Vakiteny voalohany

Bokin'i Izaia Mpaminany 42, 1-4. 6-7

Indro ny mpanompoko Ilay sitraky ny foko.

Izao no lazain’ny Tompo:

Indro ny mpanompoko izay tantanako;
ilay voafidiko ka sitraky ny foko;
napetrako ao aminy ny fanahiko;
hamoaka fahamarinana ho an’ny firenena izy.
Tsy hiantso mafy izy na hanandra-peo,
na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalam-be.
Ny volotara efa poritra tsy hotapahiny;
ny lahin-jiro efa ho faty, tsy hovonoiny.
Hanambara ny rariny, araka ny marina izy;
tsy ho ketraka izy na ho kivy akory,
mandrapanoriny ny rariny amin’ny tany;
ary ny nosy hiandry ny lalàny.
Izaho Tompo no niantso anao, tamin’ny fahamarinana,
sy nandray tanana anao,
miaro anao Aho ary manao anao ho fanekempihavanana
ho an’ny vahoakako sy fahazavan’ny firenena hampahiratra ny jamba,
hamoaka ny mifatotra ao amin’ny tranomaizina
sy ireo mipetraka ao anatin’ny haizina ao amin’ny fonja.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 28, 1a sy 2. 3ad-4. 3b sy 9b-10

Ny Tompo hitahy ny vahoakany sy hanome fiadanana azy.

Omeo ny Tompo, rey zanak’Andriamanitra,
omeo ny Tompo ny voninahitra sy ny hery;
ny Anaran’ny Tompo omeo voninahitra;
ny Tompo iankohofy ao an-kianjany masina.

Ny kotro-baratry ny Tompo eo ambony rano:
Andriamanitra mampitalakotroka;
ny Tompo dia be voninahitra
eo ambony rano midadasika.

Ny kotro-baratry ny Tompo mampangovy ny ala!
Hoy ny ao an-dapany: voninahitra!
Ny fiketrahan’ny Tompo: ny safodrano; ny fanjakan’ny Tompo: mandrakizay.

Vakiteny faharoa

Boky mitantara ny Asan'ny Apôstôly 10, 34-38

Nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina Izy.

Tamin’izany andro izany,
niloa-bava i Piera nanao hoe:

“Hitako marina tokoa
fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra;
fa izay matahotra Azy sy manao ny marina,
dia ankasitrahiny na aiza na aiza firenena misy azy.
Nampitondra teny tamin’ny zanak’i Israely Izy,
mba hanambara fiadanana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy,
izay Tompon’izao rehetra izao.
Fantatrareo ny zavatra tanteraka eran’i Jodea manontolo,
nanomboka tany Galilea
taorian’ny batemy notorîn’i Joany;
dia ny amin’i Jesoa avy any Nazareta,
izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny heriny,
ka nandeha nanao soa hatraiza hatraiza;
nahasitrana izay rehetra azon’ny demony,
satria nomba Azy Andriamanitra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa nahita ny kintany tany Atsinanana izahay,
ka nankaty mba hitsaoka ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 3, 13-17

Nahita ny Fanahin’Andriamanitra nidina teo amboniny i Jesoa nony vita batemy.

Tamin’izany andro izany,
dia tonga avy tany Galilea i Jesoa
ka nanatona an’i Joany teo amoron’i Jordany
mba hataony batemy;
fa nandà i Joany nanao hoe:

“Izaho no tokony hataonao batemy,
ka Ianao indray va no mankaty amiko?”

Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Ekeo izao,
fa izao no mety hahatanterahantsika
ny fahamarinana rehetra”.

Dia nanaiky izy.
Nony vita batemy i Jesoa,
dia niala avy teo amin’ny rano niaraka tamin’izay,
ary indro nisokatra taminy ny lanitra,
ka hitany ny Fanahin’Andriamanitra
nidina tahaka ny voromailala nankeo amboniny.
Dia injay nisy feo avy any an-danitra nanao hoe:

“Ity no Zanako malalako
izay ankasitrahiko indrindra”.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Efa tafatsangana ny kaomisiôna 11 handrafitra ny fanomanana ny fanamasinana ho eveka, an'i Mgr Donatien Francis Randriamalala, izay hotontosaina amin'ny volana janoary 2023... ♦ Tontosa ny fomba fangatahana an'i Mgr Donatien Francis Randriamalala, nataon'ny delegasôna avy amin'ny diôsezin'Ambaja tao amin'ny diôsezin'i Morondava... ♦ Notsofin-drano omaly ny Birao vaovao hitantana indray ao anatin'ny efa-taona ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Tanora...

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly 5, 14-21

Mihaino antsika Andriamanitra na inona na inona angatahintsika aminy.

Ry malala,
izao no toky lehibe ananantsika
eo anatrehan’Andriamanitra:
raha mangata-javatra araka ny sitra-pony isika,
dia mihaino antsika Izy.
Ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy,
dia fantatsika koa
fa na inona na inona angatahintsika aminy dia azontsika.
Raha misy mahita ny rahalahiny
manao fahotana tsy ho amin’ny fahafatesana,
aoka hivavaka ho azy izy,
ary Andriamanitra no hanome azy ny fiainana,
dia an’izay manota tsy ho amin’ny fahafatesana.
Misy fahotana ho amin’ny fahafatesana;
tsy mba ny amin’izany no ilazako hoe tokony hivavaka.
Fahotana avokoa ny tsy fahamarinana rehetra,
fa misy fahotana tsy ho amin’ny fahafatesana.
Fantatsika fa izay rehetra naterak’Andriamanitra
dia tsy manota,
fa miaro tena izay naterak’Andriamanitra,
ka tsy mikasika azy ilay Ratsy.
Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika,
ary izao tontolo izao kosa
mipetraka ao amin’ilay Ratsy avokoa.
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra,
ka manome fahazavan-tsaina antsika,
mba hahalalantsika an’Andriamanitra marina,
ary ao amin’izany Andriamanitra marina izany isika,
satria ao amin’i Jesoa Kristy Zanany
izay Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
Anaka, tandremo fandrao manompo sampy ianareo.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 149, 1-2. 3-4. 5 sy 6a sy 9b

Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany.

Ihirao hira vao ny Tompo!
Derao ao am-piangonan’ny mpivavaka Izy!
I Israely aoka hifaly amin’Ilay nanao azy;
ny zanak’i Siôna hiravo amin’ilay Mpanjakany.

Hidera ny Anarany amin-dihy,
hiantsa Azy amin’amponga sy lokanga!
Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany,
ravahany fandresena ny ory.

Ny mpivavaka aoka hientana amin’ny voninahiny,
sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba;
fankalazana an’Andriamanitra
no voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andro masina no manazava antsika: tongava, ry firenena, ary avia hitsaoka ny Tompo;
satria midina ety ambonin’ny tany androany ny hazavana lehibe.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany 2, 1-12

Izany nataon’i Jesoa tany Galilea izany no voaloham-pahagagana nataony.

Tamin’izany andro izany,
dia nisy fampakaram-bady tany Kanà any Galilea,
ary tao ny Renin’i Jesoa.
I Jesoa sy ny mpianany koa dia nasaina
tao amin’ny fampakaram-bady.
Nony inona,
lany ny divay ka hoy ny Renin’i Jesoa taminy:

“Tsy manan-divay izy ireo.”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Izaho sy Ianao moa no ahoana amin’izany ravehivavy?
Tsy mbola tonga ny fotoako.”

Dia hoy ny Renin’i Jesoa tamin’ny mpanompo:

“Ataovy izay rehetra holazainy aminareo.”

Ary nisy siny vato enina teo,
fidiovana araka ny fanaon’ny Jody,
nahalany rano indroa na intelon’ny famarana avy,
ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo:

“Fenoy rano ireo siny ireo.”

Dia nofenoiny hatramin’ny molony.
Ary hoy i Jesoa taminy:

“Tovozy amin’izao,
ka ento amin’ny mpandahatra ny fanasana.”

Dia nentiny.
Vao nanandrana ny rano voaova ho divay ny mpandahatra ny fanasana
(izay tsy nahalala ny niaviany,
fa ny mpanompo nanovo ny rano no nahalala),
dia niantso ny mpampakatra ka nanao taminy hoe:

“Ny an’ny olona rehetra,
dia ny divay tsara no arosony aloha,
ary rahefa nisotro be ny olona
vao arosony izay tsy tsara loatra,
fa ny anao kosa,
dia ny divay tsara indray
no notahirizinao mandraka ankehitriny.”

Izany nataon’i Jesoa tany Kanà any Galilea izany
no voaloham-pahagagana nataony;
naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany.
Ary rahefa afaka izany,
dia nidina nankany Kafarnaôma Izy sy ny reniny
mbamin’ny rahalahiny sy ny mpianany;
nefa tsy nitoetra ela tao izy ireo.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Ny talata 10 janoary 2023 no handraisan’ny diosezin'Ambanja an’i Mgr Donatien Francis Randriamalala ao Andrevorevo - Anahidrano... ♦ Mihemotra ny fanakalazana ny fetin’ny Seminera Zandriny Ambohipo sy ny Fivorian’ny FFVA Disoezin’Antananarivo... ♦ Namaly ny antson’ny Papa François mba hanakalazana ny Noely hahatsiarovana ny vahoaka Okreniana ny Aomôneria apôstôlika iandraiketan’ny Kardinaly Konrad Krajewski...

♦ Mifarana ny 31 janoary 2023 ny fisoratana anarana eto Madagasikara ho an'ireo handray anjara amin'ny JMJ Lisbonne 2023... ♦ Nodimandry teo amin'ny fahadimy taona naha pretra azy i P. Francisco Andrianjaka, Pretran'ny Diosezin'Antsiranana... ♦ Nitsodrano ireo sariolona maneho an'i Jesoa Zazakely nentin'ireo ankizy teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Piera, ny Papa François omaly...

Vakiteny voalohany

Bokin’ny zanak’i Siràka 3, 2-6. 12-14

Manaja ny ray aman-dreniny izay matahotra ny Tompo.

Sitraky ny Tompo ny hanajan’ny zanaka ny rainy;
ary nanorina ny fahefan’ny reny amin’ny zanany Izy.
Izay manaja ny rainy manonitra ny fahotany;
ary fanangonan-karena ny fanajana ny reny.
Izay manaja ny rainy, hampifalian’ny zanany;
ary hohenoina amin’ny andro ivavahany izy.
Izay manaja ny rainy ho lava andro iainana,
izay manaiky ny Tompo hanome fiononana ny reniny.
Anaka, tohano amin’ny andro fahanterana ny rainao,
ary aza mampalahelo azy ny andro iainany.
Raha avy izay haharerahan’ny fanahiny, iantrao izy,
ary aza manatsinontsinona azy,
rehefa be indrindra ny tanjakao.
Fa ny soa atao amin-dray, tsy mba ho very tadidy;
ary hisolo toerana ny fahotanao,
ny fanambinana ho tonga amin’ny tranonao.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 127, 1. 2. 3. 4-5

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo, sy mizotra amin’ny lalany.

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo,
sy mizotra fehizay amin’ny lalany.
Eny, ahazoanao tombontsoa ny asanao:
hasambarana moa ny anao!

Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra
eo anivon-tranonao;
ny zanako solofon’ôliva
manodidina ny latabatrao.

Izany tokoa no fitahiana ny lehilahy matahotra ny Tompo!
Avy ao Siôna anie ny Tompo hitahy anao hatrany:
hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema
amin’ny andro rehetra hiainanao.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany KôIôsy 3, 12-21

Toy izao ny fiainan’ny mpianakavy eo anatrehan’ny Tompo.

Ry kristianina havana,
olom-boafidin’Andriamanitra ianareo sady masina sy malala,
ka mitafia famindram-po amam-piantrana,
halemem-panahy amam-panetren-tena,
fahamaotonana amam-pandeferana.
Aoka hifandefitra sy hifamela heloka,
raha misy manana alahelo amin’ny namany.
Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo
no hamelanareo heloka ihany koa.
Fa ambonin’izany rehetra izany,
dia mitafia ny fitiavana,
izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra.

Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’i Kristy,
izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray;
ary hahay mankasitraka anie ianareo.
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy,
ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo;
ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo,
amin’ny salamo aman-kira masina.
Ary na inona na inona ataonareo,
na amin’ny teny, na amin’ny asa,
dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra,
sy amim-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.

Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo,
araka ny mety ao amin’ny Tompo.
Ianareo lehilahy, tiavo ny vadinareo,
ary aza sosotsosotra aminy.
Ianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra,
fa ankasitrahin’ny Tompo izany.
Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo,
fandrao dia mamoy fo izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hanjaka ao am-ponareo anie ny Fiadanan’i Kristy;
ary hitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 2, 13-15. 19-23

Ento ny Zazakely sy ny Reniny ary mandosira any Ejipta.

Nony lasa ny Majy,
indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Jôsefa
tamin’ny nofy ka nanao hoe:

“Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny Reniny,
ary mandosira any Ejipta,
dia mitoera any mandrapilazako aminao indray,
fa i Herôda efa hitady ny Zazakely hovonoiny”.

Mbola alina, dia nifoha izy,
nitondra ny Zazakely sy ny Reniny,
ka lasa nankany Ejipta.
Ary dia nitoetra tany izy ambara-pahafatin’i Herôda,
mba ho tanteraka ny tenin’ny Tompo
voalazan’ny Mpaminany hoe:

“Nantsoiko hiala tany Ejipta ny Zanako.”

Ary rehefa maty i Herôda,
indro nisy Anjelin’ny Tompo,
niseho tamin’i Jôsefa tany Ejipta tamin’ny nofy,
ka nanao hoe:

“Mifohaza ianao, ento ny Zazakely, sy ny Reniny,
ka modia any amin’ny tanin’i Israely,
fa efa maty izay nitady ny ain’ny Zazakely”.

Dia nifoha izy, nitondra ny Zazakely sy ny Reniny
ka tonga tany amin’ny tanin’i Israely.
Nony reny anefa fa i Arkeiaosy no nanjaka tany Jodea
nandimby an’i Herôda rainy,
dia natahotra hankany izy,
ka nankany Galilea nony efa nilazan’Andriamanitra tamin’ny nofy.
Ary nony tonga tany izy,
dia nonina tao amin’ny tanàna atao hoe Nazareta
mba ho tanteraka ilay tenin’ny mpaminany hoe:

Fa hatao hoe Nazareanina Izy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Nitondra fihavaozam-panahy ho an'ny krsitianina ny fankalazana ny faha-60 taonan'ny diosezin'Ambatondrazaka ny taona 2021. Fanamby telo lehibe no atrehan'izy ireo ankehitriny : ny fanatsarana ny rafitra hifanaraka amin'ny an'ny Eglizy maneran-tany, ny fanentanana ny kristianina hivavaka sy hiaina ny sakramenta, ary handray andraikitra ao amin'ny fiainan'ny Eglizy. Fifampizarana entin'i P. Sata Jean Noël Andrianasolo

Manatanteraka fiofanana iraisam-pirenena ao amin'ny Ivo-toeran'ny Soeurs de la Sagesse ao Benasandratra ny Fanilon'i Madagasikara nanomboka ny 29 oktobra 2022. Miisa 22 ireo mpandray anjara ka malagasy ny 19 amin'izy ireo. "Samaritanina tsara fanahy : manao soa ho an'ny tena, ho an'ny hafa, ary amin'ny natiora", io no lohahevitra nofidian'ireo mpampiofana roa avy amin'ny CICG-Europe (Conférence Internationale Catholique du Guidisme) sy ny aomonie maneran-tany. 

Ilaina ny fahaizana mifanampy ao anivon'ny ankohonana ao. Ny fifanampiana dia manamafy sy manatsara ny rivo-piaraha-monina. Ny fahaiza-mihaino sy ny fahaizana mifanampy dia mifameno. Fandaharana "mba ho vanona", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'i Jeneraly Désiré Ramakavelo.

Mila mifanampy ny fianakaviana, ary atao zava-dehibe ilay fomba fiheverana malagasy hoe "tantsoroka sy valy tanana". Mampifanakaiky am-po ary mitondra amin'ny fifampitokisana sy ny fahatokisan-tena ny fifanampiana ary ahafahana mpampivelatra ny fahefana anaty. Fandaharana "mba ho vanona", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'i Jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Mbola manavao ny fanantenana ataony, mba hanohizana ny vavaka ho an'ny fangatahana ny hanandratana ho olomasina an'i Victoire Rasoamanarivo, ny raiamandreny eo anivon'ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara... ♦ Kristianina manodidina ny 1800 no niatrika ny fihatahana masina tao amin'ny Distrikan'i Brickaville, Kaominina Andovoranto, izay toerana nahafatesan'i Mgr Henri de Solages... ♦ Hofaranana ny 15 hatramin'ny 17 desambra 2022, ny fankalazana ny faha-60 taona niorenan'ny Lycée Catholique Sainte Chantal, Soanierana...

Vakiteny voalohany

Bokin'i Izaia Mpaminany 7, 10-14

Indro hanana anaka ny Virjiny.

Tamin’izany andro izany,
niteny tamin’i Akaza ny Tompo nanao hoe:

“Mangataha famantarana amin’ny Tompo Andriamanitrao;
mangataha izany, na any amin’ny faravodin’ny Seoly,
na any amin’ny havoan’ny lanitra”.

Ka hoy i Akaza:

“Tsy hangataka aho; tsy haka fanahy ny Tompo aho”.

Ka hoy i Izaia:

“Mihainoa, ry taranak’i Davida:
Mbola tsy ampy anareo va ny mahasasatra ny olombelona,
no dia mbola mahasasatra an’Andriamanitra koa ianareo?
Noho izany dia Tenan’ny Tompo no hanome famantarana anareo;
Indro hanana anaka ny virjiny, ka hiteraka Zazalahy,
ary ny Anarany hataony hoe “Emanoela” izany hoe:
Andriamanitra eo anivontsika.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 3, 1-2. 34ab. 5-6

Aoka hiditra ny Tompo, fa Izy no mpanjakan’ny voninahitra.

An’ny Tompo ny tany sy izay mameno azy,
izao tontolo izao sy ny mponina ao aminy:
Izy nanorina azy tambony ranomasina,
nampitoetra azy tambonin’ny ony.

Iza no hiakatra am-bohitry ny Tompo?
Zovy no honina amin’ny toerany masina?
Dia izay mahitsy fo sy madio tanana,
tsy mba mianiana hahavoa namana.

Izy no tahin’ny Tompo,
vonjen’ilay Andriamanitra Marina,
taranaka mitady ny Tavany,
mitady ny Andriamanitr’i Jakôba.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma 1, 1-7

I Jesoa Kristy, avy amin’ny taranak’i Davida, no Zanak’Andriamanitra.

Izaho Paoly mpanompon’i Kristy Jesoa,
voaantso ho Apôstôly,
sy voatokana hitory ny Evanjelin’Andriamanitra,
— izay nampanantenainy rahateo tamin’ny alalan’ny mpaminany ao amin’ny Soratra Masina —
dia mamangy anareo rehetra malalan’Andriamanitra any Rôma.
Io Evanjely io
no misy ny fanambaran’Andriamanitra momba ny Zanany
(izay naterak’i Davida,
ho Zanak’Andriamanitra tamin’ny fitsanganany ho velona,
araka ny fanahin’ny fahamasinana),
dia i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay nandraisanay ny fahasoavana sy ny maha-Apôstôly anay
mba hampanaiky ny Jentily rehetra ny finoana,
amin’ny Anarany, ary anisan’ireny koa ianareo;
noho ny fiantsoan’i Jesoa Kristy.
Ry olo-masina voaantson’Andriamanitra:
ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana
avy amin’Andriamanitra Raintsika,
sy i Jesoa Kristy Tompo.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Indro ny virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy,
ary ny Anarany hatao hoe: Emanoela,
izany hoe Andriamanitra eo anivontsika. Aleloia.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 1, 18-24

I Jesoa naterak’i Maria, fofombadin’i Jôsefa, zanak’i Davida.

Toy izao no nahaterahan’i Kristy:
i Maria Reniny dia efa fofombadin’i Jôsefa;
fa raha mbola tsy niray trano izy ireo,
dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy.
Ary i Jôsefa vadiny, noho izy lehilahy marina
sady tsy te hanala baràka azy,
dia nikasa hametraka azy mangingina.
Nefa raha mbola nieritreritra izany izy,
dia indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho taminy,
tamin’ny nofy ka nanao hoe:

“Ry Jôsefa, zanak’i Davida,
aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao,
fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina,
ary hiteraka Zazalahy izy,
ka ny Anarany hataonao hoe Jesoa,
fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany”.

Ary izany rehetra izany no tonga,
dia mba hahatanteraka
izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe:

“Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy,
ary ny Anarany hatao hoe Emanoela,
izany hoe: amintsika Andriamanitra”.

Ary rehefa nahatsiaro tamin’ny torimaso i Jôsefa,
dia nanao araka izay nandidian’ny Anjely azy,
ka nampakatra ny vadiny.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...