoanareo tokoa ny Andriamanitra velona,
ka tsy maintsy horoahiny eo anoloanareo tokoa ny Kananeanina.
Indro handroso eo alohanareo ao anatin’i Jordany
ny fiaran’ny faneken’ilay Tompon’ny tany rehetra.
Ary raha vao miroboka ao anatin’ny ranon’i Jordany
ny faladian-tongotry ny mpisorona mitondra ny fiaran’Andriamanitra Tompon’ny tany rehetra,
dia ho tapaka ny ranon’i Jordany, ny midina avy any ambony,
ka hihandrona hoatra ny antontan-javatra.”
Nony efa nivoaka ny lainy ny vahoaka hita amin’i Jordany
dia nialoha ny vahoaka ny mpisorona mitondra ny fiaran’ny fanekena.
Raha vao tonga teo Jordany ny mpitondra ny fiara,
ary niroboka ny sisin-drano ny tongotry ny mpisorona mpitondra ny fiara
— fa tondraka mihoatra ny morony rehetra i Jordany mandritra ny fararano, —
dia nihandrona ny rano midina avy any ambony,
ka niavosa hoatra ny antontan-javatra tery lavitra erý,
akaikin’ny tanànan’i Adôma, izay anilan’i Sartàna,
ary tapaka mihitsy ny midina mankany amin’ny ranomasina Arabaha, dia ny ranomasin-tSira,
ka nita tandrifin’i Jerikao ny vahoaka.
Nitsatoka tsy nihetsika tamin’ny tany maina eo afovoan’i Jordany
ny mpisorona nitondra ny fiaran’ny faneken’ny Tompo,
nandritra ny nitan’i Israely rehetra tamin’ny tany maina,
mandra-pahatafitan’ny firenena rehetra an’i Jordany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 113a, 1-2. 3-4. 5-6
Fony nandao an’i Ejipta i Israely,
an’ilay vahoaka lozabe ny tranon’i Jakôba,
i Jodà tonga toerany masina,
i Israely zary fanjakany.
Ny ranomasina nahita, ka nandositra;
i Jordany nanao dia mianòtra;
ny vohitra niantsambotra toa osilahy,
ny havoana toa zanak’ondry.
Ahoana itý ianao no mandositra, ry ranomasina?
ary i Jordany no manao dia mianòtra?
ny vohitra no miantsambotra toa osilahy?
ny havoana no toa zanak’ondry?
Aleloia. Aleloia.
Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 21-35 ; 19, 1)
Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa i Piera nanao hoe:
“Tompoko, raha diso impiry amiko moa ny rahalahiko
no tokony hamela azy aho?
Hatramin’ny impito va?”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Izaho tsy milaza aminao hoe: hatramin’ny impito
fa hatramin’ny impitopolo fito.
Koa amin’izany ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray
izay te-hamotopototra ny toe-pananany amin’ny mpanompony;
ary raha vao nanomboka nanao izany izy,
dia nentiny teo aminy ny anankiray izay ananany talenta iray alina.
Ary noho izy tsy nanan-kaloa,
dia nasain’ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany, mbamin’ny fananany rehetra,
mba hanefana ny trosa.
Dia niankohoka ilay mpanompo, ka nifona taminy hoe:
‘Mba omeo andro aho, dia haloako daholo ny anao rehetra.’
Nangoraka ny fon’ilay tompon’izany mpanompo izany,
ka sady nandefa azy handeha no namoy ny trosa taminy.Fa raha vao nivoaka ilay mpanompo,
dia tojo itý mpanompo namany anankiray izay ananany denie zato;
noraisiny tamin’ny tendany ilay io ka nokendainy nataony hoe:
‘Aloavy ny trosako any aminao.’
Niankohoka ilay namany, dia nifona taminy nanao hoe:
‘Mba omeo andro aho, dia haloako ny anao rehetra.’
Nefa tsy nety izy fa lasa nampanao azy an-tranomaizina, ambara-pandoany ny trosa.
Nalahelo loatra ny mpanompo sasany nony nahita izany,
ka lasa nilaza izany rehetra izany tamin’ny tompony.
Dia nampanalain’ny tompony izy ka nilazany hoe:
‘Ry mpanompo ratsy fanahy,
efa nafoiko avokoa ny trosako rehetra taminao,
noho ianao nifona tamiko,
ka moa tsy tokony mba hamindra fo amin’ny namanao va ianao
tahaka ny namindrako fo taminao?’
Dia tezitra ny tompony ka natolony ny mpampijaly izy,
ambara-pandoany ny trosa rehetra.Dia ho tahaka izany koa no hataon’ny Raiko izay any an-danitra aminareo,
raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo.”
Rahefa avy niteny izany i Jesoa
dia niala tao Galilea ka tonga teny an-tsisin’i Jodea,
an-dafin’i Jordany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Deteronômy (Det. 34, 1-12)
Tamin’izany andro izany,
niakatra avy eo an-tany lemak’i Môaba i Môizy,
nankany an-tendrombohitra Nebao, ao an-tampon’i Fasgà, tandrifin’i Jerikao.
Ary nasehon’ny Tompo azy avokoa ny tany rehetra,
dia Galaada hatrany Dana, Neftali rehetra mbamin’ny tanin’i Efraima sy i Manase,
ny tanin’i Jodà rehetra, hatramin’ny Ranomasina andrefana,
ny Negeba, ny faritanin’i Jordany, ny lohasahan’i Jerikao,
dia ny tanànan’ny rofia hatrany Segôra.
Dia hoy ny Tompo taminy:
“Io ny tany izay nianianako tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba hoe:
‘Homeko ny taranakao izany.’
Nataoko nahita maso azy ianao, nefa tsy hiditra eny ianao.”
Teo no nahafatesan’i Môizy, mpanompon’ny Tompo,
dia teo amin’ny tany Môaba, araka ny didin’ny Tompo.
Ary naleviny teo an-dohasaha, amin’ny tanin’i Môaba,
tandrifin’i Bet-Fôgôra izy.
Ary tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany.
Efa roapolo amby zato taona i Môizy no maty,
nefa ny fahiratany tsy nihena, ny tanjany tsy niala taminy.
Nisaona an’i Môizy, telopolo andro tao amin’ny tany lemak’i Môaba ny zanak’i Israely
ka tapitra ny andro fitomaniana tamin’ny fisaonana an’i Môizy.
Ary i Jôsoe, zanak’i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena,
fa efa nametrahan’i Môizy tanana izy,
ka nanoa azy ny zanak’i Israely sy nanao araka ny nandidian’ny Tompo an’i Môizy.
Tsy nisy mpaminany nitsangana teo amin’i Israely intsony
sahala amin’i Môizy izay fantatry ny Tompo mifanatrika,
na ny amin’ny famantarana amam-pahagagana nanirahan’ny Tompo azy tany Ejipta,
hanaovany izany tamin’ny Faraôna,
sy ny mpanompony mbamin’ny taniny rehetra,
na ny amin’ny tanany mahery rehetra aman-java-mahatahotra rehetra
izay vitan’i Môizy teo imason’i Israely rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 65, 1-3a. 5 sy 8. 16-17
Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo!
Antsao ny Anarany be voninahitra!
Miderà Azy, ka miantsoa hoe:
Eny, mahatahotra Ianao, ry Andriamanitra.
Tongava hizaha ny Asan’Andriamanitra!
Mahatahotra itý nataony ho an’ny zanak’olombelona!
Misaora an’Andriamanitra rey vahoaka!
Redòny ny feo fiderana Azy!
Tongava avokoa izay matahotra an’Andriamanitra!
Mihainoa hitantarako izay nataony tamiko:
dia Izy Ilay fiantsan’ny vavako
sy fideran’ny lelako!
Aleloia. Aleloia.
Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 15-20)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Raha diso taminao ny rahalahinao, dia manatona azy;
ka rahefa mitokana ianareo, dia asehoy azy ny hadisoany.
Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao;
fa raha tsy mihaino anao izy, makà olona iray na roa hiaraka aminao
mba ho tapaka noho ny teny hataon’ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra.
Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin’ny Eglizy;
ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa, dia ataovinao tahaka ny jentily sy ny poblikanina.
Lazaiko marina aminareo
fa na inona na inona hofehezinareo etý ambonin’ny tany
dia ho voafehy any an-danitra;
ary na inona na inona hovahanareo etý ambonin’ny tany,
dia ho voavaha any an-danitra.
Ary izao koa no lazaiko aminareo:
raha misy roa aminareo mifanaiky etý ambonin’ny tany,
na inona na inona angatahiny
dia ho azony avy amin’ny Raiko izay any an-danitra izany.
Fa na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny Anarako,
dia eo afovoany Aho.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Deteronômy (Det. 31, 1-8)
Niainga i Môizy,
ary hoy ny teniny tamin’ny vahoakan’i Israely rehetra:
“Efa roapolo amby zato taona androany aho izao,
ka tsy afaka mivoaka sy miditra intsony,
ary ny Tompo efa nilaza tamiko hoe:Tsy hita an’io Jordany io ianao.
Ny Tompo Andriamanitrao no hita eo alohanao.
Izy no handringana ireo firenena ireo eo anoloanao,
ka dia hahazo azy ireo ianao.
I Jôsoe no hita eo alohanao, araka ny voalazan’ny Tompo.
Toy ny nataon’ny Tompo tamin’i Sehôna sy Oga,
mpanjakan’ny Amôreana, izay naringany mbamin’ny taniny,
no hataony amin’ireo koa.
Hatolotry ny Tompo aminareo izy,
ka ataovy araka ny lalàna rehetra nandidiako anareo.
Mahereza ary matanjaha tsara,
fa aza matahotra na mimalo amin’ireo akory,
satria ny Tompo Andriamanitrao no miara-mandeha aminao,
tsy hahafoy anao Izy na handao anao.”
Dia nantsoin’i Môizy i Jôsoe, ka hoy izy taminy,
teo anatrehan’i Israely rehetra:
“Mahereza ary matanjaha tsara,
fa ianao no hiditra miaraka amin’itý vahoaka itý,
any amin’ny tany efa nianianan’ny Tompo tamin’ny razany homena azy ireo;
ary ianao no hampanana azy ireo izany.
Fa ny Tompo no handeha eo alohanao,
Izy no homba anao fa tsy hahafoy anao na handao anao Izy,
ka aza matahotra na mivadi-po ianao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo: Det. 32, 3-4a. 7. 8. 9. sy 12
Ny Anaran’Izy Tompo no antsoiko,
hobio ny fiandrianan’Andriamanitra.
Fa Izy Vatolampy soa ny asany.
He rariny izay lalana soritany.
Tsarovy irony andro fahagola re.
Todiho ireny taona nifanaraka.
Resaho ny rainareo fa hatorony,
resaho koa ny Ntaolo fa hambarany.
Ilay Avo raha nanao ny firenena:
nizara ny taranak’olombelona,
nametra ny vahoaka isan-tokony
manaraka ny fokon’i Israely.
Ny lova ho Azy Tompo dia ny olony,
Jakôba nofidiny ho anjara lovany.
Ny Tompo no hany afaka mitsimbina.
Tsy manana andriamani-kafa ny olony.
Aleloia. Aleloia.
Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy.
Isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 1-5. 10. 12-14)
Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe:
“Iza moa no ambony indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra?”
Dia niantso zazalahy kely anankiray i Jesoa
ka napetrany teo afovoany ary hoy Izy:
“Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo
ka tsy tonga tahaka ny zazakely,
dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory.
Koa amin’izany,
na iza na iza hanetry tena tahaka itý zazakely itý,
dia izy no lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Ary izay handray zazakely anankiray tahaka itý amin’ny Anarako,
dia mandray Ahy koa.
Tandremo sao ataonareo tsinontsinona
na dia ny anankiray amin’ireny madinika ireny aza;
fa lazaiko aminareo
fa ny Anjelin’izy ireny any an-danitra
dia mahita lalandava ny tarehin’ny Raiko izay any an-danitra.
Ahoana ny hevitrareo?
Raha misy olona manana ondry zato, ka nania ny anankiray,
moa tsy havelany eny an-tendrombohitra va ny sivy amby sivifolo,
ka handeha hitady ilay nania izy?
Ary raha sendra hitany izy,
dia lazaiko marina aminareo fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy
noho ny sivy amby sivifolo tsy nania.
Toy izany koa,
tsy tian’ny Rainareo izay any an-danitra hisy very
na dia anankiray amin’ireo madinika ireo aza.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Deteronômy (Det. 10, 12-22)
Niteny tamin’ny vahoaka i Môizy nanao hoe:
“Ary ankehitriny, ry Israely,
inona moa no angatahin’ny Tompo Andriamanitrao aminao
afa-tsy ny mba hatahoranao ny Tompo Andriamanitrao,
amin’ny fizoranao eo amin’ny lalany rehetra,
sy amin’ny fitiavanao ary fanompoanao ny Tompo Andriamanitrao
amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra;
ary amin’ny fitandremanao ny didin’ny Tompo sy ny lalàny izay andidiako anao anio,
mba ho sambatra ianao?
Jereo fa an’ny Tompo Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra,
ary ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy.
Kanefa ny razanao ihany no niraiketan’ny Tompo ho tiany;
ary ny taranany nandimby azy, dia ianareo,
no nofidiny tamin’ny vahoaka rehetra,
araka izao hitanareo anio izaoKoa forao ny fonareo,
ary aza henjanina intsony ny hatokareo.
Ny Tompo Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra,
Tompon’ny tompo,
Andriamanitra lehibe mahery sy mahatahotra,
tsy mba mizaha tavan’olona, na mandray kolikoly,
fa manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena;
tia ny vahiny, sy manome hanina amam-pitafiana azy.
Tiavo ny vahiny,
fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta koa ianareo.
Matahora ny Tompo Andriamanitrao, manompoa Azy, miraiketa aminy,
ary ny Anarany no ataovy fianianana.
Fa Izy no reharehanao, Izy no Andriamanitrao,
izay nanao ho anao ireo zava-dehibe sy mahatahotra efa hitan’ny masonao.
Ny isan’ny razanao nidina nankany Ejipta dia olona fitopolo
fa ianao kosa ankehitriny,
dia efa nataon’ny Tompo Andriamanitrao maro toy ny kintana eny an-danitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 147, 12-13. 14-15. 19-20
Ry Jerosalema aoka ianao hiantsa,
derao Andriamanitra, ry Siôna!
Ilay manamafy ny vavahady,
miahy ireo ankizy ao anatinao.
Miantoka anao handry fehizay,
manetsaka anao mena-bary kanto.
Mandefa ny didiny ho etý an-tany,
dia teny miriotra tsy hay tohaina!
Nametraka ny hafany ho an’i Jakôba,
ny didy aman-tsatany ho an’i Israely!
Tsy misy olon-kafa nomeny izany.
Ny satany manko nafeniny azy.
Aleloia. Aleloia.
Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo,
ary tsara fo amin’ny asany rehetra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 17, 21-26)
Tamin’izany andro izany,
raha nitety an’i Galilea i Jesoa sy ny mpianany,
dia hoy i Jesoa taminy:
“Efa hatolotra eo an-tanan’ny olona ny Zanak’Olona,
ary hovonoina Izy,
nefa hitsangana amin’ny andro fahatelo.”
Dia nalahelo mafy izy ireo.
Nony tonga tany Kafarnaôma izy ireo,
dia nanatona an’i Piera ny mpamory ny hetra dragma roa,
ka nanao hoe:
“Moa tsy mba mandoa ny dragma roa va ny Mpampianatra anareo?”
Dia hoy i Piera:
“Mandoa Izy.”
Ary raha niditra tao an-trano izy,
dia notsenain’i Jesoa nilazany hoe:
“Ahoana ny hevitrao, ry Simôna?
Iza moa no angalan’ny mpanjaka etý an-tany hetra sy hajia,
ny zanany sa ny olon-kafa?”
Hoy i Piera taminy:
“Ny olon-kafa.”
Dia hoy i Jesoa:
“Raha izany àry, dia afaka ny zanany.
Kanefa sao manafintohina azy isika,
ka mandehana manjono any amin’ny ranomasina ianao,
dia raiso ny hazandrano azonao voalohany ka sokafy ny vavany,
fa hahita vola dragma efatra ao ianao, ka alao,
dia aloavy ho Ahy sy ho anao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Hotanterahana any Seoul, Corée Atsimo ny JMJ eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena amin'ny taona 2027... ♦ Mba ho fampiroboroboana ny sehatra ikatrohan'ny vaomieran'asa "Justice et Paix", nisy fivoriana notontosain'izy ireo tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo, ho an'ny "Justice et Paix" ao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Fankalazana jobily maha relijiozy sy voady mandrakizay nataon'ireo masera avy amin'ny Fikambanana "Filles de Marie Auxiliatrice" no nanamarika ny sabotsy teo, ho an'ity fikambanan-drelijiozy Saleziana Don Bosco ity...
Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 19, 9a. 11-13a)
Tamin’izany andro izany,
nony tonga tany Hôreba tendrombohitr’Andriamanitra i Elia,
dia niditra tao anaty zohy, ary nandry tao.
Ary indro tonga taminy ny tenin’ny Tompo nanao hoe:
“Mivoaha ianao,
ka mitsangàna eo amin’ny tendrombohitra, eo anatrehan’ny Tompo,
fa indro handalo ny Tompo”.
Dia nisy rivotra be sady mahery,
nampitsefatsefaka ny tendrombohitra sy nanorotoro ny vatolampy teo alohan’ny Tompo,
nefa tsy tao amin’ny rivotra ny Tompo.
Nanarakaraka ny rivotra nisy horohoron-tany,
nefa tsy tao amin’ny horohoron-tany ny Tompo.
Nanaraka ny horohoron-tany dia nisy afo koa,
nefa tsy tao amin’ny afo ny Tompo.
Ary nanarakaraka ny afo nisy fizozozozo malefaka sy malemy.
Ka raha nandre izany i Elia,
nosaronany ny kapotiny ny tarehiny ka dia nivoaka izy
ary nijanona teo am-bava zohy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 84, 9ab-10. 11-12. 13-14
Hihaino izay lazain’ny Tompo aho:
moa tsy fiadanana no lazainy.
Akaiky an’izay matahotra Azy ny famonjeny;
efa honina eto amin’ny tanintsika ny voninahiny.
Tafahaona ny fitiavana sy ny fahamarinana,
mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana,
ny fahamarinana mitrebona ety an-tany,
ny rariny kosa mitranga eny an-danitra.
Ny Tompo amim-peo avo manome orana,
ny tanintsika manome ny vokany;
ny rariny mizotra eo anoloany,
ny fiadanana manjohy ny diany.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 9, 1-5)
Ry kristianina havana,
milaza ny marina ao amin’i Kristy aho,
ka tsy mandainga,
ary ny Fanahy Masina sy ny hitsim-poko no vavolombeloko,
fa malahelo mafy aho,
ory lalandava ny foko,
satria saiky niriko aza ny ho voaozona ho lavitra an’i Kristy ny tenako,
hamonjeko ny iray finoana amiko,
izay havako araka ny nofo,
dia ireo Israelita,
izay manana ny fananganan-janaka, sy ny voninahitra,
sy ny fanekena, sy ny lalàna sy ny fombam-pivavahana,
ary ny fampanantenana;
azy koa ny Patriarika,
sady avy aminy araka ny nofo i Kristy,
izay ambonin’ny zavatra rehetra,
Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amen.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika,
mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 22-33)
Tamin’izany andro izany,
rehefa avy namahana ny olona i Jesoa ka nahavoky azy,
dia nandidy ny mpianany hiakatra an-tsambo kely sy hita hialoha Azy
ambara-pandravany ny vahoaka;
ary rehefa nampirava ny vahoaka Izy,
dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana;
ka nony alina ny andro dia izy irery no teo.
Tamin’izay ny sambo kely dia nahilangilan’ny onjan-drano teny afovoan’ny ranomasina,
fa nanoha rivotra.
Ary tamin’ny fiambenana fahefatra tamin’ny alina,
dia nandeha teny ambony rano i Jesoa,
ka nankeo amin’izy ireo.
Fa nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo,
dia natahotra ka nanao hoe:
“Matoatoa io”,
sady niantsoantso izy noho ny tahony.
Niaraka tamin’izay dia niteny taminy i Jesoa nanao hoe:
“Matokia, fa Izaho ihany,
ka aza matahotra!”
Namaly i Piera nanao hoe:
“Raha Ianao àry, Tompo,
asaovy mankeny aminao eny ambony rano aho”.
Hoy Izy hoe:
“Avia”.
Dia nidina avy eny an-tsambo i Piera,
ka nandeha teny ambony rano ho eny amin’i Jesoa.
Kanjo nony hitany fa nahery ny rivotra,
dia natahotra izy;
ary nony nanomboka nilentika izy,
dia niantso mafy hoe:
“Tompo ô, vonjeo aho!”
Niaraka tamin’izay dia naninji-tanana i Jesoa,
dia nandray azy ka nanao taminy hoe:
“Ry kely finoana,
nahoana no nisalasala ianao?”
Ary rehefa niakatra teo an-tsambo izy ireo,
dia nitsahatra ny rivotra.
Tamin’izay, ry zareo teo an-tsambo kely,
dia nanatona Azy sy nitsaoka Azy nanao hoe:
“Tena Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao!”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Hafatra avy amin'ny Fivondronamben'ny Eveka ho an'ny ankizy, manentana azy ireo mba ho ankizy apôstôlin'ny ankizy marina tokoa, eo amin'ny lafim-piainana rehetra... ♦ Manolotra fisaorana sy fankasitrahana ho an'ireo rehetra nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka ny JNE-3, notontosaina teto Antananarivo, ny Vikera Jeneraly eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Hanatanteraka ny "pèlerinage" nasiônaly ny avy eo anivon'ny "Aumônerie militaire"...
Boky Deteronômy (Det. 6, 4-13)
Hoy i Môizy tamin’ny vahoakan’i Israely:
“Mihainoa, ry Israely:
Ny Tompo Andriamanitsika dia Izy ihany no Tompo.
Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra.
Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao.
Alatsaho ao an-tsain’ny zanakao izany;
ary resaho, na ao an-tranonao ianao, na eny amin’ny dia alehanao,
na mandry ianao, na hiarina.
Afehezo amin’ny tananao izany, mba ho famantarana ho anao,
ary ataovy toy ny fehin-kandrina eo anelanelan’ny masonao.
Soraty eo amin’ny tolam-baravaranao izy, sy eo amin’ny vavahadinao.
Raha avy izay hahatafidiran’ny Tompo Andriamanitrao anao
any amin’ny tany nianianany tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba razanao, homena anao,
tanàna sady soa no lehibe, tsy naorinao;
trano feno zava-tsoa isan-karazany, tsy nofenoinao;
dobo famorian-drano, tsy nolavahanao,
voaloboka amam-pototr’ôliva, tsy nambolenao,
dia hihinana sy hivoky ianao;
ka tandremo fandrao manadino ny Tompo izay nampivoaka anao
avy tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana.
Matahora ny Tompo Andriamanitrao, manompoa Azy,
ary aoka ny Anarany no hianiananao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 17, 2-3a. 3bd-4. 47 sy 51ab
Mamiko Ianao, ry Tompo izay heriko,
Tompo vatolampiko, toera-mafy ho ahy,
Andriamanitro mpanafaka
sy haram-bato fialofana.
Ampinga sy tandro-pamonjena,
fiarovana-avo ho ahy!
Dera ho an’ny Tompo, hoy aho,
fa voavonjy amin’ny fahavaloko aho!
Veloma anie ny Tompo!
Hisaorana ny vatolampiko.
Hasandratra ilay Andriamanitra Mpamonjy ahy.
Omeny fandresen-dehibe ny Mpanjakanay;
anehoany hatsaram-po ny voahosony;
dia i Davida sy ny taranany hatrany amin’ny mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo,
hibanjinako ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 17, 14-19)
Tamin’izany andro izany,
nisy lehilahy anankiray nanatona an’i Jesoa ka nandohalika teo anatrehany nanao hoe:
“Tompo, mamindrà fo amin’ny zanako lahy;
mararin’ny androbe izy ka mijaly mafy loatra,
fa matetika mianjera any anaty afo,
ary matetika koa any anaty rano.
Nentiko tamin’ny mpianatrao izy,
fa tsy nahasitrana azy izy ireo.”
Ary namaly i Jesoa nanao hoe:
“Ry taranaka tsy mino sy ratsy fanahy,
mandra-pahoviana no hitoerako aminareo?
mandra-pahoviana no handeferako aminareo?
Ento aty amiko izy.”
Dia norahonan’i Jesoa ny demony ka nivoaka,
ary sitrana niaraka tamin’izay razazalahy.
Tamin’izay dia nanatona an’i Jesoa mangingina ny mpianany ka nanao hoe:
“Nahoana no tsy naharoaka azy izahay?”
Hoy i Jesoa taminy:
“Noho ny tsy fahampian’ny finoanareo.
Fa lazaiko marina aminareo,
fa raha manam-pinoana hoatra ny voantsinapy anankiray aza ianareo,
ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe:
‘Mifindrà erý ianareo’,
dia hifindra izy, ary tsy hisy tsy ho azonareo atao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Deteronômy (Det. 4, 32-40)
Tamin’izany andro izany,
niteny tamin’ny vahoaka i Môizy nanao hoe:
“Anontanio ny andro fahagola tany alohanao,
hatramin’ny andro naharian’Andriamanitra ny olombelona teto ambonin’ny tany
sy hatramin’ny faravodilanitra na aiza na aiza,
raha mba nisy zava-dehibe tahaka izany na oviana na oviana,
na nisy re toy izany akory na oviana na oviana!
Vahoaka aiza no efa nandre ny feon’Andriamanitra
niteny tao anatin’ny afo toy ny efa renareo,
ka mbola velona ihany izy?
Oviana no mba nisy Andriamanitra nanandrana haka firenena anankiray ho azy
tao afovoan’ny firenena iray hafa,
tamin’ny fitsapana, famantarana, fahagagana, ady,
tanana mahery, sandry ahinjitra, ary fangorohoroana lehibe,
toraky ny nataon’ny Tompo Andriamanitrareo ho anareo,
teo imasonareo tany Ejipta?
Ianao no nanehoana izany, mba hahafantaranao,
fa ny Tompo no Andriamanitra, ary tsy misy hafa afa-tsy Izy.
Nampandre anao ny feony avy any an-danitra hampianatra anao Izy,
sy nampiseho anao ny afony lehibe teto an-tany;
ary nandre ny teniny tao anatin’ny afo ianao.
Noho ny fitiavany ny razanao,
dia nifidy fara aman-dimby ho azy ireo Izy,
ka nampivoaka anao avy tany Ejipta,
tamin’ny nitoerany tao aminao sy ny heriny lehibe,
handroahany firenena maro sady matanjaka noho ianao teo anoloanao,
mba hampidirany anao amin’ny taniny sy hanomezany izany ho lovanao,
araka izao ankehitriny izao.Koa fantaronao anio,
sy araiketo ao am-ponao fa ny Tompo no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony,
sy ety amin’ny tany ambany ary tsy misy hafa.
Tandremo ny lalàny sy ny didiny, izay andidiako anao anio,
mba ho sambatra ianao, dia ianao sy ny zanakao manaraka anao,
ary mba ho lava ny andronao, amin’ny taona mifandimby rehetra
any amin’ny tany omen’ny Tompo Andriamanitrao anao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 76, 12-13. 14-15. 16 sy 21
Tsaroako ny asa mahatalanjona
narafitry ny tanan’izy Tompoko.
Ireo asa vitanao, Andriamanitra ô,
dia tena mahagaga ny fisainako.
Ny lalanao no masina Andriamanitra
tsy misy toa Anao ireo andriamanitra.
Nahefa be Ianao ka mahatalanjona,
niaiky ny herinao tokoa ny olona.
Vahoakanao nahazo fanavotana:
i Jakôba sy i Jôsefa sy ny zanany.
Ka indro ny olonao tsy very lalana:
i Môizy sy i Aarôna no filohany.
Aleloia. Aleloia.
Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo;
Izaho mahalala azy, ary izy mahalala Ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 24-28)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany,
sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka Ahy.
Fa izay ta-hamonjy ny ainy no hahavery azy,
ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy.
Inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy,
nefa very ny fanahiny?
Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny?
Fa ny Zanak’Olona dia ho avy amin’ny voninahitry ny Rainy
miaraka amin’ny anjeliny,
ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy.
Lazaiko aminareo marina tokoa,
fa ny sasany eto, dia tsy hanandrana fahafatesana,
raha tsy efa mahita ny Zanak’Olona avy amin’ny fanjakany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Fanisana (Fanis. 20, 1-13)
Tamin’izany andro izany, dia tonga tao amin’ny efitra Sina,
tamin’ny volana voalohany ny zanak’i Israely sy ny fiangonana rehetra,
ary tao Kadesy no nitoetra ny vahoaka.
Tao no nahafatesan’i Maria sy nandevenana azy.
Noho ny tsy fisian’ny rano ho an’ny fiangonana,
dia nivory hiodina amin’i Môizy sy i Aarôna izy ireo.
Nifanditra tamin’i Môizy ny vahoaka ka nanao hoe:
“Inay anie izahay mba maty,
tamin’ny nahafatesan’ny rahalahinay teo anatrehan’ny Tompo!
Ahoana re no dia nitondranareo ny fiangonan’ny Tompo amin’ity efitra ity,
mba hahafatesany ato, izahay sy ny biby fiompinay?
Ahoana no dia nitondranareo anay niakatra avy tany Ejipta
hankatý amin’itony fitoerana ratsy itony?
Tsy mba tany azo hamafazana, tsy misy aviavy, na voaloboka, na ampongaben-danitra,
na rano hosotroina akory.”
Dia niala teo amin’ny fiangonana i Môizy sy i Aarôna,
nankeo am-baravaran’ny tranolay fihaonana.
Nidaboka niankohoka izy ireo,
dia niseho taminy ny voninahitry ny Tompo.
Niteny tamin’i Môizy ny Tompo nanao hoe:
“Alao ny tehina, ka vorionao sy i Aarôna, rahalahinao, ny fiangonana.
Eo anatrehan’izy ireo ianareo, dia hiteny amin’ny vatolampy,
mba hampiboiboika ny ranony izy,
ka dia hampivoaka rano avy amin’ny vatolampy ho azy ireo ianao,
ary hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny.”
Dia nalain’i Môizy, araka ny nandidian’ny Tompo azy,
ny tehina izay teo anatrehan’ny Tompo.
Manaraka izany, novorin’i Môizy sy i Aarôna teo anoloan’ny vatolampy ny fiangonana,
ka hoy i Môizy tamin’izy ireo:
“Mihainoa, ry mpiodina:
hampivoaka rano ho anareo amin’ity vatolampy ity va izahay?”
Dia naingain’i Môizy ny tanany,
ary nokapohiny indroa tamin’ny tehina ny vatolampy,
ka niboika be dia be ny rano,
dia nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
Fa hoy ny Tompo tamin’i Môizy sy i Aarôna:
“Noho ianareo tsy nino Ahy,
mba hanamasina Ahy, eo imason’ny zanak’i Israely,
dia tsy hampiditra ity fiangonana ity any amin’ny tany izay omeko azy ianareo.”
Izany no ranon’i Meribà izay nilan’ny zanak’i Israely ady tamin’ny Tompo,
ka nanamasin-tena tamin’izy ireo Izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 94, 1-2. 6-7. 8-9
Avia mifalia ka hobio ny Tompo.
Ilay vatolampy sy vonjintsika.
Andeha mankeo anoloany hisaotra.
Hihira sy hiantsa ary hankalaza Azy.
Avia miondreha ary miankohofa.
Hitsaoka Ilay Tompo nanao antsika,
fa Izy no tena Andriamanitsika,
isika vahoaka sy ondry fiandriny.
Hihaino Azy ve ianareo anio?
Fa izao no ambarany sy lazainy.
Aza dia mafy fo toy ny tany an’efitra,
toy ny tany Masà sy tany Meribà.
Ny razanareo dia nitsapa Ahy!
Kanefa nahita ny asa vitako.
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana;
Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-23)
Tamin’izany andro izany,
tonga tany amin’ny faritanin’i Sezarean’i Filipo i Jesoa,
dia nanontany ny mpianany hoe:
“Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona?”
Ary hoy ireo:
“Ny sasany manao hoe: i Joany Batista,
ny sasany i Elia, ary ny sasany i Jeremia,
na ny anankiray amin’ny mpaminany.”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho?”
Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe:
“Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona.”
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:
“Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany,
fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao,
fa ny Raiko izay any an-danitra.
Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vato),
ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko
ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra,
ka izay rehetra hofehezinao etý an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra,
ary izay rehetra hovahanao etý an-tany, dia ho voavaha koa any an-danitra.”
Ary tamin’izay dia norarany ny mpianany
mba tsy hilaza amin’ny olona, fa Izy no Kristy.
Hatramin’izay vao noborahin’i Jesoa tamin’ny mpianany
fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy,
ary hoampijalian’ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona,
dia hovonoina,
ary hitsangan-ko velona rahefa afaka hateloana.
Ary naka Azy hitanila kely i Piera ka niteny azy mafy hoe:
“Sanatria, Tompoko, raha hihatra aminao izany!”
Fa nihodina Izy ka nilaza tamin’i Piera hoe:
“Mialà amiko, ry satana!
manafintohina Ahy ity ianao,
satria tsy mihevitra araka ny hevitr’Andriamanitra,
fa araka ny an’ny olona.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Fanisana (Fanis. 13, 1-2a. 26 — 14, 1. 26-29. 34-35)
Tamin’izany andro izany,
niteny tamin’i Môizy tao amin’ny tany efitr’i Faràna ny Tompo nanao hoe:
“Maniraha olona hisafo ny tany Kanaana,
izay omeko ny zanak’i Israely.”
Nony afaka efapolo andro dia niverina avy any am-pisafoana ny tany izy ireo.
Tonga izy, dia nanatona an’i Môizy sy Aarona,
mbamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra,
tao Kadesy tany an’efitra Faràna.
Nanao filazana taminy sy tamin’ny fiangonana rehetra izy ireo
ary naneho ny vokatry ny tany taminy.
Izao no filazana nataony tamin’i Môizy:
“Nankany amin’ny tany nanirahanao anay izahay.
Tany tondra-dronono sy tantely tokoa izany,
ary itony no vokatry ny tany avy any.
Fa ny vahoaka monina any, mahery;
ny tanàna, sady mimanda no lehibe;
ny zanak’i Enàka aza, hitanay any koa.
Amaleka no monina amin’ny faritanin’i Negeba;
ny Heteanina, ny Jebozeanina, ary ny Amôreanina
no monina amin’ny tendrombohitra;
ary ny Kananeanina no monina amin’ny moron-dranomasina
sy ny moron’i Jordany.”
Fa i Kabela nampangina ny vahoaka ny amin’i Môizy:
“Andeha isika, hoy izy,
hiakatra haka ny tany fa mety ho lasantsika tokoa izy.”
Nefa hoy kosa ireto olona niara-niakatra taminy:
“Tsy manan-kery isika hananika izany vahoaka izany,
fa mahery noho isika izy.”
Sady nataony laza ratsy teo anatrehan’ny zanak’i Israely
ny tany izay nosafoiny, ka hoy izy:
“Ny tany notetezinay nosafoina dia tany mandevona ny mponina aminy;
ny olona rehetra hitanay tany dia olona avo ranjanana daholo;
ary hitanay tany koa ry rapeto zanak’i Enàka, taranaky ny rapeto:
mova tsy ny valala izahay teo imasony sy teo imasonay.”
Dia nanandra-peo nikiakiaka ny fiangonana rehetra,
ka nitomany ny vahoaka nandritra iny alina iny.
Niteny tamin’i Môizy sy Aarôna ny Tompo nanao hoe:
“Mandra-pahoviana no handeferako ity fiangonana ratsy mimonomonona amiko ity?
Reko ny fimonomononana ataon’ny zanak’i Israely amiko.
Lazao amin’izy ireo hoe:
Velona Aho, hoy ny Tompo;
hataoko aminareo izay noteneninareo tamin’ny sofiko.
Hiampatrampatra amin’ity efitra ity ny fatinareo:
ianareo rehetra izay efa nanaovana fanisana ka voaisa,
ny efa roapolo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko.
Araka ny efapolo andro nisafoanareo ny tany
— fa soloana taona iray ny andro iray, —
no hivesaranareo efapolo taona ny hadisoanareo,
ka dia ho hitanareo izany hoe fihatahako aminareo.
Izany no teniko, Izaho Tompo.
Izany no ataoko amin’ity fiangonana ratsy izay niodina tamiko.
Ho levona aty an’efitra aty izy, ho faty aty.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 105, 6-7a. 13-14. 21-22. 23
Nanota toy ny Razanay izahay,
nanao izay meloka sy ratsy.
Ny Razanay tany Ejipta
tsy nahatsapa ny asanao mahagaga.
Kanjo nalaky nanadino ny asany,
sy tsy nahandry ny lahany:
fa voan’ny fitsiriritana tany an’efitra,
ka naka fanahy an’Andriamanitra tany an-tany foana.
Hadinony Andriamanitra Mpamonjy azy,
Ilay nanao zava-dehibe tany Ejipta,
zava-mahagaga tany an-tanin’i Kama,
zava-mahatahotra teo an-dRiakan-Jozoro.
Dia nilaza handringana Izy,
raha tsy i Môizy ilay voafidiny,
no nisosoka nitokona teo anoloany,
mba hanoha ny havinirany tsy hahavoa.
Aleloia. Aleloia.
Manantena ny Tompo ny fanahiko,
miandry ny teniny aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 15, 21-28)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nankany amin’ny faritanin’i Tira sy i Sidôna.
Ary indro nisy vehivavy kananeanina anankiray
nivoaka avy tamin’izany tany izany niantsoantso mafy nanao hoe:
“Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak’i Davida,
fa ampijalian’ny demony mafy loatra ny zanako vavy”;
fa tsy namaly azy i Jesoa na dia indraim-bava aza.
Dia nanatona niangavy taminy ny mpianany nanao hoe:
“Roahy izy fa mikiakiaka manaraka antsika.”
Ary hoy ny navaliny azy:
“Tsy nirahina afa-tsy ho an’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely Aho.”
Fa nanatona ihany ravehivavy ka niankohoka teo anatrehany,
ary nanao hoe:
“Tompo ô, vonjeo aho!”
Nefa novaliany hoe:
“Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboa.”
Ary hoy ravehivavy:
“Marina izany, Tompoko,
nefa ny amboakely mba mihinana ny sombintsombiny latsaka
avy amin’ny latabatry ny tompony ihany.”
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:
“Ravehivavy, lehibe ny finoanao,
aoka ho tanteraka aminao araka izay irìnao.”
Dia sitrana tamin’izany ora izany ihany ny zanany vavy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco