♦ Tontosa omaly alahady ny fametrahana ôfisialy an'ny Papa Léon-XIV amin'ny toerana maha Papa azy ho dimbin'i Masindahy Piera faha-267...  ♦ Fotoana nanokanana an'i Madagasikara eo ambany fiarovan'ny Fo Masin'i Jesoa ny fanatanterahana ny Pelerinazy Nasiônaly tao amin'ny Distrika Misiônera Andasibe-Ampefy, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Tsy ampy hoy ny fanehoan-kevitry ny kôlônely Fanampera ny fanazavana nomena ny mponina ao Toliara avy amin'ny fitondram-panjakàna sy ny orinasa Base-Toliara, momba ny raharaha fitrandrahana fasimainty...

♦Manohana tanteraka ny tetik'asa fitrandrahana fasimainty ao amin'ny Faritra Atsimo-andrefana ny Fanjakàna. Hitondra fampandrosoana maharitra ho an'i Toliara sy ny firenena ny orinasa Base Toliara hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritra ny lahateniny teo amin'ny kianja Maître Kira... ♦ Mitondra ny hetahetany amin'ireo mpanapa-kevitra eto amin'ny firenena momba ny olana mahazo azy, ireo tantsaha niofana tao amin'ny Oniversite natokana ho azy ireo, tantanan'ny FORMAGRI... ♦ Misaona ny tontolon'ny fitantanan-draharaha-panjakàna eto Madagasikara, nodimandry ny alakamisy teo i Gervais Rakotonirina, administrateur Civil, ministry ny atitany teo aloha...

Tsy mora ny adidy sy andraikitra miandry ny Papa voafidy, amin'ny fitondrana ny Eglizy maneran-tany ; ireo Papa rehetra voafidy nifandimby nitondra ny Eglizy dia samy nanao ezaka nitsinjo ny vahoaka, fitsinjovana ireo sahirana, famporisihina hanaovana asa fiantrana, fiarovana ny tontolo iainana, fampanjakàna ny fahamarinana. Ny Papa Léon-XIV ihany koa dia mbola manohy izany, indrindra ny fiarovana ny aina... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Alahady faha-5 - Taona-D fankalazana ny Paka : Ny vokatry ny paka: hafaliana sy fitiavana. Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, mifankatiava ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo. Azo lazaina ho toy ny didy miafina nampahalalana ny rehetra ny hafatra napetrak'i Jesoa mikasika ny fifankatiavana tokony hiainan'izay rehetra mpanaraka Azy. Ny namana voalazan'ny Evanjely dia tsy ireo iray finoana ihany na iray fiaviana fa ny olona rehetra izay tokony hanehoana fitiavana. Ny fitiavana ny namana ho an'ny Kristianina dia tsy vokatry ny fo mangoraka fotsiny fa tena fianarana an'i Jesoa Kristy mihitsy...

Aretina efa nisy ary mbola misy ny takilo-drano, ary nisy ny hetsika entina hiadiana amin'izany tamin'ireo Distrika 19 manerana ny nosy tamin'ny alalan'ny fizaràna fanafody. Ny hetsika nasiônaly dia naharitra 5 andro ka nanomboka ny 12 mey hatramin'ny 16 mey 2025. Ny takilo-drao dia aretina vokatry ny kantsetsitra "kankana fisaka amin'ny karazana Schistosoma". Miaina sy mifindra amin'ny alalan'ny fifandraisana amin'ny ranomamy misy ireo bibikely ireo, izay ahafahan'ny sifotra mamoaka ireo kankana ireo.... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Mamaha olana ireo vehivavy tanora amin'ny faritra maro ao an-drenivohitra ny fiofanana atolotry ny Ivon-toerana misahana ny fahaleovan-tenan'ny vehivavy ao amin'ny FMA eny Ampasanimalo. Maherin'ny 40 mirahavavy indray omaly no nahavita fiofanana no notolorana mari-piofanana... ♦ Notoloran'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka fampitaovana mitentina 206.000 Dôlra ny Ivon-toeram-panofanana mampiofana Paramedy IFIRP manerana ny Nosy... ♦ Nankalaza ny andron'ny vilona teny Tsaratanàna Ambatomirahavavy, distrika Arivonimamo omaly ny MDB niaraka tamin'ny tetik'asa Profilait. Ahazoana ronono 30litatra/andro ny fampiasana vilona ampy sy tsara kalitao...

♦ Namoaka ny andiany faha-13 nisalotra ny anarana hoe : "Fanantenana" niofana arak'asa tao aminy, ny foibe misahana ny fahaleovan-tenan'ny vehivavy eny amin'ny FMA Ampasanimalo androany... ♦ Manohy ny fanatsarana ny rafitra ara-pahasalamana eto Madagasikara ny MInisteran'ny Fahasalamam-bahoaka. Notoloran'ny Ministry ny Fahasalamana fitaovana ireo Ivon-toeram-panofanana mampiofana ho Paramedy na ny IFIRP manerana ny Nosy... ♦ Ny 2% amin'ny fiofanana momba ny famokarana ihany no mipaka mivantana eny amin'ny tantsaha, ary ny 10% amin'ny famatsiam-bola ihany no tonga eny ambanivohitra, hoy ireo tantsaha mpiofana...

Manana otrik’arena goavana ara-tontolo iainana ampandrosoana ny firenena ny faritr’i Sofia. Havokavoky ny karazan-javamanan’aina eto amin’ny nosy ity faritra ity hoy Dokotera Manantsoa Clermond, Talem-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ao Sofia. Isan’ny mitana ny laharana voalohany noho ny fananany morontsiraka 450 kilometatra, sy helidrano miisa dimy ny faritra.

♦ Nahitàna fitombony 3,31% ireo mpifidy voasoratra anarana taorian'ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy ho an'ny taona 2024-2025 (RALE), araka ny fampitam-baovaon'ny CENI... ♦ Tsy ampy ireo mpiasa eo anivon'ny sampandraharaha misahana ny famerenana amin'ny Fanjakàna ireo harena azo tsy ara-dalàna (ARAI). Voafetra koa ny vola ampiasainy satria tokana ny mpamatsy vola azy sy ny SAMIFIN, CSI ary PAC... ♦ Zava-dehibe ary efa fiomanana sahady amin'ny taranja ara-panatanjahantena amin'ny fanadinana Bakalôrea ny EPS BEPC... ♦ Nigadona alina tao Luanda ny filoha Gabonais teo aloha Ali Bongo sy ny fianakaviany...

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tafiditra anatin'ny soatoavina Malagasy ny fanajàna sy ny fikarakarana ny zokiolona. Andraikitry ny zanaka sy ny taranaka ny mikarakara ny ray aman-dreny niteraka, rehefa reraky ny fitadiavana izy ireny. Manana zo miaro azy toy ny olona rehetra ny beantitra ary enjehin'ny lalàna ny fanararaotana sy fampijaliana iniana atao amin'izy ireny. Ny fitsinjovana ny fahasalamana amin'ny fahanterana dia manomboka amin'ny fahakely... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny diantsika iombonana, izay niorina tamin’ny firaisan-kina sy ny fanantenana nanavatsava ny tantara sy ny tolona nentin’ireo Ray aman-dreny, dia manentana antsika ankehitriny hamelona indray ireo soatoavina Malagasy sy hanamafy ny adidy iombonana amin’ny fanorenana fiaraha-monina mirindra, mba hanana ho avy mamiratra sy maharitra ho an’ny firenena sy ny taranaka. Na samy hafa aza isika dia miara-miaina anatin'ny fanantenana.... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...