Boky Jenezy (Jen. 11, 1-9)
Tamin’izany andro izany,
dia iray fiteny sy iray fanononana ny tany rehetra.
Nony nandeha niantsinanana ny olona
dia nahita tany lemaka tao amin’ny tany Senaara izy,
ka niorim-ponenana teo.
Dia nifampilaza izy nanao hoe:
“Andeha isika hanao biriky, ka handoro azy amin’ny afo.”
Dia biriky no nataony solom-bato,
ary ditin-tany no nataony solon-tsimenitra.
Hoy koa izy:
“Andeha isika hanorina tanàna anankiray,
ary tilikambo anankiray mahatakatra ny lanitra ny tampony,
dia hanangana tsangambato ho antsika,
fandrao tafaely any ambonin’ny tany rehetra isika.”
Fa nidina kosa ny Tompo hizaha ny tanàna aman-tilikambo
nataon’ny zanak’olombelona.
Dia hoy ny Tompo:
“Indro firenena iray izy ireo
ary fiteny iray no iraisan’izy rehetra,
ary ity asa ity no iandohan’izay tiany hatao;
amin’izao dia tsy hisy na inona na inona hisakana azy
tsy hanatanteraka izay kasainy hatao.
Andeha isika hidina ao ihany ka hanorokoro ny fiteniny
mba tsy hifankahazo fiteny intsony izy.”
Dia napariakan’ny Tompo avy eo izy ireo
ho any ambonin’ny tany rehetra,
ka nitsahatra tsy nanao ilay tanàna intsony.
Izany no nanaovana ny anarany hoe Babela,
satria tao no nanorokoroan’ny Tompo ny fitenin’ny tany rehetra,
ary avy ao no nampielezan’ny Tompo azy ireo
ho any ambonin’ny tany rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 32, 10-11. 12-13. 14-15)
Ny Tompo mandrava ny fanampoizan’ny firenena,
sy manafoana ny fikasan’ny vahoaka.
Ny fanampoizan’ny Tompo maharitra mandrakizay;
ny fikasan’ny fony, amin’ny taranaka mifandimby.
Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony
sy ny vahoaka nofidiny ho lovany!
Any an-danitra ny Tompo mitazana:
hitany avokoa ny zanak’olombeona.
Any amin’ny toerany onenany Izy
mitsinjo ny mponina rehetra amin’ny tany:
Izy Ilay namolavola ny fony tsy an-kanavaka,
ilay mahafantatra ny asany rehetra.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 34-39)
Tamin’izany andro izany,
nantsoin’i Jesoa ny vahoaka mbamin’ny mpianany ka nilazany hoe:
“Raha misy te-hanaraka Ahy,
aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany
ka hanaraka Ahy.
Fa izay te-hamonjy ny ainy no hahavery azy,
ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely
no hamonjy azy.
Inona ny soa azon’ny olona
raha mahazo izao tontolo izao izy,
nefa very ny fanahiny?
Sa inona no azon’ny olona omena
ho takalon’ny fanahiny?
Izay ho menatra Ahy sy ny teniko
amin’ity taranaka mpijangajanga sy mpanota ity,
dia ho menatra azy koa ny Zanak’Olona
rahefa avy amin’ny voninahitry ny Rainy Izy
otronin’ny Anjely masina.”
Dia hoy koa Izy:
“Lazaiko marina aminareo
fa ny sasany aminareo eto
dia tsy hanandra-pahafatesana
raha tsy efa mahita ny fanjakan’Andriamanitra
tonga amin’ny voninahitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Jenezy (Jen. 9, 1-13)
Nitso-drano an’i Nôe sy ny zanany lahy Andriamanitra,
ka nanao taminy hoe:
“Miteraha maro, mihabetsaha ary mamenoa ny tany.
Hatahotra anareo sy himalo avokoa ny bibin’ny tany rehetra,
ny vorona eny amin’ny habakabaka rehetra,
ny zava-mihetsiketsika rehetra ambonin’ny tany,
mbamin’ny hazandrano rehetra anaty ranomasina;
efa natolotra eo an-tananareo ireny.
Ho fihinana ho anareo avokoa
rahefa mety ho zava-mihetsiketsika sy manana aina;
fa omeko anareo daholo izany rehetra izany,
toy ny efa nanomezako anareo ny zava-maitso.
Kanefa ny nofo, aza haninareo miaraka amin’ny ainy;
izany hoe ny rany.
Ary ny ranareo dia hasaiko hampamoaka noho ny ainareo,
hampamoahiko izany avokoa ny biby rehetra sy ny olombelona;
ny tanan’olombelona izay mpirahalahy
no hampamoahiko ny ain’ny olombelona.
Ka na zovy na zovy handatsaka ran’olona,
dia mba halatsak’olona koa ny rany,
satria nataon’Andriamanitra mitovy tarehy aminy ny olombelona.
Ka dia miteraha maro ianareo, mihabetsaha ianareo;
mieleza eran’ny tany, ka mihabetsaha eny.”
Hoy koa Andriamanitra
tamin’i Nôe sy ny zanany niaraka taminy:
“Ary Izaho kosa dia hanao fanekem-pihavanana aminareo
sy amin’ny taranaka mandimby anareo,
amin’ny zava-manana aina rehetra izay eo aminareo,
na vorona, na biby fiompy sy ny bibin’ny tany rehetra,
hatramin’izay nivoaka avy tao an-tsambo fiara
ka hatramin’ny biby rehetra ambonin’ny tany.
Manao fanekem-pihavanana aminareo Aho:
tsy hisy levon’ny safo-drano intsony ny nofo rehetra,
ary tsy hisy safo-drano handringana ny tany intsony.”
Dia hoy Andriamanitra:
“Ity no famantarana ny fanekena nataoko ho amiko sy ho aminareo
mbamin’ny zava-manana aina rehetra izay ao aminareo,
amin’ny taranaka ho avy rehetra:
Nataoko eo amin’ny rahona ny avako,
ka ho tonga famantarana ny fanekena amiko sy amin’ny tany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 101, 16-18. 19-21. 29 sy 22-23)
Hatolotra ny Anaran’ny Tompo ireo firenena,
hanaja ny voninahitrao ny mpanjaka rehetra eran-tany!
Ny Tompo manko hanorina an’i Siôna,
ka hiseho anatin’ny voninahiny
hanatrika ny vavak’izay norobaina,
tsy hanosika ny talohan’izy ireo.
Soraty izay ho an’ny taranaka any aoriana:
ka hidera ny Tompo ny vahoaka mbola ho ary!
Avy any an-toerana masina any ambony Izy mitsinjo;
avy any an-danitra ny Tompo mitazana ny tany;
hahenoany ny senton’ny mpifatotra,
hanafahany an’ireo voatondro hovonoina.
Ny zanaky ny mpanomponao handry fehizay;
ary ny taranany hijoro eo anoloanao;
ka ho voatantara ao Siôna ny Anaran’ny Tompo,
sy ao Jerosalema ny fiderana Azy,
raha ho tafaray mba hanompo ny Tompo
ireo vahoaka sy ireo fanjakana!
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 27-33)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany
nankany amin’ny vohitra manodidina an’i Sezarean’i Filipo,
ary teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy nanao hoe:
“Ataon’ny olona ho iza moa Aho?”
Ary ireo namaly Azy, nanao hoe:
“I Joany Batista, hoy ny sasany;
i Elia, hoy ny sasany;
ary anankiray amin’ny mpaminany, hoy kosa ny sasany.”
Hoy Izy tamin’izy ireo:
“Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza?”
Dia namaly i Piera ka nanao taminy hoe:
“Ianao no i Kristy.”
Ary norarany mafy izy ireo mba tsy hilazalaza Azy
na amin’iza na amin’iza.
Tamin’izay, nambarany tamin’izy ireo
fa ny Zanak’Olona dia tsy maintsy hijaly mafy
sy hatosiky ny loholona mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona
sy ny mpanora-dalàna, ary hovonoina,
fa hitsangana indray raha afaka hateloana,
sady nataony mazava tsara no filaza izany.
Dia nentin’i Piera nitanila Izy ka noteneniny mafy.
Fa nihodina nijery ny mpianany Izy,
ary niteny mafy an’i Piera hoe:
“Mialà amiko, ry Satana,
satria tsy mihevitra araka an’Andriamanitra ianao,
fa araka ny olombelona.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Jenezy (Jen. 8, 6-13. 20-22)
Nony afaka efapolo andro,
dia namoha ny varavarankely nataony tamin’ny sambo fiara i Nôe,
ka nandefa ny goaika izay lasa nivoaka nefa niverimberina teo,
mandra-paharitra ny rano tambonin’ny tany.
Ny voromailala indray no nalefany hiala teo aminy,
hahitany na efa nihena ny rano tambonin’ny tany na tsia.
Tsy nahita izay hipetrahan’ny faladiany anefa ny voromailala,
ka niverina nankeo amin’i Nôe teo amin’ny sambo fiara
fa mbola nisy rano hatraiza hatraiza tambonin’ny tany.
Dia naninjitra ny tanany izy ka nandray azy
sy nampiditra azy ho ao aminy, ao anatin’ny sambo fiara.
Mbola niandry hafitoana indray izy,
vao nandefa fanindroany ny voromailala ho any ivelan’ny sambo fiara.
Ary niverina nankeo aminy ny voromailala nony harivariva,
ary indro ravin’ôliva nilenodenoka anankiray teny am-bavany
ka fantatr’i Nôe fa efa tsy voasaron’ny rano intsony ny tany.
Mbola niandry hafitoana indray izy dia nandefa ny voromailala
ary tsy niverina nankeo aminy intsony izy.
Tamin’ny taona faharaika amby eninjato,
tamin’ny volana voalohany, andro voalohan’ny volana,
dia ritra ny rano teo ambonin’ny tany.
Nesorin’i Nôe ny tafon’ny sambo fiara, dia nijery izy,
ka hitany fa efa maina ny vohon’ny tany.
Ary i Nôe dia nanorina ôtely ho an’ny Tompo,
ka naka tamin’ny biby madio rehetra mbamin’ny vorona madio rehetra,
dia nanolotra sorona dorana teo ambony ôtely.
Dia nandre hanitra mahafinaritra ny Tompo ka nanao anakampo hoe:
“Tsy hanozona intsony ny tany Aho noho ny olona;
fa ratsy hatramin’ny fahatanorany ny fisainan’ny fon’ny olombelona;
ary tsy mba hamono ny zavatra manana aina rehetra
toy izay nataoko izay intsony Aho.
Amin’izao sisa izao, raha mbola maharitra koa ny tany,
dia tsy ho tapaka ny famafazana sy ny fijinjana,
ny hatsiaka sy ny hafanana,
ny fahavaratra sy ny ririnina,
ary ny andro sy ny alina .”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 115, 12-13. 14-15. 18-19)
Koa inona no havaliko ny Tompo,
fa maro dia maro ny soa nataony?
Halaiko ny kalisim-pamonjena,
hantsoiko ny Anaran’ny Tompontsika.
Hefaiko ny voady izay nolazaiko,
hefaiko anatrehan’ny firenena,
tsy zakan’ny Tompo tokoa anie
ny hoe hahafaty izay mino Azy.
Efaiko ny voadiko taminao,
efaiko anatrehan’ny firenena;
efaiko ao an-kianjan’ny tranonao,
ao Jerosalema tanànanao.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 22-26)
Tamin’izany andro izany,
tonga tany Betsaida i Jesoa sy ny mpianany,
ary nisy nitondra lehilahy jamba anankiray teo aminy,
sy nangataka taminy mba hanendry azy.
Dia noraisin’i Jesoa ny tanan’ilay jamba
ka nentiny nivoaka ny tanàna izy;
nasiany rora ny masony, nametrahany tanana izy,
ary nanontaniany raha mahita zavatra.
Dia niandrandra ilay jamba ka nanao hoe:
“Ny fahitako ny olona mamindra dia sahalahala amin’ny hazo.”
Dia nametrahany tanana indray ny masony,
ka nasainy nijery izy,
izay vao sitrana tsara sy nahita mazava ny zavatra rehetra.
Ary nasain’Jesoa nody any an-tranony izy sy nilazany hoe:
“Modia any an-tranonao,
fa aza miakatra ao an-tanàna
na milaza izany amin’ny olona ao an-tanàna.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Jenezy (Jen. 6, 5-8 ; 7, 1-5. 10)
Hitan’ny Tompo fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany,
ary ny ratsy ihany no alehan’ny fisainana rehetra
avy amin’ny fony isan’andro.
Ka nanenina ny Tompo tamin’ny nahariany ny olombelona tambonin’ny tany;
ary nalahelo tao am-pony Izy, ka hoy Izy hoe:
“Haringako tsy ho eo ambon’ny tany ny olombelona noarìko,
hatramin’ny olombelona ka hatramin’ny biby fiompy,
ny biby mikisaka sy ny voro-manidina,
fa manenina Aho noho ny nanaovako azy.”
I Nôe kosa anefa dia nahita fitia teo imason’ny Tompo.
Hoy ny Tompo tamin’i Nôe:
“Midira ao an-tsambo fiara ianao sy ny ankohonanao rehetra,
fa amin’izao olona miara-belona aminao izao,
dia ianao no hitako ho olo-marina eo anatrehako.
Ny biby madio rehetra dia fito tsiroaroa avy, lahy sy vavy,
no halainao ho ao aminao;
ary ny biby tsy madio kosa dia roa avy, lahy sy vavy, no halainao;
ny voro-manidina koa, fito tsiroaroa avy, mba hampaharitra ny karazany
tsy ho faty eto ambonin’ny tany, lahy sy vavy.
Fa fito andro sisa dia handatsaka ranonorana amin’ny tany Aho,
mandritra ny efapolo andro sy efapolo alina;
ka hofongorako eo ambonin’ny tany ny zavatra rehetra nataoko.”
Notanterahin’i Nôe avokoa izay rehetra nasain’ny Tompo nataony.
Ary nony afaka fito andro dia nibosasaka teto ambonin’ny tany ny safo-drano.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 28, 1a sy 2. 3ad-4. 3b sy 9b-10)
Rey zanak’Andriamanitra,
mieke ny Tompo:
ny Anaran’ny Tompo iekeo voninahitra!
Ny Tompo iankohofy ao an-kianjany masina!
Feon’ny Tompo ambony rano:
ny Tompo ambony ranobe!
Feon’ny Tompo ary hery!
Feon’ny Tompo ary fiandrianana!
Andriamanitra be voninahitra mampitalakotroka!
Feon’ny Tompo manoditra ny ala!
Ny Tompo mipetraka hatramin’ny safo-drano;
ny Tompo mitoetra manjaka hatrizay!
Aleloia. Aleloia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 14-21)
Tamin’izany andro izany,
nanadino tsy nitondra mofo ny mpianatra,
ka tsy nisy afa-tsy mofo iray monja teo an-tsambo kely.
I Jesoa kosa nananatra azy nanao hoe:
“Mitandrema tsara ianareo
fandrao azon’ny lalivain’ny Farisianina
sy ny lalivain’i Herôda.”
Dia niara-nihevitra izy ireo ka nifampilaza hoe:
“Noho isika tsy manana mofo izay.”
Fantatr’i Jesoa ny heviny ka hoy Izy taminy:
“Ahoana no iheveranareo izay tsy fanananareo mofo?
Mbola tsy mahazo hevitra sy tsy mahazo saina ihany va ianareo?
Donto ny fonareo? Mana-maso fa tsy mahita va ianareo?
ary manan-tsofina fa tsy mahare?
Ary tsy mahatadidy va ianareo?
Raha nizara ny mofo dimy tamin’ny olona dimy arivo Aho,
firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo?”
Dia hoy ireo taminy hoe:
“Roa ambin’ny folo.”
Dia hoy i Jesoa:
“Ary raha nizara ny mofo fito tamin’ny olona efatra arivo,
firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo?”
Hoy ireo hoe:
“Fito.”
Dia hoy Izy taminy:
“Ka nahoana àry no mbola tsy mahalala ihany ianareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Jenezy (Jen. 4, 1-15. 25)
Ary i Adama nahalala an’i Eva vadiny, ka nanana anaka izy,
dia niteraka an’i Kaina, sy nanao hoe:
“Efa nampisy olona anankiray aho
tamin’ny fanampian’ny Tompo.”
Dia niteraka an’i Abela rahalahiny koa izy.
I Abela dia mpiandry ondry ary i Kaina dia mpiasa tany.
Nony afaka elaela dia nanatitra vokatry ny tany i Kaina
ho fanatitra ho an’ny Tompo.
Ary i Abela koa mba nanatitra ny voalohan-terak’ondriny,
mbamin’ny taviny.
Ary ny Tompo nitsinjo an’i Abela sy ny fanatiny,
fa tsy nijery an’i Kaina sy ny fanatiny.
Dia tezitra mafy tamin’izany i Kaina, ary kivy endrika izy.
Ary hoy ny Tompo tamin’i Kaina:
“Nahoana no tezitra ianao,
ary nahoana no kivy endrika?
Raha tsara ny ataonao,
tsy hankasitrahana va ianao?
Fa raha tsy tsara kosa ny nataonao,
moa tsy mamitsaka eo am-baravaranao va ny ota?
Mankaminao ny faniriany,
fa tsy maintsy maharesy azy kosa ianao.”
Hoy i Kaina tamin’i Abela rahalahiny:
“Andeha isika ho any an-tsaha.”
Ary nony mby tany an-tsaha izy ireo,
namely an’i Abela rahalahiny i Kaina ka nahafaty azy.
Dia hoy ny Tompo tamin’i Kaina:
“Aiza i Abela rahalahinao?”
Fa hoy ny navaliny:
“Tsy fantatro.
Moa mpiambina ny rahalahiko va aho?”
Hoy ny Tompo:
“Inona no nataonao?
fa mitaraina hatraty amiko
ny feon’ny ran-drahalahinao avy amin’ny tany.
Amin’izao dia voaozon’ny tany ianao,
fa nivava izy hitelina ny ran-drahalahinao
nalatsaky ny tanananao.
Rahefa hiasa ny tany ianao
dia tsy hanome vokatra intsony izy,
ary ianao ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ny tany.”
Dia hoy i Kaina tamin’ny Tompo:
“Lehibe loatra ny saziko ka tsy zakako efaina.
Indro roahinao hiala amin’ity tany ity aho ankehitriny
ary ho takona ny tavanao aho, lavitra Anao;
ary hanjenjena sy hirenireny, eny ambonin’ny tany aho,
ary na iza na iza hahita ahy hamono ahy.”
Hoy ny Tompo taminy:
“Izao àry: Raha misy hamono an’i Kaina
dia valiana faty impito heny i Kaina.”
Ary nasian’ny Tompo famantarana tamin’i Kaina
mba tsy hisy hamono azy izay mifanena aminy.
Ary i Adama nahalala ny vadiny indray ka niteraka lahy iray izy,
nataony hoe Seta, fa hoy izy:
“Nomen’Andriamanitra ny fara aho
ho solon’i Abela izay novonoin’i Kaina.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 49, 1 sy 8. 16bd-17. 20-21)
Ny Tompo Andriamanitra lehibe manaika ny tany tontolo
dia izay iposahan’ny andro ka hatrany amin’izay ilentehany:
“Tsy ny fanatitrao no anadidiako anao,
na ny sorona doranao izay anoloako lalandava!”
Ahoana ianao no mitanisa ny didiko
sy manao ny fanekeko eo am-bava;
ianao mpankahala anatra,
sy mpanipy ny teniko any ivoho.
Mivalaketraka ianao maneba-drahalahy, sy manoso-potaka ny zana-dreninao!
Izany ve no ataonao: ka dia hangina Aho!
Sa Izaho heverinao ho toa anao?
Aoka horeseko lahatra ianao sy hamborahako azy eto imasonao!
Aleloia. Aleloia.
Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 11-13)
Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa ny Farisianina,
ka niady hevitra taminy
sy nangataka famantarana avy any an-danitra taminy,
mba hakany fanahy Azy.
Dia nisento mafy Izy ka nanao hoe:
“Ahoana no itadiavan’ity taranaka ity famantarana?
Lazaiko aminareo marina tokoa
fa tsy homena famantarana ity taranaka ity.”
Dia nilaozany izy ireo
ka niondrana an-tsambo kely indray Izy nankeny ampita.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Siràka (Sir. 15, 15-20)
Raha sitra-ponao dia hitandrina ny didy ianao;
miankina amin’ny sitraky ny fonao, ny tsy mivadika.
Nataony eo anoloanao ny afo sy ny rano,
azonao atsotra amin’izay tianao ny tananao.
Eo anoloan’ny olombelona ny fiainana sy ny fahafatesana,
ka izay fidìny dia homena azy.
Fa lehibe ny fahendren’ny Tompo;
sady mahery Izy no mahefa, ary mahita ny zavatra rehetra.
Ny masony dia eo amin’izay matahotra Azy,
ary fantany avokoa ny asan’ny olombelona.
Tsy misy olona nodidiany ho mpankahala fivavahana,
tsy misy olona nomeny lalana hanota.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 118, 1. 2. 4-5. 17-18. 33-34)
Sambatra izay madio famindra,
fa mizotra amin’ny Lalàn’ny Tompo!
Sambatra izay mitandrina ny Fanambaràny,
sy mitady azy amin’ny fony tontolo!
Ianao ihany no namoaka ny Lahatrao
mba hotandremana fatratra.
Enga anie ho marin-toetra ny lalako
amin’ny fitandremana ny Fitsipikao!
Asio soa ity izaho mpanomponao:
ka ho velona sy hitandrina ny Teninao!
Alao tampina ny masoko hibanjina
ny zava-mahagaga amin’ny Lalànao!
Tompo ô, toroy ny lalan’ny Fitsipikao aho,
mba hitandremako azy hatramin’ny farany.
Omeo fahalalana aho hitandremako ny Lalànao,
sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo!
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 2, 6-10)
Ry kristianina havana,
mitory fahendrena amin’izay efa lavorary ihany izahay;
nefa tsy mba ny fahendren’izao tontolo izao izany,
na an’ny mpanjakan’izao tontolo izao, izay olona efa ho levona;
fa fahendren’Andriamanitra no torìnay,
dia fahendrena lalina tsy hita polopolorina,
izay voatendrin’Andriamanitra talohan’izao tontolo izao
hampahazo voninahitra antsika;
ary tsy nisy nahatakatra izany ny mpanjakan’izao tontolo izao
(satria raha nahalala izy,
dia tsy ho namantsika ny Tompon’ny voninahitra tamin’ny Hazofijaliana);
fa izany dia anisan’ireo zavatra voasoratra hoe:
Zavatra mbola tsy hitan’ny maso na mbola ren’ny sofina,
na mbola tafiditra tao am-pon’ny olona velively
no namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy.
Tamintsika no nanambaran’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahiny;
satria mahafantatra ny zavatra rehetra ny Fanahy,
na dia izay lalina indrindra ao amin’Andriamanitra aza.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao.
Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-37)
Tamin’izany andro izany i Jesoa
niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny Lalàna sy ny Mpaminany;
tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka.
Fa lazaiko aminareo marina tokoa,
fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany,
dia tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia iray
na tendrin-tsoratra iray akory aza,
mandra-pahatanterak’izy rehetra.
Koa amin’izany,
izay handika ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo,
ka hampianatra ny olona toy izany,
dia ho kely indrindra amin’ny Fanjakan’ny lanitra;
fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa
dia ho lehibe amin’ny Fanjakan’ny lanitra.Lazaiko aminareo,
fa raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna
sy ny Farisianina ny fahamarinanareo,
dia tsy hiditra amin’ny Fanjakan’ny lanitra akory ianareo.
Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:Aza mamono olona, ary izay hamono olona dia hohelohina amin’ny fitsarana.
Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny
dia hohelohina amin’ny Fitsarana.Ary izay hanao aminy hoe Raka, dia hohelohina amin’ny Sanedrìna;
ary izay hanao azy hoe Foka dia hohelohina any amin’ny gehen’afo.
Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin’ny ôtely ianao,
ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny namanao,
dia avelao eo amin’ny ôtely aloha ny fanatitrao,
ka mandehana mihavana amin’ny namanao
vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray.
Mihavàna faingana amin’izay manana ady aminao,
dieny samy mbola eo an-dalana ianareo,
fandrao atolotr’izay manana ady aminao amin’ny mpitsara ianao,
ary ny mpitsara kosa hanatitra anao amin’ny mpamatotra,
ka hatao an-tranomaizina ianao.
Lazaiko aminao marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao,
ambara-pandoanao ny variraiventy farany.Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:
Aza mijangajanga.
Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy,
dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.
Koa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao,
dia esory izy ka ario lavitra anao,
fa aleo zavatra iray amin’ny tenanao no very,
toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.
Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao,
dia tapaho ka ario lavitra anao,
fa aleo rantsam-batana iray amin’ny tenanao no very,
toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.
Ary koa efa voalaza hoe:Na iza na iza hisaotra ny vadiny,
dia aoka hanome azy ny taratasy fisaorana.Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra misao-bady, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany,
dia mampijangajanga azy;
ary izay hanambady ny voasaotra dia mijangajanga.Ary efa renareo koa fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:
Aza mianiana tsy to, fa efao amin’ny Tompo ny fianiananao.
Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory,
na amin’ny lanitra, fa seza fiandrianan’Andriamanitra izy;
na amin’ny tany, fa fandiavan’ny tongony izy;
na amin’i Jerosalema, fa tanànan’ny Mpanjaka lehibe izy;
na amin’ny lohanao, fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty
na dia singam-bolo iray akory aza ianao.
Fa aoka ny teninareo ho eny, dia eny; tsia, dia tsia;
fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay Ratsy”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao.
Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-22a. 27-28. 33-34a. 37)
Tamin’izany andro izany i Jesoa
niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Lazaiko aminareo,
fa raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna
sy ny Farisianina ny fahamarinanareo,
dia tsy hiditra amin’ny Fanjakan’ny lanitra akory ianareo.Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:
Aza mamono olona, ary izay hamono olona dia hohelohina amin’ny fitsarana.
Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny
dia hohelohina amin’ny Fitsarana.Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:
Aza mijangajanga.
Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy,
dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.Ary efa renareo koa fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:
Aza mianiana tsy to, fa efao amin’ny Tompo ny fianiananao.
Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory,
Fa aoka ny teninareo ho eny, dia eny; tsia, dia tsia;
fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay Ratsy”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ny firaisan-kina manova zavatra maro eo amin'ny fiainana. Ny sehatra rehetra misy fifandraisana, fifaneraserana dia ilàna firaisan-kina satria izany no fototry ny fandrosoan'ny tsirairay. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Nanomboka tamin'ny volana janoary teo ny fisoratana anarana ho an'ireo ankizy rehetra izay hiatrika ny Fihaonamben'ny Ankizy, andiany faha-3, hotanterahana eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo ny 27 hatramin'ny 30 jolay 2023... ♦ Ny 18 sy 19 febroary 2023 no hotanterahana, ny fihaonamben'ny Filankevitra amin'ny Fitondrana ny Vahoak'Andriamanitra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nifarana tamin'ny fivahinianana iraisam-pinoana tao amin'ny Mausolée John-Garang, Soudan Atsimo, ny Fitsidihana Apôstôlika faha-40, nataon'ny Papa François...
♦ Nankahery ny fianakaviam-be saleziana amin'ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fanabeazana ny tanora, ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, tamin'ny fankalazana ny fetin'i Masindahy Joany Bosco, ny talata 31 janoary 2023... ♦ Feno 25 taona katroka tamin'ny 31 janoary 2023 ny Radio Tsiry ao Fianarantsoa... ♦ Nanomboka ny 31 janoary 2023 ny fitsidihana apôstôlika faha-40 ataon'ny Papa François...
Ny faharerahan-tsaina dia miteraka famoizam-po. Ny famoizam-po mitondra ho any amin'ny famonoantena. Mba hisorohana zavatra maro dia ilàna fitandremana ny "faharerahan-tsaina". Fandaharana "Mba ho vanona" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Efa nivoaka ankehitriny ny vavaka ho an'ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy, andiany faha-3, izay hotanterahana eto Antananarivo ny 27 hatramin'ny 30 jolay 2023... ♦ Notontosaina omaly ny Eokaristia Masina ho fisaorana an'i Mgr Gustavo Bombin Espino, izay nitantana ny Diôsezin'i Mahajanga tao anatin'ny efa-taona... ♦ Notanterahana omaly ny Eokaristia Masina ho fisaorana an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, izay notendren'ny Papa François, ho mpiandry ondrin'ny Diôsezin'i Mahajanga...
Boky Jenezy (Jen. 3, 9-24)
Ny Tompo Andriamanitra niantso an’i Adama nilaza taminy hoe:
“Aiza moa ianao?”
Hoy ny navaliny:
“Nandre ny feonao tao anaty saha aho,
ka natahotra, fa mitanjaka,
ka dia niery aho.”
Ary hoy ny Tompo Andriamanitra:
“Iza no nahafantaranao fa mitanjaka ianao?
Moa nihinana tamin’ny hazo norarako tsy hihinananao va ianao?”
Hoy ny navalin-dralehilahy:
“Ny vehivavy izay napetrakao eto amiko
no nanome ahy tamin’ilay hazo, dia nihinana aho.”
Hoy ny Tompo Andriamanitra tamin-dravehivavy:
“Ahoana no nanaovanao izany?”
Hoy ny navalin-dravehivavy:
“Ny bibilava no namitaka ahy,
ka dia nihinana aho.”
Hoy ny Tompo Andriamanitra tamin’ny bibilava:
“Noho ianao nanao izany,
dia voaozona ianao amin’ny biby fiompy rehetra
sy ny biby rehetra eny an-tsaha:
hikisaka amin’ny kibonao ianao ary vovotany no hohaninao
amin’ny andro rehetra hiainanao.
Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy,
ny taranakao sy ny taranany:
izy hanorotoro ny lohanao,
ianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony.”
Ary hoy Izy tamin-dravehivavy:
“Hampitomboiko ny fijalianao, indrindra raha bevohoka ianao;
fijaliana no hiterahanao zanaka;
hankamin’ny vadinao ny fanirianao ary izy hizaka anao.”
Dia hoy Izy tamin-dralehilahy:
“Noho ianao nihaino ny tenin’ny vadinao
ka nihinana tamin’ny hazo norarako tsy hihinananao,
dia voaozona ny tany noho ny nataonao.
Asa mahasasatra no hahazoanao hanina aminy
mandritra ny andro rehetra hiainanao.
Tsilo sy hery no vokatra homeny anao;
ary anana eny an-tsaha no hohaninao.
Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina
mandra-piverinao amin’ny tany;
satria tany no nangalana anao,
fa vovoka ianao, ary hody vovoka indray.”
Ary i Eva no nataon’i Adama anaran’ny vadiny,
satria izy no renin’ny olombelona rehetra.
Nanaovan’ny Tompo Andriamanitra akanjo hoditra
i Adama sy ny vadiny dia natafiny azy.
Ary hoy ny Tompo Andriamanitra:
“Indro efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ny olombelona
raha ny amin’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
Fa amin’izao kosa aoka tsy haninjitra ny tanany izy
haka amin’ny hazon’aina koa, sy hihinana izany,
ka ho velona mandrakizay.”
Dia navoakan’ny Tompo Andriamanitra
hiala tao amin’ny sahan’i Edena izy,
mba hiasa ny tany izay nangalana azy.
Ka noroahiny ny olombelona ary nametrahany ny Kerobima
sy ny lelafon-tsabatra mihebiheby teo atsinanan’ny sahan’i Edena,
mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 89, 2. 3-4. 5-6. 12-13)
Mbola haizina ny tany, irony vohitra tsy àry,
ny tontolo zavozavo mbola tsy naterakao:
efa teo Ianao, ry Tompo, hany tokana mahefa,
Ilay tsy nanam-piandohana ka ho velona mandrakizay.
Nampodinao ho vovoka ny arin-tananao:
“Miverena hoy Ianao, ry taranaka voafetra.”
Toy ny aloka miserana aminao ny arivo taona,
tsidik’andro kely fohy, pitik’alina mimaona.
Moa tsy nofy indaosinao ka misinda vao maraina,
toy ny ahitra eny an-tsaha izay mandrobona mitsiry,
manipelana maraina vaky vony sy mijoro,
fa milofika malazo, very aina ny hariva.
Ampianaro anay, ry Tompo, ny manisa ny andronay;
atodiho fo fanahy mba hikatsa-pahendrena.
Miverena re, ry Tompo, aza ela fa tongava:
mangoraha ka tsinjovy mba ho soa ny olonao.
Aleloia. Aleloia.
Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 1-10)
Tamin’izany andro izany:
nony betsaka ny vahoaka sady tsy nanan-ko hanina
dia niantso ny mpianany i Jesoa ka nanao taminy hoe:
“Mampalahelo ahy ity vahoaka,
fa efa hateloana izay tsy nisaraka tamiko ka tsy manan-ko hanina;
ary raha ampodiko ho any an-tranony izy tsy mihinana
dia ho reraka eny an-dalana, fa avy lavitra ny sasany.”
Dia hoy ny mpianany namaly Azy:
“Aiza no hahitana mofo hahavoky ireo atý an’efitra?”
Ary Izy nanontany azy hoe:
“Manana mofo firy ianareo?”
“Fito”, hoy izy ireo.
Dia nasainy hipetraka tamin’ny tany ny vahoaka
ary noraisiny ny mofo fito,
ka nony vita ny fisaorana dia novakìny,
sy nomeny hozarain’ny mpianany,
ary nozarainy tamin’ny vahoaka.
Ary nanana hazandrano madinika vitsivitsy koa Izy,
ka notsofiny rano dia nasainy hozaraina.
Ary nihinana ny olona ka voky,
ary ny sombintsombiny sisa tsy lany nentiny dia nisy fito sobika.
Tokony ho efatra arivo anefa no nihinana; dia nampodiny.
Dia niondrana an-tsambokely niaraka tamin’izay Izy sy ny mpianany,
ka tonga tany amin’ny faritanin’i Dalmanotà.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco