Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy (Kôl. 1, 1-8)

Tonga atý aminareo toy ny ahatongavany eo amin’izao tontolo izao ny teny fahamarinana.

I Paoly Apôstôlin’i Jesoa Kristy, noho ny sitrapon’Andriamanitra,
sy i Timôte rahalahy,
dia mamangy ny olona masina sy ny mpino havana ao amin’i Kristy Jesoa,
any Kôlôsy:
homba anareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika!
Tsy tapaka ny misaotra an’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika izahay,
amin’ny fivavahana ataonay ho anareo,
hatramin’ny nandrenesanay ny finoanareo an’i Kristy Jesoa,
sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra,
noho ny fanantenanareo ny valisoa miandry anareo any an-danitra,
araka ny renareo tamin’ny teny marin’ny Evanjely.
Ny Evanjely efa tonga atý aminareo,
dia tonga amin’izao tontolo izao mihitsy,
sady vokatra sy mitombo toy ny atý aminareo koa,
hatramin’ny andro nandrenesanareo azy
sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan’Andriamanitra ao anatin’ny marina,
araka ny fampianarana noraisinareo tamin’i Epafrasy,
izay namanay malalanay amin’ny fanompoana an’Andriamanitra,
sy mpandraharahan’i Kristy mahatoky tokoa, ao aminareo.
Izy no nandrenesanay ny fitiavanareo ara-panahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 51, 10. 11

Matoky ny hatsaram-pon’Andriamanitra mandrakizay aho.

Fototr’ôliva maitso mavana aho
ao an-tranon’Andriamanitra,
matoky ny hatsaram-pon’Andriamanitra
mandrakizay antaranoana.

Izaho hidera Anao noho ny asanao,
ry Ilay mandrakizay!
hitory ny Anaranao izay tsara,
anoloan’ny mpivavaka aminao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 38-44)

Tsy maintsy mitory ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny tanàna maro hafa koa Aho, fa izany no nanirahana Ahy.

Tamin’izany andro izany,
nony nitsangana niala tao amin’ny sinagôga i Jesoa,
dia niditra tao an-tranon’i Simôna.
Sendra azon’ny tazo mahery ny rafozambavin’i Simôna tamin’izay,
ka niangavian’ny olona Izy hahasitrana azy.
Niondrika teo amin’ny marary Izy nandidy ny tazo,
dia niala ny tazo,
ka nitsangana niaraka tamin’izay ravehivavy ary nampihinana azy ireo.

Nony maty ny masoandro,
izay nanana marary na inona na inona aretiny
dia samy nitondra ny azy teo aminy,
ka nametra-tanana tamin’izy ireo tsirairay avy dia nahasitrana azy.
Nisy demony nivoaka tamin’ny olona maro koa niantso hoe:

“Ianao no Zanak’Andriamanitra”;

fa norahonany tsy hiteny izy ireo noho izy nahalala Azy ho i Kristy.

Raha vao naraina ny andro,
dia lasa nankany amin’ny toerana mangingina anankiray Izy.
Vahoaka maro no nandeha nikaroka Azy,
ka nony tonga tao aminy dia nitady hihazona Azy tsy hisaraka aminy intsony;
fa hoy Izy taminy:

“Tsy maintsy mitory ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny tanàna maro hafa koa Aho,
fa izany no nanirahana Ahy.”

Dia nitory teny tao amin’ny sinagôgan’i Galilea manontolo Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 5, 1-6. 9-11)

Maty ho antsika Izy, mba hahatonga antsika hiara-belona aminy.

Ry kristianina havana,
ny amin’ny andro sy ny fotoana hiavian’ny Tompo,
dia tsy ilaina akory ny hanoratanay izany aminareo,
satria efa mahalala marina rahateo ianareo
fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo.
Amin’ilay hanaovan’ny olona hoe:

“Fiadanana sy fandriam-pahalemana re izany!”

iny indrindra no hilatsahan’ny fandringanana tampoka amin’izy ireo,
tahaka ny fihetsehan-jaza amin’ny bevohoka,
ka tsy afa-mandositra izy.

Ianareo, anefa, ry kristianina havana,
dia tsy mba ao amin’ny maizina,
ka tsy mba hanampoka anareo toy ny mpangalatra izany andro izany;
fa zanaky ny mazava avokoa ianareo, ary zanaky ny andro koa;
tsy misy an’ny alina isika na an’ny maizina akory.
Koa aza mba matory tahaka ny sasany isika,
fa aoka hiari-tory sy hifady hanina.
Satria tsy ho an’ny fahatezerana no nanendren’Andriamanitra antsika,
fa ny hahazo famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompotsika,
izay maty ho antsika mba hahatonga antsika hiara-belona aminy,
na mahatsiaro na matory isika.
Noho izany àry, mifanalà alahelo ianareo,
ary mifamporisiha handroso,
araka ny efa ataonareo rahateo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 26, 1. 4. 13-14

Matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo any amin’ny tanin’ny velona.

Ny Tompo no fanilo sy vonjiko:
iza no hatahorako?
Ny Tompo no mandan’ny aiko:
zovy no hangovitako?

Fangatahana tsy mahasasatra ahy
sy tozoiko indrindra, ry Tompo:
dia ny honina ao an-tranon’ny Tompo
amin’ny andro rehetra iainako.

Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo
any amin’ny tanin’ny velona.
Mahandrasa ny Tompo, marisiha;
mahereza fo, mahandrasa ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 31-37)

Fantatro raha Ianao, dia Ilay Masin’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nidina tany Kafarnaôma tanànan’i Galilea,
ka nampianatra ny olona tamin’ny sabata,
ary gaga ny olona tamin’ny fampianarany,
satria niteny toy ny manam-pahefana Izy.
Tao amin’ny sinagôga dia nisy lehilahy azon’ny demony maloto,
ka niantso mafy nanao hoe:

“Aoka re,
fa mifandraharaha inona aminao izahay,
ry Jesoa avy any Nazareta ô?
Tonga handringana anay va Ianao?
Fantatro raha Ianao,
dia ilay Masin’Andriamanitra.”

Fa notenenin’i Jesoa mafy izy nataony hoe:

“Mangina ary mialà amin’io lehilahy io.”

Dia nandavo azy tamin’ny tany teo afovoan’ny olona teo ny demony
vao nivoaka niala taminy,
nefa tsy nandratra azy akory.
Talanjona izy rehetra, ka nifampilaza hoe:

“Teny manao ahoana re izany?
fa mandidy ny fanahy maloto amin-kery sy fahefana Izy,
dia miala ireny.”

Ary niely tamin’izany tany rehetra izany ny lazany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 4, 13-18)

Amin’ny alalan’i Jesoa no hitondran’Andriamanitra ireo nody mandry hiaraka aminy koa.

Ry kristianina havana,
tsy tianay ny tsy hahafantaranareo ny amin’izay efa nody mandry,
sao dia malahelo toy ny sasany tsy manam-panantenana koa ianareo.
Fa araka ny inoantsika an’i Jesoa ho efa maty sy nitsangan-ko velona
no hitondran’Andriamanitra an’izay nody mandry hiaraka aminy koa,
amin’ny alalan’i Jesoa.
Ka izao no lazainay aminareo, araka ny tenin’ny Tompo:
Isika izay velona sy tavela ho amin’ny fiavian’ny Tompo,
dia tsy mba hialoha izay efa nody mandry tsy akory;
fa hisy baiko homena, sy feon’arkanjely, ary feon-trômpetran’Andriamanitra,
dia hidina avy any an-danitra ny tenan’Izy Tompo,
ka izay maty tao amin’i Kristy no hitsangana aloha;
rahefa izany,
hakarina hiaraka amin’izy ireo eny amin’ny rahona koa isika velona sisa tavela,
hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka
dia ho any amin’ny Tompo mandrakizay isika.
Koa izany teny izany àry no aoka hifanalanareo alahelo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 95, 1 sy 3. 4-5. 11-12. 13

Tamy ny Tompo hitsara ny tany.

Ihirao hira vao ny Tompo!
Ihirao ny Tompo, ry tany tontolo!
Ambarao ny firenena ny voninahiny,
ny vahoaka rehetra, ny asany mahagaga!

Fa lehibe ny Tompo sy mendri-dera fatratra,
mahatahotra noho ny andriamanitra rehetra!
Ny andriamanitr’ireo vahoaka tsinontsinona avokoa;
ny Tompo kosa nanao ny lanitra!

Aoka hifaly ny lanitra, hiravo ny tany,
hidobodoboka ny riaka sy izay mameno azy,
hibitaka ny saha sy izay rehetra ao aminy,
hanakora avokoa ny hazo any an’ala.

Mba hitsena ny Tompo;
fa tamy Izy mba hitsara ny tany,
hitsara ny tontolo araka ny rariny,
sy ireo vahoaka araka ny hitsiny!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 16-30)

Nirahiny hitory ny teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho... Tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia tonga tany Nazareta tanàna nahabe Azy,
ary niditra tao amin’ny Sinagôga araka ny fanaony tamin’ny andro sabata,
ary nitsangana hanao ny famakian-teny.
Natolotra Azy ny bokin’i Izaia mpaminany,
ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe:

“Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo,
fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy
sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo,
hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba,
hanafaka izay nampahorìna
ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo sy ny andron’ny famaliana.”

Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin’ny mpitandrina
ka nipetraka Izy,
ary nifantoka tany aminy avokoa ny mason’izy rehetra tao amin’ny sinagôga.
Dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe:

“Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany.”

Ary nankalaza Azy izy rehetra,
sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy ireo:

“Tsy ny zanak’i Jôsefa va itý?”

Ary hoy kosa i Jesoa taminy:

“Marina raha tsy ataonareo amiko ilay ohabolana hoe:

‘Dokotera, sitrano aloha ny tenanao.
Ny zava-mahagaga renay nataonao tany Kafarnaôma
mba ataovy eto amin’ny tany nahabe Anao koa.’

Dia notohiziny hoe:

“Lazaiko marina aminareo
fa tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy.
Ary lazaiko marina aminareo koa
fa maro ny mpitondratena tamin’i Israely tamin’ny andron’i Elia,
raha nihantona telo taona sy enim-bolana ny orana
ka voan’ny mosary mafy ny tany rehetra,
nefa tamin’izy ireo tsy nisy nanirahana an’i Elia na dia anankiray aza,
fa tamin’ilay vehivavy mpitondratena tany Sareptà
any amin’ny tany Sidôna ihany;
ary be koa ny boka tao amin’i Israely tamin’ny andron’i Elisea mpaminany,
nefa tsy nisy sitrana na iray aza,
fa i Naamàna Sirianina ihany.”

Dia tezitra mafy izay rehetra tao amin’ny sinagôga raha nandre izany,
ka tafatsangana nandroaka Azy hiala ao an-tanàna,
sady nitondra Azy tany an-tampon’ny tendrombohitra iorenan’ny tanànany
mba hazerany any an-tevana;
fa namaky teo afovoan’izy ireo Izy, dia lasa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 20, 7-9)

Ny tenin’ny Tompo tonga fandatsana ho ahy.

Notarihinao aho, ry Tompo, ka voatarika.
Nosamborinao aho, ka nahery Ianao.
Zavatra fihomehezana aho isan’andro;
maneso ahy avokoa ny olona rehetra.
Fa isaky ny miteny aho, dia manao antso avo,
manambara loza sy fandringanana,
ka ny tenin’ny Tompo tonga fandatsana sy fihomehezana ahy isan’andro.
Hoy aho:

“Tsy hilaza ny aminy intsony aho,
tsy hiteny amin’ny Anarany intsony aho!...”

dia nisy toy ny afo nirehitra ato am-poko,
voahidy ao anatin’ny taolako;
nanao izay hihazonana azy aho,
nefa tsy nahatana azy.

— Izany ary ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 62, 2. 3-4. 5-6. 8-9

Mangetaheta Anao ny fanahiko, ry Tompo Andriamanitro.

Andriamanitra ô, Ianao no Andriamanitro!
Vao maraina aho maniry Anao;
mangetaheta Anao ny fanahiko;
matimaty Anao ny nofoko;
toy ny tany maina sy mangentana,
toy ny tany haraka, mila rano!

Tao an-toerana masina
no nahitako Anao;
tao aho nibanjina
ny herinao sy ny voninahitrao:
ka ny molotro nidera Anao,
fa ny fitiavanao, tsara noho ny aina!

Eny, hisaotra aho raha mbola velona;
ny Anaranao hanandratako tanana:
ka ny fanahy ho heni-tsoa,
ny molotra hihoby, ny vava hidera.

Fa notsenainao ny vonjinao aho,
ka mibitaka alofan’ny elatrao;
ny fanahiko mifikitra aminao,
ny tananao mihazona ahy.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 12, 1-2)

Samia re manolotra ny tenanareo ho sorona velona.

Ry kristianina havana,
mangataka aminareo aho,
noho ny famindram-pon’Andriamanitra,
samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo,
ho sorona velona, masina, ankasitrahiny;
fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy.
Ary aza manaraka an’izao tontolo izao,
fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy,
mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra,
izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.

— Izany ary ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao amin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 21-27)

Raha misy te hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany.

Tamin’izany andro izany,
dia noborahin’i Jesoa tamin’ny mpianany
fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy,
ary hoampijalian’ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona,
dia hovonoina,
ary hitsangan-ko velona rehefa afaka hateloana.
Ary naka Azy hitanila kely i Piera ka niteny Azy mafy hoe:

“Sanatria, Tompo, raha hihatra aminao izany!”

Fa nihodina Izy ka nilaza tamin’i Piera hoe:

“Mialà amiko, ry Satana!
Manafintohina Ahy ity ianao,
satria tsy mihevitra araka ny hevitr’Andriamanitra,
fa araka ny an’ny olona”.

Ary tamin’izay i Jesoa dia nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Raha misy te hanaraka Ahy,
aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany,
ka hanaraka Ahy.
Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy,
ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy.
Inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy,
nefa very ny fanahiny?
Fa ny Zanak’olona dia ho avy amin’ny voninahitry ny Rainy
miaraka amin’ny Anjeliny,
ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy”.

— Izany ary ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 4, 9-12)

Ny tenanareo no nampianarin’Andriamanitra hifankatia mba hifankatiavanareo.

Ry kristianina havana,
ny amin’ny fifankatiavan’ny mpirahalahy,
dia tsy ilaina ny hanoratana izany aminareo,
satria tenanareo no nampianarin’Andriamanitra hifankatia
sady efa manao izany rahateo amin’ny rahalahy rehetra eran’i Masedônia ianareo.
Miangavy aminareo anefa izahay, ry kristianina havana,
mba handroso kokoa mandrakariva amin’izany.
Mahaiza miaina amim-piadanana,
sy manatanteraka tsara ny raharahanareo,
ary miasa tanana araka ny nandidianay anareo,
mba handehananareo amim-pahamendrehana amin’izay eo ivelany,
sy tsy hiankinanareo amin’olona foana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 97, 1. 7-8. 9

Tamy ny Tompo hitsara ireo vahoaka araka ny hitsiny.

Ihirao hiravao ny Tompo:
fa nahavita zava-mahagaga!
Namonjy Azy ny tanany havanana,
nanampy Azy ny sandriny masina!

Aoka hidobodoboka ny ranomasina sy izay mameno azy,
izao rehetra izao sy izay monina ao aminy!
Ny ony aoka hiteha-tanana;
ny vohitra indray hanakora.

Mba hitsena ny Tompo izay tamy!
Fa tamy Izy mba hitsara ny tany,
hitsara ny tontolo araka ny rariny,
sy ireo vahoaka araka ny hitsiny!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 14-30)

Satria nahatoky tamin’ny zavatra kely ianao, dia miaraha mifaly amin’ny tomponao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza itý fanoharana itý tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Andriamanitra hanao tahaka ny lehilahy anankiray handeha hivahiny
ka niantso ny mpanompony sy nametraka ny fananany taminy.
Ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray;
samy araka ny fahaizany avy dia lasa nandeha izy.
Ilay nandray talenta dimy dia nandeha nampiasa izany,
ka nahazo tombom-barotra dimy koa.
Toraka izany ilay nandray roa dia nahazo tombom-barotra roa koa;
fa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray kosa,
nandeha nihady tany, dia naleviny tao ny volan’ny tompony.

Nony ela dia niverina ny tompon’ireo mpanompo ireo,
ka nampamoaka azy ny amin’ny volany.
Dia nanatona ilay nandray talenta dimy,
nitondra talenta dimy hafa koa ka nanao hoe:

‘Talenta dimy, tompoko, no napetrakao tamiko,
ary indreto nahazo tombom-barotra talenta dimy koa aho.’

Dia hoy ny tompony taminy:

‘Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky,
noho ianao nahatoky tamin’ny kely
dia hataoko mpitantana ny be ianao:
miaraha mifaly amin’ny tomponao.’

Ary nanatona koa ilay nandray talenta roa, dia nanao hoe:

‘Talenta roa, tompoko, no napetrakao tamiko,
ary indro nahazo tombom-barotra roa hafa aho.’

Dia hoy ny tompony taminy:

‘Tsara izany, ry mpanompo tsara, sy mahatoky,
noho ianao nahatoky tamin’ny kely,
dia hataoko mpitantana ny be ianao:
miaraha mifaly amin’ny tomponao.’

Dia mba nanatona kosa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray ka nanao hoe:

‘Tompoko, fantatro fa olona lozabe ianao,
fa mijinja amin’izay tsy namafazanao,
ary manangona amin’izay tsy nanahafanao,
ka natahotra aho,
dia lasa naleviko tany anaty tany ny talentanao;
koa indro averiko aminao ny anao.’

Namaly ilay tompony ka nanao taminy hoe:

‘Ry mpanompo ratsy sady kamo,
fantatrao fa mijinja amin’izay tsy namafazako aho,
ary manangona amin’izay tsy nanahafako;
koa tokony ho napetrakao tany amin’ny mpampanàna ny volako,
ary rahefa tonga aho dia ho nandray ny ahy mban-janany.
Alao àry ny talenta any amin’io ka omeo ilay manana talenta folo;
fa izay manana no homena, ka hanam-be izy,
fa izay tsy manana kosa dia halaina aminy mbamin’izay ananany aza.
Ary ilay mpanompo tsy vanon-ko inona
dia ario any amin’ny maizina any:
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.’

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 4, 1-8)

Ny hanamasinanareo ny tenanareo no sitrapon’Andriamanitra.

Ry kristianina havana,
izao no angatahinay sy ihantanay aminareo ao amin’i Jesoa Tompo:
efa nianaranareo taminay izay fitondran-tena mety hankatsitrahan’Andriamanitra,
sady efa arahinareo koa,
ka mandrosoa mandrakariva amin’ny fandehanana araka izany.
Efa fantatrareo araka ny didy nomenay anareo avy amin’i Jesoa Tompo,
fa ny hanamasinanareo ny tenanareo no sitrapon’Andriamanitra:
dia ny hifadianareo ny fijangajangana,
sy ny hahaizanareo tsirairay avy manana ny fanaky ny tenanareo
amin’ny fahamasinana sy fananan-kaja,
fa tsy amin’ny filan-dratsin’ny nofo araka ny fanaon’ny jentily
izay tsy mahalala an’Andriamanitra,
ary ny tsy hisian’ny olona manao an-keriny
na an-kafetsena amin’ny rahalahiny amin’izany raharaha izany,
fa ny Tompo no mpamaly izany rehetra izany,
araka ny efa voalazanay sy nasehonay marina taminareo;
satria tsy ho amin’ny fahalotoana,
fa ho amin’ny fahamasinana no niantsoan’Andriamanitra antsika.
Koa izay manamavo izany didy izany,
dia tsy manamavo olombelona, fa manamavo an’Andriamanitra,
izay nanome ny Fanahy Masina ho ao aminareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 96, 1 sy 2b. 5-6. 10. 11-12

Mifalia ao amin’ny Tompo, ry olo-marina!

Aoka hifaly izany tany fa manjaka izao ny Tompo,
koa samia manao koràna ianareo nosy maro
fa ny rahona no lamba ihodidinan’ny Mpanjaka.
E! ny rariny sy ny hitsiny ijoroany ao an-drova.

Fa ny tany raha mahita tsy mitsaha-mihorohoro,
tendrombohitra amin’izany dia mitsonika mikoa.
Fahamarinany no tian’izany lanitra hambara;
voninahiny tazano hita mason’ny vahoaka.

Andriamanitra mahery sy ambony tsisy fetra:
Ianao manerinerina mifehy ny tontolo.
Ianareo izay tia ny Tompo, andosiro re ny ratsy,
fa ny Tompo dia mitandrina an’ireo izay mino Azy.

Ny hazavana vao mitranga: ny olo-marina no tràny,
ka somebin-karavoana izay mahitsy fo rehetra.
Mifalia, ry olo-marina, eo imason’izy Tompo.
Eny, masina ny Anarany, koa tongava ianao hisaotra!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 1-13)

Intý tamy ny mpampakatra mandehàna mitsena azy ianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza itý fanoharana itý tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny virjiny folo izay naka ny fanalany,
ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina.
Ny dimy tamin’izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry;
ny dimy adala nitondra fanala fa tsy nitondra solika;
fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin’ny fitoeran-tsolika.
Ary noho ny fahelan’ny mpampakatra, dia samy rendremana izy rehetra ka natory.

Fa nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso mafy hoe:

‘Intý tamy ny mpampakatra, mandehàna mitsena azy ianareo.’

Tamin’izay, dia niarina ireo virjiny rehetra ireo ka nanamboatra ny jirony.
Ary hoy ny adala tamin’ny hendry:

‘Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay,
fa efa ho faty ny jironay.’

Hoy ny navalin’ny hendry azy:

‘Ndrao tsy ampy ho anay sy anareo,
fa aleo mankany amin’ny mpivarotra ianareo,
ka mividiana ho anareo.’

Ary raha mbola nandeha hividy izy, dia tonga ny mpampakatra
ka izay efa niomana no niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady,
dia nohidiana ny varavarana.
Nony afaka kelikely,
dia tonga kosa ireto virjiny sasany ka nanao hoe:

‘Tompoko, tompoko, vohay izahay.’

Fa hoy ny navaliny azy:

‘Lazaiko aminareo fa tsy fantatro akory ianareo.’

Koa miambena ianareo, fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Diakra miisa 19 sy pretra 16, no hohamasinina amin'ny Andron'ny Diôsezin'Antananarivo, ny alahady 27 aogositra 2023... ♦ Tsy maintsy mandray an'i Masina Maria mitoetra ao aminy, ireo izay milaza fa mpianatr'i Kristy, hoy i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, tamin'ny fankalazana an'i Masina Maria Mpanjakavavy... ♦ Tanterahana ao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga ny 23 hatramin'ny 27 aogositra 2023, ny Lasy Nasiônaly "Balto 2", ho an'ny Lovitao eto Madagasikara...

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 3, 7-13)

Andriamanitra anie hampitombo anareo amin’ny fifankatiavana sy amin’ny fitiavanareo ny olona rehetra.

Ry kristianina havana,
afaka alahelo ny aminareo izahay,
teo amin’ny fahaterena amam-pahorianay rehetra, noho ny finoanareo;
velona terý izahay izao,
mahita anareo maharitra tsara ao amin’ny Tompo.
Fisaorana manao ahoana re no azonay avaly an’Andriamanitra,
noho ny aminareo sy noho ny hafaliana tanteraka tsaroanay
noho ny aminareo eo anatrehan’Andriamanitra!
Endrey, izany fangatahanay an-kafanam-po lehibe andro aman’alina
hahita tava anareo, sy hameno izay tsy ampy amin’ny finoanareo!
Enga anie ka ny tenan’Andriamanitra Raintsika, sy i Jesoa Kristy Tompontsika
no hanitsy lalana anay ho atý aminareo;
ary ny Tompo hampitombo sy hampandroso anareo amin’ny fifankatiavanareo
sy amin’ny fitiavanareo ny olona rehetra,
tahaka anay aminareo izao!
Hankahery ny fonareo anie Izy,
ary hiaro azy tsy hanan-tsiny amin’ny fahamasinana
eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika,
ho amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika
mbamin’ny olo-masiny rehetra. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 89, 3-4. 12-13. 14 sy 17

Hetsaho faingana amin’ny hatsaram-ponao izahay, ry Tompo, ka hihoby sy hifaly amin’ny andronay sisa.

Nampodinao ho vovoka ny arin-tananao.
Miverena, hoy Ianao, ry taranaka voafetra.
Toy ny aloka miserana aminao ny arivo taona:
tsidik’andro kely fohy, pitik’alina mimaona.

Ampianaro anay, ry Tompo, ny manisa ny andronay;
atodiho fo fanahy mba hikatsa-pahendrena.
Miverena re, ry Tompo, aza ela fa tongava:
mangoraha ka tsinjovy mba ho soa ny olonao.

Vao maraina dia hetsaho ny fitiavanao izahay,
ka ho revon-kafaliana sy hiantsa isan’andro.
Ary homba anay izao ny fanambinanao, ry Tompo,
hanamafy sy hampamokatra ny asan-tananay.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 24, 42-51)

Miambena ianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Miambena àry,
fa tsy fantatrareo izay tapak’andro hiavian’ny Tomponareo.
Hevero tsara fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hiavian’ny mpangalatra,
dia hiambina izy fa tsy havelany hotamîna ny tranony.
Koa aoka àry ho vonona koa ianareo,
fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.
Iza moa no mpanompo mahatoky sy hendry
izay notendren’ny tompony ho mpifehy ny ankiziny,
mba hanome hanina azy amin’ny fotoany?
Sambatra izany mpanompo izany raha tonga ny tompony
ka mahita azy manao izany;
lazaiko marina aminareo fa hotendreny ho mpitantana ny fananany rehetra izy.
Fa raha ratsy fanahy kosa ilay mpanompo ka manao anakampo hoe:

‘Mbola ho ela ny tompoko vao ho avy’,

ka mikapoka ny mpanompo namany izy
sy miara-mihinana sy misotro amin’ny mpimamo,
dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny
sy amin’ny ora tsy fantany ny tompon’izany mpanompo izany,
ka hotapahiny roa izy
ary haraikiny ho any amin’ny mpihatsaravelatsihy ny anjarany;
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 2, 9-13)

Sady niasa andro aman’alina izahay no nitory ny Evanjely taminareo.

Ry kristianina havana,
he tsaroanareo ny fikelezana aina amam-pisasaranay,
fa sady niasa andro aman’alina izahay,
no nitory ny Evanjelin’Andriamanitra tany aminareo,
mba tsy hahavaky tratra olona na dia iray taminareo aza.
Ianareo no vavolombelona, ary Andriamanitra koa,
fa masina sy marina ary tsy nanan-tsiny teo imasonareo izay mino,
ny fitondran-tenanay;
hoatra ny fanaon-dray aman-janaka no nataonay taminareo tsirairay avy,
araka ny hitanareo;
fa nananatra anareo izahay, nanala alahelo anareo,
namepetra anareo mafy mba handehananareo mendrika an’Andriamanitra,
izay niantso anareo ho amin’ny fanjakany sy ny voninahiny.
Noho izany,
dia tsy tapaka ny misaotra an’Andriamanitra koa izahay
satria tamin’ny nandraisanareo ny tenin’Andriamanitra notorinay,
dia tsy noraisinareo ho tenin’ny olombelona izany,
fa noraisinareo araka ny marina tokoa,
ho tenin’Andriamanitra, izay miasa ao anatinareo efa mino.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 138, 7-8. 9-10. 11-12ab

Tompo ô, mandinika ahy Ianao ka mahafantatra.

Aiza no hialako amin’ny fofon’ainao?
Aiza no handosirako tsy ho anoloanao?
Raha mananika ny lanitra aho, any Ianao;
mitokoko any an-tSeoly, io koa Ianao.

Raha maka ny elatry ny mazava atsinanana aho,
mba honina any am-paran’ny ranomasina,
mbola ny tananao no mitondra ahy any,
eny: ny tananao no mitantana.

Ka hoy aho hoe: Ny haizina no aoka hanarona!
Ny alina no hifonosako!
Kanjo na ny haizina aza, tsy maizina aminao;
ny alina avy no mazava toy ny andro.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 27-32)

Zanak’izay namono ny mpaminany ianareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao hoe:

“Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy,
fa tahaka ny fasana voalalotra fotsy ianareo eto ivelany
ka miseho ho tsara,
fa ao anatiny feno taolam-paty sy olitra.
Toy izany koa,
ianareo eto ivelany miseho ho marina eo imason’ny olona,
nefa ao anatinareo feno fihatsarambelatsihy sy faharatsiana.
Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy,
fa manamboatra ny fasan’ny mpaminany ianareo
sady manisy haingony ny tsangam-baton’ny olo-marina ka manao hoe:

‘Raha izahay no mba tamin’ny andron’ny razanay,
dia tsy ho niray tetika taminy,
handatsaka ny ran’ny mpaminany izahay.’

Koa amin’izany ny tenanareo ihany no mitsangan-ko vavolombelona
fa zanak’izay namono ny mpaminany ianareo.
Fenoy àry ny famaran’ny razanareo!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 2, 1-8)

Tsy ny Evanjelin’Andriamanitra ihany no nirinay homena anareo fa ny ainay koa aza.

Ry kristianina havana,
tenanareo no mahalala, fa tsy foana ny fidiranay tatý aminareo;
fa nony avy nampahoriana sy nalam-baràka tany Filipy izahay,
araka ny fantatrareo rahateo,
dia tonga nitory ny Evanjelin’Andriamanitra tatý aminareo,
tamim-pitokiana lehibe an’Andriamanitra sy tanatin’ny ady mangotraka.
Fa tsy mba avy amin’ny fitaka, na ny fahalotoana, na ny hafetsena ny fitorianay teny,
fa araka ny nankasitrahan’Andriamanitra
ny hametrahana ny Evanjely aminay no ampianaranay azy,
tsy toy ny mila sitraka amin’ny olombelona,
fa amin’Andriamanitra izay mizaha toetra ny fonay.
Satria tsy mba nanao teny fandokafana na oviana na oviana izahay,
araka ny fantatrareo;
na mba nanao ny asanay ho filam-bola (Andriamanitra no vavolombelona),
na nitady voninahitra tamin’olombelona,
na taminareo izany, na tamin’ny hafa;
ary na dia azonay natao aza ny manampatra fahefana,
noho ny maha-Apôstôlin’i Kristy anay,
dia naleonay nanetry tena teo aminareo,
mova tsy ny reny mitaiza ny zanany.
Fa noho ny fitiavanay anareo,
dia tsy ny Evanjelin’Andriamanitra ihany no nirinay homena anareo,
fa ny ainay koa aza,
satria efa tonga maminay loatra ianareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 138, 1-2. 3-4. 5-6

Tompo ô, mandinika ahy Ianao ka mahafantatra!

Tompo ô, mandinika ahy Ianao,
ka mahafantatra!
Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana;
mbola lavitra, dia tsinjonao ny hevitro!

Voadinikao aho na mamindra na miato;
ny lalako tsy misy manavao Anao.
Ny teny tsy mbola eo amin’ny lelako,
dia indro, ry Tompo, efa fantatrao tontolo!

Voambombanao aho na aloha na aoriana;
ny tananao mipetraka eo amboniko!
Fahalalana mahagaga loatra amiko;
avo loatra, tsy hamboiko takarina!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Araikao amin’ny Fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny Lalànao no aoka hanenika ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 23-26)

Izany no tsy maintsy arahinareo, nefa ireroa koa tsy azonareo avela.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny nanao hoe:

“Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy,
fa ny ampahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komina aloanareo;
nefa ny zavatra lehibebe kokoa amin’ny Lalàna tsy tandremanareo,
dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana.
Izany no tsy maintsy arahinareo,
nefa ireroa koa tsy azonareo avela.
Ry mpitari-dalana jamba,
ny moka tantavaninareo, nefa ny rameva atelinareo!
Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy,
fa ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia diovinareo,
nefa ny ao anatiny feno halatra sy tsy fahonònana.
Ry Farisianina jamba,
diovy aloha ny atin’ny kapoaka sy ny lovia
mba ho madio koa ny vohony.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 1, 2b-5. 8b-10)

Niala tamin’ny sampinareo ianareo, ary mitodika any amin’Andriamanitra, miandry ny Zanany ilay natsangany ho velona.

Ry kristianina havana,
misaotra an’Andriamanitra mandrakariva noho ny aminareo rehetra izahay,
sady manonona anareo amin’ny fivavahanay,
ary tsy tapaka ny mahatsiaro eo imason’Andriamanitra Raintsika ny asan’ny finoanareo,
sy ny fahafoizan-tenan’ny fitiavanareo,
ary ny faharetan’ny fanantenanareo an’i Jesoa Kristy Tompontsika;
fa fantatray, ry havana malalan’Andriamanitra, fa olom-boafidy ianareo,
satria ny fitorianay ny Evanjely tany aminareo dia tsy tamin’ny teny ihany,
fa tamin’ny hery koa, sy tamin’ny Fanahy Masina, ary tamin’ny fampiekena tanteraka;
sady fantatrareo koa izay toetranay tany aminareo ho an’ny famonjena anareo.
Niely hatraiza hatraiza ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra,
ka tsy mila ny hilazanay intsony ny olona.
Fa izy rehetra ihany no miresaka ny aminay,
ka mitantara ny nahazoanay fidirana ho atý aminareo,
sy ny nialanareo tamin’ny sampy mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina,
sy hiandry ny Zanany avy any an-danitra, izay natsangany ho velona,
dia i Jesoa izay manafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 149, 1-2. 3-4. 5-6a sy 9b

Sitraky ny Tompo ny vahoakany.

Ihirao hira vao ny Tompo!
Derao ao am-piangonan’ny mpivavaka Izy!
I Israely aoka hifaly amin’Ilay nanao azy;
ny zanak’i Siôna hiravo amin’ilay Mpanjakany.

Hidera ny Anarany amin-dihy,
hiantsa Azy amin’amponga sy lokanga!
Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany;
ravahany fandresena ny ory!

Ny mpivavaka aoka hientana amin’ny voninahiny,
sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba:
fankalazana am-bava an’Andriamanitra,
no voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 13-22)

Loza ho anareo, ry mpitarika jamba!

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny nanao hoe:

“Loza ho anareo mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy
fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra;
ka ny tenanareo tsy miditra, ny olona hiditra sakananareo.
Loza ho anareo, mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy,
noho ianareo mitetitety ny ranomasina sy ny tanety
mba hahazo mpianatra na dia iray aza;
ka nony mahazo ianareo,
dia ataonareo zanaky ny gehen’afo mihoatra indroa noho ianareo.
Loza ho anareo, ry mpitari-dalana jamba izay manao hoe:

‘Raha misy mianiana amin’ny tempoly,
dia tsy mampaninona izany;
fa raha misy mianiana amin’ny volamena izay ao amin’ny tempoly,
dia voafehy izy.’

Ry adala sy jamba, iza no ambonimbony kokoa,
ny volamena sa ny tempoly izay mahamasina ny volamena?
Ary koa:

‘Raha misy mianiana amin’ny ôtely,
tsy mampaninona izany;
fa raha misy mianiana amin’ny fanatitra eo amboniny,
dia voafehy izy.’

Ry jamba, iza no ambonimbony kokoa,
ny fanatitra sa ny ôtely izay mahamasina ny fanatitra?
Koa amin’izany izay mianiana amin’ny ôtely,
dia mianiana aminy sy amin’izay rehetra eo amboniny;
izay rehetra mianiana amin’ny tempoly,
dia mianiana aminy sy amin’Ilay mitoetra ao anatiny;
ary izay mianiana amin’ny lanitra,
dia mianiana amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra,
sy amin’izay mipetraka eo amboniny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 22, 19-23)

Hapetraka eo an-tsorony ny fanalahidin’ny tranon’i Davida.

Izao no lazain’ny Tompo an’i Sôbnà, lehiben’ny ao an-dapa:

“Horoahiko hiala eo amin’ny fitoeranao ianao,
haongan’ny Tompo amin’ny raharahanao ianao”.

Ary izao no hitranga amin’izany andro izany:
Hiantso ny mpanompoko Aho,
dia i Eliasima zanak’i Helkiasa,
ka hampiakanjoiko azy ny akanjo vitanao,
hampanaoviko azy ny samboadinao;
hapetrako eo am-pelatanany ny fahefanao;
dia ho tonga ray izy amin’ny mponina ao Jerosalema,
sy amin’ny taranak’i Jodà.
Hapetrako eo an-tsorony ny fanalahidin’ny tranon’i Davida,
ka hamoha izy, tsy hisy handrindrina;
handrindrina izy, tsy hisy hamoha.
Hatsatoko toy ny fantsika amin’ny toerana mafy izy,
ka hanjary sezam-boninahitra ho an’ny ankohonan-drainy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 137, 1. 3. 6 sy 8bd

Tompo ô, mandrakizay ny hatsaram-ponao, aza atsahatra ny efa nataon’ny tananao.

Midera Anao amin’ny foko tontolo aho,
satria Ianao mihaino ny tenin’ny vavako;
miantsa Anao eo anatrehan’ny Anjely aho,
miankohoka mitodika ny Tempolinao.

Midera ny Anaranao masina aho, ry Tompo,
noho ny fitiavanao sy ny fahamarinanao:
nasehonao ho lehibe ny Anaranao,
sy ho ambonin’ny voaary rehetra ny teninao.

Rehefa miantso aho, Ianao mamaly
sy mampitombo ny hery ato amiko.
Avo ny Tompo ka miondrika amin’ny iva,
ny mpiavona kosa ataony tazan-davitra.
Mandrakizay ny fitiavanao, ry Tompo:
aza atsahatra ny efa ataon’ny tananao.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 11, 33-36)

Avy aminy sy noho Izy ary ho Azy ny zavatra rehetra.

Ry kristianina havana,
endrey, lalina tsy manam-paharitana ny fahendrena amam-pahaizan’Andriamanitra,
tsy azo fantarina ny fitsarany, ary tsy takatry ny saina ny lalany!
Fa iza moa no nahalala izay hevitry ny Tompo,
ary zovy no mpanolo-tsaina Azy?
Sa iza no nanome azy aloha, mba hahazoany valin’izany?
Avy aminy sy noho Izy ary ho Azy ny zavatra rehetra.
Eny, Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-20)

Ianao no Piera, ary omeko anao ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany,
nony tonga tany amin’ny faritany atao hoe: Sezarean’i Filipo i Jesoa,
dia nanontany ny mpianany hoe:

“Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona?”

Ary hoy ireo taminy:

“Ny sasany manao hoe i Joany Batista,
ny sasany i Elia,
ary ny sasany i Jeremia,
na ny anankiray amin’ny mpaminany”.

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho?”

Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe:

“Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona”.

Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany,
fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao,
fa ny Raiko izay any an-danitra.
Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vatolampy)
ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko,
ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra,
ka izay rehetra hofehezinao ety an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra,
ary izay rehetra hovahanao ety an-tany, dia ho voavaha koa any an-danitra”.

Ary tamin’izay,
dia noraràny ny mpianany tsy hilaza amin’ny olona fa Izy no i Kristy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...