15 mey 2025 — Alakamisy, Herinandro Fahefatra fankalazana ny Paka — Nahita Ahy ianao ka nino; fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 16-20)

14 mey 2025 — Masindahy Matiasy, Apôstôly — Fankalazana — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 9-17)

13 mey 2025 — Talata, Herinandro fahefatra Fankalazana ny Paka — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, fantatro izy ary manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 22-30)

12 mey 2025 — Alatsinainy, Herinandro fahefatra Fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 1-10)

11 mey 2025 — Alahady Fahefatra Fankalazana ny Paka — Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho no fantany koa — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 27-30)

• “Ho aminareo anie ny fiadanana”, izay no teny firarian-tsoa voalohany nataon'ny Papa Léon XIV, raha niseho vahoaka voalohany tao Vatican izy. Niarahaba manokana an'i Roma sy i Chiclayo ihany koa izy... • Olona mahafehy ny didy aman-dalana, ny lafiny teknika sy siantifika no handrafitra ny delegasiona hiatrika ilay fivorian'ny vaomiera manokana momba ireo nosy manodidina any Frantsa ny 30 jona 2025... • Fikambanana Mazoto sy Zanadriaka : Nanao fanambarana omaly, nilaza fa tsy hanaiky hatramin'ny farany ny hirosoan'ny tetikasa Base Toliara...

Isika eto Madagasikara dia marefo amin’ny fiovan’ny toetrandro, anisan’ny tratran’ny fatiantoka sy fahasimbana be indrindra isika : Tondra-drano – lalana potika – tetezana tapaka, Olona sy biby maty – fahaverezan’ny karazan-javaman’aina – zavatra tsy azo arenina intsony. Ny fatiantoka sy ny fahasimbana dia maharitra ary misy fiatraikany maro. Manana andraikitra isika amin'ny fanarenana ny tontolo odidin'ny toetr'andro : manao tetik'asa fanarenana, manentana sy manao haitaky ; ny fiangoanana afaka mandray antanana ireo traboina afaka manohana ara-tsaina sy ara-panahy... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

• Voafidy ho Papa faha-267 ny Kardinaly Robert Francis Prevost. Nisafidy ny anarana Léon faha-14 izy amin'izao nahavoafidy azy ho Papa izao... • Nandefa teny fisaorana an'Andriamanitra sy firarian-tsoa ho an'ny Papa Léon XIV, ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ary manentana ny kristianina mba hivavaka ho an'ity Dimbin'i Piera ity... • Maniry hitondra fanitsiana amina sehatr'asa vitsivitsy ho an'ny tetibolam-panjakana 2025 ny Solombavam-bahoaka voafidy tao Arivonimamo, Rajerison Antoine. Efa nankatoavina tamin'ny filankevitry ny minisitra farany teo ny tsy hisian'izay fanitsinana izay, mandritra izao fivorian'ny antenimiera mpanao lalana izao...

Ny famonjena dia tanterahan'i Kristy ilay hany manalalana amin'Andriamanitra sy ny olombelona ; tian'Andriamanitra handray ny famonjena tokoa ny olombelona rehetra. Tsy an-tery ny fitoriana ataon'ny Eglizy na dia tiany aza ny handraisan'ny olona rehetra ny famonjena fa omeny lanja ihany koa ny fanajana ny feon'ny fieritreretan'ny tsirairay, fanajàna ny hafa... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

• Setroka fotsy no nivoaka tamin'ny fantson-tsetroky ny fifidianana Papa, tamin'ny 7 ora hariva teo. Nanakoako tao Vatican ny lakolosy, izay midika fa voafidy ny Papa faha-267, tao aorian'ny latsa-bato ny tolakandro teo... • Mafampana indray ny fifamaliana an-tserasera eo amin'ireo mpomba sy mpanohitra ny fitondrana, niainga tamin'ilay resaka “hozatra” iny. Hitondra ny fanehoan-keviny ny avy amin'ny RMDM... • Tsy hasiam-panitsiana ny lalana mifehy ny teti-bolam-panjakana taona 2025. Maniry ny hitondra fanitsiana teboka vitsivisty anatin'izany anefa ny Solombavam-bahoakan'ny Antoko Fivoi...

♦ Misitraka famatsiam-bola 10 tapitrisa Dôlara hiatrehana ny fiovan'ny toetr'andro, avy amin'ny tahirim-bola maitso i Madagasikara... ♦ Miandrandra mafy ny hihaona mivantana amin'ny mpikamban'ny governemanta ny ankamaroan'ireo solombavambahoaka eny Tsimbazaza, amin'izao fivoriana ara-potoana faharoa izao... ♦ Olona dimy mpanao trafikanà rongony no efa voasambotra tany amin'ny Distrikan'i Betroka, ary an-taoniny ireo rongony no efa tratra, vokatry ny ezaky ny zandary any an-toerana... ♦ Ho fantatra afaka fotoana fohy ny vokatry ny fifidianana Papa vaovao ataon'ireo Kardinaly miisa 133 ao amin'ny Chapelle Sixtine...

♦ Miloko mainty ny setroka nivoaka tamin'ny fantson-tsetroka ao an-tafontranon'ny Lasepely Sixtine omaly. Mbola tsy voafidy araka izany ny Papa... ♦ Nanokana roa andro hanaovana ny fihaonana mivantana hiarahana amin'ireo solombavambahoaka ny governemanta dia ny 12-13 jona ho avy izao... ♦ Vonona ny mpiasan'ny haino vaky jery rehetra hiatrika fifaninana "Iray eny An-kianja" - Intermédia 2025" Hetsika ho atao ny sabotsy izao eny Mahamasina... ♦ Hifamotoana amin'ny lamesa ao amin'ny Chapelle Pauline indray ireo kardinaly miatrika conclave anio amin'ny 8 ora sy fahefany ka hanomboka hifidy indray izy ireo adin'ny iray aorian'izay...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...